RAHA NY FIVAVAHANA NO MAMPANDROSO
21. niryna
(
09/01/2008 06:11)
tontavao:ka ilay fahantrana tianao tenenina anie dia ny haren'izao tontolo izao e,ny vola no maha rangahy,izay ilay hoe ny vola no Atra,ny an'ny kristiana dia hoe katsaho aloha ny fanjakan'ny lanitra dia hanampy anao izao rehetra izao.
Mety ho diso aho amin'ny sasany fa kosa hita ho mirona amin'ny heveriko ho tsy mety ihany ny mpandray anjara eto satria raha ny fahantrana no mampandeha any ampiangonana, mety hahafoana azy ve izany sa ny zavatra atao ao ampiangonana ao mihitsy no vao mainka hampahantra azy ireo.
Raha tsy niaina tao anatiny tokoa moa hianao ahoana no ahalalanao azy?Dia tsy mila miady hevitra fa izay izy aminao dia izay.
o^oraha tsara tarehy aza hianao o ka tsy ao aminao ny fanahy,akoso-bolamena a mamiratra jerena a o^o.
Mety ho hevitra taingina hoy ianao , tsy manome tsiny anao aho raha hilaza an'izay satria ianao io mihitsy no tena tiako ho tenenina. Malemy loatra ny fanahinao satria tsy misy afa tsy ny fandemem-panahy no betsaka ao ka izay ilay mahantra tiako ho lazaina.
Misy olona ve manankarena sady tia mizara ? Eny tompoko satria ao aminy ny harena ary ao aminy ny fanahy.
Misy olona ve tsy mba manana kanefa manan-karem-panahy?
Eny tompoko,trano bongo misy ronona ka sarotra atao malahelo.
Misy olona ve manan-karena kanefa tsy tia mizara ,no mitazona izay betsaka ananany?
Eny ,tompoko ,ireny no atao hoe tia tena,izaho ihany,tsy misy afatsy moi,moi,moi,ny kahihitra ihany no lanibe,ireny koa no atao hoe mandraitra atody vaky sy ny mamaky akotry.
mety tao izany hianao no niala? aoka etsy ry lehiretsy a hitako no .....ka hianao no mivaky loha amin'izany ,izay no tiany olona dia avelao izy anao izay ataony ,ny anao jerena,ampio ny mahantra raha manana hianao,zarao ny fahasoavana nomen'Atra fa manana tokoa hianao,ary raha misy olona manana fiara vaovao ohatra,aza mialona azy fa ataovy hoe tsara izany fiaranao izany ,iza no mahalala fa sao dia mba mahazo kidaon-drano hianao ary amin'ny farany asiany mitondra ilay fiara :roll::D:D
Sady eto amintsika koa anie dia lasa zavatra hafa (fizahozahoana, fampiderana fananana, ady saritaka, fanafenana ny ratsy atao.....)ireo no hita ao ampiangonana ao na any @ Sekta na @ireo fiangonana hafa milaza azy tsy ho sekta ireo.
Ny zavatra tsara foana no jerena dia manga ny lanitra ary miala ho azy ny kentrona amin'ny tarehy :D
Marihiko farany fa tsy ny fivavahana no ratsy akory fa ny fomba anaovana azy no mila fanovana satria na ny tompony aza efa miova amin'ny fomba amam-panao tamin'ny andron'ny fanoratana voalohany ny baiboly(Israely sy ny Palestina no tiako ho lazaina eto)
Izay indrindra mantsy,mila mandalina ny baiboly dia mety ahafantatra ny antony,efa voasoratra ao daholo ireo ady ireo(taranak'i Abrahama zaza sary sy zaza nomen'Atra ..)mbola lesona lavabe indray io .
dia ampio ary ny mpivavaka e,tariho izy ireo andeha amin'ny fahamarinana izay noheverinao fa mety raha izany :-*
22. prime
(
09/01/2008 09:01)
Dia tena mitovy hevitra amin'i Pissoa koa aho eto...
Fa hono tokoa hoy aho Ra-tontavao, inona no tena mampahantra, ny fangalarana, ny fanodinkodinam-bola, ny lainga, ny fanamarinan-tena, ny avonavona, ny filàna ady aman'olona, ny fitiavan-tena... sa ny fankanesana any am-piangonana in-dray mandeha isan-kerinandro????
Fa ny tena mitoetra dia ireo nambaran'ny namana ireo ambony ireo ihany koa, ny fanompoana an'Andriamanitra sy ny fivavahana Aminy dia miteraka fitahiana mihitsy, no sady rahateo tsy ny harena eto amin'izao tontolo izao no tanjona tian'Andriamanitra omena ny olona fa ilay harena maharitra mandrakizay...

23. xxx
(
09/01/2008 09:17)
tontavao:
Raha ny fivavahana na ny fandehanana ampiangonana tokoa mantsy no mampandroso ara-toekarena dia angamba ao anatin'ny dimy voalohany matanjaka indrindra ara-toekarena erantany i Madagasikara, nefa indrisy fa mety ho mampahantra ny fivavahana diso tafahoatra toy ny ataon'ny gasy
:-w:-w
Fa taiza no voalaza fa hampandroso ny firenena ara-toekarena no handehanan'ny olona any am-piangonana ?
24. tontavao
(
09/01/2008 10:09)
Ny lohahevitra dia ny hoe RAHA NY FIVAVAHANA NO MAMPANDROSO. Hiezaka aho tsy hiala amin'io lohateny io ka:
Voafitaka izany ny maro itorina foana hoe: Mivavaka ho an'ny tanindrazana stria mantsy hivavahana mba haninona moa ity tanindrazana ity? Tsy ho amin'ny fandrosoany va??
Ny tena mahalasa saina mantsy dia io lazain'ny namana eo aloha io hoe: Dontoina ny sain'ny sasany amin'ny fiainana any ankoatra DIA MANDANY ANDRO TOKOA NY MARO amin'ny fikatsahana izany fiainantsy hita izany ,nefa ny lohandohan'ny mpisorona (pasitera, mompera, loholona,.....)dia migalabona sy miezaka manatsara ny fiainany eto antany ihany.
Ny tena manahirana mantsy dia ny manome definition an'ity hoe Mandroso ity. Amiko ny hoe mandroso dia ny fisin'ny zava-baovao tsara miohatra amin'ny efa nisy teo aloha eo aminao na eo amin'ny manodidina anao . Ka tsy ny fiangonana ve no tokony lohalaharana amin'izany???
Diso be izany ity asa sosialy (fanabeazana, fahasalamana, asa ara-toekarena toy ny SAF-CRS....ataon'ny fiangonana ankoatry ny asa fitoriana filazantsara ataony ity???
Ka aza alaina antendrony izay voalaza fa amiko dia tokony hisy fanovana betsaka eo amin'ny lafiny fanaovana ny fivavahana amin'ny lafiny rehetra mihitsy fa tsy ity "fanambakana" atao amin'ny ankolafin'olona sasantsasany ity no mibahan-toerana ao.
Ka anisan'y mampahantra antsika ny fandaniampotoana be loatra any ampiangonana rehetra any. Raha adiny roa isankerin'andro moa mety tsy hisy fiantraikany ihany fa kosa tsy izay no ataon'ny maro indrindra fa ireo osaosa ara-pivelomana. Ny tokony ataon'ny Mpitandrina izany dia mamporisika ireo olona ireo mba tena hiasa tokoa, no sady hitaiza ny olona amin'ny tsara hatrany.

25. prime
(
09/01/2008 10:10)
tontavao> ny tsy azon'ise anankiray dia ity, ny fangataham-pitahiana atao ho an'ny tanindrazana ireny matetika tsy ny hampanan-karena na itomboan'ny harin-karena no atao ao fa fangatahana an'Andriamanitra hiasa manokana mba hisy fiadanana eo amin'ny firenena, fiaraha-monina, tokan-trano, ieren-doza manoloana ny tatao isankarazany, fahendrena ho an'ny mpitondra sy ny vahoaka, hanjakan'ny fitiavana, itodihan'ny olona amin'ny famonjen'i Kristy...
Azo atao ny mangataka harena amin'Andriamanitra fa Izy Andriamanitra mbola mizaha toetra koa fa tsy hoe izay angatahina dia omeny avokoa...

26. Mandefitra
(
09/01/2008 10:21)
Sady raha ny marina ange tena nomen'Andriamanitra harena mihitsy gasikara: olona, harena ankibon'ny tany,harenan-dranomasina, harena voa-janahary ...
fa sao ny mpitondra sy ny vahoaka no tsy tena mivavaka sy matahotra an'Andriamanitra ka tsy mahay mampiasa sy mitrandraka ireny harena ireny ho fampandrosoana ny firenena?

27. tontavao
(
09/01/2008 10:26)
HOY PRIME HOE:
fangatahana an'Andriamanitra hiasa manokana mba hisy fiadanana eo amin'ny firenena, fiaraha-monina, tokan-trano, ieren-doza manoloana ny tatao isankarazany, fahendrena ho an'ny mpitondra sy ny vahoaka, hanjakan'ny fitiavana, itodihan'ny olona amin'ny famonjen'i Kristy...
Ka angamba mitovy amin'ny heveriko ihany io, inona moa ilay fiadanana eo amin'ny firenena: Afaka hiadana ve ny firenena mahantra??? nefa mbola laniana fotoana sy vola mihoapampana ihany??????
Hitodika amin'ny Kristy dia INONA NO HO VOKATR'IZANY raha tsy hanao izay hampitombo ny harinkarena ka ho ampy ve izany hiadanana???
Ny mpitondra mantsy matetika dia mialokaloka ao ambanin'ny hoe : Fivavahana matetika, ka ao no anafenany ny ratsy rehetra izay ataony (HALATRA, FANAMBAKANA..........). N'aiza n'aiza io fa tsy eto Madagasikara irery ihany.Ka amiko dia manana anjara lehibe ny fiangonana amin'ny fampitomboana ny harinkarem-pirenena.Tsy afa-miala amin'nizany izy raha mbola mpanabe ihany koa.
Ny fandaniampotoana amin'ny fivavahana no tena tsy laitrako , averimberiko eto ihany io.Ny rendrarendra maro samihafa amin'ny fanambakana olona amin'ny isan-droa volana, isan-kerintaona, lohavolana, isan'enimbolana , zaikabe sy ny zaikakely sy ny maro hafa tsy ho voatanisa (mandany volan'olona ireo satria ny any ampaosy no manaraka, nefa raha sanatria tsy mandeha amin'ireo dia toa tena farahidin'olona tokoa). Tokony ahena ireo fa mampahantra.

28. xxx
(
09/01/2008 11:24)
Ny USA koa anie ka firenena mivavaka, jereo ny mpanao politika isan-karazany manao hoe "God bless you" matetika, jereo anefa Frantsa, tsy mino (satria tsy milaza izany) ny prezida mitondra azy nefa firenena matanjaka ary mihavitsy ny olona mino ao anatiny, donc amiko tsy d misy hifandraisany loatra fa afaka mivavaka be nefa tsy mandroso nefa koa afaka mivavaka be fa mandroso be
29. pissoa
(
09/01/2008 17:28)
tontavao:
Ny lohahevitra dia ny hoe RAHA NY FIVAVAHANA NO MAMPANDROSO. Hiezaka aho tsy hiala amin'io lohateny io ka:
Voafitaka izany ny maro itorina foana hoe: Mivavaka ho an'ny tanindrazana stria mantsy hivavahana mba haninona moa ity tanindrazana ity? Tsy ho amin'ny fandrosoany va??
tsia, tsy fampandrosoana monja !
Ny tena mahalasa saina mantsy dia io lazain'ny namana eo aloha io hoe: Dontoina ny sain'ny sasany amin'ny fiainana any ankoatra DIA MANDANY ANDRO TOKOA NY MARO amin'ny fikatsahana izany fiainantsy hita izany ,nefa ny lohandohan'ny mpisorona (pasitera, mompera, loholona,.....)dia migalabona sy miezaka manatsara ny fiainany eto antany ihany.
Sao tsy mivavaka akory aloha i tontavao e ?
Sao mpitazana ety ivelany fotsiny ?
Firy ny pretra fantatry tontavao ? Raha mahafantatra pretra 100 mantsy ianao dia mbola vitsy izany, izany hoe tsy hahafahana milaza mihitsy fa donto tsy mahalala na inona na inona ny olona mivavaka amin'ny ataon'ny mpitondra fivavahana :lol:
Minoa ahy ianao fa raha tena nodontoina tokoa ny sain'ny sasany dia tsy hisy kristianina gasy ho any andafy mihitsy hitady vola sy fahaizana ! Ny hita nefa dia misy fiangonana "malagasy" mihitsy any an-dafy, sns :-D
Diso be izany ity asa sosialy (fanabeazana, fahasalamana, asa ara-toekarena toy ny SAF-CRS....ataon'ny fiangonana ankoatry ny asa fitoriana filazantsara ataony ity???
tsy diso ka !
[quote]Ka aza alaina antendrony izay voalaza fa amiko dia tokony hisy fanovana betsaka eo amin'ny lafiny fanaovana ny fivavahana amin'ny lafiny rehetra mihitsy fa tsy ity "fanambakana" atao amin'ny ankolafin'olona sasantsasany ity no mibahan-toerana ao.
Ka izay anie no efa tenenina tery ambony hoe ilay toetra mamohehatra no tokony ahena raha te handroso e ! :lol:
Ka anisan'y mampahantra antsika ny fandaniampotoana be loatra any ampiangonana rehetra any. Raha adiny roa isankerin'andro moa mety tsy hisy fiantraikany ihany fa kosa tsy izay no ataon'ny maro indrindra fa ireo osaosa ara-pivelomana.
Ianao ve aloha hoa mivavaka aloha e ?
Ny lamesa andavan'andro any Dago, raha ny hitako hatrizay, dia lamesa tsisy 30mn akory ny andavan'andro, nefa zara raha misy 50 mamonjy an'izany. Tsy ny mahantra izany no betsaka tonga ao fa ry masera, ry frera (izay tsy haiko na mahantra na tsia), izahay mpianatra teny Ankatso vitsivitsy (izahay aloha mahantra fadiran'ovana e), ary ny be antitra (ilay tsy mandeha miasa intsony). Ny lamesa alahady, ilay adiny roa fotsiny, nefa misy in-3 mahafeno fiangonana donc ...
Ny tokony ataon'ny Mpitandrina izany dia mamporisika ireo olona ireo mba tena hiasa tokoa, no sady hitaiza ny olona amin'ny tsara hatrany.
cf pere pedro :oops:
dia jereo ny fandinihan-tena ataon'ny katolika ...
30. soanja
(
09/01/2008 17:43)
Ny finoana sy fiarahana amin'Andriamanitra mantsy dia arahin'asa foana. Tadidio izay. Ka raha toa ka tsy arahin'asa soa (fanabeazana, fampandrosoana ny mpiarabelona miaraka sns) ny zavatra tazanao ety ivelany dia mandringa ny fandraisana ilay Andriamanitra hinoany.
Noho izany ny fampiharana azy ety ivelany tsy hoe hampanankarena fa fanompoana an'Andriamanitra amin'ny endrika asa.
Tsy tokony hahantra ny toerana misy ny fanompoana an'Andriamanitra!

31. tontavao
(
09/01/2008 17:48)
Marina ny anao fa tsy isan'ny mandany fotoana mankany ampiangonana aho fa ny alahady na sabotsy dia andro fiasana amiko, izany akory tsy midika hoe tsy mino an'Andriamanitra aho fa ny fanehoantsika sy ny fanompoana azy angamba no tsy mitovy, satria ny ahy dia "made in madagasikara" no fanaovako azy "fanompoambe,alahamadibe,fitampoha, sns...."fa tsy "made in Israel na in palestine" toy ny anareo. Satria ny ahy dia indray mandeha isan-taona dia ampy, raha tsy hoe misy fahasoavana na fahavoazana angaha! fa ny anareo dia isaky ny alahady na sabotsy na zoma, isambolana misy koa, isan-droa volana, isan-telovolana, isan'enimbolana, isan-taona, zaikabe dorkasy, ZMM,zaikakely, fivavahana iraisam-pinoana....Ny rakitra na lay lazaina hoe adidy na ezaka ho an'ny mpitandrina ifaninanana tsy misy toa izany ny fandrotsahana azy ka na ny mahantra velona aza mba mizity ery mandatsaka 2000ariary atao rakitra....
Ka hoy aho aminareo any lavitra any hoe mandany fotoana ny gasy maro ilay fitoriana filazantsara no sady mampahantra azy ihany koa ka tokony amoahana lalàna ihany koa toy ny natao tamin'ny fanariana zaza kambana any Mananjary.

33. pissoa
(
09/01/2008 18:55)
tontavao : :-D:-D:-D
ny olona tsy mivavaka dia tsy miasa 7jours/7 ! Mety tsy mamonjy fotoam-pivavahana ny sasany, fa mandeha mampiady akoho, manao baolina, mampiaraka ! Izany hoe eo amin'ny lafiny ekonomika dia samy "mandany fotoana" ihany (raha tena hoe fotoana lany tokoa) na ny mivavaka na ny tsia. Ny sasany koa mety mandany fotoana tsy manao na inona na inona.
ny rakitra dia samy manao izay tiany. raha misy te hizity nefa efa sahirana moa dia heveriko fa hadalany ny azy. amin'ny lafiny iray kosa nefa dia mety tsy mizity izy fa ny mpitazana ety ivelany fotsiny no mahita hoe ny kiraron'lah aza mivilana ka ny rakitra no atao be :-D

34. tontavao
(
09/01/2008 19:28)
:twisted::^):evil::idea::idea::idea:
Tsara angamba hoy aho ny hiasana foana 7/7, azo atao anefa ny maka congé raha haka aina fa efa tara be isika amin'ny fandrosoana. Ka amiko tsy midika ho tany mandroso ny tany voarebireby hanaraka ny fomban'ny hafa.
Tsy aleo ve ny antsika no hampiakarina ho avo dia avo. MISAOTRA AN'IREO ANY AMBANIVOHITRA REHETRA ANY MBOLA MITANA NY TENA MAHA-GASY AZY FA TSY VOAREBIREBY AMIN'NY HAINGON'NY MPANAO KRAVATY SY BOKY TSARA LAHATRA .
Manentana koa aho an'ireo manampahaizana malagasy mba hanonta boky tsara rafitra toy ny baiboly na anokafana site iray eto amin'ny internet ka hanangona ny fomba rehetra misy eto madagasikara fa sao dia manjavona eo ka izay isika vao tsy hanana ny maha antsika antsika intsony.
Ary hitory ihany koa ny tena fahendrena malagasy izay misy dia misy tokoa toy ny nataon'i Matio ; marka ,lioka ,jaona NANINDRAHINDRA NY AZY KA NAHARESY LAHATRA NY OLONA MARO ERANTANY INDRINDRA FA NY FIRENENA VOAZANAKA TOA ANTSIKA (mainty hoditra indrindra indrindra).
Jereo tokoa anie fa ny tany voazanaka no tena lasa Kristiana é, ohatra USA,RSA,Madagascar,AFRIKA iray manontolo ankoatry ny arabo izay manana ny azy ihany koa fa tsy voarebireby.Ny kely maso tsy azo tamin'izany (Chine, Japon, Corée, mongolie,....fa vietnam tratra satria voazanaka.)

35. pissoa
(
09/01/2008 19:45)
Rehefa ataoko ny fandinihana dia tsy dia tena fampandrosoana no tinao resahina fa ny alahelom-boangory ny anao no hanenjeham-boatay ! :-D:-D:-D
Raha io soratrao io mantsy dia heveriko fa ny hevitrao hoe manosihosy ny fomba gasy ny kristianisma no mahatonga anao nanokatra ity lohahevitra ity !
Tsara angamba ny miasa 7/7 hoy ianao ... fa ny mandeha doany angaha miasa 7/7 ?
Fehiny :
Tsy maniratsira ny fomba gasy aho (izaho dia Kristianina Katolika manao famadihana ohatra) --- saingy raha resaka fampandrosoana kosa dia heveriko fa manao sy mahavita be ny fiangonana Kristianina raha oharina amin'ireo "fikambanan'olona" milaza azy ho miaro ny mahamalagasy (fomba sns).

36. tontavao
(
09/01/2008 20:18)
Tsy miteny aho hoe tsy manao ny fiangonana fa kosa tokony hatao toy ny anaovana ny an'ny hafa ny an'ny tena dia mino aho fa hahavita LAVITRA NY VITAN'NY FIANGONANA amin'izao ny mety ho zava-bita satria mirona kokoa amin'ny fitiavana ny maha-gasy DIA HO TONGA HO AZY NY TENA FITIAVANTANINDRAZANA fa tsy hangalatahaka foana ny ataon'ny sasany.
Tena resaka fandrosoana no naroso fa tsetsatsetsa tsy aritra noho ny resaka ifanaovana eto no nahatonga io fanamarihako farany io. Latsaka tanteraka ao anaty aizina ny olona maro izay manindrahindra ny fivavahana kristiana io satria mitana fotoana be loatra eo amin'ny fiainan'olona ny fandehanana mivorivory etsy sy eroa hitory ny hafatra navelan'ny MPANJANAKA.
Ka izay no mahatonga ahy hilaza fa tsy aleo ve ny an'ny tena no hasohasoina satria mifototra marina amin'ny mahagasy ny gasy ny fotopisainana amin'izay, dia ho tonga ho azy ny tena fandrosoana.
Amiko izany ary tanako hatreto dia mandany fotoana sy volan'ny gasy ny fitoriana ny fomban'olon-kafa,fa raha handany ihany dia andao hampiakarina ny antsika fa hiverina eto amintsika ihany ny harena vokarintsika (ny toetsaina indrindra indrindra no tiako hambara eto).
Raha ny an'ny tena moa no mandany vola dia efa mba miezaka ny mandray anjara sahady amin'ny fampandrosoana ny taninao ianao. Tsy resa-bola fotsiny tokoa ange no itenenana hoe toe-karena fa na io fotopisainanao io dia harena lehibe io.
Mahantra isika ary mahantra ara-panahy ihany koa satria mbola manindrahindra ny fomban'ny mpanjanaka antsika ihany hatramin'izao ka zary manao tsinontsinona ny tena antsika.
Minoa ahy ianareo fa raha mitazona ny maha-gasy antsika isika dia handroso haingana ity tany ity. Fa raha mbola manaiky taingenana toy izao foa indrindra ara-panahy dia tsy ho aiza mandrakizay isika fa dia hampandroso ny fomban'ny hafa foana dia izy ihany no mahita ny vokany( resaka ideolojia io). Jereo anie Japon é firenena mitovy habe amin'ny antsika nefa dia aiza sy aiza no misy azy ankehitriny satria tsy manana toetsaina manaiky lembenana izany????

37. pissoa
(
09/01/2008 22:15)
Raha resaka mahamalagasy dia :
Eo amin'ny lafiny kolotsaina : Raha ny fahalalako dia tena mandray anjara be amin'ny kolotsaina koa ny fiangonana.
Raha tsy diso aho ohatra dia misy fampianarana kabary eny anivon'ny fiangonana samy hafa eny.
Raha tsy diso koa aho dia isan'ny voalohany ny Ankalazao ny Tompo amin'ny fandraiketana solfege hira manaraka gadona/ba gasy (raha tsy diso hoy aho). Sa sao tsy tokony hampiasa solfejy aloha isika fa tsy antsika ireny ?!
Tany ampiangonana no nahafantaranay izany atao ho vaky sova !
sns !
Eo amin'ny lafiny toe-tsaina (izay isan'ny kolotsaina) :
- Isan'ny mampiavaka ny malagasy ny fihavanana ! ary tsy manohitra an'io ny fiangonana.
- Lafiny fifanajana : Ao amin'ny didy folo (izay lazainao ary ambadika fa ankatoavinao fatratra) mihitsy aza ny hanajana ny ray aman-dreny. Ary na tsy ray aman-dreny niteraka aza (raha ohatra faran'izay tsotra dia any ampiangonanay ny olondehibe no mipetraka amin'ny seza milay any ambany fa ny kilonga amin'ny seza mandreraka any ambony :-D )
- Lafiny fifanampiana : mahavita be hoa ny fiangonana. Ary tsy ny fiangonana amin'ny anarany ihany no manao izany fa ny zanany rehetra koa dia entaniny hanao asa soa.
- sns
Amin'ny lafiny sosialy :
- Ny fiangonana ohatra dia mamangy ny marary ! misy manampy ny marary mihitsy aza. Misy sekoly ho an'ny mahantra sns
- Ahoana ny fandraisan'ny fiangonana anjara rehefa misy voina ireny.
Izany hoe raha atotaly dia ilay resaka hoe anarana tsy hay vakiana (hoy ianao tary ambadika) ao amin'ny baiboly, na hoe jesoa vazaha sns no tena olana sisa. Ka raha izany, sao tsy ny fiangonana irery no tokony horesahinao fa tokony dinihina daholo ny sehatry ny siansa rehetra ... any koa mantsy anarana vazaha no tena ventesina any !
PS : Fa inona moa ity manasohaso e ? Noheveriko fa zavatra ratsy anie izany manasohaso e, fa manasoa no soa :oops:
Japon ?
- Na dia efa be dia be aza ny fety any aminy dia mankalaza Kurisumasu ny Japs. Nalaina tahaka tamin'ny vahiny satria na ny anarany aza dia teny anglisy nihonisé, sady tsy fety Kristianina fa lasa culte @ pere noel (tahaka ny tandrefana) !
- Ampitahao ny Japon taloha na nandritra ny Edo/Sakoku sy Japon taorian'ny Ere Meiji.
- Mbola mi-pratika seppuku ve zareo any ?!
---> Izany hoe namela ny fombany sasany ny japoney, ary naka tamin'ny fomban'ny hafa sasany koa.
- Raha ny hevitro dia ny asa no mampandroso an'i Japon fa tsy tena ny fitazomana ny nentin-drazana. Jereo ny epidemie du suicide any Japon ! Isan'ny be mpamono tena Japon, ary isan'ny antony hamonoan'ny oloan tena ny stress avy any amin'ny asa. (ny antony hafa tsy azo ferana mazava ho azy).

38. pissoa
(
09/01/2008 22:16)
Miiiiiiiiiince, iny angamba ny soratra lava ndrindra nataoko brrrrrrrrrrrrrr :-D:-D:-D
miala tsiny fa lasa lava loatra e :oops::-D

39. fijo
(
09/01/2008 22:37)
marina ireo voalan'i pisoa ireo saingy hadinony ny milaza fa ny fototra amin'ny kolontsain'ny vahoaka iray dia ny finoany.ka raha io no hambaniana dia maty ny aminy rehetra.
nahalala izany ny misionera ka dia nanao lahasa mihintsy hanimbana io finoan anentindrazana io.tsy tao mada ihany fa izay firenena nolalovany.
fantary ny silamo koa io,ary ao afrik any silamo dia mihezaka manaratsy ankolaka ny fomba afrikanina.
ny indian asy ny japone ohatra ,tsy voarava mihintsy i finoany io.dia jereo hoe aiza ry zareo izao????ary izay firenena nandray ireo finoan anasisika taminy aiza izao?????

40. tontavao
(
09/01/2008 22:51)
Mbola ato aho fa mbola tsy matory akory.
Samy hafa be ny Siences sy ny fivavahana Kristiana. Ny sciences mantsy matetika dia tsy azonao toherina zay lazainy fa marina sy azonao porofoina dia mazava loatra fa ekenao ny fidirany satria fandrosoana izay sady mba mivelatra amin'ny hafa nefa izany akory tsy hanarianao velively ny anao.
Milaza an'i Japon ianao généralisé-na ny resaka hoe: Ny Japoney, fa tsy ny zaponey vitsy an'isa te-hanaraka ny fomba amampanao tandrefana akory. mISY DIA MISY TOKOA NY JAPONEY MANAO PORNO nefa dia tsy eken'ny fombany izany. Satria saonjo iray lohasaha io tsy ilaozan'izay mamarara.
MOMBA NY ASA SOA ATAON'NY FIANGONANA:
-IO ANIE NO FITAOVANA NAHOMBY INDRINDRA NENTINY nambaboana ny fon'izao tontolo izao mba hitazonany ny fombany é.Amin'IZAY MANTSY NY FOMBANY TSY HO VERY MANDRAKIZAY fa ny olona erantany dia manao azy no sady hiaro ny fombafombany rahateo koa toa ny ataon'ny malagasy maro.
- Ka raha ny fomba gasy no mba ampanarahana toetr'andro mino aho fa tsara lavitra noho ny an'ny Jiosy ny antsika ary mahavita lavitra noho izy satria toetra efa ao anaty fa tsy nindramina aman'olona.Ny fombantsika izao efa nosimban'io fomba vahiny io nefa anie ka mba tsara lavitra noho ny an'ny Jiosy anie ny fombantsika raha haintsika ny manome hasiana azy toy ny nanomezantsika hasina ny azy é.
OHATRA MITOVY TSY MISY VALAKA NY fanomezan'ny SOJABE tsodrano SY NY fanaovan'ny pasitera na mompera tsodrano na fanamasinana maro isankarazany, hatramin'ny fitaovana ampiasaina aza mitovitovy fa ny antsika somary ratsiratsy tsy maoderina izay fa ny azy ampanarahina toe-trandro, nefa raha ity farany no manao izany dia tondromolotra no asetrintsika nahita fianarana ny ataon'ireny RAY AMANDRENY IRENY.
Ndao anie mba asiana instruments de musique matanjaka amin'ireny fombafomba ireny é CLAVIER, BATTERIE MIHAJA.......
NDAO MBA HANAOVANA RAKITRA IRENY SOJABE IRENY.
NDAO MBA ASIANA FAMPIANARANA eken'ny maro ho an'ankizy anie toy ny fianarana katesizy sy ny sekoly alahady ireny anie.
Ndao mba hanao tsirakidrakitra hanaovana trano ny fanamasinana maro isankarazany fa dia ho resintsika lavitra ny fomba amampanao JIOSY.
Dia ho hitanao fa tsy nilaina akory ny an'ny hafa
Lava be koa ny resako fa mba mifandresy lahatra amim-panajana mantsy isika dia mba nanohy aho.
fakafakao IREO DIA HO HITANAO FA HAY mba TSARA KOA NY ANAO.