Jesosy irery fotsiny ihany dia ampy :)

1. LazaDaddy ( 18/02/2008 22:15)
Ampy amin'ny lafiny tsara rehetra...tsy ampiana ny fanahin'ny razana, sary sikotra, sampy le, diplaoma, fombafomba, tsianjery, ...

Jesosy Irery Ihany, Filazan-tsara soa :)
2. Veloo ( 18/02/2008 22:18)
Misaotra tompoko
3. cutie ( 18/02/2008 22:34)
hirao kely we io hira io :)
4. LazaDaddy ( 18/02/2008 22:52)
cutie> tian-dry angaha ny fiirako?
5. ikaretsaka ( 19/02/2008 01:45)
LazaDaddy:

Ampy amin'ny lafiny tsara rehetra...tsy ampiana ny fanahin'ny razana, sary sikotra, sampy le, diplaoma, fombafomba, tsianjery, ...

Jesosy Irery Ihany, Filazan-tsara soa :)


marina.. hamenoana ny fahalalana an'i Jesoa bebe kokoa aby ireo fanahy sns lazainao ireo rehefa hainao ny mampiasa azy miaraka amin'y fanahinao hitadiavana Azy

6. LazaDaddy ( 19/02/2008 01:47)
Jesosy irery fotsiny ihany dia ampy
manana ny Fanahiny Izy fa tsy mila famenony :)
7. LazaDaddy ( 19/02/2008 02:16)
ikaretsaka:
hamenoana ny fahalalana an'i Jesoa bebe kokoa aby ireo fanahy sns lazainao ireo
i Jesosy irery ihany ny ahy ka :) ...manana ny Fanahiny Izy ary ampy ahafantarako Azy izay...Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon'olona afa-tsy ny fanahin'ny olona izao ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany. :)
8. ikaretsaka ( 19/02/2008 02:44)
LazaDaddy:

Jesosy irery fotsiny ihany dia ampy
manana ny Fanahiny Izy fa tsy mila famenony :)


ianao no lazaiko fa tsy izy...
mila mpanampy ianoa hahazoanao ny fanahiny!
9. ikaretsaka ( 19/02/2008 02:46)
mila mahay mamaky ny momba azy, mivavaka aminy.. ary indrindra mamantatra Azy aloha
art koa manko io raha 1 io fa tsy naniry ohatran'ny ananana...
(mitango ananana aza mbola ianarana)
10. LazaDaddy ( 19/02/2008 02:50)
ikaretsaka:
ianao no lazaiko fa tsy izy...
mila mpanampy ianoa hahazoanao ny fanahiny!


ikaretsaka:
hamenoana ny fahalalana an'i Jesoa bebe kokoa aby ireo fanahy sns lazainao ireo
i Jesosy irery ihany ny ahy ka :) ...manana ny Fanahiny Izy ary ampy ahafantarako Azy izay...Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon'olona afa-tsy ny fanahin'ny olona izao ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany. :)



11. ikaretsaka ( 19/02/2008 02:50)
fanoharana : amin'ny pataloha sy ny akanjo io ry LD an... mety miheritreritra ianao hoe tsy mitanjaka ianao rehefa manana pataloha sy akanjo....
fa ilaina hainao ny mampiditra pataloha sy akanjo... raha tsy iznay mitovy @ tsy manana pataloha sy akanjo ianao..
sao ohatra ny aoriana no lasa aloha... na ny bragety lasa vozon'akanjo!

izay no ilaina ilay fahaizana kely pitsopitsony....

12. LazaDaddy ( 19/02/2008 03:07)
ikaretsaka:
hamenoana ny fahalalana an'i Jesoa bebe kokoa aby ireo fanahy sns lazainao ireo
izay no novaliako hoe Ampy ahafantarana Azy ny Fanahiny fa tsy mila ampiana :) ... satria tsy misy mahalala ny ao am-pony afa-tsy ny Fanahiny ihany.
13. ikaretsaka ( 19/02/2008 03:12)
ka le fahazoaa ily fanahiny sy ny fahalalana io fanahiny io indrindra no ilaina ily fanampiana...
mitan-tsotro aza ianarana:wink:
14. LazaDaddy ( 19/02/2008 03:16)
ikaretsaka> dia ny fanahin'ny razana ve no heverinao fa hanampy azahoanao ny Fanahy masin'i Jesosy?
15. LazaDaddy ( 19/02/2008 03:17)
tsy misy mahalala ny ao am-pony afa-tsy ny Fanahiny ihany.
Jesosy Irery Ihany :)
16. rakapy ( 19/02/2008 05:37)
Laza> fa angaha raha hangataka @ fanahin'ny razana dia ampadalovina an'izany anaran'i Jesosy izany mihintsy!
Tonga dia dinganina any mihintsy ny anarany. Mitovy aminao rehefa mangataka fahasoavana @ jesosy. Tsy hiteny ny anaran'ny razana mihintsy ianao? :^):^):^)
17. LazaDaddy ( 19/02/2008 05:49)
rakapy:
Mitovy aminao rehefa mangataka fahasoavana @ jesosy. Tsy hiteny ny anaran'ny razana mihintsy ianao?
=D=D=D
Jesosy irery fotsiny ihany dia ampy :)
18. niryna ( 19/02/2008 05:53)
LazaDaddy:

Ampy amin'ny lafiny tsara rehetra...tsy ampiana ny fanahin'ny razana, sary sikotra, sampy le, diplaoma, fombafomba, tsianjery, ...

Jesosy Irery Ihany, Filazan-tsara soa :)



=D=D^:^^:^
* Izy no mpisorona be hiaro antsika izay mino Azy.
*Mpanelanelana antsika amin'Atra Izy
*Izy no voaloboka,isika no sampany ,tsy afaka mamoa ny finoantsika raha tsy miaraka Aminy
*Izy no lalana,fiainana ary fahamarinana
*Izy no varavarana hidirantsika any an-danitra
*Izy no mofon'aina hiveloman'ny olona izay mino Azy
*Izy no fitsanganan'ny tena amin'ny maty
*Ary Izy ihany koa no mpiandry ondry tsara.
Mitady inona indray isika ? Manatona Azy dia ataony ho tanteraka sy ho lavorary ny fiainanao.
[B]Andramo ka zahao fa tsara Izy,ary mandrakizay ny famindram-pony[/b]

Isaorana Atra izay nonomeny ny Zanany hanavotra antsika rehetra ho afaka amin'ny fahotana
Isaorana i kristy izay mitia antsika ary nanavotra ny ainy noho ny fahotantsika
Isaorana ny Fanahy Masina izay mampianatra antsika ny tenin'Atra ,miaro antsika,manavotra antsika,manitsy antsika andeha amin'ny fahamarinana

HO AN'ANDRIAMANITRA ANIE NY DERA SY LAZA ARY NY VONINAHITRA .NY FAHASOAVAN'NY TOMPO ANIE NO HIDITRA AO AMINTSIKA TSIRAIRAY AVY.MINOA FOTSINY IHANY DIA HO VOAVONJY HIANAO SY NY ANKOHONANAO.
19. Fody ( 19/02/2008 13:17)
Voalahonany aloha dia miarahaba ny rehetra nahatratra ny taona vaovao.
Jesoa irery ihany dia ampy! Marina izany.
Fa hahafahanao mahalala azy moa tsy mila ny hafa ve ianao?
Moa nahalala an'i Jesoa ve ianao raha tsy nisy ireo apostoly sy ny mpianany ary ireo olona maro beeee nandimby azy?
Moa afaka nandalina ny fahalalanao azy ve ianao raha tsy nisy ireo olona mpandinika, nanana diploma...?
Ampy tokoa i Jesoa, ka mba hampahalalana azy ny maro dia misy fomba maro azo atao: ao ny fampiasana jery amin'ny alalan'ny sary (tsy voatery hanompo sampy), ao ny fampiasana ny tadidy amin'ny alalan'ny vavaka tsianjery, ao ny fampiasana ny sitrapo amin'ny alalan'ny fandalinana (fianarana)...
Jesoa tokoa dia ampy! Saingy ny fikatsahana azy dia tsy manafoana velively ny fivelarana amin'ny mahaolona manontolo.
Isany zava-doza tokoa ny fampiantona ny zaza amin'ny fianarana, rehefa mahay mamaky teny sy manoratra, aty Mada satria hoe: efa mahay mitory an'i Kristy dia izay. Io dia tsoriko fa avy amin'ny fandraisana diso ny hoe: Jesoa dia ampy, tsy mila zavatra hafa, araka ny voalazanao hoe: tsy mila diplòma!
Misaotra!
20. ikaretsaka ( 19/02/2008 14:44)
tongasoa i fody:

misaotra nanazava ny tiako hotenenina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0518