Ticket omena fotsiny ,tsy mandoa vola an,aingana ....

1. niryna ( 01/03/2008 07:28)
Mizara "ticket"iray isan'olona an, omena fotsiny,tsy misy vola aloha,tsy misy filaharana ka tongava mijery ato raha fa ho faly sy ho ravo tokoa ny fonao ......(l)(l)(l)(l)(l)


Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,

23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. Gal 5: 22-23



Ireo no tadiavin'i kristy ho antsika tsirairay avy.Tsy mitady vola Izy,iray isan'olona ihany satria hianao irery ihany no havotanao fa tsy misy ankitrano antrano.Tsy mila milahatra fa raha mino Azy tokoa hianao ka mibebaka na inona na inona izany fahotana izany dia ho dioviny ary dia ho voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana ny anaranao.Mahazo" ticket" tsy mandoa vola izany isika sady tsy mila milahatra na mila zavatra hafa fa manaiky Azy ho Mpamonjy .:D

Tsy mahazo "ticket" kosa raha ohatra ka tsy miova isika :arrow:tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.:oops:
19 Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijefojejoana,

20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,

21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.


Ireto no santionany kanefa raha miaiky ny fahotantsika isika dia hamela antsika tokoa izy ary
dia mahazo "ticket " indray avy eo :D:D :arrow:hidirana any an-danitra.
Tsara fahany tokoa anie Atra izany e.

15 Fa raha mifandramatra sy mifampihinana hianareo, tandremo fandrao mifandringana.

16 Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo hianareo.

17 Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo.

18 Fa raha tarihin'ny Fanahy hianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna. Gal 5
2. nandrianina1 ( 01/03/2008 08:13)
atadiavako soratra iray itako t@ gazety zay le itondrn\'ny niryna le resak, hozy le iz we \"gazety omena maimai-poana ho an\'zay mandoa 1000fr\":-D


3. nandrianina1 ( 01/03/2008 08:18)
ty zao azo tohizana tsara @le hevitra atsy ambadik asty we"aona ny fijerinao ny tenanao?"
4. ainaheri ( 01/03/2008 08:41)
neveriko fa ticket transpôro za efa korazy ery,andé bôjo ndray elà zany ra ainaheri:roll::-/
5. yonikafopl ( 01/03/2008 09:17)
ainaheri hihihihih za kou mba nihevitra fa tick mande any zamerika de maika ery za hanokatra :-D
6. fahamarinana ( 01/03/2008 09:54)
ainaheri:

neveriko fa ticket transpôro za efa korazy ery,andé bôjo ndray elà zany ra ainaheri:roll::-/


:arrow: ainaheri :iny koa no tsy hitako,(l)
7. Kwasi ( 01/03/2008 11:12)
Ireto no santionany kanefa raha miaiky ny fahotantsika isika dia hamela antsika tokoa izy ary
dia mahazo "ticket " indray avy eo hidirana any an-danitra.
Tsara fahany tokoa anie Atra izany e.


Impiry moa izany no tokony hiaiky heloka mba hi-assurena an'ilay ticket?
8. yonikafopl ( 01/03/2008 11:20)
Kwasi , miaiky androany de manota rapitso de miaiky njay , de manota njay de miaky njay am manaraka de manota njay , de zay fooooonaaaaaaaaa

Izay le maha KRISTIANA izay
Mila manota fona mba hisian'ny fangataham-pamelana.Raha tsy manota manko inona no antony hivavahana?????:roll:
9. ikaretsaka ( 01/03/2008 14:46)
yonika sy kwasi...
hihihi ieeeee...
misy Xtianina tokoa manao io nolazainao io...
le mijoro vavolombelona ireny matetika
ny mahamenatra dia iny zavatra nifonany iny tsara mihitsy no mbola ataony aorianan'ny nangatahany famelana an!

hoe avelao ny heloko jesosy fa nanao izao sy zao aho dia hoe faly fa voavela heloka aleloia
kanjo le heloka nangataha-pamelana iny ihany no averina..

misy sangisangy "filmE" izay hoe: miaramila nanao didiko fe lehibe @ miaramila hafa feheziny izy .. "dia nilaza fa nahita an'i jesoa ka nihaiky ny fahotany dia niova ho pasitera na diakona na sekta ...... nefa manao didiko fe lehibe @ mpiangona avy eo ...
inona no tena niova
tsy miala an'ankatso dia ambohidempona???
10. ikaretsaka ( 01/03/2008 15:16)
tadidiko t@ andron'ireny le revolitionina sosialista be ireny tany @ tanana dia le 20ar dia nahazo t shirt arema t@ izany (le misy sarin'ilay raika lahy taloha iny ao aloa sy afaran'ilay t shirt)

ny pub t@ izany tery atampon'ny tohatohabaton'Antaninarenina: omena fotsiny ho an'ireo mandoa 20 ooooo
11. niryna ( 01/03/2008 18:30)
nandrianina1:

atadiavako soratra iray itako t@ gazety zay le itondrn'ny niryna le resak, hozy le iz we "gazety omena maimai-poana ho an'zay mandoa 1000fr":-D






=)) nothing is free !! tsy misy zavatra omena fotsiny izany e.fa amin'ity indray mitoraka ity indray dia omena fotsiny sady ilay volantsika koa anie an'Azy ihany no nomeny ampiasaintsika saingy hoy Izy hoe tsy maninona fa ny rako no efa nataoko vidin'ilay ticket ho an'izay rehetra MINO AHY.
aingana fa efa miandry eo ambavahady Izy Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. Jaona 10:9 :D
12. niryna ( 01/03/2008 18:32)
nandrianina1:

ty zao azo tohizana tsara @le hevitra atsy ambadik asty we"aona ny fijerinao ny tenanao?"


marina tokoa izany nandry a,ary dia mitohy foana ny fitoriana azy,hangony aingana ny ondry fa manana mpiandry ondry tsara fanahy isika

Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry. Jaona 10:11 :P
13. niryna ( 01/03/2008 18:36)
ainaheri:

neveriko fa ticket transpôro za efa korazy ery,andé bôjo ndray elà zany ra ainaheri:roll::-/

ticket transport hitondra antsika ho any an-danitra io ary efa voasoratra ao anatin'ny boky ny anarantsika sy ireo izay mbola te hiditra,soa ihany fa maro ireo anjely manoratra ny anarana,soa ihany fa tsy misy vola ary na dia nanao fahadisoana (maty ny fanahy)ka mibebaka(velona indray )dia raisiny foana satria izy no fananganana amin'ny maty

Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Jaona 11:25

14. niryna ( 01/03/2008 18:40)
yonikafopl:

ainaheri hihihihih za kou mba nihevitra fa tick mande any zamerika de maika ery za hanokatra :-D

dia tonga soa hianao ary aza miverindalana intsony,antson'Atra ho anao anio,miandrasa kely fa omeny ticket hianao satria Izy efa miandry eo ambaravarana :D ary dia ahazo mofo tokoa ka ho voky ny fanahinao ,miandrasa kely fotsiny aloha an

Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Jaona 6:35
:-*
15. yonikafopl ( 01/03/2008 18:49)
niryna aza omena ticket hafa aho afa tsy ny ticket mankany zamerika an.:wink:
16. ikaretsaka ( 01/03/2008 18:56)
TDM 2 ity le
Tonga de Mahazo Ticket

pasio indray ny seza sy ny Vandro
17. Kwasi ( 01/03/2008 20:02)
Mety lany daty ve ilay ticket?
18. yonikafopl ( 01/03/2008 20:34)
ika hihihihihih

niryna, ticket TDM mankany zamerina no ilaiko,fa ra tsy zany , an an an ,omeo olonkafa ny ticketinao.
19. fahamarinana ( 01/03/2008 20:51)
:arrow: Za kosa mila ilay ticket lazain'ny niryna kah :Tonga Dia Mankany amin'ny fiainana mandrakizay saingy mbola misy lalana betsaka tsy maintsy handalovako sy sedraiko aloha,ho vitako ve toka ve? (l)
20. ikaretsaka ( 01/03/2008 21:15)
De...... maimaimpoana iznay sa misy sandany rehefa dinihina?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0826