Izaho secte satria…

1. LazaDaddy ( 20/12/2007 06:50)
Izaho secte satria:
- Niala tamin’ilay fiangonana katolika lehibe izay nisy ahy nandritry taona maro
- Tsy mifantoka amin’ny denomination noforonin’olombelona fa mionona @ anarana hoe Kristiania.
- Izay olona mifanerasera amiko dia hitoriako ny filazantsaran’ny famonjen’i Kristy
- Mitendry sy mampiasa gitara rehefa mihira sy midera an’Andriamanitra

novalian'i prime ny 07/01/2008 10:42
2. rakapy ( 20/12/2007 06:56)
Inona moa no maha ratsy izany raha toa ka mahafinaritra ny sainao? ary raha toa ka tsy manakorontana ny mpiarabelona aminao .Asio distortion heavy metal na Thrash metal le gitara dia mety mahasintona olona maro ianao.:lol:°)8-)
3. LazaDaddy ( 20/12/2007 07:01)
rakapy> hay ve i HAK ve ity rakapy ity e :-*

tsy misy maharatsy azy mihitsy fa mahagaga anefa mankarary andoha ny sasany :)
4. rakapy ( 20/12/2007 07:06)
Inona na iza moa i HAK voalazanao io fa sao dia mifandiso le resaka?
5. hery ( 20/12/2007 07:36)
LazaDaddy> tsy ireo ihany ny famaritana ny sekta kah. Sekta daholo izany ny fiangonana hafa raha izany :-)

Ny sekta dia:
- Manodikodina (manipulation) lohan'olona mpikambana ao aminy tsy hijery afatsy ilay fikambanana... hankahala ny fianakaviany izay tsy membre-n'ilay sekte sns.
- Tsy mamela ny mpikambana ao aminy hifandray amin'ny manodidina (fa hoe mitazona ny secret sns)
- Misy fitakiana ara-bola hentitra (ohatran'ny hoe moramora amin'ny voalohany fa lasa mampahantra ny mpikambana mihitsy avy eo)
- Hamafisina kokoa ny fampitahorana ny ratsy noho ny fampanantenana ny tsara. (tandremo tandremo no be kokoa)
- mbola misy hafa :-)


Sao dia mbola sekte tokoa i LazaDaddy?
6. arialy ( 20/12/2007 08:21)
lazadaddy a
raha mbola ireo tsy misy olana raha tsy manafitohina sy mapalahelo ny manodidina foana.
7. ranini ( 20/12/2007 09:13)
Jesosy Kristy anie no namorona ny secte chretien voalohany no zany tsy ratsy ny secte f a ny olona no manolana ny doctrine chrétienne sy ny dogme @ zay mahafinaritra azy de lasa miteraka polémik be le zavatra.
ny sasany milaza manao fafolokarena, ao mankalaza krismasy, ao ny mitandrina sabata sy tsy minana kisoa.Normaly ra maro ny olona mkorotan-tsaina sy tsy tia ny atao hoe secte
8. Kwasi ( 20/12/2007 10:35)
Dia izay zany koh !

Fa ny mahagaga ahy ry zareo, fa hoatra isika malagasy no tena sensible be @ ito resaka hoe sekta sekta ito. Raha ny aty @ misy ahy aty manko dia betsaka noho ny any mada ilay lazainareo hoe sekta, nefa ny olona toa tsy voazarzarany izany fa toa mizotra tsara foana ihany ny fiaraha-monina. Tsy mba maheno an'le fifanaratsiana sy ny wawawa be hoatra ny any amintsika aho. Ny any @ tany hafa no tsy haiko.
9. xxx ( 20/12/2007 10:53)
provocation ????
10. xxx ( 20/12/2007 11:29)
mitovy hevitra amin'ny hery:-P
izaho aloha tsy dia tia an'ireny secte ireny
11. cutie ( 20/12/2007 13:42)
Asio distortion heavy metal na Thrash metal le gitara dia mety mahasintona olona maro ianao.

eny wa :-D
12. cutie ( 20/12/2007 14:05)
le famaritana nomen'i rakapy ary @ dinika hafa ary no tena famaritana momba ny secta, tsy io lazain'i hery io mitsy :-D:-D:-D:-D:-D
13. piste ( 20/12/2007 15:10)
araky hevitry cutie irery izay.
14. xxx ( 20/12/2007 15:24)
ie de manin:-D
15. Fody ( 20/12/2007 15:40)
Hoy Lazaddady :
Izaho secte

Fanamarihana: Eo @ sehatra kristiana no iresahana eto, noho izany tsy misy resaka hoe: Jesoa koa sekta. Ka raha milaza ianao fa sekta dia tsy misy hifandraisany amin'i Jesoa nolazaina fa sekta tamin'izany andro izany.

- Niala tamin’ilay fiangonana katolika lehibe izay nisy ahy nandritry taona maro

Efa an-taonany maro koa ianao no efa tsy nikambana tamin'io Fiangonana io, satria raha ny fiainanao tao no jerena dia tsy araka ny tena izy. Fanompoan-tsampy no nataonao, ary sinagogan'i satana no ninoanao. Donc efa ela ianao no tsy tao amin'ilay FIANGONANA IRAY MASINA KATOLIKA APOSTOLIKA, izay niorina tamin'ny andro nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny Apostoly, ary mifototra amin'i Kristy.

- Tsy mifantoka amin’ny denomination noforonin’olombelona fa mionona @ anarana hoe Kristiania.

Moa nisy Kristiana ve raha tsy nisy Kristy? Ary moa afaka nandova ny finoana ve raLaza raha ohatra ka tsy nisy ny Apostoly nampita ny finoana?

- Izay olona mifanerasera amiko dia hitoriako ny filazantsaran’ny famonjen’i Kristy

Dia aiza ao amin'ny filazan-tsaran'i Kristy no milaza fa manompo sampy ny olona manaja ny renin'i Jesoa?
Aiza ao amin'ny filazan-tsara no milaza fa izay mitsaoka sy miankohoka manoloana ny vatana aman-dràn'i Kristy dia manompo sampy, ary ny Fiangonana misy an'izany dia sinagogan'i Satana?

- Mitendry sy mampiasa gitara rehefa mihira sy midera an’Andriamanitra

Ny fiangonana rehetra misy dia samy mampiasa ny zava-kanto aby hiderana an'Andriamanitra. Ary ny tenin'Andriamanitra dia mampirisika ny fampiasana ny talenta hiderana azy. Ny anao àry fitendrena gitara fotsiny fa ny ao amin'ny Fiangonana Katolika dia mivelatra amin'ny lafin-javatra maro e: dihy, sary, feo, mozika... Ary tsy izay ihany, fa ny fiainan'ny tsirairay mihitsy no entina hiderana sy hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra.

16. Fody ( 20/12/2007 16:00)
- Tsy mifantoka amin’ny denomination noforonin’olombelona fa mionona @ anarana hoe Kristiania.

Fa iza hono no nanome ny anarana hoe: Kristiana?
Iza no namorona azy? Moa tsy olombelona ve?


Izay tokoa no maha Secte anao satria raha tena Kristiana marina dia MIFOTOTRA AMIN'I KRISTY fa tsy amin'ny anarana hoe: kristiana velively.
17. cutie ( 20/12/2007 16:28)
Voalaza teo :
- Niala tamin’ilay fiangonana katolika lehibe izay nisy ahy nandritry taona maro

Efa an-taonany maro koa ianao no efa tsy nikambana tamin'io Fiangonana io, satria raha ny fiainanao tao no jerena dia tsy araka ny tena izy. Fanompoan-tsampy no nataonao, ary sinagogan'i satana no ninoanao. Donc efa ela ianao no tsy tao amin'ilay FIANGONANA IRAY MASINA KATOLIKA APOSTOLIKA, izay niorina tamin'ny andro nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny Apostoly, ary mifototra amin'i Kristy.

:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
18. kiranil ( 20/12/2007 19:58)
Miarahaba,

http://livres-mystiques.com/partieTEXTES/Rosaire/rosaire/5fins.htm

« Je nai pas de meilleur secret pour connaître si une personne est de dieu que d'examiner si elle aime à dire l'ave maria et le chapelet. » saint grignion de montfort.

« La dévotion à marie est un signe infaillible de salut éternel ». Saint bernard.

« Le Rosaire est une assurance pour l'éternité, un talisman de vie et de bonheur éternel, un instrument de salut. » R. P. Joret O.P.

« Je vais paraître devant le Bon Dieu. Une seule chose me console et me rassure : ce sont mes Ave Maria. À ce moment, il n'y a que cela de vrai. »
R. P. Bellanger.

« Il n'y a pas de plus sûr moyen pour vaincre le attaques de l'enfer que de recourir à Marie. »
Saint Albert le Grand.


*************

"Je suis le chemin, la vérité, et la vie. Nul ne vient au Père que par moi." Jesus Christ.



"Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako." Jesosy Kristy.


*********

Fehiny:



http://www.bibleetnombres.online.fr/falsifca.htm#mereeglise

Misaotra.



19. pissoa ( 20/12/2007 20:13)
Kiranil :

miarahaba

tsenjery maimbo !

veloma :-D:-D:-D:-D:-D
20. rakapy ( 20/12/2007 20:37)
Cutie> Mba hijereo ireny zava-maneno mahery vaika ireny i ralahy Ralaza rehefa mandeha any @ mall misy itony store "guitar center "ireny ianao.Fa any aminareo toa misy safidy maro.Aty Dago mbola adaptation be no miasa ka tsy afa-manohatra firy @ fitoriana.;-);-);-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0591