diniho tsara ity:

21. ikaretsaka ( 04/12/2007 12:55)
inquisition (avy amin'ny teny latinina hoe inquisitio: exanination) : fandinihina lalina (manao investigation) mitady ny fanapahan-kevitra farany..
rehefa hita ny antony dialazaina sy ampiharina !

fa tsetsatsetra tsy aritraL
Niryna> raha hitory ny filazan-tsara momba ny finoanao (nareo) ianao (ianareo)
dia maninona tokoa raha manangana blaogy sy ny sisa dia any soratana aby izay tsimpona tianao atao?
ohatran'ny siten'ny Katolika.org izao dia any ny katolika no mitory teny ohatra, na Blaogy.com hafa koa!
efa nomena anao daholo ny fitaovana any , efa nomena toerana hanaovanao ny blaoginao manokana ianao, maninona no tsy ampiasaina hanaovana izay toriteny(aFaka atao farak'izay laaaaaava be ohatran'ny an'ny mpiatsarabelatsihymihitsy ianao any?

rehefa nojereko akaiky manko dia
admin manazava ny mombamomban'ity forum ity :
Mazava ho azy ny lohateny. Ato miresaka momba ny fivavahana sy ny mombamomba azy. Ny fanontaniana rehetra mipetraka... sy ny valiny.

raha hiresaka fivavahana ato hoe fa maninona ianao no sectes na hoe ahoana ny fivavahanao raha ampitahaina @ nen-drakapy sy ry fijo ohatra, hafa izay!
izay ilay fifanajana niryna an.. hitanao? !
raha te hiteny ianao hoe inona no mahasamihafa an'Ankaramalaza @ Anosivolakely ohatra.. dia ato izany!
22. rijadolly ( 04/12/2007 15:53)
Ho antsika mpino KRISTIANINA aza manaiky apedin'tsy mpino,kitiany kely ny ambom-potsika dia avy miady h manangana ny atokon'tena,dia manaratsy ny hafa.Faly ny tsy mpino zao ny ataonareo.Aza miteny ny an'hafa ary aza manandratra ny an'tena fa ny ao anaty jerena.
Raha misy tteny ao anaty baiboly tandremo é,tandremo fa za efa fay an!
Ho an' tsy mpino am-pitiavana(l)(l)(l) miafara aiza ary izo fiainana izao?
ho antsika rehetra samy mandinia tena dia tsongoy mafy ny tenantsika http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=LIOKA&toko=12&andininy=49-52&dika=
23. ikaretsaka ( 04/12/2007 16:27)
amiko tsy ny fandavana ny tranga ampedin'ny tsy mpino ny vahaolana amintsika Kristianina (io ilay hoe refus de comprendre)
fa amiko aza hoe comprends, mianara tsara, jereo ny finoanao, @ lafiny rehetra fa tsy ferana amin-javatra iray fotsiny, hahafahanao mijery sy misokatra ary manamafy bebe kokoa io finoanao io aza!
24. rakapy ( 04/12/2007 21:44)
Io fomba fijery sy fomba fandraisana hevitra Kristianina io no tena mahatonga izao tontolo izao ho ratsy. Raha manaraka tsara ny tantara sy ny fomba nidiran'ny Kristianina teo @ izao tontolo izao ianao ry Nyrina dia ho menatra tokoa @izay nataon'ireo havanao.Tsy ny baiboly no ratsy tsy akory fa maro ireo Kristianina izay mandika vilana izay voalaza. Ka raha ny tenako no tadiavinao hitorina eto dia ho lany fotoana ianao,ny mpitory baiboly ao anaty taxi brousse aza mikombo-bava raha izaho no ao anaty fiara.Tsy ratsy ny finohanao fa mba hajao ny an'ny hafa .
25. ikaretsaka ( 04/12/2007 22:36)
Tsy ny baiboly no ratsy tsy akory fa maro ireo Kristianina izay mandika vilana izay voalaza.

Iombonako hevitra!.. izay voasoratra ka.. izay voasoratra,,,
betsaka ny voalaza tsy voasoratra!

Ka raha ny tenako no tadiavinao hitorina eto dia ho lany fotoana ianao,ny mpitory baiboly ao anaty taxi brousse aza mikombo-bava raha izaho no ao anaty fiara. Tsy ratsy ny finoanao fa hajao ny hafa

Eskedreitse!
26. fijo ( 04/12/2007 23:25)
rakapy,rehefa jerena izay voalazan'ny namana eto,dia misy hisainahoe toa i fijo indray io,satria tena misy itovizana be izahay roalahy.
izany hoe mitombo izany ny mihiratra.

tsapa eto ambony eto,fa ny kristianaina dia tsy hifandray na hovian ana hoviana fa gidraka lava.ady lava;nefa lazaina fa andriamanitra fitiavana????aiza io?
27. ikaretsaka ( 05/12/2007 00:06)
zahay efa mivoy ny ekiminisme fa ry zalahy atsy ambadika ihany io tsy manana ekipa io fa ny sorta lasan'ny maihol, ny godasy lasan'i lotera, ny protezy lasan'ny tanin'anandrano, ny maillots lasan'ny fjkm... ny faux bas lasan'i lotera!
ny boky misy ny gameplan nalain-dry zalahy nefa tsy misy gameplan vita hatr@ izao
28. fijo ( 05/12/2007 00:34)
ka atoroy azy ny plan du game ;mba hiady ny baolina e
29. niryna ( 05/12/2007 07:40)
rakapy:

Io fomba fijery sy fomba fandraisana hevitra Kristianina io no tena mahatonga izao tontolo izao ho ratsy. Raha manaraka tsara ny tantara sy ny fomba nidiran'ny Kristianina teo @ izao tontolo izao ianao ry Nyrina dia ho menatra tokoa @izay nataon'ireo havanao.Tsy ny baiboly no ratsy tsy akory fa maro ireo Kristianina izay mandika vilana izay voalaza. Ka raha ny tenako no tadiavinao hitorina eto dia ho lany fotoana ianao,ny mpitory baiboly ao anaty taxi brousse aza mikombo-bava raha izaho no ao anaty fiara.Tsy ratsy ny finohanao fa mba hajao ny an'ny hafa .

Ka avelao ny lasa homban'ny lasa,raha tsy nahazo fahasoavana tamin'Atra hianao dia afaka ny anenjika azy,omeo porofo fa tsy misy izy,moa nisy sahy nanome hatramin'izao mbola miandry aho.Kanefa tsy mila porofo izany intsony aho satria na ny sainao na ny fofonainao na mandeha hianao na mitsangana dia tiany foana,na milaza hianao fa tsy misy izy,tsy midika velively izany fa tsy misy izy.Tsy ho menatra ny aty ary tsy menatra ny mijoro fa tia antsika Atra.Mino hainao tsara ,tsy mino moa dia tohizo hatrany ny fankahalana azy fa tsy hampiova na inona na inona izany.
Izay razambe taloha ? hi,hi,tsotra ny valiny.Tapaho ny ziogan'ny satana ,ny fanandevozan'ny ota dia ampy izay.Atra manome fahasoavana ireo taranaka aman-jafy hatrany amin'ny faha efatra na dimy na enina na fito ka mino Azy ary manozona ireo taranaka aman-dimby izay miala aminy ihany koa.Raha hianao no manapaka izany zioga izany dia lasa omeny fahasoavana ny taranakao dia mitovy ireo nomeny fahasoavana an'ireo izay nino sy nanara-dia Azy.Ny tena tsy zakan'ny sain'ireo manohitra Azy anie dia ny tsy fialana amin'ny fahotana e,tsy misy marina na iray aza fa rehefa mahatsapa fa ratsy dia hialao....
Mahereza hatrany.Indro kely,amin'ny fotoana tsy ahitanao vahaolana mihitsy fa lany aiky hianao ,andramo antsoiny Jehovah Andrimanitray fa hamaly anao tokoa Izy.(manaova fanandramana fa aza mitsambiky mikimpy )

30. prime ( 05/12/2007 13:46)
ikaretsaka> Ny papa Jean XXIII efa niaiky ny fahadisoan'ny eglizy tamin'ireny andro maizina ireny ka nanafoana ny "inquisition" tamin'ny rafitra aloha... ka raha ianao no hanamarina izany dia mahagaga ihany...

Ny "inquisition" tsy zava-miafina amin'ny olona ankehitriny ka itondranao fanazavana @ "jeu de mots" hoe "examination", fa rafitra anisan'ny tena nanimba ny anaran'i Kristy tamin'ny fampijaliana sy ny fanenjehana ary ny famonoana olona tsy nisy antony sy porofo mazava tamin'ny fotoan'andro ka nanamelohana olona maro tsy amin'antony nahatonga ny olona ho tofoka tamin'ny "kristianisma" (fa tsy i Kristy)... io resaka "inquisition" io dia tsy misy afaka amin'io na ny mpianatr'i Lotera na ny mpianatr'i Calvin ary anisan'ny tena nahapotika ny fampianaran'i Kristy satria tsy ara-tsoratra masina...
31. ikaretsaka ( 05/12/2007 17:10)
Ka efa nekena aby anie izany fa nareo ihany io ry rime e...
32. xxx ( 05/12/2007 19:40)
kiranyl:
Noho ny fitenenen-dratsy an'Andriamanitra ataon'ny olona tahaka an'i tsimiandravola dia ataoko fa rariny raha lasa mpifahavalo izahay
Tsy azoko ,inona no ifandraisan'ny mampifahavalo antsika sy ny teny ratsy ataon'ny tahaka an'i Tsimiandravola an'andriamanitra?
33. fijo ( 05/12/2007 21:34)
hi hi hi marina be le fanontaniana.
34. ikaretsaka ( 05/12/2007 22:56)
Mbola mila hitsiponan'ny baibolista andininy vitsivitsy ao anaty baiboly izany ry zanako vao azonao ny valiny ...
fa aminay mpivavaka tsotra de hoe.. tsy misy! ary diso fipetraka tokoa ilay valinteny nomen'i Kiranil!
35. ikaretsaka ( 05/12/2007 22:58)
anisan'ny tena nahapotika ny fampianaran'i Kristy satria tsy ara-tsoratra masina...

tsy ara=tsoratra ihany tompoko ny fampianaran'i kristy fa ara bava,ara panamasina
36. xxx ( 06/12/2007 10:50)
tsy ara=tsoratra ihany tompoko ny fampianaran'i kristy fa ara bava,ara panamasina


Tokony mbola hiampy aza hoe araka ny vokatra.

Ny mahavaka fotsiny ankehirtiny dia ny fanavahana hoe araka ny Fanahy Masina sa tsia ny fisehoan-javatra iray na firehan-kevitra iray izay lazain'ireo mpandalina.

Mila mivavaka mahitsy amin'Andriamanitra mba hahazo ny Fanahy Masina ka hahay hanavaka ny vary sy ny tsiparifary.
37. ikaretsaka ( 06/12/2007 16:53)
izao anie ry xxx de vokatr'ilay mahantra ny gasy dia kaliana avy na ny vary na ny tsiparifary..
matetika ilay mamahana azy tsiparifary aza no andaniany ny ampaha folon-karamany
38. kiranil ( 06/12/2007 18:14)
Hoy i kiranyl:
Noho ny fitenenen-dratsy an'Andriamanitra ataon'ny olona tahaka an'i tsimiandravola dia ataoko fa rariny raha lasa mpifahavalo izahay

Tsy azoko ,inona no ifandraisan'ny mampifahavalo antsika sy ny teny ratsy ataon'ny tahaka an'i Tsimiandravola an'andriamanitra?


Misaotra @ fanontaniana.

Tsimiandravola efa nandray ny Andriamananitra hinoako ho fahavalony; dia izay no mahatonga ny olona tahaka ahy ahy sy izy ho mpifahavalo. Angamba ataoko fa mazava.


tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.

Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masina? Ny fanahy izay nampitoeriny ato anatintsika dia iriny amin'ny fahasaro-piaro.

Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: "Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3. 34).

Jakoba 4:4




39. ikaretsaka ( 06/12/2007 19:10)
kaza ange manaiky izy anie hoa efa fantatra e... fa isika mifandrafy ho tsy azoko!
nefa samy mino!
hitsimpony kely @ boky navondrony hataonareo bokina reference hoe io azafady?
40. kiranil ( 06/12/2007 21:04)
http://www.dailymotion.com/relevance/search/catholique+bible/video/x3buy7_la-religion-catholique-romaine-vs-l

Peut-être vous exclamerez-vous : "Mais les Catholiques Romains ne sont pas des incroyants ! Ils croient en Jésus ! Ils croient qu'Il est le Fils de Dieu ! Ils croient qu'Il est mort et ressuscité !"

Oui, ils croient tous ces faits historiques concernant Jésus. Mais ils ne croient pas réellement en Lui. Permettez-moi de vous dire pourquoi :

* Jésus est le seul médiateur. Les Catholiques ont ajouté Marie comme médiatrice.

* Jésus est le seul Nom par lequel nous devions être sauvés. Les Catholiques invoquent aussi le nom de Marie pour leur salut.

* Jésus S'est offert en sacrifice sur la croix une fois pour toutes. Les Catholiques affirment qu'ils perpétuent le sacrifice de Jésus à chaque messe.

* Jésus a racheté Son peuple par Son sang. Les Catholiques croient qu'ils doivent aussi expier leurs péchés par la pénitence, le jeûne et la prière.

* Jésus a lavé Son peuple par Son propre sang. Les Catholiques dépendent d'êtres humains pécheurs qui se font appeler prêtres.

De telles erreurs sont fatales ! Le Catholicisme est une apostasie du véritable Christianisme.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0082