Ary tsy misy miresaka ny momban'ny didi-poitran'i jesosy wa?
61. ikaretsaka
(
08/02/2008 22:18)
rakapy koa ohatran'ny hoe tsy mahay didipox a l'americaine hono eeee! nefa ny malabarin'ialahy aza tsy hita intsony:-D
62. rakapy
(
09/02/2008 03:14)
=))=))=))=))=)) Fa ry lerony ve manao malabary koa?=))=))=)) Malabary misy sarin'i Bush=))=))=))
63. LazaDaddy
(
09/02/2008 06:28)
rehefa lasa silamo amerika sy frantsa "atsy ho atsy", araka ny fanirian'ny sasany, dia mifora daholo
64. soanja
(
09/02/2008 17:08)
Tsy voaresako ny tian'Andriamanitra aseho momban'ny didipotra fa raha ny fandalinana hitako dia te hilaza amin'ny lehilahy na ny mpiara monina rehetra Andriamanitra fa ilaina ny fiforana ny mahaOlombelona anao handray ny Fanahy Masina. Izany hoe betsaka ny zavatra tsy maintsy sacrifier-na mba sy tapahina hampadio io emason'Andriamanitra ny olony.
Taty afara izy tamin'ny Epistilin'i Barnabas dia mazava mihitsy hoe naniraka an'i Abrahama izy hamora ny olony ary amin'izao kosa dia forao ny sofinareo ary forao ny fonareo!

65. ikaretsaka
(
09/02/2008 18:07)
Soanja kosa.... avoakandroky aby ny karatra sy ny boky rehetra ... misy tsy mahazaka izany eo indray fa ndroky mammpiasa karatra mihoatra n'ny karany dia lazainy fa mi triche eo fa..:wink: :-$
sangisangy ny ahy iny
sangisangy ny ahy iny
66. rhanitra
(
09/02/2008 21:07)
Efa voalaza teo ambony fa noforaina i jesosy.
Taty aoriana dia lasa niadian-kevitra io zavatra io ka tsy ny finoana intsony no nibaha-toerana fa ny fitsikerana sy ny fifampijerena.
Tonga dia nahitsin'i Jesosy amin'izay fa tsy ambanin'ny lalana fa ambany fahasoavana.
"Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna hianareo, fa ambanin'ny fahasoavana." Romana 6:14
Noho izany dia tsy ny voafora sy ny tsy voafora no tokony hiadian-kevitra fa ny finoanao !!!
"Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan'ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza"? Romana 2:26
"fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin'ny finoana" Romana 3:30
"Misy nantsoina voafora va? Aoka izy tsy hovana ho tsy voafora. Misy nantsoina tsy voafora va? Aoka izy tsy hoforana" II Korontianina 7:18
Mbola misy betsaka...

67. ikaretsaka
(
11/02/2008 05:32)
de eo no mahagaga.. tonga de nahitsin'i jesosy hoy ianao.. nefa tsimpona t@ taratasin'i paoly aby izato hanamarinanao azy
68. prime
(
12/02/2008 07:35)
ika> ny taratasin'i Paoly tokoa moa izany tsy soratra masina no sady tsy tenin'Andriamanitra?
69. rabilabila
(
12/02/2008 08:09)
Prime
Raha ny fahitako an'io lazain'i Ika io dia hoe :
I Paoly tsy nahalala an'i Jesoa nefa nolazain'i Rhanitra hoe:Nahitsin'i Jesoa .
Izay no fazahoako ny fanamarihany fa tsy ho avy eo ihany ve izy hanazava azy ?

70. prime
(
12/02/2008 10:33)
rabila:... Paoly tsy nahalala an'i Jesoa ahoana ry rahalahy? fantatrao ve ny tantaran'i Paoly Apostoly?
Raha ny fahitako an'io lazain'i Ika io dia hoe :
I Paoly tsy nahalala an'i Jesoa nefa nolazain'i Rhanitra hoe:Nahitsin'i Jesoa .
Izay no fazahoako ny fanamarihany fa tsy ho avy eo ihany ve izy hanazava azy ?
Hoy indrindra izy izay raha nanoratra ho an'ny fiangonana tany Galatia : "Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy." Galatiana 2:20
Fa i Paoly Apostoly no hafa indrindra no fomba nihaonany t@ Kristy fa tsy nitovy tamin'ny Apostoly hafa satria izy mihitsy no mpitarika ny miaramila nandringana sy nisambotra ary namono ny kristiana, ary nanenjika mafy... fa tamin'izany no hisehoan'i Kristy velona taminy ka nahababo azy ary nahatonga azy hanolo-tena...
71. rabilabila
(
12/02/2008 13:15)
Prime a!
Voalohany, indrindra aloha dia Ranabavy ( eo amin\'ny fiaraha-monina ) no tena izy :oops:
Manarak\'izany dia i Paoly tsy nahalàla ara-batana an\'i Jesoa akory .Ary mba jereo kely hoe iza no nanoratra ny teny rehetra ( na ny baiboly na ny apocryphes rehetra ) ,dia oviana no nanoratana zy ireo .
Na ny \"authenticités \"-n\'ny \"Lettres de Paul \" aza mbola resabe hatramin\'izao , ka asakasakareo !!
Raha ny momba ny persécution -n\'ny \"secte \" christicole indray ,dia manasa anao aho hijery ny tantaran\'ny Jiosy ,sy ny niatombohan\'ny kristianisma , fa sao dia heverinao fa mitovy amin\'izao vaninandrontsika izao ( et encore.....)no fandehany tamin\'izany eny fa na dia taty aoriana aza ( ny nahazo ny herétiques , ny nahazo ny Cathares .......)

73. ikaretsaka
(
12/02/2008 13:40)
dia miandry an'i prime sy izay te hamelabelatra hafa amin'ilay contre arguments
74. prime
(
13/02/2008 06:51)
rabila> miala tsiny indrindra re tompoko ô... hay moa ka ranabavy tokoa ianao izany...:oops:
Ny fikarohana anie mbola an-dalana e... mandrapaha-voaporofo ny ambaranao (sy ireo mpikaroka miezaka mafy ny hanohitra ny \"authenticités\") dia mbola voamarina aloha hatramin\'izao fa i Paoly no nanoratra ireo epistily lehibe ao amin\'ny testamenta vaovao...
Raha mikasika ny fifanenjehana (tantaran\'ny jiosy, fanombohan\'ny kristianisma, ny katolisisma oksidentaly sy orientaly, kroazady, hetsika reformasiona, fifohazam-panahy, kristianisma ankehitriny...) amin\'ny ankapobeny indray no tianao ahatongavana dia lohahevitra hafa mihitsy izay ka dia vonona ny hitafa aminao raha ilaina izany...
rabila:... aoka re rabila... izay ilay lazaiko hoe alalino ny fomba nihaonan\'ny Apostoly Paoly sy Kristy... tena nihaona ireo (vakio ny bokin\'ny Asan\'ny Apostoly toko faha-9) ary tsy vita teo fa mbola nianatra fotoana maro manokana tamin\'i Kristy i Paoly vao nanomboka ny asa fitoriana...
Manarak\'izany dia i Paoly tsy nahalàla ara-batana an\'i Jesoa akory .
rabila:... hono hoy aho rabila, fa misy boky firy moa ao amin\'ny baiboly ary niaraka nosoratana avokoa ve ireo boky rehetra ireo? mba tiako hovalianao izay, izay aho vao hamaly ny fanontanianao... asa raha fantatrao fa ny testamenta taloha fotsiny (anisany ny apokrifa) dia efa ho an\'arivo taonany no nanoratana azy...
Ary mba jereo kely hoe iza no nanoratra ny teny rehetra ( na ny baiboly na ny apocryphes rehetra ) ,dia oviana no nanoratana zy ireo .
rabila:... ny olona manao fikarohana dia afaka manatanteraka izany araka izay fahalalàna eo am-pelatanany... fa ny soratra mipetraka dia porofo mivaingana ny herin\'ny filazantsara araka ilay nanoratra azy... na mbola tsy voaporofo mazava (ara-tsiantifika) aza ny boky vitsy ao amin\'ny epistily nosoratan\'i Paoly, ny fomba fanoratra sy ny fomba fitory ary ny hery ao anatin\'ny fitoriana nataony no mivaingana maha-Paoly ny nanoratra...
Na ny \"authenticités \"-n\'ny \"Lettres de Paul \" aza mbola resabe hatramin\'izao , ka asakasakareo !!
Ny fikarohana anie mbola an-dalana e... mandrapaha-voaporofo ny ambaranao (sy ireo mpikaroka miezaka mafy ny hanohitra ny \"authenticités\") dia mbola voamarina aloha hatramin\'izao fa i Paoly no nanoratra ireo epistily lehibe ao amin\'ny testamenta vaovao...
rabila:... tsy mazava ny tianao ahatongavana fa tsotra ny nambarako, ny nahababo an\'i Paoly Apostoly araka ny fitantaràn\'i Lioka (Asan\'ny Apostoly 9) dia tao anatin\'ny fanenjehana ny kristiana ka nisehoan\'i Kristy mivantana taminy teny an-dalan\'ny Damaskosy...
Raha ny momba ny persécution -n\'ny \"secte \" christicole indray ,dia manasa anao aho hijery ny tantaran\'ny Jiosy ,sy ny niatombohan\'ny kristianisma , fa sao dia heverinao fa mitovy amin\'izao vaninandrontsika izao ( et encore.....)no fandehany tamin\'izany eny fa na dia taty aoriana aza ( ny nahazo ny herétiques , ny nahazo ny Cathares .......)
Raha mikasika ny fifanenjehana (tantaran\'ny jiosy, fanombohan\'ny kristianisma, ny katolisisma oksidentaly sy orientaly, kroazady, hetsika reformasiona, fifohazam-panahy, kristianisma ankehitriny...) amin\'ny ankapobeny indray no tianao ahatongavana dia lohahevitra hafa mihitsy izay ka dia vonona ny hitafa aminao raha ilaina izany...
75. LazaDaddy
(
13/02/2008 08:40)
Prime> marina ny anao fa i Paoly tokoa aloha dia tena nihaona mivantana tamin'i Jesosy mihitsy nandritry ny "mission" nataony ankoatr'ilay teo an-dalana mankany Damaskosy.
Aoka izay liana te ahafantatra an'izany hamaky Baiboly :)

prime:io dia mahaliana tokoa, satria dia tantara iray ireo no mifampitohy fa tsy mifanohitra ^:^
... hono hoy aho rabila, fa misy boky firy moa ao amin'ny baiboly ary niaraka nosoratana avokoa ve ireo boky rehetra ireo?
76. rabilabila
(
13/02/2008 22:30)
Prime - LazaDaddy
Ireto misy tantara ,tsy azo tantaraina ,nefa toa tsy mety raha tsy tantaraina ihany ...........
Tantara voalohany notanterin'ny Raiko mivantana aminay:
Indray andro ,hono, nanonofy ny Dadanay fa tonga tao an-trano ny Rainy ,ka niteny taminy hoe :" tratran'ny tondra-drano ny toerana misy azy ka mando sy mangatsiaka izy " ary ny fomba namalian'ny Raiko ny antson'ny Raibeko dia ny nikarakara famadihana...............
Tantara faharoa hita ao anatin'ilay boky atao hoe "baiboly"
- Fahiny elabe izay,nisy lehilahy iray ,Saoly no anarany ,ary izy io dia fatra-panenjika ireo mpiara-monina aminy ka tsy mitovy finoana aminy ; indray andro ,hono, dia nisy hazavàna nahajemby ny masony ary nisy feo nilaza taminy hoe :"fa maninona ianao no manenjika ahy ?" Ary novaliany hoe :"Fa iza moa ianao " , namaly ilay feo ka nilaza taminy hoe " izaho no Jesosy ".........ka niova fo izy ,lasa olom-baovao ka na ny anarany aza dia niova ho Paoly.
Tatara fahatelo notantarain'ny namana "Prime" tetoamin'ny serasera:
- Indray andro ,mbola tsy dia ela loatra ,nisy Zazalahy teraka ato anatin'ny fianakaviana izay manana kolotsaina maro : ao ny mpisikidy , ny mpimasy , ny mpitaiza ,ao koa ny Silamo izay nitaiza ny Raibeny ,Raibeny izay havànana indrindra amin'ny "voyage astrale" . Indray andro anefa dia nifanena taminy ilay "tena marina " antsoina hoe Kristy .........ka dia niova izy namonjy ilay valan'ny finoana an'i Kristy....................................
Tantara telo samihafa ireo , mitovy "statut epistémologique " tanteraka , ka hono hoy aho ,ahoana , amin'ny saina tsy miangatra no hinoako ny iray fa tsy hinoako ny hafa ?

78. prime
(
14/02/2008 08:58)
rabila> tsara rehefa mino azy rehetra ianao, ary tsy misy tsy mahamety na maharatsy izany... mbola maro ny tranga mahavariana, na ny amin'ny fiasan'Andriamanitra na ny tsy avy aminy, nefa samy mitaiza finoana sy fiainana avokoa ireny...
79. LazaDaddy
(
14/02/2008 11:13)
rabilabila:rabilabila> ireo tantara nolazainao ireo dia zava-nisy, eny, tsy laviko fa misy ireo. Ary zava-mitranga isan'andro ireo amiko fa tsy "indray andro" ihany.
Tantara telo samihafa ireo , mitovy "statut epistémologique " tanteraka , ka hono hoy aho ,ahoana , amin'ny saina tsy miangatra no hinoako ny iray fa tsy hinoako ny hafa ?
Fa ny adinonao dia izao: ny "existence" an'ireo tranga ireo tsy voatery manamarina ilay fanapaha-kevitra (na ny an'i Dadanao, na i Prime, na i Saoly). Ohatra...raha misy olona miteny anao hoe misotroa asidra, tena misy ilay olona fa tsy izay fisiany izay no hanamarinanao tena @ "suicide" :). Ka raha tianao ho fantatra hoe iza no hinoako dia adiadio aloha :)