Inona no ampinga hanoheran'ny mpino an'i Satana?

61. niryna ( 09/11/2007 13:07)
ikaretsaka:

ka izay ry niryna an, "aoka tsy hatahotra na hangorohoro ny fonareo fa ny fiadanana no nomeny anareo"
raha inoana fa miadana ao @ Xty isika sy manana ny Fanahy Masina, inona no mbola atahorana sy hieritreretana izay Satana satana any?!
matoa ianao mbola miaiahy dia tsy ao tsara ianao izany e!



8O :D
62. niryna ( 09/11/2007 13:09)
soanja:

Ikaretsaka > Namaste hatrany Ranadahy!



8O
63. niryna ( 09/11/2007 13:11)
ikaretsaka:

tsetsatsetsa tsy aritra: tena niverina namadibadika ny diariko aho teo fa nisy zavatra tsy tadidiko, dia hitako tao hatramin'ny 05 febroary 2007 no mankaty, fa in 467 ity zavatra ity na ny mitovitovy @ ity no niverina
soanja:
ny olan'i Niryna anie zany tsy mamaky tsara fa maika ny hamaly na efa misy zavatra miavovona be ao antsainao de ireo no tianao asesika e.

Raha tsy mino ianareo dia anontanio i Hery fa raha ny machine angamba dia inoako fa mety tena mihoatra lavitra be,
fa mba tsetsatsetsa ny ahy iny

mandiniha tena mandiniha tena!


Hoy i booboo:


... ny an'Ikaretsaka arguments contre arguments etc....

Ny oul hoà tsy voatery ho hendry sy hahay tahaka anareo aby ....
64. niryna ( 09/11/2007 13:12)
soanja:

niryna:

soanja:

Raha matanjaka ara-tsaina, ara-panahy, ara-batana ianao dia tsy hisy ny ady fa fandresena na fiderana no hanjaka ao aminao. Ny fitoniana ao anaty no ampinga ny ady rehetra ety ivelany na ny ao anaty. Ny asan'ny Fanahy Masina no ahatratrarana izany.

Ka avy aiza aloha ilay hery raha izany e? Raha tsy misy anie izany satana fa toa sariteny daholo hoy hianao ireo rehetra ireo dia tsy mila mitolona na miady izany ny olona amin'ny fanahy ratsy fa miady fotsiny avy amin'ny alalan'ny saina?Raha tsy manana na mino na nomeny hery hampiasa ny izany hery izany avy amin'Atra izay nandefa ny FM dia tsy hisy fanahy masina mihitsy ilay olona hiaraka aminy?Izay mino Azy ihany mantsy no omeny FM hiaraka aminy,raha tsy mino an'Atra izany ilay olona dia tsy hipetraka ao aminy ny FM fa mety fanahy hafa no hamolavola ny fiainany:roll: Sa ahoana hoy indry ?:D



Ka ny olan'i Niryna anie zany tsy mamaky tsara fa maika ny hamaly na efa misy zavatra miavovona be ao antsainao de ireo no tianao asesika e.
Misy tanteraka ny ila ady na mifanohitra amin'Atra saingy tsy olona io fa antsoina hoe fakam-panahy na spiritual conflicts. Azonao antsoina Satana izy raha mety tokoa satria io no voasoratra ao anaty baiboly saingy tsy ilay eritreretinao hoe nidina avy any an-danitra hery hafahafa, dia mandripaka ny tany sns io.

Io satana, spiritual conflicts, fakam-panahy sns azontsika antsoina azy io dia ao anatin'ny tsirairay ary mahavita manimba tokoa sy mitarika any amin'ny fahafatesana na arabakiteny na ara-panahy. Io no herin'ny vatantsika tsy mampiasa saina, fanahy sns fa dia herim-batana : tafiditra ao anatin'io ny filana sy ny fitadiavana ary ny zavatra fizorana manalavitra ny takian'Atra amintsika dia ny fitiavana sy ny fanompoana azy.

Tsy hoe zah akory ry Niryna no tsy mino ny baiboly na tsy mino ny tenin'Atra. Fa ny fandraisana no tenin'Atra no ilana fahaizana fa tsy fe raisina tsotra araka izay voalaza ao. Ny fahaizana azy koa enfa tsy vitan'ny herintsaina tsotra koa fa mila fanampiana avy amin'ny fanahy masina. Izay anisan'ny fahaizana koa ny fivoakany ety ivelany rehefa hanazava azy amin'ny rehetra te hihaino.

Raha tianao dia azoko hazavaina amin'ny manaraka hoe nahoana no sarin-teny ny ao amin'ny genesisy ny ankamaroany.

Hanenika anao anie ny Fitoaniana ao amin'Atra.






Izany ve 8O misaotra nizara ny eritreritrao.
65. ikaretsaka ( 09/11/2007 16:53)
niryna:


Hoy Ikaretsaka:
ka izay ry niryna an, "aoka tsy hatahotra na hangorohoro ny fonareo fa ny fiadanana no nomeny anareo"
raha inoana fa miadana ao @ Xty isika sy manana ny Fanahy Masina, inona no mbola atahorana sy hieritreretana izay Satana satana any?!
matoa ianao mbola miaiahy dia tsy ao tsara ianao izany e!

NOvalian'i niryna hoe:
8O :D

Sa tsy marina izany?
mandinha tena mandiniha tena


66. ikaretsaka ( 09/11/2007 16:55)
tsakotsakoy dia mandiniha tena o
67. niryna ( 11/11/2007 05:57)
ikaretsaka:

niryna:


Hoy Ikaretsaka:
ka izay ry niryna an, "aoka tsy hatahotra na hangorohoro ny fonareo fa ny fiadanana no nomeny anareo"
raha inoana fa miadana ao @ Xty isika sy manana ny Fanahy Masina, inona no mbola atahorana sy hieritreretana izay Satana satana any?!
matoa ianao mbola miaiahy dia tsy ao tsara ianao izany e!

NOvalian'i niryna hoe:
8O :D

Sa tsy marina izany?
mandinha tena mandiniha tena






=))=)):snif::miam::miam:
68. niryna ( 11/11/2007 06:09)
Amiko ny ampinga hanoheran'ny mpino an'i Satana(izay hery tsy hita maso kanefa tena mamingana sy mandripaka izay tratrany).Tsy manana hery mitovy an'Atra izy ary kely sisa dia ho foana ny heriny ka izany no mahatonga azy handrapaka izay manaiky sy tsy mino ny heriny.Eny fa na ny kristiana koa dia mety ho voajono raha tsy miady mafy.Manana ampinga ho fiarovana izany hery izany.
Ny baiboly no ampinga voalohany hanoherana izany avy amin'ny famakiana azy,famantarana ny teny nomen'Atra.
Mila mitsanga fa tsy matahotra ary ny hery avy amin'Atra no hery hanoherana ny asan'ny satana sy ny miaramilany rehetra.
Tsy miantehitra amin'ny saina sy hery irery fa manankina amin'Atra ka mangataka azy mba omeny FM hiaro sy hitari-dalana sy hiady ny herin'ilay maizina.
Tsy ny namana na ny havana na ny olona manodidina anao no antsoinao hoe satana fa ireo hery ao ambadiny izay fitaovana am-piasan'ny satana. (Satana ,ny mpitarika azy,ny miaramilany,ny hery hampiasany,ny anjeliny sy ireo herin'ny ratsy rehetra)
Ny fivavahana izay miaraka amin'ny namana ihany koa fa ny vavakin'ny maro mahataka-danitra.
Aza kivy fa raha tena mino sy mahatoky fa miaraka amintsika i kristy dia mahatohitra ny herin'i satana sy ny miaramilany isika(efa nomeny ho an'izay rehetra mino azy izany fahefana izany.):D
69. niryna ( 11/11/2007 06:26)
Amin'ny fotoana izay handraisanao an'i kristy ho Tompo sy Mpamonjy anao ,dia manomboka ny fahavalo maningana anao.Izany fahavalo izany dia ny devoly,ary dia ataony daholo izay rehetra haminganana anao amin'ny heriny mba ho kivy sy ketraka amin'ny fiarahana an'i kristy hianao.Aza matahotra,miambena,ny FM no efa miaraka aminao ka ny manankina sy mino an'i Kristy hatrany no ataovy mba ahatongavanao amin'ny fandresena.
http://baiboly.org/toko.asp?boky=LIOKA&toko=4&andininy=1-2&dika=


http://baiboly.org/toko.asp?boky=LIOKA&toko=22&andininy=31-32&dika=

Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. Efe 6:11

Ka dia maneke an'Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Jak 4:7

Mahonona tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; IPETERA 5:8 :evil::evil:

Mahereza hatrany mikatsaka ny marina.

70. ikaretsaka ( 11/11/2007 13:38)
dia inona ny fiadiana voalohany, tsy hoe ny finoana azy( A/tra) fa tsy ny finoana an'i Satana ve?
amiko ianoa raha mino =manaiky=obedient! donc tsy ilaina akory ny mino an'i Satana dia basy io

71. niryna ( 12/11/2007 22:27)
ikaretsaka:

dia inona ny fiadiana voalohany, tsy hoe ny finoana azy( A/tra) fa tsy ny finoana an'i Satana ve?
amiko ianoa raha mino =manaiky=obedient! donc tsy ilaina akory ny mino an'i Satana dia basy io



Mino an'Atra aho ary mahafantatra fa misy Satana.Ilay olona mino an'i satana anie(izay manaiky azy ho tompony fa tsy manaiky an'i kristy ho Tompony dia asehon'i satana fahagagana maro e, koa vokatr'izany dia lasa mandeha any amin'ny mpimasy,manao fanandro,mandeha mamaky tanana,mijery ny horoscope (aingana ika a, ataovy sujet io fa mety misy mpamaly betsaka ao :D).Tsy miraharaha ny vatany izay tempolin'Atra,manaiky izao rehetra mifanohitra ny tenin'Atra izao ary vokatr'izany dia toheriny daholo ilay marina satria mbola miezaka sy tia manao izao fanaon'izao tontolo izao izy.Tsy misy marina na iray aza fa rehefa mahafantatra hoe ratsy ity na inona izany dia efa mirona any amin'ny fanaovan-dratsy sy ny fakampanahy izany.
Raha manatona an'Atra anefa hianao,dia tsy ho afaka hiditra ao aminao ny fr(fanahy ratsy,fanahy maloto)Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandòndòna no hovohana. Mat 7:7 rehefa mangataka amin'Atra isika ny ho tonga ato amintsika ny FM (Fanahy Masina,izay Fanahy madio izy io,Fanahin'i Kristy )dia lasa mandositra ilay fr.Tsy manana hery io zalahy io.:P
Ka dia maneke an'Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.
Itanao io fa mifanaraka ny sujet-ko izao ilay tenin'Atra a.(ataovy ao anaty ttsy kely mba ho fitadidiana) Jak 4:7
" Submit yourself, then to God.Resist the devil, and he will flee from you."
72. ikaretsaka ( 13/11/2007 00:16)
Samihafa ny mahalala sy ny mino ry niryna aloha, samihafa iombonako hevitra aminao io (sambasamba)

Betsaka ny athee mahalala an'A/tra fa tsy mino, dia raha mandeha horoscipe ianao, mahalala fa tsy mino, raha gasy ohatra dia mahalala fa hiditra Volana Alohotsy isika rehefa miakatra eo ny volana, fa tsy inoako hoe inona no mitranga @ izany sy zany
da izay, raha manatona an'Andriamanitra ianao, dia andriamanitra no inoana, fa satana fantatra fotsiny
73. niryna ( 13/11/2007 05:54)
ikaretsaka:

Samihafa ny mahalala sy ny mino ry niryna aloha, samihafa iombonako hevitra aminao io (sambasamba)

Betsaka ny athee mahalala an'A/tra fa tsy mino, dia raha mandeha horoscipe ianao, mahalala fa tsy mino, raha gasy ohatra dia mahalala fa hiditra Volana Alohotsy isika rehefa miakatra eo ny volana, fa tsy inoako hoe inona no mitranga @ izany sy zany
da izay, raha manatona an'Andriamanitra ianao, dia andriamanitra no inoana, fa satana fantatra fotsiny


Fa angaha tsy fantatrao fa afaka mamerin-kira satana?
Fantany daholo izay zavatra nataontsika (izaho ,hianao,ny rehetra)mihaohao toy ny haofotsy tsy hita maso izy,raha vao misy zavatra mitranga dia mitamberina indray ilay nataonao ,dia feel guilty indray hianao(izay ilay tetika maty paikan'i satana.Toy ny tape recorder hoy ilay pasitera izay,toy ny mijery film na cinema hoy indray ilay iray.Mahafantatra ny zavatra nataoko rehetra indray hoy ilay olona iray izay mantsy ny namany,nandeha nijery tanana izany hono izy ary tapitra notenenin'ilay olona(rangahy na ramatoa) ny zavatra nataony rehetra.Omeo vola aho hoy izy fa esoriko io curse io na vitan-dratsy izy angamba amin'ny teny gasy? Teo vao tonga saina ilay olona.Mahafantatra ny past na ny lasa satana saingy tsy afaka ny haminany ny ho avy. Tsy manana izany hery izany izy:arrow: Tsy hitovy amin'ny herin'ATra na rahoviana na rahoviana mihitsy izy.Mila miambina hatrany isika fa efa mipoitra daholo izay voalazan'ny baiboly ary efa tonga ety an-tany ny fanahin'ny anti-Christ.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1445