mpanandro (adihevitra ho an'ny kristianina)

21. kiranil ( 22/01/2008 14:58)
Miarahaba,

Mazava be ny Tenin\'Andriamanitra:


Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zanani-lahy na ny zanani-vavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody,

na manao ho masimbava, na mpanadina amin\'ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin\'ny maty.


Fa fahavetavetana eo imason\'i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany.

Aoka ho tanteraka amin\'i Jehovah Andriamanitrao hianao.

Fehiny:

Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an\'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin\'ny razanareo tany an-dafin\'ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin\'ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an\'i Jehovah izahay.


Misaotra.

22. ikaretsaka ( 22/01/2008 15:03)
izay ilay nolazaiko teo ambony hoe tokony mba hazavaina misimisy kokoa ny tian-kambara @ ilay mpanandro.
ny mpanandro ve dia midika foana hoe "mpanana ody"?
23. nandrianina1 ( 22/01/2008 16:12)
aiza ary laza hamaly an'io!
24. rabingogilabanga ( 22/01/2008 20:48)
nga raha manandro dia manao andriamanitra hafa?

mampiasa ny zavaboaharin'A/tra hanasoavana ny zava-boahariny hafa!

ohatra hoe mampiasa sy mijery ny volana sy ny filaharan'ny masoandro sy ny fiakarana sy fidinan'ny maree sy ny fiposahana sy filentehan'ny masoandro, meteo , filahatry ny astres (hi definissiavana ny polarity)
hi programmena ny asa rahampitso/... ny taranaka....ny fambolena, ny fanjonoana... sns....


Didy 8: aza madainga: na dokotera , mpanotra, na mpitsabo netim -paharazana, na mpamantatra blabla, rehefa tena hainao marina ilay izy dia izay le hoe tsy koi,rehefa tena hainao marina ilay izy dia izay le hoe tsy madainga, ny tsy mety dia tsy mpanotra fa milaza manotra, tsy mpanandro fa milaza manadro, tsy dokotera fa milaza dokotera, mamitaka

Didy voalohany: aza manana andriamanitra hafa
satria ny talenta dia avy @ andriamanitra, ary ny natiora ampiassain'ireo manampahaizana dia andriamanitra, aza ny mpanotra , na ny mpanandro, na nydokotera no isaorana voalohany sy tmpoina, fa andriamanitra

c tout
25. ikaretsaka ( 22/01/2008 20:57)
Mazava
26. LazaDaddy ( 22/01/2008 20:58)
[quote=Jehova Andriamanitra]...na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody...
Mazava tsara io fa misaotra an'i Kiranil.[quote=ikaretsaka]ny mpanandro ve dia midika foana hoe "mpanana ody"?
Angamba efa voavalin'io Tenin'Andriamanitra io izay fanontaniana izay raha mamaky tsara.

Fa io moa rehefa sarotra amin'ny sasany ny tsy andeha any amin'ny mpanandro dia itadiavany fikafika sy fialana sirika foana. Dia foronina ny fikafika toy ny hoe samihafa ny famaritana ny famonoana olona sy fanalan-jaza...
27. rabingogilabanga ( 22/01/2008 21:03)
didy faha 5:aza mamono olona: aza ampiasaina hanaovana an' io ilay talentanao

c tout
28. LazaDaddy ( 22/01/2008 21:03)
Jehova Andriamanitra:
...na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody...

Mazava tsara io fa misaotra an'i Kiranil.
ikaretsaka:
ny mpanandro ve dia midika foana hoe "mpanana ody"?

Angamba efa voavalin'io Tenin'Andriamanitra io izay fanontaniana izay raha mamaky tsara.

Fa io moa rehefa sarotra amin'ny sasany ny tsy andeha any amin'ny mpanandro dia itadiavany fikafika sy fialana sirika foana. Dia foronina ny fikafika toy ny hoe samihafa ny famaritana ny famonoana olona sy fanalan-jaza...
29. ikaretsaka ( 22/01/2008 21:05)
dia averina @ ilay fanontanian'i soanja ary e..
ahoana ny momban'ny majy?
30. LazaDaddy ( 22/01/2008 21:11)
manokafa adihevitra hafa :)
31. ikaretsaka ( 22/01/2008 21:13)
mifandray ilay izy ka.. dia aleo accordena ero
32. piste ( 22/01/2008 22:32)
Ny pbl -ntsika kristianina, raha tsy mitandrina, dia mihidy be loatra @ domaine misy antsika. Ka raha vao misy réalité hafa dia na condamné-na na diabolisé-na avy hatrany. Firifiry anefa no ireo mpitady an'Andriamanitra ivelan'i Kristianisma. Tadidio fa ny olombelona dia efa voa-janahary aminy ny mitodika any @ ilay nahary azy. Fa ny fomba fanehoana an'izay no samy hafa.
Araka ny voalazan'ny namana etsy ambony, ohatra dia t@ alalan'ny fijerena astres teny @ habakabaka teny no nahitan'i Majy an'i Kristy.
Dia eritrereto fa be dia be ireo chercheurs de Dieu hors de la foi.
33. fijo ( 22/01/2008 22:49)
misy tena mihidy ireto mpino ireto kle.azafady aminareo aho an
34. soanja ( 23/01/2008 00:55)
piste:

Ny pbl -ntsika kristianina, raha tsy mitandrina, dia mihidy be loatra @ domaine misy antsika. Ka raha vao misy réalité hafa dia na condamné-na na diabolisé-na avy hatrany. Firifiry anefa no ireo mpitady an'Andriamanitra ivelan'i Kristianisma. Tadidio fa ny olombelona dia efa voa-janahary aminy ny mitodika any @ ilay nahary azy. Fa ny fomba fanehoana an'izay no samy hafa.
Araka ny voalazan'ny namana etsy ambony, ohatra dia t@ alalan'ny fijerena astres teny @ habakabaka teny no nahitan'i Majy an'i Kristy.
Dia eritrereto fa be dia be ireo chercheurs de Dieu hors de la foi.


Marina sady mazava tsara tokoa.

Katsaho Andriamanitra na dia amin'ny manodidina anao aza, ny tsy takatry ny sainao ary izay rehetra mampiombona anao amin'i Kristy!


35. ikaretsaka ( 23/01/2008 01:45)
"Finding God in all things e"
efa 500 taona mahery ilay olomasina izay no nivoy an'io
36. soanja ( 23/01/2008 03:44)
ikaretsaka:

"Finding God in all things e"
efa 500 taona mahery ilay olomasina izay no nivoy an'io


Namaste tanteraka Ranadahy!


37. nandrianina1 ( 23/01/2008 04:12)
fa inn kay le NAMASTE ry zareo sa caodinareo le iz?
38. soanja ( 23/01/2008 04:33)
Io IKA mba hazavao kely azafady raha malalaka ianao. Misoatra mialoha. Raha tsy mamaly i Ika de rahampitso zah manome ny dikany mazava azafady.
39. ikaretsaka ( 23/01/2008 21:52)
namaste.. =ny fanahy ao anatiko dia ampihetanin'ny vokatry ny fihentanan'ny fanahinao ...
avy @ teny Sanskrit anankiroa natambatra io : hoe- namas= mi ^:^ / te=anao , ohatran'ireny ilay miondrika rehefa mifampiarahaba ireny @ art martiaux

"I honor the Spirit in you which is also in me." no mahadika azy bebe kokoa
40. fijo ( 23/01/2008 22:05)
ary raha adika hoe fihetsiky ny fanahy tafaray.

izay eo fa mbola averiko fa mampalahelo fa mbola misy tery be nareo mpino
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.522