raha sanatria ka

1. fijo ( 30/10/2007 23:34)
ô ry mpino isany an,
raha sanatria ka te ho lasa mpino aho.iza no hoarahiko aminareo?????ianareo aza ato toa mifanipaka toa drakaka anaty sobika.ny sasany toa hafa no lazainy fa inoany,nefa mifanohitra be amin'izay ny fihetsiny tazana ato.
ny sasany toa mamerina fotsiny izay tao anatin'ilay boky nindramina tsy mbola naverina,fa tsy dia alalinina le teny.
vaky ny lohako.ka mandrampilaminareo aloha ahitako lalana iray mazava,dia aleo aho hino ny tsy finoana.
novalian'i Fody ny 10/11/2007 16:19
2. LazaDaddy ( 30/10/2007 23:39)
fijo:
iza no hoarahiko aminareo????
Jesosy Kristy
fijo:
anareo aza ato toa mifanipaka toa drakaka anaty sobika.ny sasany toa hafa no lazainy fa inoany,nefa mifanohitra be amin'izay ny fihetsiny tazana ato
satria misandoka tsy an-kiato ilay satana fahavalo.
fijo:
ny sasany toa mamerina fotsiny izay tao anatin'ilay boky nindramina tsy mbola naverina
hahaha! aza manapa-tsinay r'ise ah. =))
fijo:
vaky ny lohako
satria mety misy hery roa mifanohitra ao an-tsainao dia tsy hitanao izay aleha fa miazoazo eo aloha ianao, tsy sahy manapa-kevitra
fijo:
ka mandrampilaminareo aloha ahitako lalana iray mazava,dia aleo aho hino ny tsy finoana.
voasarika any @ ilay hery anakiray ihany ianao ny farany :)
3. fijo ( 30/10/2007 23:40)
ka le jeosa aza toa mampifanipaka anareo ko.
4. LazaDaddy ( 30/10/2007 23:43)
tsy izy no mampifanipaka fa izahay no misy ampiasain'i satana hifanipaka (tafiditra ao anatin'io ny tenako). Dia izay no antony ilanay an'i Jesosy sy ny Teniny mandrakariva mba tsy ho voarebireby
5. fijo ( 30/10/2007 23:45)
ka mifanaraha ary aloh aianareo,fa toa tsy hisy fifanarahana mihintsy mantsy aminareo raha ny fahitako azy eto
6. LazaDaddy ( 30/10/2007 23:48)
fijo:
toa tsy hisy fifanarahana mihintsy mantsy aminareo raha ny fahitako azy eto
Tsy fifanarahana loatra ny tanjona fa ny fiankinana sy fianteherana tanteraka @ i Jesosy. Manaraka ho azy ny fifanarahana amin'izay. Raha fifanarahana mantsy no atao tanjona dia lasa misy ny "compromis" izay kendren'i satana :)
7. fijo ( 30/10/2007 23:51)
ka hoanay raha mbol amahita anreo mifanipaka lava toa io dia aleonay miala aloha,sao voadaka ao koa ko
8. LazaDaddy ( 30/10/2007 23:58)
fijo> mazava tsara ny hevitrao ary hajaiko satria izay no safidinao, ary ianao no tompon'andraikitra voalohany @ safidinao. Fa ito misy fanontaniana manitikitika ahy ho anao :)

Araka ny hevitrao, mety ho faly sa mety malahelo @ io fanapahan-kevitrao io i Satana?
9. ikaretsaka ( 30/10/2007 23:59)
fijo aza atsy ambadika azy milaza fa tsisy satana ko
10. fijo ( 31/10/2007 00:08)
hi hi i h za vao saka hamaly,fa io ika efa namaly azy.raha sanatria ka hino aho,de le andriamanitra alohano heveriko,fa le satana io tsa misy io e
11. LazaDaddy ( 31/10/2007 00:15)
fijo> Andriamanitra ary tokoa heverina fa aza mihevitra na iza na iza an-koatr'azy. Aza mihevitra anay ho mitono-tena ho "mpino" akory fa Andriamanitra banjinina, fa rehefa miteny aminao izy hoe tiavo ny namanao sy tiavo ny fahavalonao dia izay vao tsarovy izahay :)
12. maditra ( 31/10/2007 01:32)
Atombohy amin'ny fianarana Baiboly miaraka amin'ireny olona tsy manana denomination ireny lesy e! Juste mandinika fotsiny amin'ny voalohany.
13. Rasiligaoma ( 31/10/2007 03:03)
vakio irery ao letsy an.
raha vao olona no andrasan'ialahy hanoro an'ialahy dia tsy maintsy tarisin'ilay olona any amin'izay zavatra hironany foana ialahy!
14. niryna ( 31/10/2007 03:59)
fijo:

ô ry mpino isany an,
raha sanatria ka te ho lasa mpino aho.iza no hoarahiko aminareo?????ianareo aza ato toa mifanipaka toa drakaka anaty sobika.ny sasany toa hafa no lazainy fa inoany,nefa mifanohitra be amin'izay ny fihetsiny tazana ato.
ny sasany toa mamerina fotsiny izay tao anatin'ilay boky nindramina tsy mbola naverina,fa tsy dia alalinina le teny.
vaky ny lohako.ka mandrampilaminareo aloha ahitako lalana iray mazava,dia aleo aho hino ny tsy finoana.

Safidinao io,na hianao miaraka amin'i kristy na hianao miaraka izay manohitra Azy.Tsy misy na iray aza afaka hanompo roa.
Mifanitsy izahay satria te-ahazo ny fanjakan'ny lanitra avokoa.Izany no ilaina ny fifanakalozan-kevitra.Ny FM ihany koa no misafidy anao na hanaraka hianao na tsia,tsy sitrapo io ra fijo a.Ny faniriana dia ny ahafantaranao ilay Mpamonjy dia i Kristy Tompo izany .Izay no hafany,mandehana amin'izao tontolo izao ary ataovy mpianatro ny firenena rehetra.

15. Rasiligaoma ( 31/10/2007 04:08)
tsy ankasitrahako ilay mifanitsy
satria lasa tsy hevitry ny FM no ao aminao fa hevitr'olombelona!
Ny nety amin'i NIryna dia tsy mety amiko, satria samy nomena ny don-ny avy ny olona
16. majesty ( 31/10/2007 07:56)
ô ra fijo a,tsy mila hoe hanaraka an'iza na hanaraka an'iza io fa iresaho ilay Atra arahana dia ho lazainy anao le izy e:D
17. la ( 31/10/2007 08:44)
fijo>za mino fa efa naeno karany enao amin'izay tokony inoana de zao: mangala ny safidinao we iza no inoanao de zay.
Zavatra tsy azo lavina de zao JESO KRISTY no tokony inoana ary tokony tsy ho fanotanina be toy izao no ataonao we nareo aza zao sy zao fa enao manana ny hevitrao sy izay inoanao de zay atao fa aza mijery ny hafa fa zany no mahavaky ny lohanao; ra ny hevitry ny olona zato tsy ho zakan'ny sainao iray de marary ny lohanao avy eo:):):)
18. tsiafoi1 ( 31/10/2007 10:36)
fijo, raha te ho mpino ianao FANTARO ALOA IZAY HINOANAO fa tsy olombelona no arahinao. Olona tena nianatra ianao, vakio ny baiboly, vakio ny boky samihafa, idd ireny encylopédie ireny, raha mahita ny histoire des peuples israeliennes, tena tsara. de ampifanaraho amin'izay voalazan'ny baiboly...
Ny fanahy no hibitsika sy hitari-dalana anao ka handresy lahatra anao.
19. ikaretsaka ( 31/10/2007 14:01)
comparative religion ihany letsy e..
jereo ny atsy sy ny atsy dia jereo hoe iza no marim-pototra kokoa
20. mbaliana ( 31/10/2007 20:57)
fijo> aza manao polemika e.. aza manaraka an'iza na iza fa mandiniha tena fotsiny dia ento amin'izay fomba itiavanao azy ny finoanao raha tena vonona ianao.. ianao koa moa efa manana ny fahalalanao taloha

fijo> za mpihanihany fa aza atao sujet fananihaniana kosa ny finoanay :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.202