NY DEVOLY HONO NO MPANAPAKA AN'IZAO TONTOLO IZAO ???

61. prime ( 25/01/2008 12:45)
kiranil> Mazava tsara... mankasitraka tanteraka... tena mitombina ary voamarina ara-tsoratra masina ary nohamarinin\'ny tenin\'Andriamanitra ny voambaranao...

ikaretsaka> rehefa misy Satàna dia misy izy izany... dia aza ivakiana loha tokoa rehefa mandrebireby ny finoanao... fa mitandrema kosa ny amin\'ny famafazana lainga hoe tsy misy izy satria Andriamanitra mihitsy no efa miteny hoe misy izy... dia lasa mampandainga an\'Andriamanitra ny fanamafisana hoe tsy misy Satàna...

soanja> mbola am-pitiavana hatrany no hamerenana ny fanitsiana anao manao hoe, misy i Satàna... ary mila miambina ny amin\'izany (tsy midika hoe mila harariana an-doha toy ny tian\'i Ika hazavaina mafy ary mitombina tokoa rehefa tsy zaka ny hanohitra azy)... raha tsy misy Satàna mantsy dia na Andriamanitra koa aza tsy misy... ny paradisa tsy misy... ny helo tsy misy ary mazava ho azy, i Kristy dia tsy nahatanteraka ny misiona nanirahana Azy teto an-tany dia ny hamonjy ny zanak\'olombelona sy ny hanitsaka sy handresy an\'i Satàna hanambaràna ny fotoana farany...
62. LazaDaddy ( 26/01/2008 07:10)
kiranil:
inona ihany no tena izy e?
kiranil> Tsy manamaivana ny fanontanianao akory aho sanatria, fa indraindray aho mamaky resaka @ ity forum ity dia tena manontany tena hoe izaho ve no tsy mahazo resaka sa misy "namana mikorotan-tsaina" eto? Sa izaho no mivadika atidoha?...asa...

...sitrano aho ry Ray fa zaza adala! Tsy fantatro akory izay manjo ahy fa Ianao no tokiko sy fanantenana ianteherako, angatahako famelan-keloka. Tsy tompon'ny tenako aho fa efa novidianao lafo tamin'ny Ran'i Jesosy Kristy zanakao, sy mpamonjy ahy. Diovy ny fo amam-panahiko mba ahaizako mijery sy mandray ny namako tahaka ny fijery sy fandraisanao azy rehetra. Esory amiko ny fo vato ka soloy fo nofo. Amena!

63. ikaretsaka ( 27/01/2008 02:35)
kiranil:
inona ihany no tena izy e?

dia mbola indramiko ilay tenin'i i soanja teo manao hoe
Aza misahirana amin'ny zavatra tsy tokony hisahiranana izay ny ahy no filamatro. Aza manahy ny ankoatr'izay fa tsy hisy ny ankoatr'izay raha manana an'Andriamanitra mahery ianao miasa ao anatinao"

64. LazaDaddy ( 27/01/2008 04:53)
65. prime ( 28/01/2008 10:22)
66. ikaretsaka ( 28/01/2008 14:37)
io vakivakiloha fanatisme anareo io vao mainka haha confus anareo tokoa anie e
67. LazaDaddy ( 28/01/2008 19:34)
68. kiranil ( 28/01/2008 22:24)
Miarahaba,

Hoy Ikaretsaka:

"Andriamanitra nanao hoe misy satana. "

Dia izy koa no miteny ito:

ny saintsika no mampisy na tsia azy..


Eo no nametrahako ny fanonantiana; satria zavatra roa mifanohitra ireo lazainy ireo.

Iza no ekeny fa marina, Andriamanitra izay tsy manafoana ny fisian'ny satana ve, sa ny saintsika olombelona?

Misy làlana ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo làlana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.


Hoy Jesosy Kristy:

lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any.


*******************

Aza manahy ny ankoatr'izay fa tsy hisy ny ankoatr'izay raha manana an'Andriamanitra mahery ianao miasa ao anatinao"


Raha manda sy tsy mitandrina ny Tenin'Andriamanitra ny olona iray, tsy miasa velively ao aminy Andriamanitra.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. Jaona 14


Mipetraka ny fanontaniana: Moa ve ny filazana fa "tsy misy satana" dia fitandremana ny Tenin'i Jesosy Kristy??

Misaotra.
69. prime ( 29/01/2008 09:49)
70. LazaDaddy ( 29/01/2008 20:33)
71. ikaretsaka ( 29/01/2008 21:00)
Andriamanitra tsy niteny hoe "Satan Facit" de nisy i satana fa inoako fotsiny hoe anisan'ny zava boariny izy
du genre hoe misia ny mason'i Kiranil... niara nisy t@ Kiranil ny mason'i Kiranil...:wink: na hoe misia ny microbe sns!

izya no tiako ambara @ le hoe saintsika na tsia no manamboatra izay: Izay amiko ilay Illusion.. resaka Theologique be koa io!

Ho'zy koa i Jesosy Kristy hoe "aza manahy"... ka inona no mbola ivakiana loha?..
ohatranao manao matematika io amiko hoe "soit x (dia hainao ny tohiny) " vo miala any io soit io dia efa ..probl izay!:-D

Ekeko tokoa. Fantatra fa misy x any, afaka atao soit le izy, fa aza ampidirina sy hamakiana loha .. raha tsy te hamaky loha!

izany ny fijeriko an'izany satana izany

Tsy ny fisian'i X sy i Satana no atao problematika amiko raha toa ka miteny miaraka @ A/tra marina fa ny firosoana any @ problem free sy ny misafononoka ny fiainana kanto miaraka amin'ilay nahary sy ny fi contempler-na ny zava nohariny!
72. LazaDaddy ( 29/01/2008 22:01)
73. prime ( 30/01/2008 07:28)
Ikaretsaka> Ny mahatonga an'ilay "finoana ny fisian'i Satàna" ho tonga adihevitra dia tsy fototry ny problematika fa fototry ny fankatoavana ny tenin'Andriamanitra ny amin'ny tokony iambenana sy ny tena iadiana eto amin'ity fiainana mandalo voalohany ity... ka ny olona tsy miambina dia sady voafitaka no tsy mahafantatra ny fetran'ny fitiavan'i Kristy ka mahatonga ny finoana mety ho diso mihitsy aza...

Ny tena fahavalo goavana dia tsy ny politika, tsy ny olana ara-ekonomika isankarazany (harin-karena ambany, fahantràna, hetra, famokarana...), tsy ny olana ara-tsosialy (fifandrafiana, fialonana, fifankahalàna, fifandatsàna, halatra, vono olona, tsy fisian'ny asa, fijangajangàna, fimamoana, filalaovana ody ratsy...) fa ilay fanahy ratsy eny amin'ny rivotra, ilay devoly ela mamadika ny fitiavan'i Kristy ho fitiavana sandoka amin'ny endriny isankarazany, ilay Satàna mamitaka ny maro amin'ny finoana tsy mampiray amin'Andriamanitra fa mampisaraka sy mampiady...

Fa na sitrana araka izay fahaizana sy fahalalàna sy ny lalàna ampiharina aza ny ara-ekonomika (ohatra ireo firenen-dehibe), mbola misy foana ireo olana ara-tsosialy maro...

Ny firaisana amin'i Kristy dia mitaky finoana miasa sy miady amin'ilay fahavalo fototra ihany koa...
74. ikaretsaka ( 30/01/2008 17:48)
ka na politika na herin'ny maizina na inona eny @ rivotra... ny saina anie izany ry prime e!

ny fiadiana @ io "kely herin-tsaina io" ilay hoe "finoana miasa"
75. LazaDaddy ( 30/01/2008 21:06)
76. prime ( 04/02/2008 10:22)
ikaretsaka> ny tenin'Andriamanitra efa miteny fa fanahy eny amin'ny rivotra io fa tsy saina... ka izay ilay idiran'ny finoana aloha vao ny asa... fa rehefa tsy mino izany ianao dia aza ahodina hoé : saina izany tenin'i Kristy izany...:)
77. cutie ( 05/02/2008 01:04)
ekeko le we fanahy eny @ rivotra :lol:
78. prime ( 05/02/2008 12:11)
cutie> :)
79. soanja ( 05/02/2008 15:46)
prime:

Ikaretsaka> Ny mahatonga an'ilay "finoana ny fisian'i Satàna" ho tonga adihevitra dia tsy fototry ny problematika fa fototry ny fankatoavana ny tenin'Andriamanitra ny amin'ny tokony iambenana sy ny tena iadiana eto amin'ity fiainana mandalo voalohany ity... ka ny olona tsy miambina dia sady voafitaka no tsy mahafantatra ny fetran'ny fitiavan'i Kristy ka mahatonga ny finoana mety ho diso mihitsy aza...

Ny tena fahavalo goavana dia tsy ny politika, tsy ny olana ara-ekonomika isankarazany (harin-karena ambany, fahantràna, hetra, famokarana...), tsy ny olana ara-tsosialy (fifandrafiana, fialonana, fifankahalàna, fifandatsàna, halatra, vono olona, tsy fisian'ny asa, fijangajangàna, fimamoana, filalaovana ody ratsy...) fa ilay fanahy ratsy eny amin'ny rivotra, ilay devoly ela mamadika ny fitiavan'i Kristy ho fitiavana sandoka amin'ny endriny isankarazany, ilay Satàna mamitaka ny maro amin'ny finoana tsy mampiray amin'Andriamanitra fa mampisaraka sy mampiady...

Fa na sitrana araka izay fahaizana sy fahalalàna sy ny lalàna ampiharina aza ny ara-ekonomika (ohatra ireo firenen-dehibe), mbola misy foana ireo olana ara-tsosialy maro...

Ny firaisana amin'i Kristy dia mitaky finoana miasa sy miady amin'ilay fahavalo fototra ihany koa...


Ilay fitiavan'Andriamanitra dia lafatra ary tsy mampisaratsaraka tokoa. Isika olombelona no mamorona ny fisarantsarahana. Manisy efitra ny zavatsoa ananana.

Ny fanomezana fisian'i Satana eo anivon'ny olombelona sy ny fiainany no mahatonga ny fisarantsarahana. Raha fantatrao fotsiny fa tsy lafatra ny olombelona dia mitondra amin'ny fahafahana mahafantatra sy falahelovana azy izany ary mitarika ny famindram-po sy ny famelan-keloka am-pitiavana.
Ny fametrahana ny fisian'i Satana dia milaza fanilihana ny andraikitra tokony iraisan'ny tsiraidray amin'ny fampivoarana ny fanahiny sy ny fanatsarana ny manodidina azy. Manana ny atao hoe fakam-panahy miotrika ao anatintsika isika tsiraidray avy. Io dia azo avy tamin'ny fahotana tamin'ny fototra. Na ny tsy manan-tsiny aza dia manana an'io ary mivoaka tokoa rehefa mihalehibe izy ireo raha tsy ampafantarina azy ny tsy mety ataony sy ny zavatsoa azo ataony miala amin'io.

Ny finoana manilikilika no azo lazaina aza fa SATANA- noforoniko ato an-tsaiko- novolen'ny hafa eto amin'ny fiarahamonina nefa narahan'ny tsy mahalala.




80. ikaretsaka ( 05/02/2008 16:10)
namaste
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0083