Farmaciste catholique

41. tywa68 ( 02/11/2007 09:43)
Isika rehetra eto samy manana ny anjarantsika ary ny dokotera koa d torak'izany.
Tsy afaka atao hoe tsy tsara ny manala, satria arakarak'ilay situation io. Tsy tokony hifampitsara zany e.
Ny pharmacien matoa manao asa an'io d fantany fa misy karazany ny fanafody ; ary na miala @izany asany zany na manaiky fa manavotra ain'olona koa mazàna, fa tsy hoe mamono olona raha vao mivarotra an'ireny. Fanafody no hitondràna azy fa tsy hoe famonoana satria tsy fidiny ny fandraisana azy.
Ny kapoty sy moyens contraceptifs feno fa tsy hoe tsy misy : ny conscience-nao moa ve tsy hanenjika anao raha io koa no atao kilalao ?
42. rabilabila ( 02/11/2007 10:04)
Fody : Ianao ve mihevitra fa \"sitra-po\" ny IVG ?Izany hoe misy couple izany manao hoe :Andeha isika hanao zaza dia esorina avy eo ?

Fitiavan-tenan\'ny olombelona hoy ianao : Izany hoe :tsy azo atao izany ny miray raha tsy tapa-kevitra ny hiteraka?

Ary ilay fanontaniana farany : Tokony ho-definiti-avana aloha ny atao hoe \"zazakely\".Izay no nametrahako ireo fanontaniana voalohany hoe :embryon , foetus , bébé.

Hoy Ikaretsaka hoe resaka ethique sy resaka morale ilay izy ,tsy miady amin\'ny tsenany io dia tsipahiny ary zo-ny tanteraka izany .

Hoy ianao hoe :ny conscience-n\'ny tsirairay no tokony hajaina .

Conscienc\'ilay pharmacien no tsy hivarotany fanafody manampy ireo vehivavy mbola tsy te- hiteraka ? Misy cadre juridique ahafahany manao izany satria zo-ny izany.
Conscien\'ireo mpifankatia no mbola tsy te-hiteraka ?Misy cadre juridique ahafahany manao izany satria zon\'izireo izany.


LD a!! F\'angaha misy contexte indray ilay izy ? Azo atao izany raha ao anatin\'ilay contexte ? :o
Aza tezitra fa ny tian\'i Ika resahina hoe ao anaty baiboly feno passages tsy dia milamina loatra araky ny morale-ny ka izay no nitsimponany an\'io santionany io .

Am-pitiavana ho\'aho ,\'Zay fotsiny!!
43. rabilabila ( 02/11/2007 10:06)
Tywa>>
Mankasitraka ny aty e!!
44. piste ( 02/11/2007 11:05)
IVG : Interruption Volontaire de la Grossesse.
Ataoko fa sitra-po izany fa tsy tokony asiana adi-hevitra.
Raha olon-dehibe responsable dia tokony assimiler ny zavatra nataony. Raha tsy aritra ny andro tokony hanaovana izany dia farafaharatsiny mampiasà kapoty(moindre mal). Na izany aza tsy ny pulsion sexuelle no tokony hibaiko fa ny saina.
Ka sady mamaly sahady hoe azo atao tsara ny miray ivelan'ny andro maha-lonaka ny vehivavy.
Ny ovule fecondé dia efa azo lazaina hoe : zaza. Ka izay no tsy azo hanalana azy ireny na firy andro na firy volana.
Tywa : ny 90% ireo produits abortifs ireo dia ampiasana hamonoan'olona vikatry ny tsy fahafehezan-tena. Rare ny cas hoe : mety hahafaty ny reniny ka tsy maintsy esorina, sns.
Fa ny zavatra mahagaga dia ny fizirizirin-dRafanjakana(Europeana sasany) ny tsy maintsy hivarotana an'io nefa zavatra mifanohitra @ conscience-nao ilay izy. Aiza ilay liberté dradradraina.
45. tywa68 ( 02/11/2007 13:04)
rabilabila : :wink:

piste : na manao conduite mendrika aza mety misy ny "accident", zany hoe mipetraka ny zaza. Tsy mora ny maka décision na hanala na hitondra an'ilay zaza e. Misy aza mody mitondra vohoka eny d rehefa teraka dia mamono an'ilay zaza ao tsy misy tahotra. Ary mamerina imbetsaka aza...mampalahelo fa misy ary vô haingana no nivoaka télé sy radio zany taty frantsa.

Ny fanafody rehetra rehefa tsy ampiasaina tsara d mety mamono ; marina hoe haingana kokoa angambany ny fanafody abortifs, fa arakarak'ilay toe-batana sy antony handraisana azy io ! Ao ny voatery mandray an'io satria hainy (satria hita t@ échographie) fa tena ho sembana be ilay zaza noho ilay aretina azo ambohoka. Na koa tsy en forme ilay reniny sns.. d hamindra aretina na kilema gravy, dia zay e !

Ka ilay asa mivarotra fanafody tsy ferana @izany hoe tsy mety amiko d tsy amidiko ! fa tsy anjaranao mpivarotra ny mitsara ny entana vidian'olona. Samy manana ny conscience-ny io fa tsy hoe tsy mety aminao, d voatery ho toy zay dhl ny réaction n'ny rehetra. Dia tena dradradraina hoe ny tsy mety aminao mety hiety @ hafa.:lol::wink:
46. ikaretsaka ( 02/11/2007 14:12)
LazaDaddy:
Tsy izany ka, tena niray izy fa nararany t@ tany ny tsiranoka satria izy tsy te hiteraka (birth control hoy ny fomba fitenin'ny sasany azy), izay ilay halan'i Jehovah Andriamanitra

ilay hoe niray tamin'ny vadin-drahalahany no nanaitra ahy ka..
47. piste ( 02/11/2007 14:14)
Aza afangaro ny hoe: tsy mety amiko sy ny hoe : tsy mety @ conscience-ko
Ilay voalohany dia karazana safidy vokatry ny haitraitra.
Fa ilay faharoa dia efa cas de conscience Ka asa na hainao ny manavaka an'ireo na tsia.
Safidy miatra aman'aina io faharoa io.
Eritrereto toy ny anao terena mamono olona na mifoka rongony nefa kristianina.
Dia toy izany koa, raha musulman asaina mivarotra kisoa. Tsy handry mihitsy ny sainy raha hivarotra izany izy.
Ka aza hamaivanina toy izany resaka.

Raha resaka accident sns izany dia cas particulier io, fa ny ankamaroan'ny cas dia izay fanalan-jaza vokatry ny tsy fandraisana andraikitra na ny fitiavan-tena. Ka ho azy firaisana tsikombakomba ny fivarotana izany.
En fait, efa miha-mihena moa ny fanajana ny Aina @ itony société de consommation toy itony, ka raha zavatra tsy ilainy dia azo éliminé-na na solosoloina. Na zaza sembana io, na beantitra io(pensionnat), na zaza an-kibo io, na vady(solosoloina), sns.
48. ikaretsaka ( 02/11/2007 14:20)
fijo:
dia azafady fa ao belgika io tsy crime koa.any europa avaratra io tsy izy koa.any US io maro ny firenena tsy manameloka azy.ka iza marinano mila misokatra???????le ianareo mboal fehezin'ny fisainana faha gola ve sa izay miatrika ny misy ankehitriny?????
raha ny soa hoan'ny reniny no jerena dia ny reniny aloa no harovana.raha tsy mboal te hitaiza ny reniny dia izy aloha n homena zo.izy no efa eo.ny anareo anie le tsy ita foan ano mahavoa anareo e

USA ry fijo miovaova araka ny states amin'ny maha State ny toerana tsirairay fa tsy hoe misy stat manao aty USA dia USA rehetra a
49. LazaDaddy ( 02/11/2007 14:31)
ikaretsaka:
ilay hoe niray tamin'ny vadin-drahalahany no nanaitra ahy ka..
tsy izany angaha ny voasoratra ao @ ilay bokin'ikaretsaka? Io ilay noteneniko an-drabilabila hoe vakio tsara aloha ilay voasoratra :)
50. rabilabila ( 02/11/2007 14:41)
"mivarotra fabafody"


Voan'ny sery angaha i Pissoa ? Mandàna mankany amin'ny pharmacie haingana kalongany e!!:-D:-D:-D
51. ikaretsaka ( 02/11/2007 14:42)
izany no soratanao ao ambony ao ko. euh.. notsimponinao moa izany e!
tsy mety amiko aloha izany miray @ zaobaviko izany na voasoratra ao anaty bokin'iza na bokin'iza kale
52. Fody ( 02/11/2007 15:28)
http://www.silentscream.org/video1.htm

Ho an'ireo milaza fa tsy famonon'olona ny fanalan-jaza dia misy video io mba jereo kely. I pissoa no nanome an'io indray andro. Misaotra azy!
53. pissoa ( 02/11/2007 16:59)
rabilabila : ie tena voa mihitsy :oops::-D:-D:-D
54. ikaretsaka ( 02/11/2007 17:16)
rabilabila:

"mivarotra fabafody"


Voan'ny sery angaha i Pissoa ? Mandàna mankany amin'ny pharmacie haingana kalongany e!!:-D:-D:-D


tsy aleo kosa mba boan sery doy zay balaka fa aby nalaila zaza
55. rabilabila ( 02/11/2007 17:44)
Ajanony ho'aah ilay culpabilisation sy fitsaràna ary fanenjehana fa tsy mety amin'ny maha-olona fotsiny ,ary tsy mety ho anareo kristianina na mpivavaka .
Ho an'ireo efa nanao IVG sy izay mety ho tratran'ny patsa iray tsy omby vava ,tsy moramora ny maka io décision io . An'azy nefa ny décision ka ny azo atao aminy dia ny mi-accompagner azy sans culpabiliser. .Izay amiko no atao hoe :fitiavana.


Tamin'ny andro taloha no nisy an'izany hoe vao bevohoka razazavavy dia arian'ny RAD ,tsy mieritreritra mihitsy ny mety ho détresse n' ilay olona fa tonga dia "tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka " ,hany razazavavy ka lasa nanantona renin-jaza tery an-tsisiny dia noloarana tamin'ny fanjaitra fanaovana tricot sns ....!!!! Izay ve no tokony hitondràna azy ?


Na izany aza dia ny prévention no tsara indrindra ka sortez couvert !!

Am-pitiavana ho'aah!!,'zay fotsiny

56. pissoa ( 02/11/2007 17:48)
- Tsy manamarina ny fanalana zaza mihitsy ny vono olona mitranga etsy sy eroa.
- Tsy manamarina ny fanalana zaza ny viol sy ny accident. Tsy mampiova ny mahaolona azy ny zavatra nisy tamin'ny nahariana azy.
- Na ny siamois aza, misy mitambatra ny moelle epiniere, misy mitambatra ny taova sasantsasany, fa mbola miezaka ny dokotera manavotra.
- Raha tsy diso aho, raha teraka telo volana alohan'ny tokony hahaterahany ny zaza dia mbola misy ny azo atao hahavelomany.
- Amin'ny tranga rehetra - dia manome ny maximum no tokony ataon'ny Kristianina hitandrovana ny aina. Tsy ny hanamaivana ny fahoriana amin'ny zavatra mitranga isan-karazany akory atao lohalaharana.
57. pissoa ( 02/11/2007 17:53)
Rabilabila : tsy hoe sarotra akory ny fandraisana ny fanapahan-kevitra dia lasa "tsy coupable" tampoka amin'ny zavatra tsy mety natao ! Na ireny rehetra efa namono olona eny ireny koa aza anie mety sarotra ho azy ny manao azy ... Tsy misy mahafantatra izay olana amin'ny fiainany isika, na tsy fananana - na havany nisy namono sns ! Ny "excuse" rehefa hotadiavina dia ho hita foana hamaivanana ny eritreritra. Saingy any amponja ihany izy no mifafatra rehefa tratra. :-D:-D:-D
58. ikaretsaka ( 02/11/2007 18:00)
izao fotsiny e.. "rehefa tsy tianao... dia aza manao...."
dia fenoy ny banga:
ohatra rehefa tsy tianao (ny manan-janaka ohatra) dia aza manao (firaisana ara nofo):wink:
59. bosista ( 02/11/2007 19:00)
ka ho tanty ve ny tsy hanao?
question:
- raha oh ka ny mihinana io fanafody io tsy azo atao fa midika hoe fanalan-jaza ankolaka dia izao ny ahy ny fanontaniako: ny manaraka daty ve tsy azo atao kosa sa ahoana? satria fanakanana zaza tsy ho tonga koa manko io!
60. ikaretsaka ( 02/11/2007 19:42)
ny coco no mitondra an'io ry bosista fa tsy ny bibi a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.321