Fivoarana sy fivelarana hono...

81. LazaDaddy ( 07/02/2008 02:40)
rakapy> asaivo mankany @ tany mamay mihoatran'ny 40 deg C ireny izy fa ahita kitoza (fa tsy loza) => kamikaze BBQ =))
82. fijo ( 07/02/2008 22:44)
laza,ka efa tamin'izany fotoana izany ve izao vao mitady ilay pataloha ialahy le.za aza tamin'izany mbola mba niangona.
83. ikaretsaka ( 08/02/2008 00:06)
rakapy:

Ny any @'ilay fiangonana any @ lalana makay Fianar izay indray dia miboridana ry zareo rehefa mivavaka satria hono tsy nanao akanjo no nanamboaran'A/tra ny olombelona de mba ho fanajana azy dia miboridana rehefa mivavaka. Filozofia hafa mihintsy?



le ao alakamisin'itenina...... aoka letsy le...
fra ambiansy koa ny an'i dadapasy ao a
84. rakapy ( 08/02/2008 00:40)
Ika>Iny hafa koa:-D:-D:-D fa Alakamisin'alatsinainy le koziko=))=))=))=))
85. LazaDaddy ( 08/02/2008 03:34)
rakapy> ento aaaany aaaho eee, ento aaaany aaaho eee (Ricky) =))=))=))
86. rakapy ( 08/02/2008 03:48)
Efa io le adiresy de tonga de mangala pikla fa ao ry zareo:-D:-D:-D miandy anao:-D:-D:-D
87. LazaDaddy ( 08/02/2008 04:18)
rakapy> vazivazy ny ahy r'ise fa ry zareo aza izany mitanjaka (ara-batana sy ara-panahy) tsy mahalala menatra...

Apokalipsy 3:18:
dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena hianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao.
88. ikaretsaka ( 08/02/2008 14:45)
ka fotsy aminy ry LD misy sens betsaka an... fotsy=transparent=foana=malalaka= ts'isy=amin'izao fotsiny

io0 dikanteninareo io anie eee
89. soanja ( 08/02/2008 15:18)
NY hevitra hoe FOTSY amin'i NTAOLO dia ratsy tokoa amin'ny mahaMalagasy ahy no hanzavako izany.

Noho izany miankina amin'ny kolontsaina no andraisana ny dikan'ny loko ary tsy azo atao tompo teny fatratra raha olona avy amin'ny kolontsaina samihafa no resahina.

Inona moa no maharatsy ny vatana. Io no namboarin'Andriamanitra ho antsika. Nokoloiny ny nanamboarany an'io ary tena zavadehibe aminy. Tsy misy mahamenatra ny fisehoan'ireo.

Ny toe-tsaina mamaky ny fihetsika na zavamisy ataon'ny hafa no azoko lazaina fa mety ho TSARA na RATSY! Ny zava-drehetra dia mianga avokoa amin'ny intention izay vokarin'ny saina.

Io no tokony jerena, io intention io, raha mifanaraka amin'ny fanahy izay heverinao fa manompo Andriamanitra.

Raha nametraka ilay lohahevitra ianao dia inona no intention-nao ohatra??? dia anjaranay no mahita na ahoana na ahoana?

90. ikaretsaka ( 08/02/2008 17:29)
izay....
91. xxx ( 08/02/2008 18:49)
Sao ny "kolotsaina" tamin'ny nanoratana ilay boky no jerena rehefa te hahazo ny dikany !

Eo anatrehan'Andriamanitra na dia tsara aza ny tanjona, rehefa ratsy ny moyen dia ratsy.

Raha amin'ny mahabiby dia tsy ratsy ny vatana, tahaka ny aliaka ohatra ! Fa amin'ny mahaolona dia tsy ampy ny vatana, tsy ny "vatana" no "olona" noharian'Andriamanitra ka hitany fa tsara. Dia aiza ny toeran'ny fanahy amin'ny fitanjahana ?

Hevitra efa nandeha teto amin'ny serasera ny hoe ny fitanjahana ara-batana no nanehoana ara-panahin'i Adama sy Eva tao Edena. Ka anjarantsika no mandanjalanja.
92. soanja ( 08/02/2008 20:34)
xxx:

Eo anatrehan'Andriamanitra na dia tsara aza ny tanjona, rehefa ratsy ny moyen dia ratsy.



Inona moa anefa no antsoina hoe mitanjaka eto.

Raha miseho ve ny feko dia mitanjaka aho sa raha miseho ny fivaviako sa innn???

Samy manana ny fiheviny hoe mitanjaka mantsy. Raha amin'ny Kolontsaina Jiosy tamin'ny nanoratana ny boky dia ny misarona daholo na ny loha aza, tsy tazana mbamin'ny volo ary tsy tazana daholo ny vatana rehetra afa-tsy ny tarehy.

Manao izany ve ianao io? raha vehivavy ianao miafinan'endrika io?

oh la la la, mahavariana be izany resaka izany.

Jereo indray ary ity nomeko ity,

Novonoina ny iray tanana hoa satria maty novonoin'olona i Zacharias. Ahoana ny hevitrao?

8 Mba hampakatra ny fahatezerana hamaliana azy no nametrahako ny ràny teo ambonin'ny vatolampy mangadihady mba tsy ho voasarona.

9 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny tanàna mpandatsa-drà; Izaho koa hamory kitay betsaka.

10 Atohofy betsaka ny kitay hazo, ampireheto ny afo, masaho tsara ny hena, ka asio zavatra hahamanitra azy*, ary aoka ho may ny taolana.[Na: eny, taneho tsara izy]

11 Dia foàny ny vilany, ka ataovy eo ambonin'ny vainafo hampahafana sy hahamay ny varahiny, ka ho levona eo aminy ny fahalotoany, ary ho afaka ny harafesiny.

12 Efa nanasatra dia nanasatra ny tenany izy, nefa tsy nety afaka ny harafesim-beny; aoka ho eo amin'ny afo ny harafesiny.









93. fijo ( 08/02/2008 21:00)
azo ekena hoe ilay fomba fijery tamin'ny fotoana nanoratana ilay boky no hijerena azy,saingy aza hadino,fa isika tsy nijanona teo fa efa niova fiainana sy fisainana ary fiarahamonina,ka tsy mety intsony rah ambola ilay fisainana be volombava no hijerena azy,nefa ny fotoana izao efa mikiky loha
94. ikaretsaka ( 08/02/2008 22:25)
izay koa 1
95. soanja ( 09/02/2008 04:29)
Ka izay anie le izy e. Miankina amin'ny famaritana ny fivoarana sy ny fivelarana amin'ny societes isan-karazany ihany no ahafahana mamaly ny tian'ny LD lazaina. Tsy afaka haka toky teny fatratra amin'ny kolontsaina efa tsy mandaitra amzao fotoana.

Ohatra ny hamish people izao de tsy mandeha fiara fa sarety na posy hafahafa ireny, entin'i soavaly. Tsy manao vakisiny sns nefa rehafa ifindran'aretina dia sahirana tokoa.

Mila fandanjalanjana ny zava-drehetra. I Jesoa anie ka tsy nandeha fiara. Moa va mandeha fiara ianao sa dia tongotra ihany?
96. ikaretsaka ( 09/02/2008 16:34)
izay koa manko.
i jesoa koa tsy nipataloha:-D
97. soanja ( 09/02/2008 17:18)
Mety karazana kitamby mirefarefa be sa mba malalaka ihany ve zany no natoany ry Ika??? :-D:-D:-D Ary misy kalisaonina ve ao ambaniny azafady?
98. ikaretsaka ( 09/02/2008 18:09)
toa ts'isy fa sikina sy salaka koa!:-P:-P raha ireny hitako @ crucifix ireny aloha e
99. ikaretsaka ( 09/02/2008 18:11)
fa aza hitarina soanja sao tena roboka tokoa ireo right wing freako fanatism ka tsy handeha eo intsony ny bizinesin'ny mpanjaitra pataloha sy aty akanjo any @ zone!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0441