finoana katolika

1. niryna ( 17/07/2006 20:48)
ainavola sy xxx a misaotra anareo nizara Anjaran'ny tsirairay no mandray izay tandrifiny sy mangataka ny fanahy masina mba hanazava ny fahamarinana .Efa nafafinareo izay ny voa dia hisaory Atra fa Atra velona Izy,tia ny olona rehetra na miziriziry fo,mijanona amin'ny fiangonana na miezaka ny hanakatra ny marina.Ny marina fisaka ka sarotra ho antsika ny hino raha tsy ny fanahin'Atra no hiditra ato anatintsika.Raha tsy manaiky fa any aminy tokoa no lalana sy fahamarinana ary fiainana ho mandrakizay dia izay tiany sy nazavain'ireo mpitondra ny fiangonana ihany no arahiny e.Ka izany no tsy anomezana tsiny azy ireo. Mivavaha ho azy fa efa maro izay nilaza izay,efa maro izay novonoina izay satria nandika ireo didy tsy nifanaraka ny sitrapon'ireo andriamanitr'izao tontolo izao.Atra be fitiavana Izay manatona Azy dia angetaheta ny fahamarinana ary efa nofidiana ny olona hino Azy kanefa raha miaiky sy mahatoky ny fiainantsika isika fa Izy efa nanangana an'i Kristy tamin'ny maty,raha manankina ny finoantsika isika fa kristy no nanavotra antsika tamin'ny fahotana sy ny fahoriana rehetra dia hino an'i Kristy tsy misy fiambahambana.Matoa ireo olona no mbola manaiky izay mifanohitra foana dia mbola misy hery hafa ao mihazona azy ireo tsy hanaiky ka anjarantsika tsirairay no mivavaka ho azy ireo.(They are still blind )mbola tsy mahita ny masony satria mitampina ary tsy mahazo ny sainy satria mihevitra ny azy ho marina.Raha tsy mamaky ny tenin'Atra anie tsy ahita ny fahamarinana e,ahoana koa no ahitana izany raha toheriny ilay teny voasoratra sy tsy tiana sy lavina izany teny izany?
Atra manova ny fontsika tsirairay rehefa tonga ny fotoana ka izany no hivavahana azy ireo,ary mangataka aminy ihany koa mba omeny hery hilaza ny marina mandrakariva.Mino izy tsara,tsy mino izy efa vita ny adidinareo.
2. Rakotofaly ( 26/11/2007 12:24)
Manahoana daholo e!
Izany hoe misy brochure(boky kely)iray nosoratana Zaïrois (Frère Jésuite) BAKAJIKA MUANA NKUBA mitondra ny lohateny hoe "RESCAPE DE L'ENFER" ary io boky io dia manenjika sy manaratsy tanteraka ny katolika (indrindra misy resaka Rome-Vatican).Ny nahafantarako sy namakiko io boky io dia nisy olona iray izay ao @ finoana hafa izay sendra niresaka tamiko momban'ny finoana sy fivavahana ka tena nanaratsy tanteraka ny fombafomba fivavahantsika katolika ary dia nilaza tamiko hoe jereo ao @ internet io boky io dia misy ho saintsaininareo katolika hoe ahoana marina ity antokom-pinoanareo ity izay tena matanjaka tokoa.Ka ny tiako hatongavana dia tena iriko raha mba vakianareo mpiserasera eto io boky kely io ary mba samy hilaza ny heviny isika rehetra katolika. Kanefa ity serasera ity dia toa tsy misy andefasana pièce jointe mba hamakianareo azy, ka dia manorata amiko @ ity adresse ity izay te hahita azy : (falinarivo@freenet.mg) Dia mba manantena antsika katolika izay mpiserasera mba hamaky ilay boky kely fa hahafinaritra ny ady hevitra:!:. Misaotra mialoha
novalian'i niryna ny 17/07/2006 20:48
3. xxx ( 26/11/2007 13:12)
Izaho dia tsy katolika fa notinaiza tao amin'ny sekoly katolika ary efa namaky io boky io. Mahamenatra tokoa ny zava-boalaza ao ary mahatonga saina ihany. Raha ny fandinihako manokana sy ny fandalinam-pinoako dia tena marina ny nahazo io Rahalahy iray io.

Ireo izay mamaky io boky io dia tsy tokony tonga dia kivy fa tokony hieritreritra tokoa hoe "Iza moa no fiangonana? Ny Trano ivavahana ve sa ny Pretra sa ny olona tsirairay?". Miantefa amin'ny tsirairay ny hafatra omen'io boky io ary vavolombelon'i Kristy no nanoratra azy.

Ny experience-ko manokana dia manambara fa tena misy tokoa ny fiainan-tsi-hita ahitana ny lanitra sy ny afobe ary ny fiaina-miafina ambany ranomasina sy ambanin'ny tany. Ny varavarana mandeha any amin'ny fiainana ambanin'ny tany dia ny fasana. Ny vavahady mandeha any amin'ny fiainana any an-danitra kosa dia Jesosy Kristy.

Koa maniry da maniry tokoa aho ny hisaintsainan'ny tsirairay namana katolika mba hitodika any amin'ny Varavarana Izy dia Jesosy Kristy. Tsy voatery ny lalan-kalehan'ny mpitarika anao eto an-tany no lalan-kalehanao. Aza mijery lokom-piangonana fa Jesosy Irery ihany banjinina dia ho avotra ianao. Aza midehaka hoe fiangonan-dehibe fa ianao tsirairay(vatana saina ary fanahy) no Tempolin'Andriamanitra, Eglisin'I Jesosy Kristy. Mandondona ny fonao Izy ary miantso anao mivantana tsy misy mpanelanelana.
4. pissoa ( 26/11/2007 13:42)
http://www.paroledevie.org/base/livres/pdf/rescued.pdf ilay boky amin'ny anglisy [PDF io]. Bonne lecture hono isika Katolika mbola tsy namaky :-D:-D:-D

xxx : za koa notaizana tao amin'ny sekoly katolika dia efa mamaky io boky io :b:-D
5. hery ( 26/11/2007 14:13)
Zah katolika hatry ny ela :-)

Tena lava be kay ilay izy. Andraso fa hovakiana rehefa mahavaky baiboly aho :-)
6. ikaretsaka ( 26/11/2007 14:59)
mazotoa mamaky aby:wink:
davinci code apokaliprika:-D
7. ikaretsaka ( 26/11/2007 15:08)
dia io dotokevitr'ilay io no nalain'ny apokalipsia any madagasikara koa kay fa adinoko..:wink:
dia tsy zezoita mihitsy i Bakajika Muana Nkuba ka " nana probleme t@ jesuites aza izy
Jereo ny momban'ny jesuites ao @ provincen'i conngo (ex zaire)
8. pissoa ( 26/11/2007 18:23)
voavakiko le izy tamin'ny aprem ! mlay be io raha atao film :-D:-D:-D

ika : :-D:-D:-D
9. ikaretsaka ( 26/11/2007 18:25)
pissoa: Dante trilogy mitapoka da vinci code version zairois le izy... film be mihitsy an...
10. pissoa ( 26/11/2007 18:31)
Eka ouz !!!
Mbola velona ve io bandy io ? Nedala milaza fa fallite zany mety tonga dia riche be raha ataony film io a :-D:-D:-D
11. Fody ( 26/11/2007 20:11)

Tsy dia ratsy loatra ilay pub an-drakotofaly an!

Misaotra e!
12. xxx ( 27/11/2007 06:35)
Izaho aloha tsy manome tsiny ny finoan'ny hafa e.Mila mijery tsara tokaoa ..
Ity koa nisy nitovy an'io ary nahatonga saina ahy.
http://www.chick.com/default.asp
klikeo eo amin'ny hoe where did you go?
sy ny hoe message from God.
13. ari.malala ( 27/11/2007 06:51)
za katolika, efa namaky an'io boky io, nalefan'olona hoana moa zany efa ela b fa bofbof be... hitako blabla b ftsn le izy...asa nga in no marina tian'le xxx1 io tenenina...
14. deric ( 27/11/2007 08:24)
Efa mba namaky io boky io koa aho, mampieritreritra be ilay izy, mampatahotra sy mampanahy be ihany koa aza.
Ka aza hitako fa ireo tokoa no marina! De marina tokoa ny ambaran'i Jesoa hoe "fasana voalalotra fotsy ety ivelany..."
MApatahotra sy mampanahy:Ahoaana izany ireo tototra sy tsy mahalala izay ao ambadika?.
* Tsetsatsetsa tsy aritra ity ahy ity: Nahoana moa no lazaina foana fa katolika ROmana fa tsy atao hoe KAtolika Gasy koa ny aty Gasikara e?
15. xxx ( 27/11/2007 09:01)
hoy ari.malala
za katolika, efa namaky an'io boky io, nalefan'olona hoana moa zany efa ela b fa bofbof be... hitako blabla b ftsn le izy...asa nga in no marina tian'le xxx1 io tenenina...


Ny marina tiako tenenina dia misy Andriamanitra sy Jesosy Kristy Mpanavotra izao tontolo izao ary misy Satana izay efa resy ka miafina any anaty antokom-pivavahana isan-karazany hisintona olona maro ho any aminy. Izany no hery roa fanorenana izao tontolo izao. Koa miangavy anareo, aza sodoka amin'ny fahagagana etsy sy eroa fa fantaro ny Feon'Izay tena miantso anao. Mila fahalalana an'Andriamanitra sy Jesosy Kristy isika tsirairay ankehitriny fa tsy tokony hitonona ho Kristiana anarany fotsiny.

Mamakia Baiboly fa ao ny Fahalalana Lehibe fanorenana izao rehetra izao.
Trandraho ity Tenin'i Jesosy ity:
"Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Andriamanitra Tokana sady Marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao"

Mazotoa fa miantso anao Jesosy! tsy te-hanary anao Izy, sarobidy Aminy ianao matoa nandatsahany ny rany! Tiany hanana ny fiainana mandrakizay ianao.

Tandremo fa endrik'Andriamanitra Velona isika olombelona, noho izany velona ny fanahintsika ary tsy tiany ho faty izany endriny izany matoa nirahiny ny Zanany hamonjy antsika ho any amin'ny Fiainana Mandrakizay. Satana kosa dia efa miandry ny fahafatesan'ny fanahiny ka misarika izay olona ho any aminy amin'ny alalan'ny filan'izao tontolo izao izay mandalo fotsiny ihany (vola, filan'ny nofo, fahasambarana eto an-tany, fahaizana magie sns...).

Ny tsirairay ankehitriny no iantefan'ny hafatry ny Tompo.

Ho an'Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra. Amen.
16. pissoa ( 27/11/2007 09:19)
:-D:-D:-D

Izaho aloha tsy manome tsiny ny finoan'ny hafa e.Mila mijery tsara tokaoa ..
Ity koa nisy nitovy an'io ary nahatonga saina ahy.
Jereo eto
klikeo eo amin'ny hoe where did you go?
sy ny hoe message from God.

tsy vaovao eto amin'ny serasera io jereo eto nomenao io :-D

(Ity zavatra ity misiditsidina ato an-tsaiko foana isaky ny misy dinika tahaka izao :)

Efa nosaininareo ve hoe mety ho ianareo amin'ny alalan'ireny sites sy "fijoroana vavolombelona" (vavolombelon'ny inona kloo e ?) sns ireny no ampiasain'i Satana hahakivy anay Katolika satria tena mino mafy an'i Jesoa Kristy izahay ka na efa 2000 taona aza voatsikera foana dia mbola indreto eto ihany ?! Sa moa efa raiki-tapisaka ilay raiki-pohy hoe : rehefa ny hafa (izany hoe izahay) no mandroso dia fanambatambazan'i Satana fa rehefa ny tena (izany hoe ny sasany amin'ny tsy izahay) no mandroso dia Fahasoavan'Andriamanitra ? :-D:-D:-D:-D:-D

Ka aza dia maika/mazoto loatra manoratra hoe "za nobeazina tao amin'ny Katolika ka izao sy izao" na hoe "Izaho katolika niala fa izao sy izao" ... esory kloo ny ahitra eo amin'ny masonao ozizy Jesosy :-D:-D:-D
17. xxx ( 27/11/2007 11:36)
Aza malaky tezitra ianao Pissoa, fa ny marina ange tsy mba maty ê ary ny marina ao @ baiboly dia iray ihany raha hiresaka momba ny tantaran'ny krsitiana isika tsy afambela mihitsy ny katolika @ fanodikodinana ny tena marina ao @ baiboly, manome fampianarana diso sns tsy mitsara aho fa milazaa ny marina fotsiny ohatra akaiky ity

jereo ny baibolinao kaolika dia vakio ny ao @ Eksody 20 and 1-17 momba ny didy folo io dia jereo ny boky katesizy kely fa niova tanteraka ilay fahamarina aoka ianao ihany no hijery sy hitsara hoe fahefana avy @ iza no hahafahany manome fampianarana diso toy izany satria ilay diso no ampianariny ny olona Raha tsy manana ireo boky ireo ianao dia azoko soratana eto daholo izay voasoratra rehetra na ao @ baiboly sy ny katesizy kely

ity no valiny Daniel toko faha 7:25 tsy manaratsy fa aoka mba hahiratra re ny maso fa efa andro farany izao ianinatsika izao, tian'i Jesosy isika rehetra sy hisy ho very,

"Izaho hoy Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy mankany @ raiko raha tsy @ anarako"

Tsy mbola namaky ilay boky etsy ambony aho fa mahita ilay namana toa niakatra kely no anotny nanoratako
18. G1234 ( 27/11/2007 13:14)
Voalaza teo:

Mamakia Baiboly fa ao ny Fahalalana Lehibe fanorenana izao rehetra izao.

Efa impiry moa no nisy namohy foana teto hoe io Baiboly io anie ka andian-tsoratra natambatra
ary indrindra indrindra asa tanan´ny Katolika izay nindraminareo!
19. ari.malala ( 27/11/2007 14:53)
hoan'i xxx, hay v e, efa haiko anie fa endrik'Andiramanitra ny olombelona e, efa haiko koa fa misy Izy, misy Jesoa Kristy, misy ny Fanahy Masina:) d fanontaniana, samy ananako na ny baiboly katolika, na ny katesizy kely, na ny katesizin'ny Fiangonana katolika fa ts azoko ilay lazainao fa diso azafady...
20. ikaretsaka ( 27/11/2007 16:00)
pissoa:

:-D:-D:-D

Izaho aloha tsy manome tsiny ny finoan'ny hafa e.Mila mijery tsara tokaoa ..
Ity koa nisy nitovy an'io ary nahatonga saina ahy.
Jereo eto
klikeo eo amin'ny hoe where did you go?
sy ny hoe message from God.

tsy vaovao eto amin'ny serasera io jereo eto nomenao io :-D

(Ity zavatra ity misiditsidina ato an-tsaiko foana isaky ny misy dinika tahaka izao :)

Efa nosaininareo ve hoe mety ho ianareo amin'ny alalan'ireny sites sy "fijoroana vavolombelona" (vavolombelon'ny inona kloo e ?) sns ireny no ampiasain'i Satana hahakivy anay Katolika satria tena mino mafy an'i Jesoa Kristy izahay ka na efa 2000 taona aza voatsikera foana dia mbola indreto eto ihany ?! Sa moa efa raiki-tapisaka ilay raiki-pohy hoe : rehefa ny hafa (izany hoe izahay) no mandroso dia fanambatambazan'i Satana fa rehefa ny tena (izany hoe ny sasany amin'ny tsy izahay) no mandroso dia Fahasoavan'Andriamanitra ? :-D:-D:-D:-D:-D

Ka aza dia maika/mazoto loatra manoratra hoe "za nobeazina tao amin'ny Katolika ka izao sy izao" na hoe "Izaho katolika niala fa izao sy izao" ... esory kloo ny ahitra eo amin'ny masonao ozizy Jesosy :-D:-D:-D


hihihihi saika tsy hihomehy vao maraina aho ka tsy aritra dia nitobaka ny kafe.. soa fa iphone dia tsy nahazo claviers:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0615