RAHA NY FIVAVAHANA NO MAMPANDROSO

1. tontavao ( 08/01/2008 11:14)
Raha ny fivavahana na ny fandehanana ampiangonana tokoa mantsy no mampandroso ara-toekarena dia angamba ao anatin'ny dimy voalohany matanjaka indrindra ara-toekarena erantany i Madagasikara, nefa indrisy fa mety ho mampahantra ny fivavahana diso tafahoatra toy ny ataon'ny gasy
novalian'i prime ny 25/01/2008 11:44
2. simplex ( 08/01/2008 12:06)
:lol:
3. arialy ( 08/01/2008 12:12)
:roll:
indrisy
4. prime ( 08/01/2008 13:07)
tontavao> inona no tianao ambara amin'ny hoe "mampahantra ny fivavahana diso tafahoatra toy ny ataon'ny gasy"...? mba mila hazavaina lalindalina kokoa raha sitrakao... misaotra mialoha
5. cutie ( 08/01/2008 13:21)
tsy tokony ampidirina @ resaka fivavahana mitsy ny resaka fandrosoana :)
6. agoago ( 08/01/2008 13:25)
Zaho ry tontavao (eto madagasikara aho) raha mivavavaka sy mankany ampiangonana aho, tsy ny hampandroso ara-toekarena an'i madagasikara izany no handehanako any, fa noho ny finoako an'Andriamanitra, nahary ahy, nandefa ny zanany hamonjy ahy ka ho anisan'ireo ho olomboafidiny raha ho avy izay andro hiverenany, hankalaza sy hidera ny Tompo no andehanako any ampiangonana.
Fanjakan'ny tany anie izany resahanao izany, samihafa be amin'ny fanjakan'ny lanitra. Satria raha mivavaka ho an'i madagasikara aho, izany ny tena marina dia ny fanitarana ny fanjakan'Atra eto amin'ny fireneko no agatahiko, ny hibebahana'ny malagasy tsirairay hahavoavonjy azy.Mety mba diso angamba aminareo sasany.
Any ampiangonanay aloha fa tsy fantatro ny any ankafa tsy miresaka fanaovandalana,tsena sy kianja filalaovana ny any, na ny fanitarana ny arabe sy seranampiaramainidina, na hoe ahoana ihany ny fanatsarana ny fianambahoaka fa resaka fanjakan'Andriamanitra e.
Raha ny famapndrosoana an'i madagasikara dia sehatra hafa amiko no iresahana izany sy hanaanterahana izany
7. prime ( 08/01/2008 13:38)
Misaotra Ra-agoago fa tena itoviako hevitra tanteraka...
8. tontavao ( 08/01/2008 15:50)
Resabe fotsiny izany ny fangataham-pitahiana ho an'ny tanindrazana sa formalité fotsiny ireny?
Hitariko ny hevitro: Ivavahana isan'nandro ny hampandroso an'i Madagasikara, manao daholo ny olona ary lany fotoana mihitsy manao azy io , mihena dia mihena ny fotoana tokony hiasana ho an'y hafa amin'izay nefa dia ny TOA VAO MAIKA MAHANTRA ILAY FIRENENA SATRIA tsy misy fanampiana tonga avy any andanitra na avy any Israely mihitsy.
Tsy ratsy mihitsy ny mivavaka fa amiko dia toy ny toerana fanabeazana olona rehetra toy ny fitaizana zaza kamboty, fanabeazana aizana,....ihany ny fiangonana fa ny fandaniana fotoana be loatra aminy no hitako ho anisan'ny mampahantra ity firenena ity .
Tsy mamingavinga aho sanatria fa maneho ny zava-misy fotsiny.
Miala tsiny ihany koa aho raha mivantambantana fa hevitro io ka anjaranareo ny mandray na tsia, fa ny fanamelohana kosa dia toheriko dieny ety amboalohany satria tsy natao hitsara ny mpivavaka.
9. pissoa ( 08/01/2008 16:03)
:-D:-D:-D

raha tena tiana handroso tokoa ny firenena dia sao tokony hoe ny fotoana hanaovan-dratsy no ahena, ny fotoana hambotriana firenena, ny fotoana hanaovana ny fanodikodinana isan-karazany (manomboka amin'ny vola ka hatramin'ny saina sy ny sentiment-bahoaka) ?
10. nandrianina1 ( 08/01/2008 16:04)
tontavao:

fa dia TOA VAO MAIKA MAHANTRA ILAY FIRENENA SATRIA tsy misy fanampiana tonga avy any andanitra na avy any Israely mihitsy.


zay zay le tsy mba mahita zvtr positif mintsy ka na le mofogasy hohaniko rapitso aza ne de efa fanapina avy an-danitra e
sady tsy voasoratr ko ange le we avy any israel ny fanampiana ny gasy mahantra refa any amparany any:-D:-D
11. tontavao ( 08/01/2008 16:33)
Izay amiko ilay fivavahana, manabe ny olona tsy hanao ratsy fa ny fandaniampotoana diso tafahoatra any ampiangonana no tokony ahena .
Misy olona anie ka mila tsy hahita hanin-ko hanina mihitsy fa maraina antoandro hariva dia fiangonana no atao asa aman-draharaha é.
Ka raha ny hampitombo ny fanjakan'Andriamanitra fotsiny no atao ao ampiangonana dia mipasoka ny efa malama anie izany fa efa vitan'Andriamanitra izany.
Ka amiko ho an'ny Mpivavaka rehetra dia anisan'ny mampihemotra ara-toekarena ny fandaniam-potoana diso tafahoatra any ampiangonana.
12. xxx ( 08/01/2008 17:29)
Opinion toy opinion rehetra moa ny an-drangahy ka hoy aho hoe : tazony ho anao irery izay hevitra taingina izay.
Fa impiry isan-kerinandro no mankany am-piangonana ianareo, ary adiny firy isan'andro. Sao dia irony Sekta mitabataba eny amoron-dalana isan'andro irony no resahinay. Ny anay manko isak'Alahady ihany ary zara raha mandany adiny roa akory.
Ka mba ivereno kely ilay fanamarihana ry dada fa tsy ao anie izy izany.

Farafaharatsiny ahay ianao nilaza hoe: ny fahantrana be loatra no mahatonga ny olona hivavaka.

Ankoatr'izay. Dia tsy hitanao ve io toe-tsain'ny Gasy tia kely, tia tena, mifampialona, mangalatra,matahotra vahiny,sns.
Sao dia ireo toe-tsaina ireo no tokony amboarina.




13. cutie ( 08/01/2008 17:41)
tsy tokony ny fivavahana no kianina eto fa ny fiangonana mitsy :-D
14. niryna ( 08/01/2008 18:49)
xxx:

Opinion toy opinion rehetra moa ny an-drangahy ka hoy aho hoe : tazony ho anao irery izay hevitra taingina izay.
Fa impiry isan-kerinandro no mankany am-piangonana ianareo, ary adiny firy isan'andro. Sao dia irony Sekta mitabataba eny amoron-dalana isan'andro irony no resahinay. Ny anay manko isak'Alahady ihany ary zara raha mandany adiny roa akory.
Ka mba ivereno kely ilay fanamarihana ry dada fa tsy ao anie izy izany.

Farafaharatsiny ahay ianao nilaza hoe: ny fahantrana be loatra no mahatonga ny olona hivavaka.

Ankoatr'izay. Dia tsy hitanao ve io toe-tsain'ny Gasy tia kely, tia tena, mifampialona, mangalatra,matahotra vahiny,sns.
Sao dia ireo toe-tsaina ireo no tokony amboarina.



:D marina tokoa ny voalazanao,ary mampan-droso firenena amin'inona tokoa ary no tian'ilay zalahy io resahina? :roll:
Ny fandehanana any am-piangonana mantsy dia toy isika marary dia mitady dokotera.Matoa miditra am-piangonana izany dia mahatsiaro fa mila fampaherezana ara-panahy,maka fanafody,raisina isan'andro ilay fanafody mba nasitranana,raha atao ao am-paosy fotsiny tokoa mantsy dia tsy mahaomby ary dia ho sasa-poana ny dia.Na inona firenana ,na iza olona manana sy mino ilay Atra Nahary izao tontolo izao dia tsy mba ahantra velively raha ara-panahy,raha ara-bola indray dia zavatra hafa izay

15. tontavao ( 08/01/2008 20:39)
Mety ho diso aho amin'ny sasany fa kosa hita ho mirona amin'ny heveriko ho tsy mety ihany ny mpandray anjara eto satria raha ny fahantrana no mampandeha any ampiangonana, mety hahafoana azy ve izany sa ny zavatra atao ao ampiangonana ao mihitsy no vao mainka hampahantra azy ireo.

Mety ho hevitra taingina hoy ianao , tsy manome tsiny anao aho raha hilaza an'izay satria ianao io mihitsy no tena tiako ho tenenina. Malemy loatra ny fanahinao satria tsy misy afa tsy ny fandemem-panahy no betsaka ao ka izay ilay mahantra tiako ho lazaina.

Sady eto amintsika koa anie dia lasa zavatra hafa (fizahozahoana, fampiderana fananana, ady saritaka, fanafenana ny ratsy atao.....)ireo no hita ao ampiangonana ao na any @ Sekta na @ireo fiangonana hafa milaza azy tsy ho sekta ireo.

Marihiko farany fa tsy ny fivavahana no ratsy akory fa ny fomba anaovana azy no mila fanovana satria na ny tompony aza efa miova amin'ny fomba amam-panao tamin'ny andron'ny fanoratana voalohany ny baiboly(Israely sy ny Palestina no tiako ho lazaina eto)
16. rakapy ( 08/01/2008 21:03)
Fanampiako ny tenin'i Tontavao satria dia hita fa misy fahamarinany tokoa. Fandementsaina tokoa no ataon'ireo fiangonana maro eto Mada. Satria dia ireo olona voafidy ao am-piangonana ihany no mitatavana ny soa eto an-tany fa ireo mpivavaka madinika kosa dia lemena ny saina ary ampanantenaina ny any an-danitra.Atao fitaovana ny mpivavaka madinika mba ahazaon'ireo loandohan'ny mpisorona ao am-piangonana ny zava-tsoa eto an-tany. Amiko io filozofia io dia mitarika ny fahantrana satria lasa tsy miheritreritra ny fiainana eto an-tany intsony ilay olona fa mitsinjo ny any an-danitra foana ny ao an-tsainy. Ka nefa dia tokony ny eto an-tany izay hiainany @ izao fotoana izao aloha no tsinjoviny voalohany ka izay any an-danitra any ve tsy ho hita eo izay atao rehefa tonga ilay fotoana ? Raha tonga teto an-tany ny olona iray dia tsy nisy fiomanana tany @ izay nisy azy tany fa dia eto izy no manatsara araka izay fahitany azy.
17. pissoa ( 08/01/2008 21:07)
Otran'ny lasa ilay flirony nolazain'i xxx no novalian'i tontavao. Izaho manokama mantsy dia ilay hoe adiny 2 isan-kerinandro no lanin'ny ankabeazam-bahoaka any ampiangonana no tena hitako, satria i tontavao nilaza hoe maraina atoandro hariva raharaham-piangonana foana.
(Ny fiangonanay aloha ny gardien --- izay mahazo karama tsara mihitsy --- no "mandany andro" ao e :-D:-D:-D )

Ito hoa ny mitondra amin'ny fampandrosoana :

raha tena tiana handroso tokoa ny firenena dia sao tokony hoe ny fotoana hanaovan-dratsy no ahena, ny fotoana hambotriana firenena, ny fotoana hanaovana ny fanodikodinana isan-karazany (manomboka amin'ny vola ka hatramin'ny saina sy ny sentiment-bahoaka) ?


Sady eto amintsika koa anie dia lasa zavatra hafa (fizahozahoana, fampiderana fananana, ady saritaka, fanafenana ny ratsy atao.....)ireo no hita ao ampiangonana ao na any @ Sekta na @ireo fiangonana hafa milaza azy tsy ho sekta ireo.

Ka tsy ilay fiangonana no mahatonga ireo fa ilay olona tsy manaraka ny fampianaran'ny fiangonana ! Izy ajedaka e :lol:
18. fijo ( 08/01/2008 23:38)
marin any voalazan'i tontavao de mikoraka aby ny pokona le
19. soanja ( 09/01/2008 01:17)
tontavao:

Raha ny fivavahana na ny fandehanana ampiangonana tokoa mantsy no mampandroso ara-toekarena dia angamba ao anatin'ny dimy voalohany matanjaka indrindra ara-toekarena erantany i Madagasikara, nefa indrisy fa mety ho mampahantra ny fivavahana diso tafahoatra toy ny ataon'ny gasy


Mampanakarena ny fivavahana amin'Andriamanitra saingy harena tsy azo amidy ary tsy voavidim-bola no atolony ho antsika.
Anjarantsika no mahalala hoe inona izany harena izany. Ho an'ireo zay tsy mahalala azy tokoa dia hihevitra fa mahantra ny manana an'Andrimanitra. Tsy maninona anefa izany fa tsy ny hevitry ny hafa no zavadehibe ny hevitr'Amdriamanitra eo ampandraisana ny harena omeny tsy hita noanoa sy mahavelona mandrakizay!

Koa raha misy idiram-bola ny fivavahana dia fivavan-diso izay satria Andriamanitra tsy atakalo vola aman-karena fa na Andriamanitra na vola. Ny FANAHY dia mahavelona mandrakizay!


20. agoago ( 09/01/2008 05:18)
Izay mihintsy ry soanja, ny harena sy fahantrana amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy izao tontolo izao anie tsy mitovy mihintsy."Tsy aty amin'izao tontolo izao ny fanjakako hoy izy".
Ny voalazan'ny sasany momba ny fiangonana teo dia marina, satria mbola afangaron'ny olona foana ilay fanjakana tena lazain'izy tompo sy ny fanjakan'izao tontolo izao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0517