Aminao,inona no antony andehanana any am-piangonana ?

1. niryna ( 30/11/2007 06:10)
Amiko,ny antony andehanako any am-piangonana dia hidera sy hisaotra an'i Jehovah fa mbola nomena andro aho hiainako hiderako ny anarany ,fa mandrakizay ny famindram-pony.


- nitaraina tamin'i Jehovah aho ,raha ory, ka novonjeny tamin'ny fahatereny sy ny fahoriana.
-noho ny famindram-pony sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!

- Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy, Ary ny fanahy noana dia vokisany soa.
-Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana ahy ary nanafaka ahy tamin'ny siogan'ny fahotana.
-Na inona mitranga amin'ny fiainako dia fantatro fa miaraka amiko foana Izy.

Misaora an'i Jehovah ny fanahiko ary izay rehetra ao anatiko,misaora ny anarany masina. Amena.
novalian'i niryna ny 15/12/2007 06:05
2. booboo ( 30/11/2007 07:14)
Nenà hahita ny namako sy têtes vaovao, dia miara-motika @ be sy bobaka refa vita ny culte, dia miresaka sy mihaino an'Atra.
3. kally ( 30/11/2007 08:20)
Ho ahy dia azoko atao eo anivon'ny fianakaviana ny fisaorana sy ny fiderana.Saingy ilaiko ny mankany am-piangonana satria toy ny afo ny finoana ka raha mirehitra irery mety ho faty.Ka tsy tazoniko ela loatra irery aty an-trano ny kitain'ny finoako fa mba akambako amin'ny kitain'ny hafa mba hiredareda kokoa.:lol:
4. Harisoam ( 30/11/2007 10:05)
Eny isanandro dia misaotra an'Andriamanitra mandrakariva noho ny tombon'andro Nomeny sy ny Fahasoavana tsy takatry ny saina Ataony @ fianana manontolo,fa tsara kokoa raha miara midera sy mankalaza ary manome voninahitra Azy rehefa tonga ny andro andehanana any ampiangonana"Miaraha mankalaza an'i Jehovah amiko,ary aoka hiara-manandratra ny Anarany isika",ary koa hanavao mandrakariva ny fanolorantena ho an'Andriamanitra,no sady mila fikolokoloina ihany ny finoana zay ananana,satria ny Fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy koa Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho ary ho eo ambavako mandrakariva ny fiderana Azy.
5. Ylly ( 30/11/2007 12:59)
ny antony andehanako any am-piangonana ve?mino aho fa ohatran'ny mpino rehetra ihany ka!afaka midera an'Andriamanitra aho na aiza na aiza fa kosa ny fiangonana dia trano natokana manokana tsy sahala ny any an-trano ohatra fa tena hafa mihintsy.Hiderana an'Andriamanitra .
6. niryna ( 30/11/2007 15:05)
booboo:

Nenà hahita ny namako sy têtes vaovao, dia miara-motika @ be sy bobaka refa vita ny culte, dia miresaka sy mihaino an'Atra.


:D Ny aty aminay koa dia miara-misakafo ny olona rehefa vita ny fiangonana.Misy manao volontaire mitondra sakafo sy mampandroso,dia mandeha eo ny tafa rehetra .
7. niryna ( 30/11/2007 15:07)
Harisoam:

Eny isanandro dia misaotra an'Andriamanitra mandrakariva noho ny tombon'andro Nomeny sy ny Fahasoavana tsy takatry ny saina Ataony @ fianana manontolo,fa tsara kokoa raha miara midera sy mankalaza ary manome voninahitra Azy rehefa tonga ny andro andehanana any ampiangonana"Miaraha mankalaza an'i Jehovah amiko,ary aoka hiara-manandratra ny Anarany isika",ary koa hanavao mandrakariva ny fanolorantena ho an'Andriamanitra,no sady mila fikolokoloina ihany ny finoana zay ananana,satria ny Fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy koa Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho ary ho eo ambavako mandrakariva ny fiderana Azy.

misaotra aky a tamin'izay fampaherezana izany a.:-*

8. niryna ( 30/11/2007 15:08)
Ylly:

ny antony andehanako any am-piangonana ve?mino aho fa ohatran'ny mpino rehetra ihany ka!afaka midera an'Andriamanitra aho na aiza na aiza fa kosa ny fiangonana dia trano natokana manokana tsy sahala ny any an-trano ohatra fa tena hafa mihintsy.Hiderana an'Andriamanitra .


Inona aky ny ataon'ireo mino rehetra izany?
Trano manokana tsy sahala ny trano fa hafa mihitsy ahoana izany?
:D
9. ikaretsaka ( 30/11/2007 15:28)
Fijery katolika ny ahy:
1)Ny Katolika dia mino fa ny mofo sy ny divay, rehefa tonga ny fotoanan'ny fankamasinana dia lasa ra sy vatan'i Kristy (principe de Transubstantiation).

Antsoina hoe Sakramenta Masina/Eokaristia, Ny tsy lany dia tehirizina ao anaty Tabernakla...Aminay, vokatr'izany dia AO sy IO am-piangonana io i Kristy! Rehefa mankany am-piangonana aho dia mahita Azy io akaiko io! feelings be izany, tsy resaka ara-panahy fa resaka ara batana koa..
Izay manko ilay maha olona feno: Vatana sy Fanahy! tsy ara-Panahy ihany izahay sy izy no mifanakaiky fa ara-batana koa! Hitako izy, kasihiko, ampidiriko ao anatiko.. henoiko miteny

2) Raha lamesa indray, dia mizara 2 mazava tsara ny an'ny katolika :
Ny litorjian'ny Teny
ny Litorjian'ny Eokaristia: ity faharoa ity ao am-piangonana ao ihany no azo atao na rehefa misy mompera!.. mila an'io mafy aho fa .. tsy ny Teny ihany no ivelomako fa ny Teny tonga Nofo, ny Nofo tonga Mofo ary niara nonina tamintsika!

Velabelariko ny tohiny fa hatreo aloha
10. cutie ( 30/11/2007 16:16)
Aminao,inona no antony andehanana any am-piangonana

hihira:)
11. Veloo ( 30/11/2007 16:26)


cutie njy zany mahay mihira be hihihiih:-*:-*:-*

ny antony iray andehanana any am-piangonana koa dia:
mampahery ny mpiara miangona aminao,
hanana relation plus pres des autres,kolokoloina zany ilay relation e...


12. cutie ( 30/11/2007 16:29)
Mpandefa : Veloo [ Valio ] 30-11-2007 17:26:07
Lohateny : Re : Aminao,inona no antony andehanana any am-piangonana ?


cutie njy zany mahay mihira be hihihiih

hiditra chorale atsy ho atsy :-D:-D:-D:-D
13. Veloo ( 30/11/2007 16:31)
cutie,

ieeeeeeeeeeeeee:-*
14. ikaretsaka ( 30/11/2007 16:32)
mety ilay be ny chorale any @ Secte an'i fijo fa aaaah aaaaah ooooohhh bedebe
ny amen tsy amen fa ampio, omeo!
15. cutie ( 30/11/2007 16:42)
so de hanao beso i Ika e :-D:-D:-D:-D
veloo:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
16. ikaretsaka ( 30/11/2007 16:44)
ny sampy any de hoe.. tsy ampy tsy ampy tsy ampy
17. cutie ( 30/11/2007 16:48)
in ny sampy de in ny tsy ampy :-D
18. ikaretsaka ( 30/11/2007 16:52)
ny fiteny ny sampy any @ krispijo hoe tsy ampy tsy ampy ka
ny amen any hoe omena!

fa ika aleo hijanona aty ihany
19. cutie ( 30/11/2007 16:53)
:-D:-D:-D:-D
zahay koa tsy mitamby :-D
20. booboo ( 30/11/2007 17:03)
:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0765