Inona no ampinga hanoheran'ny mpino an'i Satana?

21. niryna ( 31/10/2007 17:37)
xxx:

Ikaretsaka> Izay indrindra. Rehefa tsy mazava ny Finoana ary tsy mafy orina dia teraka daholo izao sekta rehetra izao. Raikitra ny ady an-trano izay alefan'i grand maitre Satana. Rehefa misy manafina ny Tena Marina ao amin'ny fiangonana iray dia izay no mahatonga ireo fisalasalana be dia be hidiran'i Satana ireo.

Ka izay no mahatonga ilay teny hoe tano mafy ny finoanao,tsy ny fiangonana no mahavonjy fa ny finoana an'i kristy irery ihany.Izy no loharanom-piainana
Mahereza hatrany :-*

22. Veloo ( 31/10/2007 18:10)
hitakou,naman'Atra satana taloha fa nivadika taminy,noho ny fialonany an'Atra.Ny olombelona koa dia mety hivadika amintsika fa Atra tsy mivadika na rahoviana na rahoviana.Mandrakizay ny famindram-pony


Nirina aloe aloha ovaina kely ity. Tsy i Satana velively no naman'Andriamanitra fa i Lucifer.
23. cutie ( 31/10/2007 21:16)
Inona no ampinga hanoheran'ny mpino an'i Satana?

ny baiboly :D
24. fijo ( 31/10/2007 21:34)
hoy ratonga ery ambony ery.:"de dinio ao ary izy mitsam"fa samy mitady kil ireo.
25. niryna ( 01/11/2007 04:08)
Veloo:

hitakou,naman'Atra satana taloha fa nivadika taminy,noho ny fialonany an'Atra.Ny olombelona koa dia mety hivadika amintsika fa Atra tsy mivadika na rahoviana na rahoviana.Mandrakizay ny famindram-pony


Nirina aloe aloha ovaina kely ity. Tsy i Satana velively no naman'Andriamanitra fa i Lucifer.

Manana anarana maro anie Satana e?
Ary tsy afaka manao asa toy Atra afaka manao asa maro ao anaty fotoana fohy.Izy kosa iray isaky ny mandeha fa tsy hananany izany fahefana izany.:roll:

26. niryna ( 01/11/2007 04:27)
cutie:

Inona no ampinga hanoheran'ny mpino an'i Satana?

ny baiboly :D

Marina tanteraka aky izany a=D=D:-*

Io voalaza ao amin'ny baiboly io tokoa ilay izy ry cutie
Efesiana 6:12-13
12 Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra [lanitra].

13 Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra hianareo.

Tsy miady amin'ireny olona hipetrahan'ny fanahy ratsy ireny izany isika ,na ataony fitaovana hiady amintsika satria tsy ilay olona no miady fa ilay fanahy maloto ao ambadiny mamporisika azy.
Raisina avokoa hono ny fiadiana rehetra:Tafiditra amin'izany ny baiboly. Apetraka eo am-pelantanan'Atra ilay olona(hivavahana),tsy ny herintsika no hiadiana azy fa ny hery avy any amin'Atra.(Rom 12:1-2),mahafantatra koa isika fa tsy maintsy ho resintsika izy ary tsy tokony hatahotra fa manana finoana tanteraka an'i kristy (Efe 6:16 )
Ny kristiana rehetra koa dia manana hery hiadina ny miaramilan'ny satana (power spiritual weapons)avy amin'Atra (2Kor 10:4-5)
Afaka miatrika aminy mivantana koa ny tena rehefa fantatra fa tsy ilay olona no miady fa ilay hery ao ambadiny :avy amin'ny finoana an'i kristy no hanaovana izany (in the name of Jesus Christ) Asa 16:16
Farany am-piasaina daholo ny tenin'Atra izay nianarana sy fantatra ka mifanaraka ilay atao(Ef 6:17),ny vavaka(mba ahazo famonjena ilay olona ,ny fiantsoana ny FM hiaraka sy hanome hery ary hitahy antsika(Asa 6:4),fandroahana ilay demony (Mat 16:18 ),afaka mifady sakafo ihany koa fa tena manampy be io(Mat 6:16)
:D Mahereza daholo,tsy mora fa mila am-piharina amin'ny fiainana sy manana finoana fa tsy misy izay tsy vitan'Atra raha mino tokoa isika. Andramo.
27. niryna ( 01/11/2007 04:29)
fijo:

hoy ratonga ery ambony ery.:"de dinio ao ary izy mitsam"fa samy mitady kil ireo.

Misaotra anao,izay indrindra no andalinanay azy ato kou.:D Toy ny aretina ,misy ny fanafodiny.toy izany koa ny kristiana ,mila mahalala ilay fahavalo sy ny tetika ataony.Satana efa fahavalo resy,tsy manana anjara eo amin'ny mpino an'i kristy intsony izy 8)

28. fijo ( 01/11/2007 20:40)
lazainareo fa resy nefa atahoranareo sy itadiavana izay fomba hiadivana aminy ve???
aminay dia tsy misy izy dia vita
29. niryna ( 02/11/2007 05:19)
fijo:

lazainareo fa resy nefa atahoranareo sy itadiavana izay fomba hiadivana aminy ve???
aminay dia tsy misy izy dia vita

Fahavalo efa resy izy,ny miaramilany no ampiasainy hanohitra ny tenin'Atra lava eto.Tsy mahafantatra mihitsy ilay olona izay am-piasany hoe fa maninona ary izaho izany manohitra ny tenin'Atra foana.Fitahany amin'ny kely foana dia lazainy hoe tsy misy izy dia mino tokoa ilay olona.Rehefa tonga ao aminy tokoa anefa sanatria anefa izany satria ( ny hihevitreverana ny ratsy hono mba hiavian'ny soa)dia eo amin'izay ilay olona vao hitany ny jiro lasan'ny saka :D:D
Teny gasy mazava ity an,mino aho fa ho azonao ny dikany:
IKORINTIANA 2

13 Izany koa no lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona, fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona araka ny Fanahy izahay.

14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.

15 Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona.

:oops:
30. ikaretsaka ( 02/11/2007 14:30)
ny fika handresena an'i satana?
ny tsy fieritreretana akory ny mampisy azy! raha vao matahotra ny fisiany ianao dia mino azy ianao izay
ohatran'ny le hoe misy ngabesola ao ambany fandriana, dia matahotra tokoa satria mino, nefa ....
31. niryna ( 02/11/2007 18:20)
ikaretsaka:

ny fika handresena an'i satana?
ny tsy fieritreretana akory ny mampisy azy! raha vao matahotra ny fisiany ianao dia mino azy ianao izay
ohatran'ny le hoe misy ngabesola ao ambany fandriana, dia matahotra tokoa satria mino, nefa ....


=))
32. niryna ( 02/11/2007 18:25)
o ry ika a,aoka aloha hazava tsara fa satana anie tsy afaka manao zavatra maro e,ary tsy izy no miasa mamingana ny olona e.Ny miaramilany no am-piasany fa tsy izay rehetra akory dia nataon'i satana avokoa.
Nisy olona nitomany hono teny amoron'ny park,nanatona azy ity rangahy ary dia nanontany hoe fa maninona hianao no mitomany? Hoy ilay rangahy nitomany hoe,isaky ny misy fahadisoana ataon'ny olona dia izaho foana no voahendrikendrika (satana foana no mahazo loza )...:D
33. ikaretsaka ( 02/11/2007 19:02)
ka raha vao matahotra ny fisian'ny miaramilan'i satana dia efa brainwashed mino an'i satana izany

Raha vao matahotra ianao amiko an, dia mino ianao izay

Raha vao matahotra alika/na omby ianao ohatra dia efa kely herintsaina dia mino sahady isak'izay misy alika/na omby hoe kakerin'ity alika/totoin'ity omby ity aho

fa rehefa tsy matahotra ianao, na alika masiaka/sy omby masiaka aza mbola ezahinao ny miady aminy!

de za matahotra an'A/tra anefa=donc mino an'Andriamanitra
34. niryna ( 02/11/2007 22:02)
ikaretsaka:

ka raha vao matahotra ny fisian'ny miaramilan'i satana dia efa brainwashed mino an'i satana izany

Raha vao matahotra ianao amiko an, dia mino ianao izay

Raha vao matahotra alika/na omby ianao ohatra dia efa kely herintsaina dia mino sahady isak'izay misy alika/na omby hoe kakerin'ity alika/totoin'ity omby ity aho

fa rehefa tsy matahotra ianao, na alika masiaka/sy omby masiaka aza mbola ezahinao ny miady aminy!

de za matahotra an'A/tra anefa=donc mino an'Andriamanitra



odry,
Izaho izao mino ny fisian'i satana kanefa tsy matahotra an'izany dia milaza fa tsy misy izany satana? Mahafantatra aho fa ny ran'i kristy no nanavotra ahy ary mahafantatra aho fa tsy ho resiko mihitsy izy raha ny mokondohako fotsiny no hiadiko azy,dia milaza ve izany fa tsy misy izy.Kely ihany ny finoako raha hianao no milaza izany ,raha ny hafa dia tsy mba nampaninona ahy fa raha hianao nianatra theologie dia tena very amin'ny katesizy ny mpianatra iray kilasy
35. ikaretsaka ( 03/11/2007 17:27)
dia tsy tokony mino an'i satana ianao izany.
i Jesoa lazalazainao hoe mandroaka demony dia nahafantatra izy fa tsy natahotra azy ==>tsy mino izy!

sarotra moa ny manazava an'io fa ao anatin'ireo boky narianareo ilay izy
36. niryna ( 04/11/2007 05:13)
ikaretsaka:

dia tsy tokony mino an'i satana ianao izany.

=))=)) izaho mino an'Atra fa tsy satana =))


i Jesoa lazalazainao hoe mandroaka demony dia nahafantatra izy fa tsy natahotra azy ==>tsy mino izy!

sarotra moa ny manazava an'io fa ao anatin'ireo boky narianareo ilay izy


lazalazaiko hoe ? mmmm Fa angaha hianao tsy nampianarina ny soratra masina? Inona izany no ampianarinao ireo ankizy amin'ny katesizy k'ty.
O ry ika , sao dia tsy ilay ika fahiny ary ity miresaka amiko ity fa toa milaza loza ity hianao?

Andao isika hiaraka hiverina hamaky ny TV manambara ny fandroahan'i kristy demony.Tsy lazalazaina izany fa tena nisy ;-)
Mila mitandrina isika fa efa maro izao ireo fanahin'ny anti-kristy misodisody eny rehetra eny.

Matio 7

15 Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy.

16 Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na aviavy amin'ny songosongo?

17 Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy.


Ka izany no ataoko hoe mila mitandrina mafy isika,fa saho misy fanahy ratsy mibitsibitsika antsika ao ka manohitra izay tenin'Atra lava.Tsara koa ny tsy miteny toy izay miteniteny foana.Asa aloha fa tokony hifanampy hatrany ny kristiana ary hifanohina fa tsy hitsipaka foana ny tenin'Atra.Tsy ilay olona miteny ny tenin'Atra anie no tsipahintsika e,Atra izay nanome azy antsika izany teny izany no Izy fa tsy ilay olona mampita hafatra velively.
Mahereza
Ny fanahin'Atra anie hitsilo sy fahazavana ny teniny amintsika hatrany .




37. xxx ( 05/11/2007 04:45)
Mivavaka :D
38. niryna ( 05/11/2007 04:57)
zoky:

Ny Herin i Fanahy Masin' Andriamanitra irery ihany no afaka mihady sy mahatohitra ny Herin'i satana sy ny miaramilany, ka miankina @ safidinao ihany io, na hiaraka @ Andriamanitra hatrany enao hiady @ satana na hery hafa.


Marina tanteraka tsy misy lavina izany.
39. niryna ( 05/11/2007 04:59)
Jeankely:

Ny fanaovana ny marina tsy tian'i Satana. Rehefa mendrika sy manaraka ny tokony ho izy na mpino Christian na Finoana hafa tsy azon'ny Satana. Ny mpino amin'ny molotra nefa ny atao zavatra hafa andihizan'i Satana.

Dia ahoana tokoa izany ry jeankely ? Samy tsy misy azon'i satana daholo izany ny rehetra rehefa mendrika sy manaraka ny tokony ho izy!:D

40. niryna ( 05/11/2007 05:01)
XxxX:

ratonga:

dia efa mazava oazy ngé zany fa ho anareo mino ny fisian'andremanitra dé misy ko zany satananareo zany é!:-D:-D:-D mazoto mandamina azy mitsam ao:°)
soahiany fa Andriamanitra no hinoanay fa tsy andremanitr'i ratonga




:lol:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1391