RAHA NY FIVAVAHANA NO MAMPANDROSO
61. pissoa
(
13/01/2008 21:46)
Raha valiana maika ny fanontanian'i Pissoa dia:
Ireo Tantsaha ,izay ankamaroan'ny Malagasy ary matetika mitazona ny fomban-drazany ,no mbola mamboly ny vary ,ny ovy , ny katsaka .....; miompy ny akoho sy ny vorona ,ny omby sy ny kisoa...... ho hanin'ireo olona an-tanan-dehibe izay matetika mpivavaka .
Ankoatra ny Kristianina mamboly dia toa misy karazana fikambanana sy sekoly mikatroka ny hampiroboroboana ny fambolena any anivon'ny fiangonana any.
62. rabilabila
(
14/01/2008 01:13)
Ankoatra ny Kristianina mamboly dia toa misy karazana fikambanana sy sekoly mikatroka ny hampiroboroboana ny fambolena any anivon'ny fiangonana any.
Efa voalazako tetsy ambony amin'ity:
Ny zavatra misy hafa koa any amin'ny tany toa an'i Madagasikara dia : Rehefa misy defaillance ny fanjakàna dia ny ONG miankina na tsia amin'ny fivavahana no manao ny asa fampandrosoana tokony ataony.
Na dia ny faniriko aza ny hanaovan'ny fanjakàna ny lahasany dia io no réalité ka tsy hitako izay zavatra hafa lazaina amin'izany.Amiko ,tsy tiako fotsiny raha an-kolaka no hisintomana ny olona hanatevin-daharana fa rehefa voahaja ny safidin'ny tsirairay dia izay ihany .
Ny atahorako mantsy dia raha ny taloha ny basy sy ny baiboly ,dia amin'izao ny sakafo sy ny fanafody sy ny asa fampandrosoana ary ny baiboly ( sao dia manao ohatran'ny "born again" sy ny IDers tamin'ny andron'ny tsunami )
63. Mandefitra
(
14/01/2008 05:03)
tontavao:
Momba ny dahalo fotsiny ohatra: Raha matanjaka ny fomba dia na ireo dahalo aza matahotra ny handika ny fombafoba izay hatao dia mety hihena arak'izay ny mety ho ankasomparana ataony. (mety tsy ho azona ny tiako ho lazaina eto fa ny hanazavako azy dia "Atahoran'ny malagasy ny mandika ny fombany"
Sao de vao maika mampiroborobo ny dahalo ilay fomba? anisan'ny fomba malagasy any atsimo any mantsy ny hoe raha tsy mangalatr'omby tsy mahazo vady ohatra ...
Fa raha Kristianina ny olona de mazava ho azy fa hanaja ny didy hoe aza mangalatra.
Samy matoa ny olona anie dahalo, efa tsy ao miny ntsony ilay antsoin'ny gasy hoe Fanahy Fahendrena ... ka tsy ny fomba gasy no tsy hanaovany ny asa ratsiny.
64. soanja
(
14/01/2008 06:54)
Inona no mampahantra Madagasikara no olana tsara apetraka eto satria mazava ny tenin'i Tontavao hoe maniry toy ny anana eny antsaha, raha mbola misy ny saha, ny fiangonana sy ny finoana ao Madagasikara.
Tokony hijery akaiky ny fampiharana ny finoany ny tsirairay. Fa raha nisy tokoa ny fijerena akaiky ny zavamisy ao Mada dia tsy nipetraka ny lohahevitra.
Firy ny Malagasy no Mpino, firy ny tsy mino ary firy ny manompo razana? Dia hita hoe nahoana no mikotringa ny fandrosoana? Mila mandinin-tena avy no fahitako izany? inona no anjara asanao amin'ny maha olom-pirenena anao sa ve tsy olom-pirenana intsony ianao rehefa nahita ny fanjakan'ny lanitra? Mbola manana finiavana ve ianao hijery ny manodidina anao ary hanampy amin'ny fialana amin'izany fahoriana mihatra aman-koditra izany?
Raha voavaly io dia tsy nisy ity hevitra ity?
Ny fananana an'Andriamanitra dia milaza sy mitory fitiavana ny manodidina anao sy ny hafa fahavalonao. Ampiharo amin'asa izany Andriamanitra ao anatinao izany raha mino ianao fa mandraitra tokoa ny heriny. Mahereza daholo!

65. tontavao
(
14/01/2008 11:00)
Momba ilay hoe farihy mirehitra afo, sy ny hoe ho aiza aho rehefa maty. Ny ahy dia mazava angamba hatrany amboalohany fa tsy voaporofo mazava hatreto izany fisian'ny farihy mirehitra afo izany. Maivana dia maivana ny fanaporofoana ny fisiany.Ary tsy ho aiza tsy ho aiza aho fa hanampy ireo razana izay hitahy ny taranaka fara-mandimby fa tsy ho any amin'ny paradisa sy fiainana mandrakizay izany akory. Efa any amiko ny toerako mandrakizay.
Ny lohahevitra ao dia ny hoe RAHA NY FIVAVAHANA NO MAMPANDROSO DIA ANGAMBA AO ANATIN'NY DIMY VOALOHANY I MADAGASIKARA AMIN'NY FANDROSOANA satria efa nisy nilaza teo fa mandroso tokoa ny isan'ny antokom-pinoana. Tsy efa manambara ve izay fa samy manana ny fandraisany azy ny baiboly na dia samy xna aza???, sady amin'izay samihafa be daholo ny fombafomba amin'ireo fiangonana ireo. Amiko dia marina dia marina ny voalazan'i Soandra etsy ambony io, anjarantsika mianakavy ny mandinika lalina izay lazainy. Indrindra fa ho an'ny xna izay faly ny mitanisa ny toko sy andininy fotsiny fa tsy miezaka manakatra lavidavitra kokoa ny hanatsara ny ety ambonin'ny tany aloha izay vao mibanjina ny tsy hita maso any (ny fandrosoana no lazaiko eto).
Ka voamarikareo ary fa ny mpandray anjara rehetra dia mahita tokoa fa mandringa ny fomba fanompoana fa mila fanarenana. Tokony imasoana bebe kokoa ny sehatra fampandrosoana fa tsy ny hoe any ankoatra no ezahina hampandrosoina .
Momba ny fomba GASY: marina ny nolazainao hoe tsy lehilahy raha tsy mangalatra omby. Tsy azo atao mihitsy angaha ny manova izany fomba izany amin'ny alalan'ny fomba , satria ny fahalalako azy ny tena hevitr'izy io dia hoe:
fehiny: FENO FAHENDRENA NY FOMBA GASY , misy dia misy tokoa ny ilam-panarenana toy ny any ampiangonana rehetra any fa tsy tokony hatakalo ny an'ny hafa.

tsy lehilahy raha tsy manana omby (harena izay amiko).Amiko ny fombafomba dia azo ampanarahina toetrandro fa tsy hoe foanana akory na tsy ho raharahaina raha vao misy finoana hafa entin'olona avy any aminy any.
fehiny: FENO FAHENDRENA NY FOMBA GASY , misy dia misy tokoa ny ilam-panarenana toy ny any ampiangonana rehetra any fa tsy tokony hatakalo ny an'ny hafa.
66. xxx
(
14/01/2008 13:31)
tontavao:
Momba ilay hoe farihy mirehitra afo, sy ny hoe ho aiza aho rehefa maty. Ny ahy dia mazava angamba hatrany amboalohany fa tsy voaporofo mazava hatreto izany fisian'ny farihy mirehitra afo izany. Maivana dia maivana ny fanaporofoana ny fisiany.Ary tsy ho aiza tsy ho aiza aho fa hanampy ireo razana izay hitahy ny taranaka fara-mandimby fa tsy ho any amin'ny paradisa sy fiainana mandrakizay izany akory. Efa any amiko ny toerako mandrakizay.
Ny lohahevitra ao dia ny hoe RAHA NY FIVAVAHANA NO MAMPANDROSO DIA ANGAMBA AO ANATIN'NY DIMY VOALOHANY I MADAGASIKARA AMIN'NY FANDROSOANA satria efa nisy nilaza teo fa mandroso tokoa ny isan'ny antokom-pinoana. Tsy efa manambara ve izay fa samy manana ny fandraisany azy ny baiboly na dia samy xna aza???, sady amin'izay samihafa be daholo ny fombafomba amin'ireo fiangonana ireo. Amiko dia marina dia marina ny voalazan'i Soandra etsy ambony io, anjarantsika mianakavy ny mandinika lalina izay lazainy. Indrindra fa ho an'ny xna izay faly ny mitanisa ny toko sy andininy fotsiny fa tsy miezaka manakatra lavidavitra kokoa ny hanatsara ny ety ambonin'ny tany aloha izay vao mibanjina ny tsy hita maso any (ny fandrosoana no lazaiko eto).
Ka voamarikareo ary fa ny mpandray anjara rehetra dia mahita tokoa fa mandringa ny fomba fanompoana fa mila fanarenana. Tokony imasoana bebe kokoa ny sehatra fampandrosoana fa tsy ny hoe any ankoatra no ezahina hampandrosoina .
Momba ny fomba GASY: marina ny nolazainao hoe tsy lehilahy raha tsy mangalatra omby. Tsy azo atao mihitsy angaha ny manova izany fomba izany amin'ny alalan'ny fomba , satria ny fahalalako azy ny tena hevitr'izy io dia hoe:tsy lehilahy raha tsy manana omby (harena izay amiko).Amiko ny fombafomba dia azo ampanarahina toetrandro fa tsy hoe foanana akory na tsy ho raharahaina raha vao misy finoana hafa entin'olona avy any aminy any.
fehiny: FENO FAHENDRENA NY FOMBA GASY , misy dia misy tokoa ny ilam-panarenana toy ny any ampiangonana rehetra any fa tsy tokony hatakalo ny an'ny hafa.
:cry::cry:
67. pissoa
(
14/01/2008 16:31)
rabilabila:
Ankoatra ny Kristianina mamboly dia toa misy karazana fikambanana sy sekoly mikatroka ny hampiroboroboana ny fambolena any anivon'ny fiangonana any.
Efa voalazako tetsy ambony amin'ity:
Ny zavatra misy hafa koa any amin'ny tany toa an'i Madagasikara dia : Rehefa misy defaillance ny fanjakàna dia ny ONG miankina na tsia amin'ny fivavahana no manao ny asa fampandrosoana tokony ataony.
Ary raha raisina hoe :
Rehefa misy defaillance ny fanjakana dia ahoana ny fandraisan'ny kristianina sy ny mpitana ny fomban-drazana anjara ?!
Tsy ny fanjakana vs fiangonana mantsy le resaka eto raha ny fahazoako azy fa fiangonana vs fomban-drazana.
Na dia ny faniriko aza ny hanaovan'ny fanjakàna ny lahasany dia io no réalité ka tsy hitako izay zavatra hafa lazaina amin'izany.Amiko ,tsy tiako fotsiny raha an-kolaka no hisintomana ny olona hanatevin-daharana fa rehefa voahaja ny safidin'ny tsirairay dia izay ihany .
Ny atahorako mantsy dia raha ny taloha ny basy sy ny baiboly ,dia amin'izao ny sakafo sy ny fanafody sy ny asa fampandrosoana ary ny baiboly ( sao dia manao ohatran'ny "born again" sy ny IDers tamin'ny andron'ny tsunami )
:-D:-D:-D
Inona no tena tadivin'ny tsy Kristianina ?!
Rehefa manao trano ny fiangonana, izany hoe lafiny ara-panahy fotsiny, dia lazaina fa maninona raha omena "sakafo" ny olona sns.
Nefa rehefa manome "sakafo" indray dia lazaina fa sao izay no hisintomana ankolaka.
Soa fa tsy miasa eo ambany fehezan'ny tsy Kristianina ny fiangonana fa raha tsy zany dia sahirana mafy. :oops::oops::oops:
68. rabilabila
(
14/01/2008 18:55)
Ary raha raisina hoe :
Rehefa misy defaillance ny fanjakana dia ahoana ny fandraisan'ny kristianina sy ny mpitana ny fomban-drazana anjara ?!
Tsy ny fanjakana vs fiangonana mantsy le resaka eto raha ny fahazoako azy fa fiangonana vs fomban-drazana.
Tsy resaka Vs ilay izy fa resaka possibilité -na "contingence ".
Ary hindrana an'i Soanja aho hamaliako azy :
Hoy i Soanja:
Mila mandinin-tena avy no fahitako izany? inona no anjara asanao amin'ny maha olom-pirenena anao sa ve tsy olom-pirenana intsony ianao rehefa nahita ny fanjakan'ny lanitra? Mbola manana finiavana ve ianao hijery ny manodidina anao ary hanampy amin'ny fialana amin'izany fahoriana mihatra aman-koditra izany?
Raha voavaly io dia tsy nisy ity hevitra ity?
Inona no tena tadivin'ny tsy Kristianina ?!.
Ny fiaraha-mampandroso ao anatin'ny fanajàna ny safidin'ny tsirairay .
Rehefa manao trano ny fiangonana, izany hoe lafiny ara-panahy fotsiny, dia lazaina fa maninona raha omena "sakafo" ny olona sns..
Nefa rehefa manome "sakafo" indray dia lazaina fa sao izay no hisintomana ankolaka.
Tsy nanao afatsy ni-relater ny faits aho etsy ambony fa tsy misy jugements de valeurs na iray aza.Ary raha ny momba ny hevitro manokana dia notsipihiko ny hoe : Ny atahorako mantsy.....( hafa ilay resaka ary ambadika ary ,ary hafa koa ny fizotry ny resaka )
Soa fa tsy miasa eo ambany fehezan'ny tsy Kristianina ny fiangonana fa raha tsy zany dia sahirana mafy..
Ary mampalahelo fa ny fivavahana kristianina no mi-determiner ny société malagasy satria izy no matanjaka.
Nefa kosa ,soa fa tsy mampaninona ny "tsy mpino " toa ahy ny miara-miasa amin'ny mpino rehefa mitovy ny tanjona :ho an'ny mpino = aider son prochain avec comme finalité ny fiainana mandrakizay ;ary ny an'ny tsy mpino = aider son prochain avec comme finalité leur seule indépendance à s'auto-suffire , s'auto-determiner ...,bref prendre leur vie en mains sans peurs ni reproches par pure altruisme.
Fanontaniana : Inona no atao hoe fandrosoana amin'ny ankapobeny ? Ary inona avy no nenti-manana ahatongavana amin'ireo lazaina hoe fandrosoana ireo ?
69. pissoa
(
14/01/2008 19:49)
Tsy resaka Vs ilay izy fa resaka possibilité -na "contingence ".
Sao dia za no nanomboka ilay fanontaniana hoe inona no vitanan'ny mpanaraka ny fomban-drazana (satria nolazaina fa manao ny fiangonana fa tsy misy fiatraikany loatra) !
izany hoe haiko fa fampitahana (izay le vs tiko tenenina) no nangatahiko teo. Raha tsy hoe tsy ny fanontaniko akory no novalinao tery ambony dia miala tsiny ! :°)
Tsy nanao afatsy ni-relater ny faits aho etsy ambony fa tsy misy jugements de valeurs na iray aza.Ary raha ny momba ny hevitro manokana dia notsipihiko ny hoe : Ny atahorako mantsy.....( hafa ilay resaka ary ambadika ary ,ary hafa koa ny fizotry ny resaka )
:-D:-D:-D
Ary mampalahelo fa ny fivavahana kristianina no mi-determiner ny société malagasy satria izy no matanjaka.
Tsy mampalahelo izany amiko ! Ny maro an'isa ( = tsy Kristianina) tsy hanao azy tsinona ka ! Efa maro an'isa ve mbola tsy matanjaka ihany ! Raha tsy manao na inona na inona ny Kristianian dia izay vao mampalahelo :cry:
Nefa kosa ,soa fa tsy mampaninona ny "tsy mpino " toa ahy ny miara-miasa amin'ny mpino rehefa mitovy ny tanjona :ho an'ny mpino = aider son prochain avec comme finalité ny fiainana mandrakizay ;ary ny an'ny tsy mpino = aider son prochain avec comme finalité leur seule indépendance à s'auto-suffire , s'auto-determiner ...,bref prendre leur vie en mains sans peurs ni reproches par pure altruisme.
Yo no naka o nani-ni tatoemu asabiraki kogiinishi fune no ato naki gotoshi :°)
70. rabilabila
(
15/01/2008 09:44)
Sao dia za no nanomboka ilay fanontaniana hoe inona no vitanan'ny mpanaraka ny fomban-drazana
:-D:-D
Efa novaliako tamin'ity:
Ireo Tantsaha ,izay ankamaroan'ny Malagasy ary matetika mitazona ny fomban-drazany ,no mbola mamboly ny vary ,ny ovy , ny katsaka .....; miompy ny akoho sy ny vorona ,ny omby sy ny kisoa...... ho hanin'ireo olona an-tanan-dehibe izay matetika mpivavaka .
satria nolazaina fa manao ny fiangonana fa tsy misy fiatraikany loatra
Ra izaho no iantefan'ilay fehezan-teny dia avereno vakiana ny noteneniko teto amin'ity lohahevitra ity.
Tsy mampalahelo izany amiko !
Mazava ho azy !! Ny mpandresy tsy maitsy mitehaka foana !!:-D:-D
Ny maro an'isa ( = tsy Kristianina) tsy hanao azy tsinona ka ! Efa maro an'isa ve mbola tsy matanjaka ihany
- Siora ve ianao fa tsy te-hanao izy ? Sa kosa sao dia mba tokony hodinihina ihany ny tantara ? Sao dia tokony hametraka ny fanontaniana ohatran'ny hoe : Iza no nitondra ny tany sy ny fanjakàna hatramin'izay? Inona no tena nibahana tao ? Iza no nanararaotra ny fahalalàna tany an-tsekoly hatramin'izay ? Ary indrisy hatramin'izao ?..........Betsaka ny fanontaniana azo apetraka ...................
- Ny maro an'isa tsy voatery hatanjaka rehefa tsy manana pouvoir politika ,na ekonomika , na koa rehefa tsy nianatra ..........................any amin'ny fifidianana demokratika ihany ny maro an'isa vao matanjaka.
Raha tsy manao na inona na inona ny Kristianian dia izay vao mampalahelo
Mbola hindramiko indray i Soanja eto :
Mila mandinin-tena avy no fahitako izany? inona no anjara asanao amin'ny maha olom-pirenena anao sa ve tsy olom-pirenana intsony ianao rehefa nahita ny fanjakan'ny lanitra? Mbola manana finiavana ve ianao hijery ny manodidina anao ary hanampy amin'ny fialana amin'izany fahoriana mihatra aman-koditra izany?
Raha voavaly io dia tsy nisy ity hevitra ity?
Amiko manokana raha fampandrosoana no resahina dia olom-pirenena miezaka ny hampandroso no voalohany ( izay ilay altruisme) ,ny firehin-kevitra politika na fivavahana ,na finoana accessoires daholo.Fantatro fa utopique io resahiko io fa amiko izay no tokony ho izy :cry:
Yo no naka o nani-ni tatoemu asabiraki kogiinishi fune no ato naki gotoshi
Fantatro fa tsy tian'i Pissoa ny mampiasa teny vahiny ( sady tsy manara-dalàna :wink:) , saingy efa niteny aho tany rehetra tany fa ny voambolako malagasy dia voafetra dia voafetra noho ny fampianarana azoko ,miezaka dia miezaka anefa aho ary hitako fa mihatsara ilay izy satria efa mahasoratra hatramin'ny poezia indraindray :-D ;saingy mbola tsy lavorary ka dia ialàna tsiny tanteraka .:-D:-D:-D
71. tontavao
(
15/01/2008 10:57)
RAHA MAHAZO SEHATRA BEBE KOKOA NY MPANDALA NY FOMBAN-DRAZANA DIA HAHAVITA BETSAKA LAVITRA NOHO NY VITAN'NY FIANGONANA NO VITANY AMIN'NY FAMPANDROSOANA; METY HO MARO AN4ISA MARINA NY Tsy mpivavaka fa kosa tsy mahazo ny SEHATRA ahazoany mba mandray anjara izy amin'ny lafiny rehetra.
Ka amiko dia tsara lavitra noho ny baiboly ny fahendrena napetraky ny razana malagasy tany aloha tany raha haintsika ny mitrandraka sy manome aina azy.
Satria raha ny didy folo fotsiny ohatra dia ihoaran'ny didy navelan'ny razana io (tsy ampy io folo io fa ny gasy manana maro noho io boky vahiny io)

72. Mandefitra
(
15/01/2008 11:18)
Ohatran'ny eritreritra (théorie) ny an'i tontavao no betsaka ... Mba zarao @ havana ary zany fahendrena napetraky ny razana zany e.
Ny an'i Kristy mantsy de voafehin ny hoe :
1/Tiava ny namanao tahaky ny tenanao
2/Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao ....
Raha handray fitenenana vitsivitsy nataon'ny malagasy aho zao, ary mbola hita taratra sy latsa-paka @ isika de mifanohitra @ zany ny zava-misy :
- Manan-jara ze tian-kavana herinandro
SM : Mazotoa mampiantrano vahiny, f'efa vahiny sy mpivahiny ianareo ...
- Ory hava-manana
SM : Aza mitsiriritra ...
- Havako raha misy patsa
Raha azo atao, mihavana @ olona rehetra, tiava ny fahavalonao
- Raha maty aho matesa ra havana
SM:Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, de ny mahafoy ny ainy ho an'ny sakaizany
...

73. tontavao
(
15/01/2008 12:57)
Afangaronao tanteraka ny ohabolana sy ny oha-pitenenana ka tsara raha mandalina tsara aloha vao mitsiriritra satria ohabolana populaire be no omeko anao mba tsy hitantarana ohabolana lalina be ireny:
Aleo very tsikalakalam-bola .....
ka oha-pitenenana ny hoe: Raha maty aho matesa rahavana......
MBA BETSAKA IHANY NY TSARA fa ny mpanaraka no vitsy satria voatefitefin'ny vazaha ny saina hoe: Bizina aloha, zay vao ....

75. xxx
(
15/01/2008 13:06)
tontavao:
RAHA MAHAZO SEHATRA BEBE KOKOA NY MPANDALA NY FOMBAN-DRAZANA DIA HAHAVITA BETSAKA LAVITRA NOHO NY VITAN'NY FIANGONANA NO VITANY AMIN'NY FAMPANDROSOANA; METY HO MARO AN4ISA MARINA NY Tsy mpivavaka fa kosa tsy mahazo ny SEHATRA ahazoany mba mandray anjara izy amin'ny lafiny rehetra.
Ka amiko dia tsara lavitra noho ny baiboly ny fahendrena napetraky ny razana malagasy tany aloha tany raha haintsika ny mitrandraka sy manome aina azy.
Satria raha ny didy folo fotsiny ohatra dia ihoaran'ny didy navelan'ny razana io (tsy ampy io folo io fa ny gasy manana maro noho io boky vahiny io)
Ka mihetsika ianao izany, omeo sehatra ny fomban-drazana hijerentsika ny fandehany indray . Reseo lahatra ny olona hiverina @ fomban-drazana dia ho hita eo
76. tontavao
(
15/01/2008 13:30)
Izaho sy ianao aza miafina ato anty tontavao sy xxx ka hihetsika haninona ary. Mamoaka hevitra no anjarantsika eto ary manaitra ny hafa hanao action fa tsy hanantateraka velively angamba.
HEVITRA RE NO AROSO ETO FA TSY AFAKA NY HIHETSIKA IZANY RY NAMANA A. Resy aho raha izay no lazainao.

77. rabilabila
(
15/01/2008 14:03)
Tontavao
Miala tsiny aho aloha raha hiselintselina ny resakareo sy Mandefitra fa ny fijeriko azy dia izao :
Ilay fametrahana ny hoe : \" tsara kokoa \" sy ny hoe \" hahavita be lavitra \"( na dia izay aza ny hevitrao ,ary hajaiko tanteraka ) dia efa mampiseho sahady ny atao hoe \"supériorité \" , ka raha vao misy an\'izay dia hisy foana ny resaka \"domination\" ,ary raha vao misy ny resaka domination dia hisy foana ny \"perdant \"==> Miditra amin\'ny \"jeux\"-n\'ny kristianina ianao nefa izay no tokony hiadivana :\" Ny fanomezana HASINY ireo kolo rehetra misy eto Madagasikara \"
Tsy any anefa ,raha tsy diso aho , no tena tianao ahatongavana , fa ny fampatsiahivana fa manana ny maha-izy azy ny kolotsaina sy ny soatoavina malagasy.
Hoy aho ary ambadika ary momba ny fahendrena ,na filozofia rehetra antérieurs -n\'ny kristianisma http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m4748af2e168bf toa ny ao anatin\'ny Rig Veda izay nanana ny naha-izy azy tokoa .
Hoy aho hoe : Raha misy an\'ny hafa ka mety hanatevenana ny an\'ny tena (resaka fahendrena sy fahalalàna no lazaiko ) dia amiko tsy mampaninona ny maka azy ,izay no atao hoe \" fandrosoana ara-pahalalàna \"
Mandefitra
\" Tongolo manga faka , fary manga vololona ; ka raha tongolo fihinana ,andrahoy ; raha fary fifiaka ,tapaho . Koa aza dia mifadifady zanak\'olona an-tanàna loatra , fa ny randram-bao mahataitra ,ary izay mitafy lamba vao mampandrobo. Koa manaova toy ny fakam-bononoka ;raha tsy sendra ny vato misakana dia tsy manova tany hitsimohana .\"
\"Isika anie ka tsy misy olon-kafa ,fa olona iray tam-po sy olona iray no ho vaky ,iray fototra ,iray nihaviana ; mpirahalahy nizara dian\'omby ; sty vaky fa nitriatra ;vary zato naharon\'ny sompitra ,trano atsimo sy avaratra , tanan-kavia sy havanana ,maso sy orona , vary roa tanty .
Koa mifankatiava izao isika izao ,fa ny any an-koatry ny bonga tsy azo antsoina ; ny afo lavitra tsy azo amindroana ,ary ny vary zato tsy enti-mandeha . Tsy misy tratry ny hafa ; fa raha miantso ny havan\'olona , hono , dia alina ; fa raha miantso ny havan\'ny tena kosa , atoandro ; ka he aza ny anaran-dRanona atao hoe Itsitratrinihafa .
Koa indro ny aminao , zoky be toa ray ; ianao no amboara afatorana ,ala be ikirizana , kitro ifaharana ,masoandro amam-bolana ianteherana sy lanitra irakofana ,ary tany diavina . Ianao no tratra iraketan\'ny elany , felatanana ikambanan\'ny tondro , ary lohalika itohizan\'ny ozatra . Ianao no voamaintilany hany sisa , hazo dimbin\'ny ala , vorom-panova hena ,ary Andriananona sy Ranona no ho velona. \"
Anatra anakiroa ireo , fanaon\'ny Ntaolo .

78. tontavao
(
15/01/2008 14:16)
Ilay fametrahana ny hoe : " tsara kokoa " sy ny hoe " hahavita be lavitra "( na dia izay aza ny hevitrao ,ary hajaiko tanteraka ) dia efa mampiseho sahady ny atao hoe "supériorité " , ka raha vao misy an'izay dia hisy foana ny resaka "domination" ,ary raha vao misy ny resaka domination dia hisy foana ny "perdant "==> Miditra amin'ny "jeux"-n'ny kristianina ianao nefa izay no tokony hiadivana :" Ny fanomezana HASINY ireo kolo rehetra misy eto Madagasikara "
Misaotra anao ary mihevitra aho fa ray amandreny afaka ny hampisongadina ny tena maha-malagasy ny malagasy ianao. Mbola tanora aho nefa mba manankambo ihany koa amin'ny fananako ny ahy ary tsy te-hanaiky lembenana amin'ny hevitry ny hafa izay tsipihiko fa manivaiva ny soatoavina sy ny maha-malagasy ny malagasy mihitsy.
Marina ny remarque ataonao, fa kosa amin'ny adihevitra toy itony dia nalaimpanahy foana aho hanao fampitahana satria mirona bebe kokoa mankany ny hevitra avoakan'ny namana mpiady hevitra ka tsy maintsy atao ny fiarovana ny hevitry ny tena.
Efa manindry mafy ny fivavahna xna satria io no indrahindraina sy omen-kasiana, ka izay no tsy maintsy iarovako ny hevitro satria tiako ny ahy na dia heverin'ny sasany ho ratsy sy mavomavo aza
79. fijo
(
15/01/2008 22:37)
fanontaniana:"
58. Mpandefa : pissoa [ Valio ] 11-01-2008 23:07:23
Lohateny : Re : RAHA NY FIVAVAHANA NO MAMPANDROSO
Fijo : hazavao e !
Ary zao hoa e ! Efa hoe mba asehoy anay izay vitan'ireo maro an'isa mpanaraka ny nentin-drazana e. Toa be dia be mantsy ireo teoria voalaza eo ambony ireo mikasika ny hoe raha ny an'ny tena no tahaka izao sns ! dia asehoy ary fa nahavita be ireo nihazona ilay "mahai zy azy" e ! Toa hoe manao ny fiangonana mantsy fa tsy ahitam-bokany mankaiza, dia aleo aloha mangina miandry izay efa vitanareo tamin'ny fampandrosoana !
valiny:
jereo fa efa manomboka miverina izao ny fitiavana ny vita gasy.io dia efa zavadehibe tokoa

80. Mandefitra
(
16/01/2008 05:09)
tontavao> Za nge tsy niteny hoe ohabolana fa fitenenana hoy aho ... nefa zary lasa toetra tafian'ny malagasy maro ary nahitsin'ny Soratra Masina.
rabilabila>Misaotra @ ilay anatra fanaon'ny Ntaolo.Raha ny teny malagasy ndray aloha dia tiako.Nisy fotoana aza za efa saika hikabary t@ fangataham-bodiondry, fa tsy tonga ny tena mpikabary, fa tsy sahy no mbola tsy havanana rahateo. Raha ny mamangy fahoriana de ie :oops:
fijo> tsara ny vita malagasy, tsara ny teny gasy sy ny fahendren'ny razana ka ... Ny fomba malagasy sasany toy ny vodiondry, ny hasoavana, ny rom-patsa, ny vodiakoho ho an RAR sns ...
Fa ny fomba, zay mbola mila ny fanelanelanan'ny razana @ ilay Tsitoha, no tsy mety @ finoana Kristianina, zay monja