Vehivavy Kristianina

1. Mandefitra ( 13/11/2007 10:40)
Mety be no ho tafintohina nefa ilaina ny adihevitra mba hakana lesona ...
"Libre" ny vehivavy Xtiana, @ teny gasy mo de hoe malalaka.
1/Malalaka @ zay fitafiana tiana hanaovana:mini jupe, decolté, juste au corps ...
2/Malalaka @ fanehoan-kevitra:mamalivaly RAR,na de manaiky aza hoe ny lahy no lohan'ny vavy,de mampiditra ny hoe ny vehivavy no tompon'ny teny farany noho le fitovian-jo nga
3/Malalaka @ zay tiana iarahana
4/malalaka koa @ ... firaisana ara-nofo
...
Ireo rehetra ireo anefa de lalana misokatra ho an'ny fahotana sy ny fakam-panahy, ra tsy efa ao anatiny mihitsy aza.
Ka inona no vahaolana Kristianina azo atolotra ny vehivavy Kristianina (indrindra ny zazavavy malagasy), mba tsy hitondra any @ lalan-tsy izy ilay fahalalahana?
2. ravakamalala ( 13/11/2007 11:45)
vahaolana :

1/ tsy manao mini-jupe, decolté, juste au corps, ....
2/ tsy mamalivaly RAD
3/ Tsy mieritreritra fa malalaka amin ny olona iarahana
4/ Tsy mieritreritra fa malalaka amin ny firaisana ara nofo...
3. pissoa ( 13/11/2007 11:47)
ravakamalala : marina ! :-D:-D:-D
4. pissoa ( 13/11/2007 12:00)
Mikasika ilay 2 :
Inona no hidiran'ny mamalivaly RAR amin'ny lahy lohan'ny vavy fa tsy azo tsara :oops: Ny lehilahy ve izany mahazo mamalivaly "RAR", sa ray aman-dray ny dikan'ilay RAR eto, hi hi hi.
Tsy hoe lahy no lohan'ny vavy le ao amin'ny baiboly ... fa hoe "fa ny lahy no lohan'ny vavy, tahaka ny Kristy no lohan'ny Eglizy izay vatany sy manana azy ho Mpamonjy." ! Aza hadino ny tohiny fa raha tokony hampivelatra ny mahaKristianina ilay izy mantsy dia lasa fanambaniana vehivavy fotsiny raha tsisy tohiny :-D:-D:-D

Mikasika ny 1 sy 4 :
Tsy ny vehivavy ihany no tokony atao inona mba hivoha ireo olana ireo fa ny lehilahy koa. Ankoatra ny "tolotra sy ny tinady" mantsy dia tena misy "tinady sy ny tolotra" koa ao, avy amin'ny lehilahy Kristianina :-P

Mikasika ny 3 :
Mbola "tinady sy tolotra" ihany.
Amiko mantsy tsy ny fahalalahan'ny vehivavy no mahatonga azy miaraka na tsy miaraka amin'ny olona iray fa miankina amin'ny zavatra tadiaviny, na ny zava-dehibe aminy. Raha vola no tadiaviny sy zava-dehibe aminy dia aza gaga raha tsy miaraka amin'ny olona tsy manana vola izy. Noho izany, tsy vahaolana amiko ny "faneriterena" azy fotsiny hoe tsy maintsy Kristianina no vadinao na iarahanao. Miankina amin'ny lanjan'ny mahaKristianina azy io. Rehefa zava-dehibe aminy ny mahaKristianina azy, mino aho fa sarotra ho ny miala amin'io (ilay mahaKristianina izany), na hitoetra amin'ny fiarahana manembatsembana ilay mahaKristianina.
5. Mandefitra ( 13/11/2007 12:20)
pissoa:
Mikasika ny 1 sy 4 :
Tsy ny vehivavy ihany no tokony atao inona mba hivoha ireo olana ireo fa ny lehilahy koa. Ankoatra ny "tolotra sy ny tinady" mantsy dia tena misy "tinady sy ny tolotra" koa ao, avy amin'ny lehilahy Kristianina

Ny vehivavy aloha ny resaka, tokony mahay manaja tena sy mifehy tena raha ny hevitro.
Omeo ohatra enao:aty maurice misy karazan'olona 3 misongadina : hindou, musulman, kristianina. Ny zava misy, ny sipa hindou sy musulman tsy ho azonao hanao firaisana alohan'ny mariazy (ny ankabetsahany), ra te hitsaingoka ny bandy hindou na musulmana, sipa kristianina no iarahany ... satria malalaka.
6. Mandefitra ( 13/11/2007 12:23)
Mbola tsy henon'ny pissoa nga le hoe:
misetrasetra fitafiana, manaitaitra fi...
Mifampiankina ihany ireo lohahevitra ireo, fa zay tena fitazaina hiarovana ny zazavavy malagasy kristianina no tena mahamaika
7. ikaretsaka ( 13/11/2007 12:38)
maneho ny hakanton'ny zanak'Andriamanitra iznay ka tsy hita izay maharatsy azy
8. Mandefitra ( 13/11/2007 12:48)
ikaretsaka:
maneho ny hakanton'ny zanak'Andriamanitra iznay ka tsy hita izay maharatsy azy

so de mba volamena eny @ vavoron-kisoa araka ny voasoratra, kanto fa tsisy fanahy :twisted:
9. ikaretsaka ( 13/11/2007 12:52)
ny hakanton'ny asa-tanan'Andriamanitra hanampy hivavaka kokoa sy hanao hoe misaotra zanahary , misaotra fonafona izany ka..
rehefa hoe tsy zavatra ratsy (ohatra hoe any am-pandriana no fetra) no eritreretinao...
10. xxx ( 13/11/2007 13:20)
Ilay fanazavan'i mandefitra no tsy azoko, maninona no mihodikodina fa maninona raha tenenina tsotra hoe izao ry zazavavy no tokony hatanareo ? Toa hasarotina be ilay izy nefa azo tenenina tsotra
11. Veloo ( 13/11/2007 13:26)
ka ita fa tena mazava ilay lazain'i mandefitra ko...
ary marina mihitsy io...
mitandrema ry vavy kristiana oooo
Ny vehivavy aloha ny resaka, tokony mahay manaja tena sy mifehy tena raha ny hevitro.
Omeo ohatra enao:aty maurice misy karazan'olona 3 misongadina : hindou, musulman, kristianina. Ny zava misy, ny sipa hindou sy musulman tsy ho azonao hanao firaisana alohan'ny mariazy (ny ankabetsahany), ra te hitsaingoka ny bandy hindou na musulmana, sipa kristianina no iarahany ... satria malalaka.
12. pissoa ( 13/11/2007 14:12)
Mandefitra, izaho tsy manda an'ireo anie e ! Ie tokony manaja tena ny vehivavy. Zavatra roa no hahatongavana amin'io :
1 - Tena zava-dehibe aminy ny mahaKristianina azy. Izany hoe miezaka hatrany izy mitandrina.
2 - Fantany ny vokatra ratsiny ... tsy aminy irery fa amin'ny manodidina azy.

Fa na eo aza ireo roa ireo, dia tsy mora ho an'dravehivavy ny manaja tena sns raha mbola manara-maso an'i kalamanja mi-minizipo foana ralehilahy eny an-dalana ! :-D:-D:-D
(Tsy mitady excuse ho an'ny vehivavy aho, fa miezaka manamora ny asan'izy ireo fotsiny)
13. soanja ( 13/11/2007 15:53)
Mandefitra:

Mety be no ho tafintohina nefa ilaina ny adihevitra mba hakana lesona ...
"Libre" ny vehivavy Xtiana, @ teny gasy mo de hoe malalaka.
1/Malalaka @ zay fitafiana tiana hanaovana:mini jupe, decolté, juste au corps ...
2/Malalaka @ fanehoan-kevitra:mamalivaly RAR,na de manaiky aza hoe ny lahy no lohan'ny vavy,de mampiditra ny hoe ny vehivavy no tompon'ny teny farany noho le fitovian-jo nga
3/Malalaka @ zay tiana iarahana
4/malalaka koa @ ... firaisana ara-nofo
...
Ireo rehetra ireo anefa de lalana misokatra ho an'ny fahotana sy ny fakam-panahy, ra tsy efa ao anatiny mihitsy aza.
Ka inona no vahaolana Kristianina azo atolotra ny vehivavy Kristianina (indrindra ny zazavavy malagasy), mba tsy hitondra any @ lalan-tsy izy ilay fahalalahana?



Ny fototra no olana fa tsy ny fihetsim-behivavy hita taratra ety ivelany!
Raha tsara fototra ny zava-drehetra zavapoana daholo ireo lazainao ireo.
Marefo sy marivo be ny FOTOTRA: tontolo manodidina environnement, tontolo ao anaty (ilay olombelona saina sy fanahy ary vatana), ny fampiharana an'ireo na mampifandray an'ireo roa voalaza ireo na fampitana izany hiasa amin'ny nanamboaran'Andriamanitra azy!

14. diamondra27 ( 13/11/2007 21:03)


Vakio ohabolana 31: 10-31

====> "Fa ny vhv matahotra an'Atra ihany no hoderaina."
15. ikaretsaka ( 13/11/2007 21:35)
ka angaha ny fatahorana an'Andriamanitra misy hifandraisany @ fitafiana?
Adama sy Eva aza tsy nitafy natahotra an'A/tra ko
16. fijo ( 13/11/2007 22:25)
izay mihintsy,saina io.ny olana dia efa somary miroaroa saina ny ankizy ka mitarika ireo fisainana miviombio ireo
17. ikaretsaka ( 13/11/2007 23:33)
dia matoa koa ange ry fijo ilay vehivavy kristianina mbola miroaroa saina @ hoe mety ve izao, dia
-sady misalasala izy. (eo izany dia efa tsy marim-pototra sahady ny finoany hoe ahoana marina)
-no matahotra ny ho afitsoky ny manodidina (eo koa dia efa lasa tsy andriamanitra no ifoteran\'ny sainy fa \"ny manodidina\")

raha tena hoe mino sy mivavaka anie de tsy tokony ihontsona raha misy olona tena mitanjaka aza eo aloha
,sy mivaky loha @ hoe miseho ve izany aty akanjo izany?
18. fijo ( 13/11/2007 23:40)
le hoe finoana tsy marimpototra sy be fisalasalana io aloha dia tena ,saika ny ankamaroany.
satria araka ny efa nisy nilaza teto,dia lasa fomba sisa le fivavahana hoan'ny sasany.eo le olana be
19. ikaretsaka ( 13/11/2007 23:45)
izay indrindra manko, lasa misy dress code any am-piangonana,
-raha tsika sy ialahy ve hoe mpinamana ka andeha hiresaka, dia mbola tsy maintsy hikomplet sy kata be ve za vao afaka miresaka amin'ialahy?

-raha miteny aho ve hoe namako A/tra ary mitompo tena ho zanany aho dia mbola mila mikata sy hikomplet ve za hiresaka aminy?

indraindray lasa tsy ilay Andriamanitra intsony tokoa ny hifatohana fa ny "m'as tu vu"
20. fijo ( 13/11/2007 23:52)
bedy eto ialahy fa sintomy io.ny protes dia tena mametraka io dress code io.
tsaroako fony mbola kely izahay dia bedy foana ny anabavinay rehefa handeha hiangona fa ny jipony hono tsy mahatakona lohalika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0392