Kanefa kosa hoy Izaho hoe !!!

101. fijo ( 05/01/2008 00:12)
sao dia diso aho aloha fa sao dia tsy i lota ilay nomamoan'ny zanany vavy

aiza kosa no hoe tsy hotratra mihintsy e
102. cutie ( 05/01/2008 00:13)
mitsiriritra fotsiny :-D
103. fijo ( 05/01/2008 00:15)
aoka moa e.avelao na dia mba hisarangotra amin'ilay rambondanitra fotsiny aza ko
104. cutie ( 05/01/2008 00:18)
efa we bedin';i jesosy :-D
105. fijo ( 05/01/2008 00:20)
ka za anie rahalahany e
106. cutie ( 05/01/2008 00:24)
hiihhihihihihi
zay ndray no tsy haiko:-D
107. fijo ( 05/01/2008 00:29)
ko samy mpitarika sekta ko
108. cutie ( 05/01/2008 00:32)
ny iray fotsiny virja ve sa samy virja nareo :-D
109. rakapy ( 05/01/2008 00:38)
Manaova solomaso contre solei le mainty be ireny nareo dia tsy tratran'ny fahotana araka ny filazan'i Nyrina(l)
110. fijo ( 05/01/2008 00:38)
izy tsy virja ka,ny reniny no virja
111. cutie ( 05/01/2008 00:40)
:-D
i fijo no virja zany
112. niryna ( 05/01/2008 00:43)
ikaretsaka:

yup!
ohatran'ny hoe sarotra amiko mihitsy ny hihaino pasitera hamelabelatra amiko ilay tenin'i paoly momban'ny celibacy iny (I kor 7)


Tsy sarotra mihitsy ny tenin'Atra amiko,raha mangataka ny Fanahy masina hianao,raha tsy mino ny tenin'Atra kosa ka mamadika azy amin'ny zavatra hafa dia tena marina fa sarotra tokoa satria tsy hisy fanahy masina hanazava ao.

ika ireto ve izany sarotra izany ?
misaotra tamin'ny tsimpona nomenao fa eo indrindra izao isika no miady hevitra :D
Io resaka I kor 7 lazain'ika io dia resaka "Fanambadiana" ranofotsiny. =D=D nanoro antsika

fanontaniana maro no nalefan'ireo mpianatra an'i Paoly koa dia novaliany izany ,dia mbola nanontany azy koa ireo mpianatra mikasika ny 7:25, 8:1,12:1 ,16:1 ary ny 16:12.
1 Ary amin'ireo zavatra nosoratanareo, dia tsara amin'ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory.
:arrow:

26 Koa izao no ataoko fa tsara amin'ny olona noho ny fahoriana miseho ankehitriny, dia ny mitoetra toy izao ihany.

27 Manam-bady va hianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manam-bady va hianao? Aza mitady vady.


2 Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.

mba hiarovana ny fakam-panahy dia tokony hanana vady avy ny tsirairay.
(l)
3 Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin'ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin'ny lahy.
:arrow:5 Aza misara-pandriana hianareo, raha tsy amin'izay andro sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa mbola hiraisanareo fandriana indray mba tsy hakan'i Satana fanahy anareo noho ny tsi-faharetanareo.[/quote];-)
4 Ny vavy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny vavy.[/quote]
ahoana indray ny heviny amin'io?

27 Manam-bady va hianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manam-bady va hianao? Aza mitady vady.

:roll: dange ity ,androso maty raibe ,hihemotra maty renibe . :D vazivazy ny ahy io an,
Nefa na dia hanam-bady aza hianao, dia tsy manota tsy akory; ary na dia hanam-bady aza ny virijina, dia tsy manota izy. Kanefa kosa hanam-pahoriana amin'ny nofo ireny. Fa izaho miantra anareo.

Tsy miteny kosa izy hoe tsy manambady hianao? manaova tokan-trano maso,miaraha mipetraka amin'ny sipa mandritra ny taona maro eo dia miala pas foana milaza toy izao na toy izao,tsia tsy niteny izany izy ohatra ny ahy io a,kanefa firifiry izao ny kristianina no miara-mipetraka aman'olona? Tsy sanatria manenjika aho a,zava-misy hiainana amin'izao fotoana izao io ary aty amintsika no tena feno azy.Ka izany no hitoriana mba andraisan'ny tanora izay teny tandrify ho azy sy ho antsika tsirairay.
Avereno aty amiko ny teniko ka hialako tsiny raha ohatra ka misy mahadona ny sasany.Ny tenin'Atra mantsy dia tena manindrona tokoa saingy rehefa mianatra azy eto isika rehetra dia miova tsikelikely eny ihany ary dia miaiky ilay fahamarinana.
:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
Adala ve ny ntaolo hiteny hoe "mpitari-bady tsy lasa vodiondry ka manome zara ny sasany ? "

113. rakapy ( 05/01/2008 00:51)
Nirina> Ka ny isan'ny vhv anie ka maro nohon'ny lhl .De tsy mitombona mihintsy ny resaka ataonao=))=))=))=))=))
114. rakapy ( 05/01/2008 01:03)
Nyrina> ilay pataloha mihidy fehikibo dia mbola mora ny manokatra azy fa toroy hevitra ny vehivavy kristianina namanao hoe manaova SLIP VY MIHIDY GADANA fa io no tena mafy ary hiaro anao @ lehilahy.=))=))=))=))=))
115. niryna ( 05/01/2008 01:08)

27 Efa renareo fa voalaza hoe: " Aza mijangajanga" (Eks.20.14).

28 Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.

Matio 6:27-28 :roll:

Ity mba misy toro-hevitra kely ho antsika,raiso izay tsara ary izay tsy mifanaraka ny eritreritsika dia ario.

Hafatr'i Paoly ho antsika izay voasoratra ao amin'ny I kor 7 hisaorana manokana an'ika izany .


32 Fa tiako tsy ho maro ahina hianareo. Izay tsy manam-bady dia miahy ny an'ny Tompo mba hahafaly ny Tompo.

33 Fa izay manam-bady kosa miahy ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy.

34 Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manam-bady sy ny virijina. Ny vehivavy tsy manam-bady mitandrina ny an'ny Tompo, mba ho samy masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manam-bady kosa dia mitandrina ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy.

35 Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo, fa tsy haningotra anareo amin'ny tadivavarana, fa mba hanaovanareo izay miendrika sy hitoeranareo tsara amin'ny Tompo, ka tsy hivezivezen'ny sainareo.
[/quote]
manana andraikitra lehibe eo amin'ny fanompoana an'Atra isika indrindra ny mpitovo :roll:
Hafatra ho an'ny tanora sy ireo izay eo an-dalam-pisafidianana ny ho ravaky ny tokan-trano

36 Fa raha misy mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny zanani-vavy virijina, satria mihoatra noho ny taona tokony anambadian'ny zanany, ka tsy maintsy hisy izany, dia aoka izy hanao izay sitrapony, tsy manota izy; aoka hanam-bady izy.

37 Fa raha misy kosa efa mikasa tsara ao am-pony, sady tsy misy mahatery azy, fa mahazo manaraka ny safidiny ka ninia tao am-pony hiaro ny zanani-vavy virijina, dia hanao tsara izy.

Raha sendra niantra tamin'ny fiainana ity,tsy hanambady raha tsy tompokolahy na tompokovavy :oops:
39 Ny vavy voafehin'ny lalàna, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka hanam-bady izay tiany izy, nefa ao amin'ny Tompo ihany.

Mahereza .Ny fitiavan'ny Tompo anie hitarika antsika andeha amin'ny lalana mahitsy sy sahaza antsika avy.
:-*:-*
Ba mamikely ary enga anie ity taona vaovao ity hanova ,hiatrika,ary hamakafakana ny tenin'Atra mba ahazoan'ireo mpiara-belona sy ny manodidina antsika ilay famonjena.Afafazo ny voa tsara fa hitsimoka voa tsara koa izany,hanaro ny namana sy na manodidina fa isika no hadinina raha mahalala satria efa notoriana sy nampianarina antsika kanefa dia minia mijery sy tsy miteny.Fitiavana no atolory azy ireo ary amin'ny fo malefaka feno fitiavana fa tsy fandatsana no ampianarana azy ireo andeha amin'ny lala-mahitsy .

(l) niryna
116. niryna ( 05/01/2008 01:14)
cutie:

heveriko fa misy resaka "hila" le tantaran'i lota :)
fijo ny lanitra manga sarotra takarina :-D

ny tantaran'i lota dia misy resaka homosexuality ao,misy koa ireo olona naditra dia nasian'Atra nitondra ny fianankaviany nivoaka i lota ka rehefa nandeha teny lavidavitra teny izy ary tsy navelan'Atra nierikerika dia mbola nierikerika ihany ilay vadiny ka lasa nivadika vonga-tsira .Izay no fitadidiako ilay tantara a

117. niryna ( 05/01/2008 01:15)
rakapy:

Nyrina> vonga-tsira angaha ny ao anaty patalohanao mihidy fehikibo ao:-=))=))=))=))

:D

118. cutie ( 05/01/2008 01:21)
tantaran'ny sodoma sy gomora ve zany ????
119. niryna ( 05/01/2008 01:35)
fijo:

niryna an,le resaka hoe nomamoin'ny zanany vavy izy,izay no tian'i rakapy resahina fa very ndray ndry izany.

cutie an,sarotra fa mba hiezahana ho tratra ko

niryna:

Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. Isaia 55:8
Vokatr'izany no nanimban'Atra an'i Sodoma sy Gomora.dia niantso an'i Lota izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? avoahy ho aty aminay izy hahalalanay azy. Gen 19:5 .Vakio ny tantara ao amin'ny Gen 19
24 Ary Jehovah nandatsaka tamin'i Sodo­ma sy Gomora
solifara sy afo, avy tamin'i Jehovah tany an-danitra,

25 ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-­maniry teo amin'ny tany.

26 Fa ny vadin'i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy. Gen 19:24-26

5 dia niantso an'i Lota izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? avoahy ho aty aminay izy hahalalanay azy.


6 Dia nivoa­ka teo am-baravarana Lota hankeo aminy, ka nakatony ny varavarana teo ivohony;

7 ary hoy izy: Masina hianareo, ry rahalahiko, aza manao ratsy.


Indro, manan-janaka roa vavy aho, izay tsy mbola nahalala lahy; ma­sina hianareo, aoka re ireo no havoakako ho eto aminareo, ka hataonareo aminy izay sitraponareo; fa ireo lehilahy ireo kosa dia aza anaovanareo na inona na inona; fa tonga hialoka eto ambanin'ny tafon-tranoko izy.

9 Ary hoy izy ireo: Mialà eto hianao. Dia hoy izy ireo indray: Ilehity tonga ety hivahiny, kanefa matetika mila hiseho ho mpitsara; ankehitriny dia hanao ratsiratsy kokoa aminao noho ny amin'ireo lehilahy ireo izahay. Dia nanosika mafy an-dralehilahy izy ireo, dia an'i Lota, ka nisesika hamaky ny varavarana.


120. niryna ( 05/01/2008 01:49)
fijo:

sao dia diso aho aloha fa sao dia tsy i lota ilay nomamoan'ny zanany vavy

aiza kosa no hoe tsy hotratra mihintsy e

Tsy diso hianao ka tantara lava be io ary any amin'ny farany (Gen 19 :31-36 ) no mbola mitohy fa marina io ka

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5056