namadika an'i lery marina ve i jodasy???

1. fijo ( 19/02/2008 21:29)
io moa no lohatenin'ilay fandaharana tamin'ny alahady tolakandro tao amin'ny la2.
ny mpandray anjara tao dia maro ny mpanoratra boky sy mpahay tantara,fa nisy pretra 3 koa tao dia :
-pere Hérvé Giraud
-pere Henri de ville franche
-pere Alexis le proux
nisy mpitsabo iray koa
dia i dokotera charlier philipe.

ny resaka voalohanydia ny antony nanenjehana an'i lery(jesoa).

raha ny filazan'ny mpahay tantara,dia isan'ny nanenjehana an'i jesoa ny fiezahany hanova ny fomba jiosy.
izy dia voalaza fa nitory ny tokony tsy hisakanana ny fiasana ny andro asabotsy.
ary nitory koa ohatra ny tsy tokony hanavahana ny mponina sasany tsy jiosy nisy tany.
io fiezahany hanova ny rafitra nisy hatry ny ela io dia nanelingelina ny loandohan'ny mpisorona jiosy ,ary nitarika fankahalana azy.

fantatra koa moa fa tamin'izany fotoan aizany dia ny roman ano nanjaka tany israely,ka ny fahitan'ny romana fa be ny mpanaradia azy,dia nitarika ahiahy ny hisian'ny fanakorontanana tao israely.
2. LazaDaddy ( 19/02/2008 21:35)
Fijo ah, efa matory angaha ny angelin'ise no toa ise mihitsy no misolo tena azy? :)
3. xxx ( 19/02/2008 21:36)
ka ahoana ny hoe:oroka ve no amadihanao ny zanak'olona, misy dikany be io. Hitako io fandaharana io, ny filazana hoe incarnation du mal no tsy laviko fa raha hoe leiry namadika dia mazava.:evil::°)
4. fijo ( 19/02/2008 21:37)
ny fiarahamonina tao amin'ny mpianatra.
araka ny voalazan'ireo mpandray anjara,tao dia
nanaradia an'i jesoa ny mpanany,nefa tsy di anahalala akory ny tena tanjona izay nitondrana azy.
hoy i pere H de ville franche:"nanaradia azy ny pianany ,nefa tsy nahalala akory izay tena tanjona"
ary io pretra io ihany no nilaza fa i "jodasy irery no mpianatra niavaka sy nahatakatra ny tian'i jesoa hitondrana azy ireo".ary izay hoy izy no antony nahatokisan'i jesoa azy ,ka namelany azy hitantana ny volan'ny "ekipa"
io pretra io ihany koa no nilaza,fa raha nahalala ny mpianatra fa hisy hamadika i jesoa,dia natahotra sy nikorontana ry zareo.ary nifampiahiahy.(io moa dia mazava amintsika ngamba,fa na isika aza no tao ,nikorontana ihany koa)

nisy fifampialonana koa hoy izy tao amin'ny samy mpianatra,ka samy te ho ita sy te anao izay ahatsapany fa izy no tena tia an'i jesoa.
5. rabingogilabanga ( 19/02/2008 21:40)
Dia inona ny idiran'ny fahamarinan'ny namadihan'ny jodasy, na tsia ; @ le hoe nitady hanova ny fomba jiosy,

Tu as l'objection dans la conscience, de kritika daholo ny rehetra
6. fijo ( 19/02/2008 21:46)
ny antony namadihan'i leryan'i jesoa;

eto no tena ady hevitra tao.

i jodasy aloha,araka ny filazan'ny mpahay tantara,dia tsy nitovy fiaviana tamin'ireo mpianatra sasany.izy koa dia isan'ny mpanohitra ny fanjakazakan'ny romana,saingy ny azy dia fanoherana "amin'ny hery"no tanjony.ka raha nahita an'i jesoa izy ,dia nihevitra fa i jesoa ilay mesia voalazan'ny mpamonany hanafaka ny zanak'israely.
saingy taty aoriana izy dia nahatsapa fa tsy nitovy firehana izy sy jesoa ka izay no "mety" antony namadihany azy.
voalza koa fa ,nataony io famadihana io satria nihevitra izy ,fa raha voasambotra i jesoa dia hisy korontana sy hietsika ny vahoaka,ka izay no zavatra nandrasany.

i pere Alexis le proux moa dia nilaza fa "i jodasy no mpianatra tian'i lery inrindra,ka izay no mety ho nankahalan'i jaona azy.
7. ikaretsaka ( 19/02/2008 21:47)
ny ahy koa aloha ny principe-ko dia hoe nisy namadika izy fa na i jodasy io na i filipo .... tsy any ny olana
8. fijo ( 19/02/2008 21:53)
ireto ary no hevitra naroson'ny mpandray anjara tao momba ny fiarovany ny heviny.
-raha nilaza ny fiangonana,fa vola 30 no namadihan'i jodasy an'i jesoa ,dia tsy mitombona izany,satria i jodasy no mpitambola ny "ekipa"ka mora taminy ny nitondra ny vola nitsaoka ,rah avola no atao hoe tanjona tamin'ilay famadihana.

ny filazana koa fa hoe "ilay horoka"no namadiany azy,izany hoe nampahafantarany ny mpiambina fa io ilay jesoa,dia tsy mitombona,satria i jesoa dia efa hain'ny rehetra,ka tsy mila atoro akory hoe ity ilay izy.

ary tao koa ny nilaza fa ,"i jesoa anie dia efa nanambara mialoha,fa hisy hamadika izy ary hovonoina"ka raha zavatra efa nambarany sy efa hainy mialoha,dia tsy nisy famadihana izany fa fiarahana "tsikomba"komplisy no nisy.ny famadihana,dia fanaovana zavatra tsy hain'ilay hoavadika.eto efa hainy ary efa nambarany ilay zavatra hitranga.

farany dia misy ilay filozofia agnosta ,milaza fa ny vatana dia mamatotra ny fanahy.ka i jesoa dia naniraka an'i jodasy izay mpianatra tiany indrindra hanavotra azy,hiala io vatana mifehy azy io.

izay raha fintinina ny resaka tao.ka alefa amin'izay ny adyhevitra.
hialakotsiony ny sasany fa tsy mbola vita ny tatitra dia efa naneho hevitra.
9. fijo ( 19/02/2008 21:58)
ity misy tenin'i pere Alexis le proux somary nisarika ny saiko:
"rehefa avy nandinika ny evanjilin'i jaona aho,dia nahatsapa fa i jaona no tena nanaratsy sy nanameloka an'i jodasy.
i jodasy koa no mpianatra tian'i jesoa indrindra satria nisaina noho ny namany.ary farany,dia aoka "hoy izy "tsy hoadinontsika,fa i piera koa di anamadika an'i jesoa in telo,nefa di aizy no lasa lehibean'ny fiangonana"io teniny farany io dia tena nisarika ny saiko.
io pretra io ve manaiky ilay filozofia milaza fa ny vatana di amanagadra ny fanahy ao aminy ,ka mila vonoina ilay vatana hanjakan'ilay fanahy????
10. rakapy ( 19/02/2008 22:01)
Vinanavina avokoa ireo fa ny marina dia film efa tsara petraka avy any ambony io ka i Rajodasy no hipetrahan'ny blem:-D:{:-D:{:-D.Efa fantatra fa ho teraka i Jesosy ary efa fantatra fa ho vonoina ! dia mbaola mitady hevitra ahoana koa ary nareo izany?:{:-D:{:-D:{
11. fijo ( 19/02/2008 22:03)
rabingo an,rehefa voavakin'ise daholo ilay tantara dia mety itan'ise ihany ny valin'ilay fanontanian anapetrak'ise.
ny antony nanarahan'i jodasy an'i jesoa ,dia satria tsapany fa i jesoa dia nikasa hanova ny finoana sy ny fomba nisy.nanatena izy izany fa io ilay mpanafaka efa voalzana'ny mpamonany.
kay tsapany avy eo fa tsy mitovy loatra ilay tanjona.mazava ngamba izay.

aoka aloha hazava fa mitatitra io fandaharana io aho eto,fa tsy hisy hilaza indray hoe i fijo no nilaza izao...
12. rabingogilabanga ( 19/02/2008 22:05)

Fantatrao ve ny dogma ny christianisme?

raha manana andro sy fotoana hiresahana i toi, dia io no discuter-vo

fa ny hoe jodasy, na tsy jodasy, ça te mène où?
13. fijo ( 19/02/2008 22:07)
eto dia tohizako io voalazan'i rakapy io.
hoy Raphael drai:"jodasy di anatao hisolovaika ny akalana,fa zavatra efa voalahatra ny zavatra hitranga"ary dia nazavainy be moa fa i jodasy dia nataon'ny fiangonana lalana hanaratsiana ny jiosy hoe namono an'i jesoa.ary araka ny voalazany,eto ianareo katolika hanamarina raha nisy tokoa izany.fa talohan'ny cosily ny vatikaII dia nisy vavaka nataon'ny katolika mihintsy hanaratsiana ny jiosy.fa i piXI no nanafoana io vavaka io.
14. fijo ( 19/02/2008 22:10)
ô ry akama rabingo an,milaza ny zavatra nojereko aho,ary vakio tsara fa efa nomarihiko tsara io ambony io,fa tatitra no ataoko fa tsy hilaza hoe hevitro ireo.mamakia tsara aloha de ampiasao ny saina.

ikaretsaka.ahoana ny fahitan'ialahy ilay voalaza hoe "tsy nisy ny famadihana satria zavatra efa hain'i jesoa ny zavtra hoatao azy????????"famadihan atokoa ve tsy midika fa zavatra tsy hay no hitranga???
15. ikaretsaka ( 19/02/2008 22:11)
rakapy:

Vinanavina avokoa ireo fa ny marina dia film efa tsara petraka avy any ambony io ka i Rajodasy no hipetrahan'ny blem:-D:{:-D:{:-D.Efa fantatra fa ho teraka i Jesosy ary efa fantatra fa ho vonoina ! dia mbaola mitady hevitra ahoana koa ary nareo izany?:{:-D:{:-D:{


mitovy fijery amin-drakapy aho eto...
za kao dia manao an'io hoe i rajodasy no nipitihin'y fotaka, fa ny ahy na Rafilipo io na ra bartolome na i rajodasy ..

le principe hoe nisy namadika izy de Izay. Izay ny plotn'ilay film

Otran'ny film rehetra io.. i Jodasy no lasa caractere mi jouer ilay film dia izay izany...
Raha theologie hoe tsisy namadika izy no aroson'ialahy dia eo ao no miady hevitra hoe tsy iznay le film satria tsy izany no nanoratan'ny mpanoratra azy
16. fijo ( 19/02/2008 22:15)
raha izay dia tsy tokony naratsiana i jodasy satria mpamita hiraka fotsiny.
ary nahoana no samy namadika an'i jesoa i piera sy i jodasy,nefa i jodasy voaheloka ratsy,moa i piera lasa lehibean'ny fiangonana????
17. ikaretsaka ( 19/02/2008 22:26)
dia toy ilay film koa io e..
naninona le sipa nanampy an-drambo maty fa lery lasa midefile be ohatran'ny hero ?

fa raha araka tantara dia le fomba niverenany avy namadika no samihafa ilay nanao ny asan'i jodasy izany avy namadika dia tonga saina de ... kivy de niraviravy tanana de nanaton-tena... tsy
fa rapiera namadika tonga saina fa...

"consolation" sy "desolation" io letsy e
18. fijo ( 19/02/2008 22:32)
eto amin'ny resaka nahafaty an'i jodasy koa dia mbola tsy mazava ny marina.
satria misy mpahay tantara eto milaza fa tsy nianjera izany izy na nanantona tena,fa novonoin'ny mpianatra sasany.eto koa dia tezy azo heverina ho lojika io filazana fa nisy namono io,satria ny "jiosy aza hadino fa samy jiosy jodasy sy jesoa" dia tsy mamono tena izany.indrindra tamin'izany fotoana izany.

ny filazana fa namadika i jodasy sy ny hoe namono tena izy,dia samy tantara azontsika avy amin'ny dika nataon'ny fiangonana.
19. ikaretsaka ( 19/02/2008 22:36)
any @ Filazan-tsaran'i jodasy de miteny izy hoe nananton-tena ka.
Ny jiosy rehefa resaka henatra dia manao lohana japoney ka...
adinon'ialahy angaha ny tantaran'i Masada! aleony manao sucide toy izay hitono tena
20. fijo ( 19/02/2008 22:39)
masada tsy namono tena fa tsy nivoaka ny fefy tao ry zalahy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2937