namadika an'i lery marina ve i jodasy???

61. rakapy ( 22/02/2008 03:28)
Ilay izy anie ka tsy paoma fa goavy no tena marina:-D:-D:-D
62. ikaretsaka ( 22/02/2008 03:30)
kozy ve izany ralaza??
63. soanja ( 22/02/2008 04:32)
fijo:

io moa no lohatenin'ilay fandaharana tamin'ny alahady tolakandro tao amin'ny la2.
ny mpandray anjara tao dia maro ny mpanoratra boky sy mpahay tantara,fa nisy pretra 3 koa tao dia :
-pere Hérvé Giraud
-pere Henri de ville franche
-pere Alexis le proux
nisy mpitsabo iray koa
dia i dokotera charlier philipe.

ny resaka voalohanydia ny antony nanenjehana an'i lery(jesoa).

raha ny filazan'ny mpahay tantara,dia isan'ny nanenjehana an'i jesoa ny fiezahany hanova ny fomba jiosy.
izy dia voalaza fa nitory ny tokony tsy hisakanana ny fiasana ny andro asabotsy.
ary nitory koa ohatra ny tsy tokony hanavahana ny mponina sasany tsy jiosy nisy tany.
io fiezahany hanova ny rafitra nisy hatry ny ela io dia nanelingelina ny loandohan'ny mpisorona jiosy ,ary nitarika fankahalana azy.

fantatra koa moa fa tamin'izany fotoan aizany dia ny roman ano nanjaka tany israely,ka ny fahitan'ny romana fa be ny mpanaradia azy,dia nitarika ahiahy ny hisian'ny fanakorontanana tao israely.


Araka izay voalaza moa ry Fijo dia nohon'ny tsy fahampian'ny fanazavana sy ny teny fijery mazava momban'ny soratry ny baiboly dia mifangaro tokoa ny zava-drehetra. Ary samy manana ny fahitany azy ny olona.

Ny tena azoko ambara anefa dia efa nomanina handalo ireo rehetra nandalovan'i Jesoa io ny sainy sy ny eritreriny io Jesoa no resahiko eto, raha mino ny atao hoe Fandaharan'Andriamanitra ianao an! Io anie ny mission-ny ety an-tany e. Hanolotra ny aina ho hanavotana antsika! Ho soloin'ny sorona izay fanao tamin'andro taloha faha- abrahama sns... hanafaka ny otantsika, hanadio antsika.

Ka ny ankoatr'izay dia resabe avokoa fa ny tena votoatiny no ilana jerena. Raha ijery ny antsipirihany mantsy dia ahita ianao fa hanontany hoe nahoana ary i Kaina no navela hamono ny rahalahiny nefa tamin'izany izy mirahalahy tokony samy hotiavin'Andriamanitra avokoa fa tsy hoe ity tiana kokoa ity tsy tiana sns... Tsy any ny resaka. Na hoe nahoana no navelan'Andriamanitra nofitahana ny rain'i Jakoba?

I Jodasy dia nanao ny adidiny tandrify azy nifandraika tamin'ny nanirahan'Andriamanitra an'i Kristy. Tsy anjaran'iza n'iza no hitsara fa Andriamanitra irery ihany no mahalala ny mety monba azy.

Eto aho dia hilaza fa minoa fotsiny ihany satria Andriamanitra dia tia antsika tokoa.


64. fijo ( 22/02/2008 21:07)
izay izao dia efa fomba fijery hafa.tsy avy dia manameloka fa mamela malalaka ny fomba fahitan'ny tsirairay azy.
65. ikaretsaka ( 22/02/2008 22:55)
Izay!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0376