RAHA NY FIVAVAHANA NO MAMPANDROSO
41. fijo
(
09/01/2008 22:58)
izay mantsy.misy fomba fiteny hoe "fantaro ny fototra niavianao,di aho fantatrao izay hoalehanao"
42. prime
(
10/01/2008 10:06)
tontavao> Ka ilay Andriamanitra raha iray ihany ilay ivavahana dia mitombina ny ambaranao hoe raha iray ihany tsy aleo ilay fomban'ny tena no anatonana Azy?
Ny andriamanitra mantsy raha isam-pirenena sy isam-poko sy isam-pianakaviana mihitsy aza mety samy hanana ny azy ary tsy misy maharatsy ny mifantoka amin'ny ny an'ny tena... fa ilay tena Izy ve no resahina eto?
Resaka hafa tokoa araka ny ambaran'i pissoa no tokony itondràna ny resaka, any amin'ny lafiny kolon-tsaina fa tsy ny kristiana mivavaka isaky ny alahady no ialàna vokona...
Afaka miadana ny firenena mahantra rehefa miray amin'i Kristy...
Ny vokatry ny fitodihana amin'i Kristy dia miteraka fitahiana, fahasoavana, finoana, fitiavana, fahatokiana ny ho avy... zavatra mety tsy ho azonao an-tsaina izany rehetra izany saingy iainan'ny mpino kristiana isanandro ary tsy mampaninona azy ny miverina amin'Andriamanitra na dia in-dray mandeha isankerinandro aza farafaharatsiny, misaotra, midera sy mankalaza ilay Andriamanitra miahy azy, mivavaka, mangataka, mihaino sy mianatra Aminy...

ianao:... tsy mitovy velively... ny fiadanana ao amin'Andriamanitra tsy amim-bola amin-karena...
angamba mitovy amin'ny heveriko ihany io, inona moa ilay fiadanana eo amin'ny firenena: Afaka hiadana ve ny firenena mahantra??? nefa mbola laniana fotoana sy vola mihoapampana ihany??????
Afaka miadana ny firenena mahantra rehefa miray amin'i Kristy...
ianao:... mifantoka loatra amin'ny vola sy harena aminao ny atao hoe fiadanana ka tsy ho azonao loatra izany ilay fiadanana ao amin'i Kristy... fa na ny olona manan-karena indrindra eran-tany aza tsy voatery hoe hiadana...
Hitodika amin'ny Kristy dia INONA NO HO VOKATR'IZANY raha tsy hanao izay hampitombo ny harinkarena ka ho ampy ve izany hiadanana???
Ny vokatry ny fitodihana amin'i Kristy dia miteraka fitahiana, fahasoavana, finoana, fitiavana, fahatokiana ny ho avy... zavatra mety tsy ho azonao an-tsaina izany rehetra izany saingy iainan'ny mpino kristiana isanandro ary tsy mampaninona azy ny miverina amin'Andriamanitra na dia in-dray mandeha isankerinandro aza farafaharatsiny, misaotra, midera sy mankalaza ilay Andriamanitra miahy azy, mivavaka, mangataka, mihaino sy mianatra Aminy...
43. fahamarinana
(
10/01/2008 12:20)
:arrow:Mitovy hevitra tanteraka amin'ny prime aho,ohatran'ny lasa famelezana Xna fontsiny,aiza dia hoe avy amin'izy ireo no mampandroso na tsia ny malagasy ,ary ireo tsy Xna aiza ho aiza no misy azy sa i tontonvao mahatsapa sy matahotra fa mihamaro isa ny Xna ?(l)
44. tontavao
(
10/01/2008 16:08)
tsy niteny mihitsy aho hoe io ihany no mampahantra fa ISAN'NY MAMPAHANTRA,ka amiko dia ny fanovana ny fombafomba fanao any ampiangonana no tena iompanan'ny adihevitra izay hita fa mampahantra tokoa ny olona izay efa voajono ao anatiny. Izay ilay izy RY HAVANA ISANY FA AZA AVADIKA MIHITSY NY SUJET.
Niitatra ny resaka tao alohaloha tao dia niteny aho hoe: Malahelo aho fa mbola tena ato anaty fanjanahantany TANTERAKA ny kolotsaina iainana eto Madagasikarako. FA TSY MANANA NY FIANDRIANANY MIHITSY ARA-POMBA AMAM-PANAO satria mindrana sy miaro fatratra ny an'olona.Dia izay no mampalahelo ahy.

45. piste
(
10/01/2008 16:21)
Ny olana dia hafangaronao ny kolon-tsaina sy ny fivavahana ! Sasanangy roa samy hafa ireo anefa.
Faharoa : ny tanjona @ fivavahana dia tsy à but economique ou politique. Fa manandratra ny maha-olona.
Fahatelo : izay efa nambarako, raha manaraka ny théorie ny Marx( izay tsy voatery ho marina) dia ny fahantrana no mahatonga ny olona hialokaloka any @ Fivavahana : " la religion, opium du peuple opprimé".
Ka ny anao eto toa avadikao ilay lòjika.
Farany, aza dia manao ideologie be ohatr'io fa manimba zavatra : tsikerainao mafy ny fivavahana kristianina dia ahindrahindranao ny fivavahan-drazana satria ao no misy anao. Ka inona no mahasamy hafa anao @ secte mpanao proselyte, ny mahasamy hafa anao @ mpanao politique mitady kil.
Fehiny, fitsarana an-kapobeny sy tsy mitombona no ataonao satria : coté negatif fotsiny no hitanao, ary tsy fantatrao akory aza izay resahinao.

46. xxx
(
10/01/2008 16:26)
io no efa nolazaiko atsy @ ilany atsy, ho an'i tontavao dia ny fivavahana kristiana no rangory fototry nya fo @ ratsy rehetra miseho eto M/car, tsy misy afa-tsy ny fivavahana no mety ho nahatonga izao rehetra izao eto
47. pissoa
(
10/01/2008 18:17)
:-D:-D:-D
Marina ny tenin'i Piste !
Tontavao :
- Araka ny statistika dia betsaka noho ny Kristianina ny olona manaraka traditional religions ao Dago
- Tsy misy misakana ireo maro an'isa ireo mihitsy tsy hampiasa clavier anie e, na hamoaka boky sns ! Raha tsy mahafantatra ianao, ankoatra ny resaka mozika sy solfejy nolazaiko tetsy ambony, dia misy tsara mihitsy koa ny boky nosoratana Pretra miresaka fomba malagasy sns !!!
Fehiny :
Na dia tsy resaka ekonomika sy kolotsaina aza no asan'ny fiangonana dia efa ireo ambony ireo ny santionany @ fandraisany anjara amin'ireo lafiny ireo. Ka heveriko fa tokony ireo maro an'isa mpanaraka traditional religions aloha no mampiseho indray izay zava-bitany izay vao mandrebireby ny olona efa tena mandray anjara amin'ireo ! Averiko indray fa amiko dia mbola ny Kristianina no mandray anjara kokoa amin'ireo sehatra ireo noho ny mpanaraka ny traditional (dia averiko koa fa ny mpanaraka ny traditional nefa no maro an'isa) ! :-D:-D:-D
donc ...

48. fijo
(
10/01/2008 23:38)
ity ilay fiteny tena fanambaniantsaina nampiasain'ny vahiny:"Afaka miadana ny firenena mahantra rehefa miray amin'i Kristy..."
ny dikanio dia hoe mijanona ianareo eo fa avelao izahay no hanankarena.
"fa na ny olona manan-karena indrindra eran-tany aza tsy voatery hoe hiadana..."
ngamba,fa isika rehetra nefa samy mba te hitovy aminy.
"Ny vokatry ny fitodihana amin'i Kristy dia miteraka fitahiana, fahasoavana, finoana, fitiavana, fahatokiana ny ho avy... zavatra mety tsy ho azonao an-tsaina"
tsy mila mitodika aminy dia efa hafaka miaina ireo
: ny tanjona @ fivavahana dia tsy à but economique ou politique."
taloha ngamba izany

49. Mandefitra
(
11/01/2008 10:09)
"Ny vokatry ny fitodihana amin'i Kristy dia miteraka fitahiana, fahasoavana, finoana, fitiavana, fahatokiana ny ho avy... zavatra mety tsy ho azonao an-tsaina"
@ fomba ahoana ra fijo? fitahiana avy aiza? fahasoavana avy aiza? finoana an'iza? ho avy manao ahoana ary hatraiza?
@ Kristianina mantsy de ao @ Kristy ny valin'ireo fanontaniana ireo.
fijo:
tsy mila mitodika aminy dia efa hafaka miaina ireo
@ fomba ahoana ra fijo? fitahiana avy aiza? fahasoavana avy aiza? finoana an'iza? ho avy manao ahoana ary hatraiza?
@ Kristianina mantsy de ao @ Kristy ny valin'ireo fanontaniana ireo.
50. prime
(
11/01/2008 11:06)
tontavao> tsy misy valianao na iray aza ny ambara sy anontanian'ny olona fa ny anao ihany no asisikao ka mazava ho azy fa toy ny miteny amin'ny rivotra ianao...
Efa valian'ny namana maro fa tsy ny kristiana na ny fivavahana amin'Andriamanitra no mampahantra ny olona fa ilay olona mihitsy no manao ny filàny sy fahadalàny... ny kristiana aza miezaka manarina izany fa tsy mitazana fotsiny...
Mikasika ny fanjanahan-tany ara-kolon-tsaina dia somary nilaozan'ny toetrandro ihany ianao satria efa fotoanan'ny "fanatontoloana" izao fa tsy fotoanan'ny "mitady ny very" intsony... ka raha malahelo ianao dia ilay mandrakizay andramana dinihina fa tsy ity fotoana fohy andalovana eto an-tany ity...
fijo> Ny harena tena izy dia izay avy amin'Andriamanitra ary ao amin'i Kristy : fahendrena, fitiavana, fanetren-tena, fahalalàna, famonjena, fahononam-po, faharetana, finoana, fanantenana... ireo izay tena narotsaka avy any an-danitra ary ao amin'i Kristy rahateo... hoy indrindra Kristy :
"Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna* ianareo.[*Mamôna = harena]" Matio 6:24
"Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao." Matio 6:21
Ka tsy ho azonao mihitsy io raha tsy mandray ilay fanahy masina ianao...

ianao:... io nefa itoviako hevitra tanteraka ary mamaly izay voasoratr'i tontavao hatrany am-boalohany...
ny tanjona @ fivavahana dia tsy à but economique ou politique."
taloha ngamba izany
51. tontavao
(
11/01/2008 11:18)
Misy mamily foana ny resaka eto. Fomban'ny xna io raha hitany fa sarotra toherina ny hevitra mifanandrina aminy.
NY NAMBARA HATRETO DIA TSISY FILAZANA HOE "fivavahana vazaha" fa kosa "fivavahana Jiosy nampidirim-bazaha". Ka ho an'ny namana rehetra voazanaka dia aoka tsy hisendaotra na hampitahotra fa izany no fomba nampidirana ny fivavahana kristiana teto MADAGASIKARA ary mbola ampiharina hatramin'izao .
Mbola tamin'ny andron'ny mpanjaka anie no nampidirana an'io é dia io no nampiitatra ny lohan'ny vahiny hanjanaka an'i Madagasikara satria hitany fa manankarena ity tany ity (lalana nahazoany niditra ka nitsiriritany ny hatsaran'ny gasikara sy nanjanaka teto io fivavahana kristiana io) , potika tanteraka ny ny antsika taorian'izay ka na ny tena maha-malagasy aza dia hadino tanteraka, ka fahotakoary ve raha te-hisongona an'io "finoana navelan'ny mpanjanaka ho lovain'ny taranaka?" io aho.Tantara lava ny amin'io.
Mba niezaka namotika azy io ihany ny mpanjaka nifandimby taty aoriana fa tsy nahovoka firy satria efa natahotra ny ankamaroan'olona (cas Rasalama sy ry Victoire io).
Tadidio fa ny omby sy ny tantely no anisan'ny harena ambony indrindra amin'ny malagasy. Ka hoy aho aminao hoe: "raha averina ary omena lanja sy laka ny fomba amampanao gasy dia hiakatra ny tahan'ny fiompiana omby sy tantely eto madagasikara. Satria ambony amin'ny Gasy io ary mitombo ny filàna (demande) fa tsy hijanona fotsiny amin'ny consommation na exportation fotsiny ihany izay mbola ny vahiny koa no tena mahazo ny tombony.
Ka mazava loatra fa hiakatra ny harinkarena (PIB) aloha dia hisy fiantraikany tanteraka amin'ny fandrosoan'ny firenena izany.
Tsy antemaka araka ny noheverinareo no antony nanaovana io sujet io fa mba mahalala zorony kely amin'ny toekarena ihany matoa sahy mamosaka hevitra eto.Ka raha atao bontolo ny fiarovanareo ny finoanareo dia mitombina tanteraka ny voalazan'i Fijo sy ny namana hafa hoe:"tsy ho tafavoaka ianareo raha tsy mampitahotra".
Ary averiko fa tsy miteny aho hoe " tsy manao ny kristiana" amin'ny fampandrosoana. Fa ny mahamay ahy SY IZAY MITOVITOVY HEVITRA AMIKO dia ny tokony hanomezana tombondahiny indray ny an'ny tena fa tsy hanindrahindra sy hampandroso ny an'olona foana no atao eto fa mba hanana ny maha antsika antsika .

52. tontavao
(
11/01/2008 11:55)
TSETSATSETSA tsy aritra:
Kilasianareo ho kolontsaina fotsiny (culture) ve ny fomba amam-panao malagasy.
Raha izany dia ndao hatao hoe Culture fotsiny ihany koa ny fivavahana rehetra é.
Tsia tompoko fa diso tanteraka ianareo fa fivavahana tsotra izao no atao amin'ireny, mivavaka mangata-pitahiana amin'ny zanahary sy ny razana (heverin'ny gasy ho masina io razana io toy ny iheveran'ny Jiosy an'i Kristy ho masina ihany koa).
Sady kolontsaina izany izy no fivavahana no fanabeazana ihany koa.
53. prime
(
11/01/2008 12:07)
tontavao> fanitsiana : ny kristianisma tsy fivavahana (réligion) jiosy nampidirin'ny vazaha fa fanambaràna (révélation) avy amin'Andriamanitra ny tena mahaIzy Azy ary efa nambarany hatramin'ny niforonan'izao tontolo izao... ka naelin'ireo izay nahita fahasoavana tamin'izany fanambaràna lehibe izany dia ny Vaovao Mahafaly... ka raha vazaha no lazainao ho "nampiditra" azy tamin'ny fotoan'androny dia satria ireo no nandray ary nanana hetaheta hizara izany fahasoavana lehibe izany...
Nambaranao fa tamin'ny andro faha-Mpanjaka no nidiran'io, ekena izany fa na Andrianampoinimerina, na Radama dia nahay nifandray sy nandray tsara ireo Misionera vahiny ary tena nampiroborobo ny toekarena ny fifaneraserana tamin'ireny... ka tsy potika tanteraka araka ny nambaranao ny mahaMalagasy fa ny tena nahapotika azy raha io tantara entinao io no zohina dia tamin'ny vanim-potoana nahavoazanaka an'i Madagasikara...
Mikasika ny fiharian-karena ambaranao dia mivaona tanteraka amin'ny sehatra finoana sy fivavahana... fa vao maika aza manohitra ny ambaranao satria tsy manakana velively ny fiompiana tantely sy omby (ohatra moa ireo) ambaranao ny fivavahana kristiana lasa mandrava ny "thèse" novohizinao hatrany am-boalohany teto...
Tsy satria mivavaka isan-kerinandro ny kristiana dia lasa tsy mahaompy tantely sy omby intsony... anisan'ny asan'ny SAF FJKM any atsimo (faritra Anosy sy Menabe) sy any andrefana (Bongolava) ny fiompiana izany ankehitriny... dia ahoana izany? ary tena mandroso tsara nefa mivavaka isan-kerinandro foana ry zareo...

54. tontavao
(
11/01/2008 12:43)

Ny fivavahana xna moa izany dia tsy dia miditra loatra amin'ny resaka fihariankarena nefa:
Tsy satria mivavaka isan-kerinandro ny kristiana dia lasa tsy mahaompy tantely sy omby intsony... anisan'ny asan'ny SAF FJKM any atsimo (faritra Anosy sy Menabe) sy any andrefana (Bongolava) ny fiompiana izany ankehitriny...
Ny gasy araka ny fijeriko azy any ambanivohitra rehetra any dia karazana olona tsy mankasitraka loatra ny hoe: "IRAHINA" na dia zavatra heverinao fa hahatsara azy aza ,Tsy azoazony io irahina io fa ny azy dia izay heveriny ho mety aminy no ataony.
Manao tokoa ny SAF/FJKM, ny CRS, ny SALFA,ny SEFAFI , ny ADRA.... , nefa dia lazaiko anao fa tsy ahitambokany mankaiza , efa betsaka ny projets hitako fa tsy mandaitra mihitsy, fa tsy nahimpon'ny olona no manao azy fa mba fitadiavana sintrany ahay amin'ny hiatrehany ny fiainany fotsiny no ataony .
Ka ny "approche" tsara indrindra dia ny any amin'ny mahaizy azy no kitihina dia ho hitanao fa impolo amin'ny vokatra azon'ireo tetik'asa ireo ny vokatra ho azo satria tsy irahina izy manao azy fa vokatry ny zava-misy manodidina azy no manosika azy hanao azy.
Momba ny dahalo fotsiny ohatra: Raha matanjaka ny fomba dia na ireo dahalo aza matahotra ny handika ny fombafoba izay hatao dia mety hihena arak'izay ny mety ho ankasomparana ataony. (mety tsy ho azona ny tiako ho lazaina eto fa ny hanazavako azy dia "Atahoran'ny malagasy ny mandika ny fombany"
Izany hoe: raha hitady raisonnemment lavidavitra kokoa isika ka ny lafiny macro eco no jerena dia mazava be fa ho teren'ny fombany ankolaka izy dia mihary mba hitovy aman'olona (fifaninanana io) (satria izay ny gasy sy ny fotopisainany). Miala tsiny amin'ny fampiasana teny vazaha fa io angamba no mety hampazavazava kokoa ny tiana hambara
55. tontavao
(
11/01/2008 12:56)
Fanampiny kely:
Tsy ZAVATRA ponctuel ny tiana haroso eto fa zavatra tiana haverina hiainana mandritra ny zato taona manaraka indray. Izany hoe tsy zavatra hovitaina moramora sy maimaika fa zavatra mila fahasahiana sy finiavana .Satria fantatro tsara fa tsy ho mora ny handresy lahatra olona amin'ny fomba izay efa niainany nandritra ny taona maro na dia tsy afa-miaraka amin'ny tena maha-izy azy aza.
- Raha matanjaka ny fomba OHATRA dia minoa ahy ianao fa raha alentika ao antsain'ny ankizy manomboka amin'ny fahakelezany fa hoe tsy azo atao ny mikitikitika ireny fasana ireny raha tsy amin'ny fotoana toy izao na toy izao (ka karazan'ireny sekoly alahady ireny no fampitana azy) dia mino aho fa tsy hisy sahy hangalatra taolam-paty izany ny malagasy fa hatahotra izy noho ny fanajana ilay fomba. Fahaverezan'ilay fomba no nahatonga an'io.

56. rabilabila
(
11/01/2008 13:55)
Définition de la culture par l\'UNESCO « La culture, dans son sens le plus large, est considérée comme l’ensemble des traits distinctifs, spirituels et matériels, intellectuels et affectifs, qui caractérisent une société ou un groupe social. Elle englobe, outre les arts et les lettres, les modes de vie, les droits fondamentaux de l’être humain, les systèmes de valeurs, les traditions et les croyances. » Déclaration de Mexico sur les politiques culturelles. Conférence mondiale sur les politiques culturelles, Mexico City, 26 juillet – 6 août
Raha manaiky io définition io ianareo dia azo afangaro tsara ny kolotsaina sy ny fivavahana .
Marihiko dieny mialoha fa ny fandraisako anjara eto amin\'ito resaka ito dia ny hitaona anareo handinika ny tantara ,na koa ireo fandinihina efa nataon\'ireo mpikaroka momba ny tantaran\'ny olombelona .
Marihiko koa anefa fa ny fandrosoana amin\'ny tany mitovitovy no misy dikany .
Ary marihiko farany fa ny destructuration -n\'ny firenena voazanaka dia misy fiantraikany lehibe eo amin\'ny fandrosoany ( ao anatin\'izany i Madagasikara sy ireo tany maro any Afrika sy Amerika latina ):
Nyfametrahana an-keriny finoana na fivavahana hafa dia nampirodana tanteraka ny \"ordre social etabli \" tany amin\'ireny tany ireny
.Ny fanandevozana ( na ara-tsaina na ara-toe-karena ) ny mponina dia nitondra fikorontànana ara-piaraha-monina.
Ny fakan\'ireo mpanjanaka an-keriny ny tanin-dRazana dia fahaverezan-toky tokoa ho an\'ireo mponina ireo ,izay marihina fa mametraka ny Razana avo dia avo ao amin\'ny société.
Raha zohina ny tantaran\'ny zanak\'olombelona (na n\'inon\'inona kolotsainy) dia :
Ny fivavahana (religion) no mamaritra ny fiaraha-monina ary ny fiaraha-monina no manamboatra ny fivavahana.Ny herin\'ny fivavahana miohatra amin\'ny fiaraha-mmonina ( na ny inverse ) dia miankina indrindra amin\'ny vanin\'andro , ny zava-misy ..etsetra.......
Ka raha valiana izany ny ahiahin\'i Tontavao dia azo valiana amin\'ny ankapobeny hoe : \" les deux mon genéral \".
Ohatra fotsiny raha ny momba ny Bekintana , na tonga nanjanaka aza izy dia ny finiavan\'ny \"individus\" tonga hanjanaka izany hoe ny \"convictions religieuses\" ( izay tsy misy hifandraisany amin\'ny réligion ) no nampandroso azy .Ny fanaparitahana ilay fivavahana dia accessoires fotsiny .
Raha misy te-handalina an\'io dia manàsa azy aho hamaky ny bokin\'i Max Weber ( Ethique protestante at esprit du capitalime ) izay hita eny amin\'ny bibliothèques rehetra.
Ohatra faharoa raha mijery an\'i Japon sy ireo tany manodidina azy dia misy philosophies anankiroa no mivohy azy ireo ,tsy inona izany fa ny confucianisme sy ny bouddhisme ( izay marihina fa na nisy tsy fifanarahana aza taloha dia nahay niara-niaina tsy misy raorao taty aoriana ,izany hoe tsy misy domination intsony ). Ny fampiaraha-mirindra azy roa ireo no nanampy ireo mponina manomboka any amin\'ny Emperora ka hatrany amin\'ny vahoaka madinika ary mandalo amin\'ny orin\'asa ,hitosy fomba fijery , sy fomba fiasa ary indrindra indrindra hitovy fenitra tratrarina.
Ohatra farany momba an\'i Madagasikara : Araky ny efa noreahiko atsy ambadika \"fivavahana - fomba gasy \" sy io efa nosoratako etsy ambony dia tsy ahatran\'ny tany US ( colonisation de l\'éspace aloha ) ,fa tonga dia izy roa niaraka . Raha toa any amin\'ny tany hafa ny religion(s) no nanoritra ny làlana tokony haleha ;teto amintsika ireo dia nampikatso azy ..........Ny hierarchie-n\'ny fandratoana fahalalàna koa moa dia nipetraka foana teo anivon\'ny lohandohan\'ny mpisorona ,ka nipetraka foana ny resaka dommination .Izany rehetra izany dia nifangaro ary nandray anjara aby amin\'ny fisarahan\'ny Malagasy ( afovoan-tany sy amorontsiraka).
Izay aloha no fomba fijeriko azy ,asa raha mazava fa manahirana be mantsy io équivalence io satria tsy mitovy ny experiences rehetra ahafahana manome valiny valable ho an\'ny Tany rehetra.
57. pissoa
(
11/01/2008 18:08)
tontavao:
Fanampiny kely:
Tsy ZAVATRA ponctuel ny tiana haroso eto fa zavatra tiana haverina hiainana mandritra ny zato taona manaraka indray. Izany hoe tsy zavatra hovitaina moramora sy maimaika fa zavatra mila fahasahiana sy finiavana .Satria fantatro tsara fa tsy ho mora ny handresy lahatra olona amin'ny fomba izay efa niainany nandritra ny taona maro na dia tsy afa-miaraka amin'ny tena maha-izy azy aza.
- Raha matanjaka ny fomba OHATRA dia minoa ahy ianao fa raha alentika ao antsain'ny ankizy manomboka amin'ny fahakelezany fa hoe tsy azo atao ny mikitikitika ireny fasana ireny raha tsy amin'ny fotoana toy izao na toy izao (ka karazan'ireny sekoly alahady ireny no fampitana azy) dia mino aho fa tsy hisy sahy hangalatra taolam-paty izany ny malagasy fa hatahotra izy noho ny fanajana ilay fomba. Fahaverezan'ilay fomba no nahatonga an'io.
Mba asio lojika kosa na izany na tsy izany e !
Mba vakio anie ny soratrareo eo ambony e. Misy milaza hoe mampitahotra ny kristianina mba hahazo kil ; dia misy hoe nodontoina ny kristianina dia avy eo misy manararaotra ... nefa jereo ity fampitahorana sy fanadontoana ankizy ataonao ohatra (enga anie mba tsy tetikasa maty paika io lol) mba hahatongavana amin'ny but-nao e !
Dia ho atao hoe mety ve ny ataonao satria "made in mada" ? :-D:-D:-D
58. fijo
(
11/01/2008 21:43)
"fijo> Ny harena tena izy dia izay avy amin'Andriamanitra ary ao amin'i Kristy :"
ampio hoe hoanay mpino,satria aminay io tsy marina.
"@ fomba ahoana ra fijo? fitahiana avy aiza? fahasoavana avy aiza? finoana an'iza? ho avy manao ahoana ary hatraiza?"
izahay tsy mil ahoe mangataka amin'ny jesoa vao hafaka hiadan aka,ny anareo no izany fa tsy ny anay.
hoy rabilabila:"Nyfametrahana an-keriny finoana na fivavahana hafa dia nampirodana tanteraka ny "ordre social etabli " tany amin'ireny tany ireny"
efa impiry io no lazain afa ny mpino anie efa mamo ka tsy mahita izany intsony e
pissoa an,mifanaraka ireo zavatra voalaza ireo raha jerenao tsara

59. pissoa
(
11/01/2008 22:07)
Fijo : hazavao e ! :-D:-D:-D
Ary zao hoa e ! Efa hoe mba asehoy anay izay vitan'ireo maro an'isa mpanaraka ny nentin-drazana e. Toa be dia be mantsy ireo teoria voalaza eo ambony ireo mikasika ny hoe raha ny an'ny tena no tahaka izao sns ! dia asehoy ary fa nahavita be ireo nihazona ilay "mahai zy azy" e ! Toa hoe manao ny fiangonana mantsy fa tsy ahitam-bokany mankaiza, dia aleo aloha mangina miandry izay efa vitanareo tamin'ny fampandrosoana ! :oops::oops::oops:

60. rabilabila
(
12/01/2008 02:33)
Raha valiana maika ny fanontanian\'i Pissoa dia:
Ireo Tantsaha ,izay ankamaroan\'ny Malagasy ary matetika mitazona ny fomban-drazany ,no mbola mamboly ny vary ,ny ovy , ny katsaka .....; miompy ny akoho sy ny vorona ,ny omby sy ny kisoa...... ho hanin\'ireo olona an-tanan-dehibe izay matetika mpivavaka .
Ka miankina hoe : inona no atao hoe fandrosoana amin\'ny tany yoa an\'i Madagasikara ?
Sa ny fandrosoana dia ny definition-n\'ny Tandrefana ihany ?
Ny zavatra misy dia izao (na dia tsy ankatoaviko aza ) : ny fivavahana kristianina no mi-determiner ny société ao Madagasikara satria ny mpitondra an\'i Madagasikara nanomboka tany amin\'i Radama II ka hatramin\'ny faran\'ny néocolonialisme dia saiky olona novolavolain\'io fivavahana io daholo .Ary avy eo dia fotokevitra hafa izay tonga avy any ivelany indray no mbola nampiharina .
Tsy misy ,ary na misy aza dia vitsy ka tsy misy fiantraikany ,ireo mpitondra teto Madagasikara ka nanome hasiny ny fombany eny fa na dia ny tantarany aza fa vokin\'ny nos ancêtres les gaulois daholo .
Ny zavatra misy hafa koa any amin\'ny tany toa an\'i Madagasikara dia : Rehefa misy defaillance ny fanjakàna dia ny ONG miankina na tsia amin\'ny fivavahana no manao ny asa fampandrosoana tokony ataony.
Nisy kabarin-dRanavalona I any ambadimbadika any izay nanery ireo vahiny tsy hikitika ny fomban-drazana ,nilaza tamin\'izy ireo hoe :raha tianareo ny mponina dia ampianaro ka aza kitihinareo ny kolony ,ary nanome halàlana azy ireo handala ny azy koa ; nefa tsy izay moa no nitranga nony efa maty Ranavalona .....................