Ahoana koa izany?

1. niryna ( 26/12/2007 06:10)
Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana,ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany.Marka 13:22

Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;

handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny.Marka 16:17-18

Ny teny voalohany dia manome antsika fampitandremana fa hisy kristy sandoka ary hanao fahagagana,eny fa na dia ny olona efa voafidin'Atra aza dia mety ho voafitaka amin'ny ahoana izany?

Ny faharoa dia milaza ihany koa fa hanao fahagagana ihany koa ireo olona izay nofidian'Atra ?
Samy manao fahagagana daholo izany na tena izy na ireo mpisandoka?

Ny fanontaniako dia hoe ahoana no ahalalana fa hoe tena avy amin'Atra ireo olona ireo na tsy avy aminy?
Ny fahasoavan'Atra anie no hampianatra antsika tsirairay avy sy hizara ny teniny amin'ny namana sy ny manodidina.

Misaotra antsika
(l)niryna
novalian'i niryna ny 05/01/2008 20:10
2. ikaretsaka ( 26/12/2007 16:48)
"mandiniha tena"
no azo amaliana an'io!
Ny faharoa dia milaza ihany koa fa hanao fahagagana ihany koa ireo olona izay nofidian'Atra ?
Samy manao fahagagana daholo izany na tena izy na ireo mpisandoka?

3. cutie ( 26/12/2007 17:00)
:-D:-D:-D
4. Bafota ( 26/12/2007 20:23)
Kristy,mpminany sandoka????? sao dia mba ianao ary izany???
5. fijo ( 26/12/2007 23:05)
hi hi i aok akosa re izy mba hanely ny finoany e.nareo koa tssssss
6. cutie ( 26/12/2007 23:38)
manin aza raha mba zavatra tsara no toriana :-D
7. fijo ( 26/12/2007 23:39)
ka mitory aoha,de avy eo jerena ny hoe tsara ve iny sa ahoana
8. cutie ( 26/12/2007 23:43)
:-D
ary io ambony io ve tsara sa ratsy :-D
9. fijo ( 26/12/2007 23:46)
ka le kristia anie hoy ny jiosy ka "imposteur "e,de dinio amin'izay fa ny jiosy no niara niaina taminy
10. cutie ( 26/12/2007 23:49)
:-D:-D:-D
11. fijo ( 26/12/2007 23:54)
asa ko,ry zareo niara niaina taminy aza milaza azy ho izany ko
12. cutie ( 26/12/2007 23:56)
de tsy haiko fa za mbola tsy teraka t@ zany :-d
13. fijo ( 27/12/2007 00:03)
ka amiko izay niara niaina taminy no mahalala azy kokoa
14. niryna ( 27/12/2007 05:52)
ikaretsaka:

"mandiniha tena"
no azo amaliana an'io!
Ny faharoa dia milaza ihany koa fa hanao fahagagana ihany koa ireo olona izay nofidian'Atra ?
Samy manao fahagagana daholo izany na tena izy na ireo mpisandoka?



Azavao hoe ilay fandinihantena lazainao io foana ,misaotra

15. niryna ( 27/12/2007 05:53)
Bafota:

Kristy,mpminany sandoka????? sao dia mba ianao ary izany???

:-D:-D

16. niryna ( 27/12/2007 05:55)
Bafota:

Kristy,mpminany sandoka????? sao dia mba ianao ary izany???

tsy maninona izany ka raha izay no hilazanao ahy :D:D:-*:-* Tiava ny fahavalona hoy ilay kristiako.

17. niryna ( 27/12/2007 05:55)
fijo:

hi hi i aok akosa re izy mba hanely ny finoany e.nareo koa tssssss


hitako :-*
18. niryna ( 27/12/2007 05:59)
cutie:

manin aza raha mba zavatra tsara no toriana :-D
=D=D
ka tsy ao amin'i Bafota ilay kristy koa inona no toriany eo.

19. niryna ( 27/12/2007 05:59)
fijo:

asa ko,ry zareo niara niaina taminy aza milaza azy ho izany ko


ahoana izany ry fijo?
20. niryna ( 27/12/2007 06:01)
fijo:

ka amiko izay niara niaina taminy no mahalala azy kokoa


Tsy fantatro aloha izay tian'i fijo lazaina fa ny fantatro fotsiny dia dia mahafantatra ny ondriny i kristy.:D Ary izay rehetra mino azy dia omeny hery ho tonga zanak'Atra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0509