Inona no ampinga hanoheran'ny mpino an'i Satana?

1. niryna ( 31/10/2007 05:03)
Satana dia misy toy ny fisian'Atra.Mitady izay haripany andro aman'alina izy ka izay tsy miambina dia mora ho azy ny hamandrika ilay olona.

16 Ary inona no ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy? Fa isika no tempolin'Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra hoe:"Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko" (Lev.26.11.12)[/i].[b] 2 kor 6:16

Hery tsy hita maso kanefa dia manantsaina,mitovy ny olombelona.Ny manodidina antsika no mety ho fitaovana am-piasainy ao ambadika.Tsy tokony hiady ilay olona izany isika fa ilay hery no mila ho toherina.Ahoana izany?

Inona no fomba tokony atao mba ahafahana manohitra an'i Satana sy ireo miaramilany?

Misaotra mialoha
novalian'i niryna ny 13/11/2007 05:54
2. zoky ( 31/10/2007 05:43)
Ny Herin i Fanahy Masin' Andriamanitra irery ihany no afaka mihady sy mahatohitra ny Herin'i satana sy ny miaramilany, ka miankina @ safidinao ihany io, na hiaraka @ Andriamanitra hatrany enao hiady @ satana na hery hafa.
3. Jeankely ( 31/10/2007 09:32)
Ny fanaovana ny marina tsy tian'i Satana. Rehefa mendrika sy manaraka ny tokony ho izy na mpino Christian na Finoana hafa tsy azon'ny Satana. Ny mpino amin'ny molotra nefa ny atao zavatra hafa andihizan'i Satana.
4. ratonga ( 31/10/2007 09:46)
niryna :
Satana dia misy toy ny fisian'Atra.

dia efa mazava oazy ngé zany fa ho anareo mino ny fisian'andremanitra dé misy ko zany satananareo zany é!:-D:-D:-D mazoto mandamina azy mitsam ao:°)
5. Jeankely ( 31/10/2007 09:54)
Misaotra Ratongatonga a. Tandremo sao tapitra raha tonga foana an!
6. xxx ( 31/10/2007 09:55)
Maro tokoa ny asa maloto sy mampaloto ny fon'ny olombelona ankehitriny. Asa na diso voagejan'ny fahasarotam-piainana loatra, na diso tia harena loatra dia manao izao asa famitahana sy fitsetsefana ny hafa rehetra izao. Anisan'ny mandalo fotoan-tsarotra isika izao indrindra ny firenena mahantra ka dia zary lasa vavahady idiran'ny faharatsiana. Lasa ezaka mandany hery ny fanoherana izany faharatsiana izany ankehitriny. Koa mila manovo hery ny olombelona mba hiadiana amin'izany. Eo no mahery ny vavaka raha atao amin'ny fo tokoa.
7. XxxX ( 31/10/2007 10:00)
ratonga:

dia efa mazava oazy ngé zany fa ho anareo mino ny fisian'andremanitra dé misy ko zany satananareo zany é!:-D:-D:-D mazoto mandamina azy mitsam ao:°)
soahiany fa Andriamanitra no hinoanay fa tsy andremanitr'i ratonga


8. ratonga ( 31/10/2007 10:05)
mivava mafy aza ra xxx dé mba ho hafaka @ fahantrana ny firenena mahantra dé amizay koa tsy ho voagejan'ny fahasarotam-piainana ny pokona, firy taona izay ianareo no nivavaka to tsy mbola hita ihany zé vokany é:-D:-D:-D
9. xxx ( 31/10/2007 10:17)
Misaotra anao ratonga. Ny tiako ambara dia eo ambany fangejan'ilay ratsy ny tany ankehitriny ka ireo izay mangirifiry ihany no mba afaka mivavaka sy miantso an'Andriamanitra. Ireo izay tsy mino nefa mijaly koa dia inona moa ny aminy? Tsy misy hery tovoziny fa dia miady irery eo izy. Ireo manankarena indray moa nefa tsy mino dia mandatsa ny mpino, jereny toy ny tany nahalavoana ireo mahantra ary ihomehezany fa hoe ny tsy fiezahany no nahatonga azy toy izany, na koa hoe andraso eo ny Andriamanitrareo hiaro anareo.

Tena raharaha be ny asan'i Satana an! faharatsiampo avy aminy no mahatonga io fisainana farany io.
10. Jeankely ( 31/10/2007 10:42)
Disobe izany Ratonga sy RaXxxX. Ny toerana misy ahy dia izaho no mahantra mivavaka fa izy rehetra Mpanana ary tsy misy Malagasy na iray aza. Izay mivavaka diso izay no mahatonga manary fivavahana rehefa solafaka. Ny vavaka ho an'ny rehetra na mahantra na mpanana. Rehefa manana mahalala misaotra an'Andriamanitra ary raha tsy manana mahalala miezaka ihany koa fa tsy miandry orana na kotroka sy tselatra mivadika vola. Ny vavaka tsy hanenenana fa izay mitsapatsapa no tsy mahita rirany.
11. ikaretsaka ( 31/10/2007 14:40)
xxx> misy koa ilay mangirifiry vao mahatsiaro an'! ary hahararaontin'ny sasany "mpanankarena" mihitsy aza hanaovany izay toana atao dia mody Andriamanitra no anakonakonana azy de:^) be aby..

Izany no mampaniry ny sekta any @ ireny toerana mafimafy ady ireny! raha tsy hijery afa tsy ny any madagasikara fotsiny
12. xxx ( 31/10/2007 15:08)
Ikaretsaka> Izay indrindra. Rehefa tsy mazava ny Finoana ary tsy mafy orina dia teraka daholo izao sekta rehetra izao. Raikitra ny ady an-trano izay alefan'i grand maitre Satana. Rehefa misy manafina ny Tena Marina ao amin'ny fiangonana iray dia izay no mahatonga ireo fisalasalana be dia be hidiran'i Satana ireo.
13. niryna ( 31/10/2007 17:12)
zoky:

Ny Herin i Fanahy Masin' Andriamanitra irery ihany no afaka mihady sy mahatohitra ny Herin'i satana sy ny miaramilany, ka miankina @ safidinao ihany io, na hiaraka @ Andriamanitra hatrany enao hiady @ satana na hery hafa.

marina tokoa izany

14. niryna ( 31/10/2007 17:14)
Jeankely:

Ny fanaovana ny marina tsy tian'i Satana. Rehefa mendrika sy manaraka ny tokony ho izy na mpino Christian na Finoana hafa tsy azon'ny Satana. Ny mpino amin'ny molotra nefa ny atao zavatra hafa andihizan'i Satana.

Ka ny manara-dia an'i kristy anie tsy ho azony intsony e,efa misy FM manaraka sy miaro azy,raha tsy ohatra tokoa angaha ka eo amin'ny molotra fa tsy ao amin'ny fo ilay finoana an'i kristy sa ahoana ?:roll::D

15. niryna ( 31/10/2007 17:17)
ratonga:

niryna :
Satana dia misy toy ny fisian'Atra.

dia efa mazava oazy ngé zany fa ho anareo mino ny fisian'andremanitra dé misy ko zany satananareo zany é!:-D:-D:-D mazoto mandamina azy mitsam ao:°)

Raha mbola tsy nitolona tamin'ny hery tsy hita maso kanefa tena misintona volo hianao dia tsy mety mahazo na mahalala ny fisiany.
Ny Gen no manambara fa nisy izy,matoa ny baiboly mitantara ny niandohan'izao tontolo izao sy ny nilatsahan'ireo anjely nanohitra an'Atra dia mino tanteraka fa misy ny satana na tsy mpino aza ilay olona

16. niryna ( 31/10/2007 17:23)
xxx:

Maro tokoa ny asa maloto sy mampaloto ny fon'ny olombelona ankehitriny. Asa na diso voagejan'ny fahasarotam-piainana loatra, na diso tia harena loatra dia manao izao asa famitahana sy fitsetsefana ny hafa rehetra izao. Anisan'ny mandalo fotoan-tsarotra isika izao indrindra ny firenena mahantra ka dia zary lasa vavahady idiran'ny faharatsiana. Lasa ezaka mandany hery ny fanoherana izany faharatsiana izany ankehitriny. Koa mila manovo hery ny olombelona mba hiadiana amin'izany. Eo no mahery ny vavaka raha atao amin'ny fo tokoa.


Marina mihitsy izany voalazanao izany ary izay no atao hoe mandalo fisedrana ny tsirairay avy.Toy ny miteraka ilay tantara nolazaiko nataoko ho fanoharana an'ny fitiavan'Atra antsika olona.Marary,miafy alohan'ny hiterahana kanefa rehefa tonga ilay nandrasana toa adino sy tsy tsaroana ilay fahoriana.Mandalo fiainantsarotra,mifikitra @ na mafy
aza ny zavatra ho entina ary fantany foana ny zakantsika fa tsy manome zavatra tsy ho zaka izy,rehefa manana izany finoana azy izany dia ho afaka ny fanagejana sy ny fahoriana(mety ho ela io ,mety ampianariny ahalala tsara ny fitiavany antsika isika,fa ny fantatro sy niantra tamin'ny fiainako dia mamaly vavaka foana izy.)Rehefa tonga ilay fotoana,afaka amin'ny gadran'ny fahoriana ny tena,toa maivana ,toa tsy nandalovana izany.Mahereza fa momba antsika hatrany ny Tompo.(present io ary mbola mitombono hatramin'izao):D
17. niryna ( 31/10/2007 17:25)
XxxX:

ratonga:

dia efa mazava oazy ngé zany fa ho anareo mino ny fisian'andremanitra dé misy ko zany satananareo zany é!:-D:-D:-D mazoto mandamina azy mitsam ao:°)
soahiany fa Andriamanitra no hinoanay fa tsy andremanitr'i ratonga




hitakou,naman'Atra satana taloha fa nivadika taminy,noho ny fialonany an'Atra.Ny olombelona koa dia mety hivadika amintsika fa Atra tsy mivadika na rahoviana na rahoviana.Mandrakizay ny famindram-pony(l)(l)

18. niryna ( 31/10/2007 17:28)
ratonga:

mivava mafy aza ra xxx dé mba ho hafaka @ fahantrana ny firenena mahantra dé amizay koa tsy ho voagejan'ny fahasarotam-piainana ny pokona, firy taona izay ianareo no nivavaka to tsy mbola hita ihany zé vokany é:-D:-D:-D

Andriamanitry ny fiadanana anie homba anao,mangataha dia ahazo,mandondona dia ho vahany,ary mitadiava Azy dia anatona anao izy.Raha mbola tsy nahatsampa ny fahasoavana nomeny anao hianao na ny rivotra sy hianao mifoha maraina noho ny fitiavany anao dia hisaory Izy.

19. niryna ( 31/10/2007 17:33)
Jeankely:

Disobe izany Ratonga sy RaXxxX. Ny toerana misy ahy dia izaho no mahantra mivavaka fa izy rehetra Mpanana ary tsy misy Malagasy na iray aza. Izay mivavaka diso izay no mahatonga manary fivavahana rehefa solafaka. Ny vavaka ho an'ny rehetra na mahantra na mpanana. Rehefa manana mahalala misaotra an'Andriamanitra ary raha tsy manana mahalala miezaka ihany koa fa tsy miandry orana na kotroka sy tselatra mivadika vola. Ny vavaka tsy hanenenana fa izay mitsapatsapa no tsy mahita rirany.

:-*:-*:-* misaotra ny FM aho fa izy no nanome hery an'i Jeankely hanazava ny fisian'Atra.Mahereza hatrany.
Mifalia ao amin'ny Tompo mandrakariva fa lehibe ny famindram-pony.
Ho an'ireo xxx sy ny tsy mahafantatra ny fahasoavana nomeny antsika
Samy nomeny fahasoavana daholo ny olona,tsy ny harena ihany akory dia hilazana fa nambinina ilay olona.Na tsara tarehy azy hianao ka tsy ao aminao ny Fanahy ,akoso-bolamena mamiratra jerena.o^oo^o
Raha manana aza hianao kanefa tsy mahafantatra fa fahasoavana avy amin'Atra no nahatonga anao toa izany dia ho zava-poana izany harena izany satria material fotsiny.
Na mahantra aza ilay olona,ny vola izy no tsy manana fa ny fiadanana sy ny fanantenana izy manana lavitra noho ireo miaro ny harena ety an-tany dia lasa amin'ny fiteny hoe "trano bongo misy ronono ka sarotra atao malahelo".Tsy matahotra ny ho very any amin'ny afobe intsony izy fa manana an'i Kristy.^:^

20. niryna ( 31/10/2007 17:35)
ikaretsaka:

xxx> misy koa ilay mangirifiry vao mahatsiaro an'! ary hahararaontin'ny sasany "mpanankarena" mihitsy aza hanaovany izay toana atao dia mody Andriamanitra no anakonakonana azy de:^) be aby..

Izany no mampaniry ny sekta any @ ireny toerana mafimafy ady ireny! raha tsy hijery afa tsy ny any madagasikara fotsiny


Misy fahamarinany izany kanefa koa kristy efa nampahafantatra fa izay ataonareo amin'ireny madinika ireny no efa nataonareo tamiko:
Noana aho tsy nomenareo tsy nomenareo sakafo ,nangetaheta aho tsy nomenareo rano,tsy nitafy aho tsy nomenareo akanjo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0791