mpanandro (adihevitra ho an'ny kristianina)

61. fijo ( 29/01/2008 22:42)
tsy mbola azo antoka fa izany andriamanitra izany no nanao ny natiora.
62. prime ( 30/01/2008 08:23)
ikaretsaka> Mahalala vala maro ny tenako fa tsy te-hiteny zavatra betsaka aminao (zanaka mpimasy sy mpisikidy sy mpitaiza aho, ary silamo no mpitaiza ny raibeko anisan\'ny raindahiny tamin\'izany nampita izany tamin\'ny ray amandreniko ary ireo nampita izany tamiko... no sady nanana foibe fitaizàna mikasika ny fitsaboana tatsinanana ihany koa izany raibeko izany nahafehy mihitsy ny tontolon\'ny fanahy ary nahavita nanao voyage astral n\'aiza n\'aiza eran\'izao tontolo izao,... no nantsoin\'i Kristy ka ahasahiako miteny aminao fa mahalala vala maro)... saingy ilay tena marina efa nihaona tamiko no nanambara ny tenany fa Izy irery ihany no tena Izy...

fijo> Ilay Andriamanitra iza no tianao ambara?
63. fijo ( 30/01/2008 22:55)
izay andriamanitra hinoan'ny mpino azy
64. LazaDaddy ( 30/01/2008 23:07)
prime:
ikaretsaka> Mahalala vala maro ny tenako fa tsy te-hiteny zavatra betsaka aminao (zanaka mpimasy sy mpisikidy sy mpitaiza aho, ary silamo no mpitaiza ny raibeko anisan'ny raindahiny tamin'izany nampita izany tamin'ny ray amandreniko ary ireo nampita izany tamiko... no sady nanana foibe fitaizàna mikasika ny fitsaboana tatsinanana ihany koa izany raibeko izany nahafehy mihitsy ny tontolon'ny fanahy ary nahavita nanao voyage astral n'aiza n'aiza eran'izao tontolo izao,... no nantsoin'i Kristy ka ahasahiako miteny aminao fa mahalala vala maro)... saingy ilay tena marina efa nihaona tamiko no nanambara ny tenany fa Izy irery ihany no tena Izy...
Halleluiah! Amen!


65. fijo ( 30/01/2008 23:41)
hoyyyyyy mahaliana
66. LazaDaddy ( 30/01/2008 23:47)
fijo> :)
67. rabilabila ( 31/01/2008 03:00)
Afaka mba omen'i Prime ve ny dikan'ilay hoe "voyage astral" azafady ?
68. ikaretsaka ( 31/01/2008 03:01)
prime:

ikaretsaka> Mahalala vala maro ny tenako fa tsy te-hiteny zavatra betsaka aminao (zanaka mpimasy sy mpisikidy sy mpitaiza aho, ary silamo no mpitaiza ny raibeko anisan\'ny raindahiny tamin\'izany nampita izany tamin\'ny ray amandreniko ary ireo nampita izany tamiko... no sady nanana foibe fitaizàna mikasika ny fitsaboana tatsinanana ihany koa izany raibeko izany nahafehy mihitsy ny tontolon\'ny fanahy ary nahavita nanao voyage astral n\'aiza n\'aiza eran\'izao tontolo izao,... no nantsoin\'i Kristy ka ahasahiako miteny aminao fa mahalala vala maro)... saingy ilay tena marina efa nihaona tamiko no nanambara ny tenany fa Izy irery ihany no tena Izy...

fijo> Ilay Andriamanitra iza no tianao ambara?

ny anao izany tany avaratra no nahita tara masoandro dia niteny hoe aty no mazava ..ny an'ny sasany tany atsimo izy no nahita dia niteny hoe aty no mazava
izay ilay hoe ny mety aminao tsy voatery ho mety @ sasany fa aza forcena hanao ny "mety aminao ny olona...
ny miteny heo aty koa mazava dia ekena ... fa ny hoe tsy maintsy aty... tsy mety

69. rabilabila ( 31/01/2008 03:12)
F'hita kooo!!
70. LazaDaddy ( 31/01/2008 03:13)
rabilabila:
Afaka mba omen'i Prime ve ny dikan'ilay hoe "voyage astral" azafady ?
Raha ny fazahoako an'io nambaran'i Prime io dia "nirvana" no tiany ambara. Tena mahasarika tanora maro tokoa io noho ny tranga maro eo amin'ny fiainany andavan'andro. Anisan'izany aho fahiny, saingy "pretra zezoita katolika" no nampianatra ahy an'io tamin'izany, ary nolazainy fa karana no nampianatra azy...dia nisy namako akaiky moa niara-nandalina tamiko ary latsaka lalina tao ka "voalaza" fa namoy ny ainy tany Inde. Deraiko Andriamanitra fa tafatsaoka tao aho! Mety ho zavatra hafa koa anefa ny tian'i Prime ambara.


71. rabilabila ( 31/01/2008 03:28)
Ka raha izay dia ndeha hanao "voyage astral" aho izany fa efa namokatra endorphine ny atidohako mamaky anareo eto . Tsy ho tratrako ve ny "nirvana" amin'izany predisposition-ko izany kle !!

Ka inona ry LD no maharatsy ny nirvana raha tsy substance chimique no nahatongavana tany ?'za aloha tsy hitako izay maharatsy an'izany e! "bien-être" io ko! Sa ny finoanao tsy ahatongavanao any amin'ny nirvana ? Ny anao mety ny finoanao ,ny an'ny karana mety meditations na zavatra hafa ,ny an'ilay prêtre zezoita mety ny finoany ihany koa . Io nge hoy'aho ilay efa lazaina hoe ny "coco"-nao ihany no mitondra an'io e!!
72. LazaDaddy ( 31/01/2008 03:31)
quote=rabilabila]Ka raha izay dia ndeha hanao "voyage astral" aho izany fa efa namokatra endorphine ny atidohako mamaky anareo eto .[/quote]Soava dia :)
73. LazaDaddy ( 31/01/2008 03:32)
rabilabila:
Ka raha izay dia ndeha hanao "voyage astral" aho izany fa efa namokatra endorphine ny atidohako mamaky anareo eto
Soava dia :)
74. prime ( 04/02/2008 14:11)
fijo:
izay andriamanitra hinoan'ny mpino azy
... Raha ny ahy dia Andriamanitra manana anarana ary sahy nanambara ny tenany fa Izy no Izy...
rabila:
Afaka mba omen'i Prime ve ny dikan'ilay hoe "voyage astral" azafady ?
... anisany iray io voalazan'i LD io... ny tsaroako tamin'izany dia rehefa misy mitady ny raibeko hamaha olana dia izy mihitsy no mandeha mamonjy ny toerana misy ireo fanahy, (kalanoro, zazavavindrano, renin-drano, fanahy isankarazany manerana izao tontolo izao mihitsy...) ireo toerana ireo dia miovaova arakarak'ilay zavatra ilain'ny olona tonga ao aminy na ny olana misy... fa na aiza na aiza tiany aleha na an-tendrombohitra, na an-tsaha, na an-tanàna, na anaty rano, na an-dranomasina, na any ivelany (maneran-tany), na any amin'ny faritany... dia manao "incantation magique" izay izy dia lasa any... ny vatany hitanao eo toy ny matory fa ny fanahiny efa lasa lavitra... fa rehefa miverina izy dia maro ny tranga miseho, fa ny tena nanaitra ahy indray mandeha dia rotika tanteraka ny tenany rehefa niverina ny fanahiny (nefa izy dia teo akaiky teo ihany ny vatany) ary rovitra be ilay fitafiana rehefa niverina izy fa hay niady tamina fanahy nahery noho izy tany ivelany tany ka saiky maty mihitsy raha tsy niverina haingana... ary ny matetika mitranga dia reraka dia reraka izy rehefa avy manao io "voyage astral" io...

Azo fehezina ho ny fialàn'ny fanahy amin'ny vatana ka ahafahan'ity farany mihoatra ny tontolo hita maso mankany amin'ny tontolo tsy hita maso raha ny fahafantarako azy no mahalaza ny resaka "voyage astral" io ka ho an'ny efa raindahiny dia mahavita mihitsy aza mandeha mankeny amin'ireo kintana maro eny amin'ny "univers" ireo mamonjy ny fivorian-dehiben'ny fanahy maro (an'olombelona sy anjely maro eo ambany fifehezan'ny Satàna)... ny tena mahagaga dia rehefa miverina izy (ilay raibeko) mitantara dia toy ny efa elabe (herinandro, iray volana...) no tany na dia antsasakadiny fotsiny aza no mandeha...
75. soanja ( 04/02/2008 16:39)
LD> Nirvana???? sao tsy azonao tsara ny atao hoe Nirvana? Tsy ny velona no afaka mahatratra ny Nirvana. Afaka hazavaiko io fa tsy misy ifandraisany mihitsy amin'ny voyage astral na cosmic.
76. prime ( 05/02/2008 12:30)
soanja> Tena ilaina ny fanazavanao fa tsy haiko tsara ny milaza azy... izaho rahateo nahita sy niaina fa tsy nanandrana...
77. prime ( 05/02/2008 12:34)
soanja> Tena ilaina ny fanazavanao fa tsy haiko tsara ny milaza azy... izaho rahateo nahita sy niaina fa tsy nanandrana...
78. prime ( 05/02/2008 12:34)
soanja> Tena ilaina ny fanazavanao fa tsy haiko tsara ny milaza azy... izaho rahateo nahita sy niaina fa tsy nanandrana...
79. ikaretsaka ( 05/02/2008 14:28)
samihafa tanteraka kosa aloha ny nirvana sy ny voyage astral sy cosmique e
80. LazaDaddy ( 06/02/2008 08:52)
ikaretsaka:
samihafa tanteraka kosa aloha ny nirvana sy ny voyage astral sy cosmique e
mety ho samihafa tokoa, fa amiko mitovy ihany satria samy manandra-tena (self-centered) fa tsy mitodika amin'Andriamanitra.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.008