NY DEVOLY HONO NO MPANAPAKA AN'IZAO TONTOLO IZAO ???

81. cutie ( 05/02/2008 20:52)
77. Mpandefa : prime [ Valio ] 05-02-2008 13:11:16
Lohateny : Re : NY DEVOLY HONO NO MPANAPAKA AN'IZAO TONTOLO IZAO ???
cutie>

le fanontaniako ary mbola tsy voavaly foana hatramizao :?
82. prime ( 06/02/2008 06:56)
cutie> ilay fanontaniana nanao ahoana moa fa ialako tsiny fa tsy tsaroako? ampatsiahivo ahy fa variana tamin\'ny adihevitra angamba... misaotra

soanja> marina ny voalazanao fa ny ota fototra no nampitoetra ilay ota ao amin\'ny olona ka mampiteraka filàna mandrakariva... ary tsy lafatra no sady tsy misy marina na dia iray aza ny olombelona...

Fa ny tenin\'Andriamanitra dia manambara fa ny fakam-panahy dia avy amin\'ilay ratsy ary ilay ratsy dia fanahy ivelan\'ny olona fa tsy anatiny ary tsy resy rahateo raha tsy miray amin\'Andriamanitra... fa na Kristy aza dia nisedra fakam-panahy avy amin\'ny devoly nefa voambara rahateo koa fa Kristy tsy nanota na dia indray mandeha aza araka ny voasoratra hoe amin\'ny anaran\'i Jesosy :
\"Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha.\" Lioka 4:13... tsy resaka \"illusion\" na \"parabole\" ny voambara na dia eo fotsiny aza fa Kristy manoloana ny fakam-panahy avy amin\'ny devoly... tsy avy ao anatiny na adin-tsainy manokana fa fanahy hafa maka fanahy mihitsy...
Hoy koa ny voasoratra amin\'ny anaran\'i Kristy :
\"Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan\'Andriamanitra ao aminy kosa isika.\" II Korintiana 5:21... raha ao anaty ny fakam-panahy ka io no atao hoe Satàna dia Kristy va izany nitoeran\'i Satàna fony Izy nalaim-panahy tany an\'efitra???

Ilay safidy manaiky resin\'ny fakam-panahy no mampiseho ny fahalemen\'ny olona...

Diso tanteraka ny fanambaràna fa ny filazàna ny fisian\'i Satàna dia fanilihana andraikitra... Satàna sy ny devoly raha maka fanahy dia safidin\'ny tsirairay ny manaiky ho lavon\'izany fakam-panahy izany na tsia araka izay firaisany amin\'Andriamanitra... ary tompon\'andraikitra ny amin\'izany fahareseny izany ny tsirairay satria Satàna dia efa izay no mahaizy azy dia ny hamono, handrava, handainga, hampisaraka sy hampiady, lian-drà... fa ny olona tsirairay avy no manaiky na tsia ho lavon\'izany...

Andriamanitra rahateo dia efa nilaza fa tsy maintsy mandalo izany fakam-panahy izany ny rehetra, na mpino na tsy mpino saingy hafa ny hery manokana omen\'Andriamanitra ny zanany miatrika izany ady manokana sy fizahan-toetra izany... hoy mantsy ny voasoratra amin\'ny anaran\'i Kristy :
\"Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan\'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.\" I Korintiana 10:13

Ilay fampianarana ambaranao mikasika an\'i Satàna dia fampianarana araka izay nahitanao azy sy nampitaina taminao araka izay fahatakaran\'ilay nampita azy taminao... fa ny ambaran\'ny tenin\'Andriamanitra dia mazava : misy Satàna ary izy ilay mpaka fanahy fa tsy izy akory no fakam-panahy ary tsy ao anatin\'ny olona rehetra izany izy fa ivelany raha tsy ilay olona mihitsy no manaiky itoerany (en possession)... ny fakam-panahy dia ireo fomba maro ampiasainy andranitana ilay filàn\'ny nofo efa mitoetra ao anatin\'ny olona tsirairay avy... ary io filàna io dia avy amin\'ilay ota fototra fa tsy io ihany koa no atao ho fakam-panahy...

Ny olona tia vola ohatra dia tsy ilay fitiavam-bola no fakam-panahy fa filàna ao anatiny efa mitoetra avy amin\'ilay ota fototra ihany, fa rehefa mahita vola izy (eo no miditra ny asan\'i Satàna maka fanahy mampiseho vola be eo anoloany) dia andraikiny sy safidiny ny manaiky resy na mandresy ilay filàna ao anatiny araka izay fifandraisany amin\'Andriamanitra... satria rehefa resin\'ny fakam-panahy ny olona dia tafasaraka amin\'Andriamanitra... izay no tanjon\'i Satàna...

Ny tena olanao dia ny finoanao na tsy finoanao izay voambaran\'ny baiboly fa tsy resaka finoana ny fisian\'i Satàna sy ny momba azy... raha mbola tsy mino sy manaiky ny voasoratra ao amin\'ny soratra masina ianao dia mitoetra aminao izay inoanao fa tsy misy Satàna na misy ihany fa ao anatin\'ny olona, mitoetra ho fakam-panahy... fa ny soratra masina efa manambara fa misy izy ary fanahy fetsy sy goavam-be...

Fa izaho aloha Kristy no ato anatiko fa tsy i Satàna fa asakasakareo izay manaiky itoerany hoe fakam-panahy izy ary efa ao anatin\'ny olona rahateo... satria sady tsy voalazan\'ny tenin\'Andriamanitra izany no tsy fampianaran\'i Kristy ihany koa...
83. cutie ( 06/02/2008 14:55)
prime
le misy resaka root iny e :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0074