Ny hevitrao momba ireo Kristianina milaza ho EXORCISTE

81. rakapy ( 04/01/2008 19:27)
Prime>Ny baibolinao dia tsy azo antoka! resaka misafelika! ary boky toy ny boky rehetra nosoratan'olombelona ka mety hiisy ny tsara sy ny ratsy ao anatiny.Ary efa mba namaky baiboly hafa ankaotran'ny baiboly Kristinina ve ianao no hilaza fa io no tena marina? sa manao toa antsika Malagasy hoe ny vary ihany no mahavelona?
lazaiko marina dia marina aminao Ra Prime fa teraka sy nobeazina teo anivon'ny Kristianina ianao ka io no fantatrao fa ny hafa dia tsy fantatrao.Ary ianao dia olona tsy liana ny hiaino na hahafantatra ny fomban'ny hafa .
Raha mandresy ao antinao ny A/trao dia anao sy izy manokana izany. Ny Devoly na ny demonia na i Jasosy dia anareo sy ny finoana kristianina mpilalao azy no milalao azy.
82. prime ( 07/01/2008 10:13)
rakapy:
Ny baibolinao dia tsy azo antoka! resaka misafelika! ary boky toy ny boky rehetra nosoratan\'olombelona ka mety hiisy ny tsara sy ny ratsy ao anatiny.
... fomba fijery mitombina izany satria izay no fahitanao azy... fa raha manaiky mandray an\'i Kristy ianao dia tsy ho toy izany intsony no ahitanao ny baiboly satria Andriamanitra rehefa miasa amin\'ny fanahy masina dia maneho ny zavatra rehetra... tsy ny olombelona noforonina no mitsara izay ratsy sy tsara ny amin\'ny soratra masina fa mbola handalo eo anatrehan\'Andriamanitra avokoa ny rehetra na ny mpino na ny tsy mpino...
rakapy:
Ary efa mba namaky baiboly hafa ankaotran\'ny baiboly Kristinina ve ianao no hilaza fa io no tena marina?
... eny tompoko... efa namaky ary mbola mamaky ary tsy hitsahatra ny hamaky boky maro ankoatra ny baiboly ihany koa raha mbola omen\'Andriamanitra fahafahaha hanao izany... fa hatramin\'izao aloha dia mibaribary ny herin\'Andriamanitra raha vao ny baiboly no vakiana mihoatra noho ireo boky hafa...
sa manao toa antsika Malagasy hoe ny vary ihany no mahavelona?
... hoy ny tenin\'Andriamanitra indrindra : \"Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman\'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan\'Andriamanitra (Deo. 8. 3).\" Matio 4:4... ho an\'ny Malagasy dia ...tsy vary ihany no hiveloman\'ny olona...
rakapy:
lazaiko marina dia marina aminao Ra Prime fa teraka sy nobeazina teo anivon\'ny Kristianina ianao ka io no fantatrao fa ny hafa dia tsy fantatrao.
... hay moa fantatrao hoe izany tokoa ny fiainako... diso zavatra iray loha nefa ianao ary efa im-betsaka aho no nanoratra izao hambarako izao nandritra izay fotoana ela nandraisako anjara teto amin\'ny serasera izay fa tsy tontolo kristiana no nitaizàna ahy fa tontolon\'ny sikidy sy ny ody ary ny fanandroana sy ny famakiana kintana sy karatra...
rakapy:
Ary ianao dia olona tsy liana ny hiaino na hahafantatra ny fomban\'ny hafa .
... mila miresaka matetika izaho sy ianao vao tena ho fantatro ny momba ahy raha izany... izaho no anisan\'ny liana indrindra matetika raha misy zava-baovao ampahafantarina na ampahalalàna...
rakapy:
Raha mandresy ao antinao ny A/trao dia anao sy izy manokana izany.
... Mpandresy mihitsy Jesosy ary na iza fahefàna na iza hery raha mbola eto amin\'izao tontolo izao dia matahotra Azy avokoa satria Andriamanitra mahery efa hatramin\'ny niforonan\'izao tontolo izao Izy... ary mbola hasehony izany voninahiny feno izany rehefa ho tonga ilay fotoana...

Tsy ahy irery sy manokana Kristy fa an\'ny olombelona rehetra manaiky sy mino Azy... ary ny olombelona rehetra mihitsy no nanolorany ny tenany fa tsy ho ahy manokana na ho an\'antokon\'olona na ho an\'olombitsy na ho ana firenena manokana... ary izay manaiky sy mino Azy dia mpandresy no hiara-handresy Aminy rahateo rehefa ho avy Izy amin\'ny andro farany...
rakapy:
Ny Devoly na ny demonia na i Jasosy dia anareo sy ny finoana kristianina mpilalao azy no milalao azy.
... Tsy lalaovina izany fa efa ao anatin\'ny zava-misy iainan\'ny zanak\'olombelona efa hatramin\'izay ary mbola hitohy mandrapahatongan\'ny farany...

Na ny devoly, na ny demonia (mila mandalina ianao dia ho fantatrao ny momba ireo) dia tsy hitovy mihitsy amin\'i Kristy fa efa fahavalo resy... ary na ny andaniny na ny ankilany dia samy tsy azo lalaovina nefa tsy maintsy atrehina rahateo... na hino ianao na tsy hino dia Kristy no efa nanambara ny tenany, eny fa na mandrak\'ankehitriny izao aza, ary efa nilaza tsy in-dray mandeha na in-droa ihany koa fa ilay menaràna ela dia romotra sy tezitra ary tsy hipetra-potsiny rehefa nazera avy any an-danitra fa hamono olona sy hamitaka olona maro hiaraka aminy any amin\'ny helo rahatr\'izay ho avy Kristy...

Tena misy io fanahy ratsy io fa tsy lalaovina na angano io Rakapy... tsy ny baiboly ihany no manambara an\'io fa na ny bokin\'ny silamo, na ny bokin\'ny olo-kendry hindou na ny bokin\'ny olo-kendry sinoa na ny fivavahan-drazana aza dia milaza fa misy ary tena ratsy io fanahin\'ny maizina io... fa saingy tsy misy afaka ny haharesy an\'io afatsy Kristy ihany... ka raha mbola misy ny andro azo anatonana an\'i Kristy dia araraoty ny andro...

Kristy dia fitiavana ary mampanantena fiadanana sy fifaliana mandrakariva ny ao Aminy... ary Izy rahateo ilay tena fiainana... ny ankoatr\'Azy dia tsy ahitàna ilay tena fiainana fa sarintsariny ihany...
83. rakapy ( 07/01/2008 13:51)
Prime> tsy ny hitory na mitetika ny hanova ny finoanao ny andraisako anjara eto fa ny hifanakalo hevitra momba ny finoana malalaka. Ka raha i Jesosy no revenao dia araho. Satria samy manana ny fijeriny isika.
84. prime ( 08/01/2008 07:01)
Rakapy> ekena ary tena izany tokoa, fifanakalozan-kevitra no atao etoana...

Saingy raha mbola mahatsapa ny tena fa misy lalana tsara sy mahasoa sy tena ahitàna fiadanana dia tsy hay ny hangina hanambara hoe : \"Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.\" Salamo 34:8

Tsy fitorian-teny izany fa fizaràna izay tsara ao anatin\'ny fo sy amin\'ny fitiavana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1535