diniho tsara ity:

1. tsimiandravola ( 03/12/2007 07:30)
Niryna:

10 Izahay dia adala noho ny amin'i Kristy, fa hianareo no hendry ao amin'i Kristy! Izahay malemy, fa hianareo no mahery! Hianareo manan-daza, fa izahay mavomavo!..20 Fa ny fanjakan'Andriamanitra tsy amin'ny teny, fa amin'ny hery. IKor 4: 10,20

Raha dinihinao tsara ity dia "raisonnement tsy misy heviny mihitsy.

Toy izany koa ny maro ao anaty NT satria ,ireo copistes no maoratra ny havendranana etsy sy eroa:

Ohatra: I Jesoa nanalavitra kely nivavaka talohan'ny nisamborana azy tao an-jaridain'i Oliva,fa iretsy mpianany kosa resin-tory nohon'ny alahelo.

Taiza ianareo no nahita olona resin-tory nohon'ny alahelo?
2. niryna ( 03/12/2007 07:52)
tsimiandravola:

Niryna:

10 Izahay dia adala noho ny amin'i Kristy, fa hianareo no hendry ao amin'i Kristy! Izahay malemy, fa hianareo no mahery! Hianareo manan-daza, fa izahay mavomavo!..20 Fa ny fanjakan'Andriamanitra tsy amin'ny teny, fa amin'ny hery. IKor 4: 10,20

Raha dinihinao tsara ity dia "raisonnement tsy misy heviny mihitsy.

Toy izany koa ny maro ao anaty NT satria ,ireo copistes no maoratra ny havendranana etsy sy eroa:

Ohatra: I Jesoa nanalavitra kely nivavaka talohan'ny nisamborana azy tao an-jaridain'i Oliva,fa iretsy mpianany kosa resin-tory nohon'ny alahelo.

Taiza ianareo no nahita olona resin-tory nohon'ny alahelo?




Averiko fanin'efatra indray raha tsy hianao mihitsy no mifona fa manenjika an'Atra ary mivavaka mba omeny herin'ny FM ahazo ny teniny dia ie,ie alina eo ny andro fa tsy ho fantatrao mihitsy.
Ny herin'ny Fanahy Masina anie hampiseho Azy aminao.Mangataha dia omena,mitadiava dia ahita,ary dondomy dia ho vohana. Matio 7:7 ^:^
Mahereza hatrany manaraka ny dinika fivavahana eto fa toy ny rano mitete eo ambonin'ny vato misy miditra sy mitsitra ihany ny vato amin'ny farany ary dia hisaotra an'Atra hianao fa notiaviny foana na inona no tianao atao na mino na tsy mino hianao.
Fa efa tonga maizina sy olon-ko azy amin'ny fiainan'Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ao anatiny, noho ny hamafin'ny fony, Efes 4:18
Fa satria tsy Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra.Rom 3:10
Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: "Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay?" (Isa. 53. 1)Rom 10:16


3. baraingo ( 03/12/2007 09:41)
aza asiana ady evitra fa samî mitana mafy ny finony e!

ra io finona io ane no tena alalinina ka be no mivadika e
4. tsiafoi1 ( 03/12/2007 11:05)
Tsimiandra a! ny finoana dia fanandramana ataon'ny ts11: Ohatra we ny mpanasina sy mpanompo sampy matoa mifikitra @'izay hinoany izy de misy zvt tsapany sy ahitany fahombiazana ao. Toy izany koa ny finoana kristianina matoa mifikitra @'izay ny mpino kristianina de ahitany fitahiana sy fahombiazana ao, koa anjaranao ny manao fanandramana @'izay tianao hinoana.
5. tsimiandravola ( 03/12/2007 15:25)
tsiafoi1:

Tsimiandra a! ny finoana dia fanandramana ataon'ny ts11: Ohatra we ny mpanasina sy mpanompo sampy matoa mifikitra @'izay hinoany izy de misy zvt tsapany sy ahitany fahombiazana ao. Toy izany koa ny finoana kristianina matoa mifikitra @'izay ny mpino kristianina de ahitany fitahiana sy fahombiazana ao, koa anjaranao ny manao fanandramana @'izay tianao hinoana.

Ny tenako dia tsy mitady zavatra hafa afa-tsy ny fanajana ny finoan'ny tsirairay.Marobe ny finoana azo resahina eto.Ny olana fotsiny dia tsy avy amiko mihitsy no tonga ny fanafintohinana,ny "arrogance" hoy ny vazaha ,fa avy amin'ny "prétention" n'ny kristianisma.Ambonin'izay,voamarin'ny tantara nandritra izay 20 siècles izay fa tsy vitan'ny "prétention ihany ny an'ny kristanisma ,fa tena lasa vono olona sy enjika sy lainga sy halatra sy fanambakàna tsisy farany intsony.Inona no avalin'ny kristiana amin'ireny? Arovany ny baiboly sy ny kristianisma,fa mody ny "olombelona" no totofany heloka (dédommagement systematique de la réligion).

Tsia hoy aho.Araka ny voalaza ihany hoe :"ny hazo ratsy tsy hamoa voa tsara,ary ny hazo tsara tsy afaka manome voa ratsy".Amiko dia ilay religion mihitsy no ratsy,ary ilay andriamanitrareo mihitsy no vorika,fa ny olombelona mitovy ihany=mila "instruction civique et laïque" daholo.Mila laïcité.

Raha ohatra ka finoanoana fotsiny,finoana "anodine" toy ny inoan'ny maro (y compris ny kristiana maro ,rien que pour rire) ny horoscope dia tsy maninona.Ca ne fait de mal à personne.

Fa ny an'ny kristiana dia "mihatra aman'aina mihitsy".Sa eritreretinareo ho hadino angaha ny "inquisition" vao "omaly"??
6. tsimiandravola ( 03/12/2007 15:39)
Niryna:
Averiko fanin'efatra indray raha tsy hianao mihitsy no mifona fa manenjika an'Atra ary mivavaka mba omeny herin'ny FM ahazo ny teniny dia ie,ie alina eo ny andro fa tsy ho fantatrao mihitsy.
Izaho izao misaina.Ka rehefa alefako ny fisainako dia hitako fa eritreretin'i Niryna ho mangetaheta an'i Jehova ny fanahiko:D

"comme une biche soupire ,auprès d'un courant d'eau,ainsi mon âme te désire oh mon Dieu"

Faly i Niryna amin'izay? :-D

Dia hoy foana i Niryna mamaly ahy:

"A force de marcher ,tu te fatigues..et tu ne dis pas j'y rénonce.Tu trouves encore de la vigueure dans ta main..Ainsi n'es tu pas abbatu"

oh j'ai oublié que tu es anglosaxophone::cry:

Efa henonao ve lay hira hoe:

"He was nailed on the cross for me
On the cross crucified,
for me he will died":-o (tena mampivoaramontsana mihitsy an!)



7. kiranil ( 03/12/2007 21:38)
Miarahaba,

Raha mandinika tsara ny resaka inquisition nataon\'
ny Eglizy katolika [fa tsy ireo mpanaradia an\'i Kristy] dia ireto karazan\'olona ireto no nampijaliana sy nodororana velona t@ izany:

- Ireo izay tsy nino fa Tenin\'Andriamanitra ny voasoratra ao @ Baiboly.

- Ireo sahy namaky ny Tenin\'Andriamanitra ary tsy nanaiky ny t@ fampianarana nomen\'ny Eglizy, izay nanao didi-ko fehy lehibe. Ireo dia nahita ny tena fahamarianan\'ny Tenin\'Andriamanitra izay mifanipaka t@ fampianarana nomen\'ny Eglizy Katolika.

>>> Ito no zava-misy @ izao : Lasa Jehovah Andriamanitra izay naneho ny fitiavany ny olona tao @ Jesosy Kristy izay tonga tety an-tany hamonjy ny olona ho afaka @ fahotana sy ny fanangejan\'ny Satana no voateny ratsy, kanefa ny olombelona no nanao ny nataony.

http://youtube.com/watch?v=XaAv94aWXmg

The Church\'s Inquisition was set to torture and kill those who disbelieved in the Bible. Not only that, they also tortured and burned those alive who believe in the Bible but disagreed with the Church\'s interpretations.

Men, women and Children of 12 years and above were all subject to this torture and slow death if they did not give up their faith and accept the interpretations of the Church.

Andriamanitra, Mpamonjy antsika,

Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin\'ny fahalalana ny marina.

Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin\'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,

sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra,
8. rabilabila ( 03/12/2007 21:52)
Ity izany ilay hoe :" Tuez -les tous !! dieu reconnaîtra les siens " waooohh!!!
9. kiranil ( 03/12/2007 23:10)
Tsy tokony nisy ny inquisition raha tena fampianaran'i Jesosy Kristy tokoa no omen'ny Eglizy:

Noho ny fitenenen-dratsy an'Andriamanitra ataon'ny olona tahaka an'i tsimiandravola dia ataoko fa rariny raha lasa mpifahavalo izahay; kanefa ny fampianaran'i Jesosy Kristy dia mazava tsara manao hoe :

Efa renareo fa voalaza hoe: " Tiava ny namanao" (Lev.19.18), ary mankahalà ny fahavalonao.

Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo,

mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina.

Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?

Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?

Koa amin'izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra.


Io tenin'i Jesosy io ilay sitrapon'Andriamanitra tsy notanterahan'ny Eglizy.

Misaotra.
10. ikaretsaka ( 03/12/2007 23:47)
fa ho an'iza no nitenenan'ny Tompo io ry Kiranil? tsy ho antsika rehetra ve sa ny eglizy ihany?
?
diniho tsara ihany
11. rakapy ( 04/12/2007 00:13)
Amiko ity finoana ity dia PIOZINA mamely ny zanak\'olombelona eto ambonin\'ny tany satria samy miheritreritra ny finohany ho tena marina sy tena hankasitrahan\'ilay Nahary avokoa ny tsirairay. Na Kristianina na Muslim,na Buddhist na ireo izay atao hoe sampana na Sects na ny fivahan-drazana\'avy amin\'ny toerana tsirairay avy eto ambonin\'ny tany. Ny tena mampalahelo dia mifamono sy mifankahala ny olombelona noho io toe-javatra io. Nefa dia iray ihany no zavatra resahina.Dia tsy iza izany fa ilay NAHARY izao tontolo izao. Samy manana ny filazany sy ny fiantsoany azy ny finoana rehetra eto ambonin\'ny tany. Allah, Budha,Prishtina,Jehovah,Ramchetone,Zanahary,Liondanga,Simjo,
Jah etc... Ka nefa dia iray ihany anie ireo.Izay no ilazako fa PIOZINA ny finoana satria dia isika olombelona no mifamono sy mifankahala nohon\'ny zavatra iray. Ohatra iray no omeko anareo eto dia anjaranareo no misaina:
Misy compagnie de transport maro no mandeha makany Tulear.Mamy, Sonatra, Kofifi, Stato eny ahatramin\'ny papango aza dia mandeha any avokoa.
Ka ianao dia manam-pikasana ny handeha ho any Tulear ka nefa ny mpanera dia misarangotra aminao avokoa satria te hahazo client izy ireo(Ny fiangonana koa dia misarangotra aminao satria te hahazo client izy ireo)nefa ny destination dia iray ihany (Tulear/Lanitra).
Ka eo no mipetraka ny fanotaniana ary mazava ho azy ny valiny fa BUSINESS avokoa ireo zavatra ireo.Ny fivavahana dia business mazava tsara fa mody saromana amin\'ny anaran\'ilay Nahary.
12. kiranil ( 04/12/2007 00:43)
L\'Eglise Catholique n\'a jamais officiellement renoncé à ses anciennes habitudes de mettre à mort tous ceux qu\'elle considère comme des hérétiques. Bien au contraire, le Bureau de l\'Inquisition existe toujours. Il fait partie de la Curie du Vatican. Son nom a simplement été changé en 1965, pour devenir la \"Congrégation pour la Doctrine de la Foi\". Cette Congrégation est dirigée par le Cardinal Ratzinger.

http://www.paroledevie.org/base/articles/html/A163.anciens_catholiques.htm




13. ikaretsaka ( 04/12/2007 01:05)
kiranil. avait ete ngamba no marimarina kokoa.
izay manao heresy, na ny "finoanareo aza" inona no ataonareo aminy? ompaina sy ambaniana.. fallaway e, anti christ e, satana e, ..sns...
afaka Jerenao ve ny ataon'ny "congregation pour la doctrine de la foi @ izao? hmmm?
mandalina aloha vao miteny, sao miteniteny foana:-D
14. ikaretsaka ( 04/12/2007 01:09)
angalanao sopapa "licet ab initio": article 48:wink:
15. kiranil ( 04/12/2007 01:29)
rakapy> 1- Marina ny voalazan\'ingahy hoe misy business na fitiavam-bola sy fahefana fotsiny no mibaiko azy. Ary maro izy ireo. Ireny no atao hoe mpaminany sandoka.

2- Ilay \'generalisation\' ataon\'ingahy hoe mitovy daholo ireo tanisain\'ingahy ireo dia mampihaihay be ihany.

satria nahoana?

Prishtina na Priština dia izao ny tena momba azy:

c\'est la capitale et la plus grande ville du Kosovo, province de Serbie sous administration de l\'ONU.


na hoe Prishtina = renivohitry kosovo ao amin\'ny faritan\'ny serbie.

Dia mety ve ny mampitovy ny tsy afaka hitovy na oviana na oviana?

3- Raha misy fotoana ingahy dia mba hazavao kely raha tsy mahadiso ireto manaraka ireto : Ramchetone,Liondanga,Simjo.

Mba efa nikaroka ihany aho fa tsy hitako hoe iza marina ireo.

4- Mba vakio kely ito rehefa mba sendra misy fotoana malalaka iny:

http://voxdei.org/afficher_rubrique.php?section=chretiens&rubrique=qui%20est%20jesus

Misaotra.

16. kiranil ( 04/12/2007 01:42)
ikaretsaka> Selon le Droit Canon, c'est-à-dire la Loi officielle qui gouverne l'Eglise Catholique, les Catholiques doivent obligatoirement soumettre leur intelligence et leur volonté, pour tout ce qui concerne la foi et la morale, aux déclarations officielles faites par le Pape ou les Conciles de l'Eglise.

http://www.paroledevie.org/base/articles/html/A163.anciens_catholiques.htm

mieritrereta..
17. ikaretsaka ( 04/12/2007 04:05)
izay ny infaillibility kiranil an efa resaka efa elane teto io
ary anisan'ny maha katolika ny katolika...
tsy liberte sy free will doi disant nefa mifehy ny fanatism @ boky indramina fa mbola misy fanajana hierarchique nandritry ny 2000 taona
18. rakapy ( 04/12/2007 04:22)
Kiranil> Ireo anarana izay notanisaiko etsy ambony ireo dia karazana anarana fiantsona an'ilay Nahary daholo amin' fiteny samihafa eto ambonin'ny tany.Fa ny tiako ambara dia tsy hoe ny anarana na ny fomba fiantsona no zava-dehibe fa ny mahafantra fa hoe iray ihany no nahary antsika olombelona sy izao tontolo izao. Ny an'ny Kristianina izao dia i Kristy nosefon'ny business-ny.Ny an'ny Silamo dia i Mahomet. Ny an'ny fivavahan-drazana Malagasy dia ny Razana .sns...Ireo dia mpampita ny hafatra tian'ny zanak'olombelona ho ampitaina any amin'ny Nahary avokoa.
19. niryna ( 04/12/2007 06:37)
tsimiandravola sy rapaky

Hitory ny filazan-tsara no tanjoko eto.Tsy mila mifamaly izay mino tsara tsy mino izy dia efa izay.Izay fiheveranareo ny eriteritry ny tsi1-1 any dia anareo manokana.

I kor 1:17- 21,25-28
17 Fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara, tsy tamin'ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian'i Kristy.

18 Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.

19 Fa voasoratra hoe:"Hofoanako ny fahendren'ny hendry, ary holaviko ny fahalalan'ny mahalala" (Isaia 29:14) .

20 Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin'izao tontolo izao? Tsy nampodin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao?

21 Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren'Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy hahatonga izao tontolo izao hahalala an'Andriamanitra, ka dia ny fahadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Andriamanitra hamonjeny izay mino;

25 Fa ny fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen'Andriamanitra mahery noho ny olona.

26 Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana;

27 fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;

28 ary ny iva razana amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy,

20. prime ( 04/12/2007 11:37)
ikaretsaka> mety ve izany ny "inquisition"?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0779