Ahoana ny hevitrareo?

1. LazaDaddy ( 20/02/2008 23:21)
Resaka matetika fanao eto, ary iraisan'ny besinimaro, rehefa miady hevitra momba ny Baiboly ny hoe: "jereo aloha ny dikateny Grika sy Hebreo" niandohana.

Misy anefa ireo hita sy manaiky fa ny baiboly ampiasainy dia tsy mifanaraka amin'ny dikateny Grika niandohana, fa mirakitra andalana "nasisika".

1) Ahoana ny hevitrao?
2) Ahoana ny voalzan'Andriamanitra momba an'io?

http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m47ba90c4bc124 ohatra
2. cutie ( 20/02/2008 23:33)
iza no mahalala ze voalazan'Atra any :-D
3. ikaretsaka ( 20/02/2008 23:56)
arakaraka ny nandraisanao ilay hevi dalina voaraikitra io.. na ara keviny ilay izy na ara tsindroka..

raha miteny ianao ohatra hoe zahay sy rafotsy.. (
4. LazaDaddy ( 21/02/2008 01:19)
Izao ary ilay ohatra voalaza ao :)

Ity ny nadika avy tamin'ny "original":
Fa misy telo no manambara, dia ny fanahy sy ny rano sy ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo ireo

Dia ito ilay izy rehefa nanasisihana fanampiny:
Fa misy telo no manambara[any an-danitra, dia ny Ray sy ny Teny sy ny Fanahy Masina; ary izy telo ireo dia mifanaraka. Misy telo koa no manambara ety an-tany]dia ny fanahy sy ny rano sy ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo ireo
5. LazaDaddy ( 21/02/2008 01:23)
lava be ilay nasisika e? (raha nisy kely dia nitovy halava amin'ny hevitra aroson'ny namana eto:) )

any an-danitra, dia ny Ray sy ny Teny sy ny Fanahy Masina; ary izy telo ireo dia mifanaraka. Misy telo koa no manambara ety an-tany

1) Ahoana ny hevitrareo?
2) Ahoana ny voalazan'Andriamanitra?
6. ikaretsaka ( 21/02/2008 02:45)
dia averiko @ LD ary e e.. inona ny tian'ny Grika lazaina sy symbolizena @ hoe FAnahy, Rano, Ra?!

raha raisina tsy hoe Spirit , blood, and water, ilay izy

Nareo nama ohatran'ny tsy olona tsy kobo hoe ny gasy aza mba nahalala manao hoe nilatsaha-potaka le, maty tsy tra drano sy fotsy varavarana ....


dia fotaka tokoa no nilatsaka de rano tokoa ve ilay tsy nahatratra ilay maty dia fotsy tokao ve ilay varavarana?

tahaka izany io @ teny grika , gasy aza tsy nanana ny fahendrena grika...


izay ilay hoe aza adikadika foana fa jereo aloha ny heviny!

sao hanao cette pousse pousse boeuf 3 personnes eo koa ianao
7. LazaDaddy ( 21/02/2008 03:42)
ikaretsaka> fa inona no mahazo an'ise? Izaho anie mbola vao nanotany hevitra e :)

dia ahoana indray ilay noforonina na nasisika hoe any an-danitra sy ilay hoe ety an-tany?
8. ikaretsaka ( 21/02/2008 03:48)
de io ny hevitro ko
9. LazaDaddy ( 21/02/2008 03:52)
dia ahoana indray ilay noforonina na nasisika hoe any an-danitra sy ilay hoe ety an-tany?




10. ikaretsaka ( 21/02/2008 03:56)
ka ety an tany tahaka ny any an-danitra
11. LazaDaddy ( 21/02/2008 06:31)
ikaretsaka:
ka ety an tany tahaka ny any an-danitra
:-D:-D:-D


12. xxx ( 21/02/2008 06:49)
efa mahay lesona kosa ralaza zany:-D
13. ikaretsaka ( 21/02/2008 13:46)
tsy misy Fanahy rano ra ara materialy tahaka ny fahita eto an-tany any an-danitra ry LD dia azavaina tsara sao miroroa saina ny olona..
arak'heviny ohatran'io fanazavana io ambony io le izy..

Mila mianatra ny Mystique koa ianao, le corps mystique...
14. soanja ( 21/02/2008 14:20)
Izany no milaza fa tsy harifomba ny baiboly sady mikorontana no samy nanao izay saim-pantany ny mpanoratra.

Omeko anao miandalana avy ny zavatra nasisika tamin'ny baiboly ary inona no mahatonga ny tsy fitovian-kevitra aminny samy Xtianina izay mampalahelo tokoa.

15. Veloo ( 21/02/2008 14:52)
LazaDaddy [ Valio ] 21-02-2008 04:42:59
Lohateny : Re : Ahoana ny hevitrareo?
ikaretsaka> fa inona no mahazo an'ise? Izaho anie mbola vao nanotany hevitra e


:-D:-D:-D:-D^:^
16. ikaretsaka ( 21/02/2008 15:42)
ka namoaka hevitra aho koooo:-D:-D:-D
17. LazaDaddy ( 21/02/2008 20:44)
soanja:
Izany no milaza fa tsy harifomba ny baiboly sady mikorontana no samy nanao izay saim-pantany ny mpanoratra.
tsory hoe ny baiboly "besisika" no tian'i soanja resahina...

soanja> avoahy amin'izay ny coran ary e =))=))
18. fijo ( 21/02/2008 21:07)
Momba tanteraka io voalazan'i soanja io aho,ary manaiky koa ilay voalazan'i cutie hoe:"za no mahalala ze voalazan'Atra any "

izao mantsy.za tsy mahay teny grika na hebreo na arameana na latina.

fa mba mpamaky boky mikasika io finoan aio ihany aho;ary fantatro fa maro no zavatra,nalatsaka sy nasisika amin'io boky io.aza hadino,fa boky natao hirakitra ny fomba jiosy io tamin'ny voalohany,ka izay hita fa mety hanimba izany fomba izany dia nalatsaka,ary izay tsapa fa hanatsara azy dia nasisika;
19. ikaretsaka ( 21/02/2008 21:14)
izay koa izao antony 1..
20. fijo ( 21/02/2008 21:17)
aza hadino koa ,fa ilay boky protes aza anie ka nandatsaka izay tsy azokazony e.

izay no hilazako hoe interpretation daholo io,ary satria isika tsy nahita izay marina tany dia na samy marina na samy diso
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3393