Integrity

1. soanja ( 20/10/2007 16:29)
Miasa ny saiko hoe ahoana ny fomba hanamafisana ny integrity ao anaty ny sain'ny Kristianina marobe.
Tsy ampy ve ny voalaza ao anaty baiboly hanorenana izany sa ny olombelona no mora rendrehan'ny hafa na matahotra fa tsy ampy finoana ka zary tsy mahita ny fototra iaingana dia ilay mahaao amin'ny Tompo antsika, izay ahitana olana ny zavadrehtra na ny sarotra indrindra aza fa aza mivily lalana.

Inona no hevitrao fa mifanehitra foana amina olana ohatra'izany aho, indrindra amintsika Malagasy. Miala tsiny fa mitsara aho, mba hitadiavana hevitra sy fanampiana satria efa andohalika ny ranombary.
répondu par prime le 07/11/2007 10:24
2. soanja ( 20/10/2007 16:30)
Azafady ahitana vahaolana ny zavadrehetra fa diso frapy.
3. ikaretsaka ( 20/10/2007 18:03)
Marina mihitsy io lazain'i Zoky Soanja io, ary tsy maninona mihitsy ny mifanondro hadisoana sy izay eritreretina fa tsy mety raha tena vahaolana no tadiavina
Amiko:
ie.. tsy ampy loatra ny voalaza ao anaty baiboly hanorenana izany
jereo fa matetika ange ireny le mpivavaka kristianina evanjelika sy biblique ireny no tsy integre e!
Izay no hijerena ny maha olona sy ny asan'ny tompo amin'ny alalan'ny zavatra rehetra koa, ianarana theology sy ireny meditations sy retraite isan-karazany ireny
ny ahy raha vao ilay manao hoe hoy ny zao @ bokin'izao ireny... sia efa mailomailo za momban'ny integrity an ilay olona
Asa raha tadidin'i soanja ilay zavatra nolazaiko tary @ blaogy t@ teny angalisy lava be ary

Integrity=entier=wholethe state of being whole and undivided!
ankoatran'ilay honest fa tsy tsimpotsimponina sy samy manana ilay "izay tiany ihany" @ kitsimpotsimpona
4. cutie ( 20/10/2007 18:31)
Tsy ampy ve ny voalaza ao anaty baiboly hanorenana izany sa ny olombelona no mora rendrehan'ny hafa na matahotra fa tsy ampy finoana ka zary tsy mahita ny fototra iaingana dia ilay mahaao amin'ny Tompo antsika, izay ahitana olana ny zavadrehtra na ny sarotra indrindra aza fa aza mivily lalana.

tsy ampy mitsy :lol:
5. cutie ( 20/10/2007 18:37)
Izay no hijerena ny maha olona sy ny asan'ny tompo amin'ny alalan'ny zavatra rehetra koa, ianarana theology sy ireny meditations sy retraite isan-karazany ireny
ny ahy raha vao ilay manao hoe hoy ny zao @ bokin'izao ireny... sia efa mailomailo za momban'ny integrity an ilay olona
Asa raha tadidin'i soanja ilay zavatra nolazaiko tary @ blaogy t@ teny angalisy lava be ary

Integrity=entier=wholethe state of being whole and undivided!
ankoatran'ilay honest fa tsy tsimpotsimponina sy samy manana ilay "izay tiany ihany" @ kitsimpotsimpona

6. xxx ( 20/10/2007 19:19)
ny olombelona dia olombelona foana ihany. raha ny fanabeazana hatrizay ve no nandaitra 100% hisy intsony ny fonja sy vono-olona?
maro ny mpikaroka no nanohana ny antsoiny hoe la perfectibilité humaine, na ny olombelona tonga lafatra amin'ny halalan,ny didy sy ny fanagejana isankarazany, ny discipline, etc, nefa tonga tamin'izy tokoa ve isika. Any anaty angano angamba izany fa tsy amin'ny fiainana realy.
ny maha-kristianina tsy midika ho mampivadika ho anjely ny olombelona.
7. cutie ( 20/10/2007 19:20)
ny maha-kristianina tsy midika ho mampivadika ho anjely ny olombelona

:-D:-D:-D:-D:-D
misy te hiakatra any an-danitra koa:-D
8. cutie ( 20/10/2007 19:21)
Mpandefa : soanja [ Valio ] 20-10-2007 18:29:12
Lohateny : Integrity
Miasa ny saiko hoe ahoana ny fomba hanamafisana ny integrity ao anaty ny sain'ny Kristianina marobe.
Tsy ampy ve ny voalaza ao anaty baiboly hanorenana izany sa ny olombelona no mora rendrehan'ny hafa na matahotra fa tsy ampy finoana ka zary tsy mahita ny fototra iaingana dia ilay mahaao amin'ny Tompo antsika, izay ahitana olana ny zavadrehtra na ny sarotra indrindra aza fa aza mivily lalana.

Inona no hevitrao fa mifanehitra foana amina olana ohatra'izany aho, indrindra amintsika Malagasy. Miala tsiny fa mitsara aho, mba hitadiavana hevitra sy fanampiana satria efa andohalika ny ranombary.

impossible io amiko ry soanja a :)
9. naughtyboy ( 21/10/2007 18:29)
misy hevitra perfectionism ihany ngamba ny intergrity tiany soanja lazaina eto nefa de tsy ho tanteraka fa lasa faniriana ,misy teny 1 zay mbo tadidiko na tsy haiko tsianjery aza oe tsy tonga ho any marina Aho fa ny mpanota mba hibebaka ao @ testamenta vaovao,ary ny zv rehetra de ilana faharetana daoly vao tanteraka de mila fotoana zany vao tonga ,araky ny nolazainy xxxetsy ambony oe ra zany no tanteraka de foana ny fonja sy ny vono olona
10. kiranil ( 21/10/2007 18:33)
Miarahaba,

Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin'ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa:

Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan'ny tempoly hivavaka: ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.

Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.

Mifady indroa isan-kerinandro aho, mandoa ny fahafolon-karena amin'izay azoko rehetra aho.

Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.

Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.

Lioka 18.

Fehiny : Izaho dia nahatsiaro fa mpanota sy tsy integre teo anaterahan'Andriamanitra kanefa nomeny famelankeloka tao @ famonjena natolotry Jesosy ho ahy.

Amiko dia ampy io Tenin'Andriamanitra io hahafatrana ny tena sitrapon'Andriamanitra; fa ny olona tena mankatoa sy manajana ny voalazan'ny Fanahin'Andriamanitra ao no vitsy.

Hany ka ny soratra masina indray no omen'ny sasany tsiny hoe "tsy ampy".

misaotra
11. cutie ( 21/10/2007 20:09)
Hany ka ny soratra masina indray no omen'ny sasany tsiny hoe "tsy ampy".

practice what you preach :lol:
12. steeeel ( 21/10/2007 20:38)
miankina amin'ny tsirairay io, tadidio fa tsy mora ny mampifandray ny zavatra tenenina sy ny zavatra hatao na kristiana ianao na tsia.
13. ikaretsaka ( 22/10/2007 00:12)
kiranil> ny soratra aza milaza fa tsy "ampy ny soratra" (joany 21:25):-D
ary ny teny tsy voafetran'ny boky!
ny teny tsy soratra fa teny, sa mitovy ireo?
14. ikaretsaka ( 22/10/2007 00:14)
hita hoe tsy integral ilay niteny tao ambony fa tsimpontsimpona

" akory"
azonao izany?
"misaotra"
15. niryna ( 22/10/2007 02:26)
ikaretsaka:


Amiko:
ie.. tsy ampy loatra ny voalaza ao anaty baiboly hanorenana izany




:roll: hafafazo ary ny voa ry ika raha tsy ampy ny ao anaty baiboly a.Tsy hanampiana ,tsy analana ny teny ao anaty baiboly.Afaka mandinika sy mamakafaka @ izay ny olona.:D satria mantsy hianao nilaza fa tsy mila mamaky baiboly na manao tsianjery na mitsimpona :oops:
Tsy mino aho hoe mino an'i kristy ny olona raha milaza sy mampianatra hoe tsy ampy ny ao anaty baiboly.Ny baiboly dia feno ary teny nomen'Atra io ,manambarana ny fitiavany antsika,mitady antsika ny hibebaka sy hanampy ireo izay mbola tsy mifoha.Boky sarobidy,tsy anasorana tsy analana.

Tokony ampianarina hamaky baiboly amin'izay ny olona fa tsy ny mpitory irery intsony satria izay lazainy ihany no hinoana raha tsy mamaky ny tenin'Atra izy ireo.Ny aty amintsika izao efa misy fianarana y tenin'Atra isan'andro ary dia ahalala ny marina amin'izay ny olona fa tsy lasa mivilana ilay tenin'Atra.
ROMANA 10
14 Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory?

15 Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: "Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly?" (Isa. 52. 7).

16 Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: "Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay?" (Isa. 53. 1)

17 Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.

Mahereza daholo.
16. ikaretsaka ( 22/10/2007 02:39)
efa nafafiko be mihitsy ry niryna an... ny tenin'andriamanitra tsy voafehyao anaty boky raha tena itoeran'ny Fanahiny ianao, fa miteny aminao isan'andro izy...

Joany tsy no inspiren'ny boky satria tao aminy ny Fanahy, i Piera sy i Paoly koa!
olona tsy ampy (tsy integre=tsy whole) no mila sopapa kely foana..
Ny vokany?
-soit ilay mahazo fanahy kely dia miteny @ teny tsy fantatra dia lasa ilay fanahy fa tsy mitoetra .. nefa ny voalaza heo mitoetra mandrakizay ao amin'n'izay mandray azy ny Fanahy
-soit mitsimpotsimpona teny izay tiana kely sy azoazon'ny saina tao dia mitatbataba an'iny eo dia raha vao challengena dia miala ohatran'ny tsy teo tsy manohy dinika intsony! ary hatramin'izay ireny olona ireny tsy miteny mihitsy hoe diso fa miala tsy ankiteny an..

2 volana atty aoriana (na latsaka aza) dia iny sujet iny ihany no averina fa mody lazaina @ fomba hafa!
17. ikaretsaka ( 22/10/2007 02:49)
Lost in translation indray i niryna e! (as always) diso dika indray eee

(roman 10, 17) vakiantsika @ teny romanina :wink::-D

ergo fides ex auditu auditus autem per verbum Christi!

amin'ny fihainoana no hahazoana finoana fa tsy avy amin'ny tori teny mihitsy !
Raha nisy "loquerus" tao dia nanaiky za hoe toriteny fa auditus ilay izy madama... (diso indray ianao sy ny tsimpona)
(fihainoana ny feon'ny fieritreretana, ny feon'ny fanahy, ny fanilovan;ny fanahy hahatonga ny saina hanadihady)

Ianoa tena lost in translation be mihitsy... mahonena!
18. kiranil ( 22/10/2007 04:17)
1- \"Ary nisy famatarana maro hafa koa nataon\'i Jesosy Kristy teo imason\'ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin\'ity boky ity; fa voasotara izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy Zanak\'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin\'ny anarany, raha mino hianareo.\"

Ny famatarana maro fa Jesosy Kristy tokoa no ilay Mesia no ambaran\'io teny io ambara fa tsy voasotra daholo.

Ampy kosa anefa izay vosoratra ahafantarana an\'i jesosy Kristy ho ilay mesia sy hankatoavana ny fampianarany.


2- Misy teny toy izao: \"Ny teny manidina fa ny soratra mitoetra\". Izay no maha zava dehibe ny soratra. Anontanio ireo mpanoratra boky rehetra fa manaiky izany izy. Izay koa no anaovana ny \"contrat\" atao aman-olona antsoratra na \"contrat ecrit\", satria raha resaka ambava fotsiny tsy azo hianteherana.

3- Jesosy Kristy koa dia naneho fanajana ny Soratra Masina. (izay voaazan\'ireo mpaminany toa an\'isaia, jeremia, sns) ary nolazainy izany t@ fampianarana nataony.

- Matio 21:13 t@ izy nanadrava ny tsena tao @ tempoly, dia hoy Izy:

Efa voasoratra hoe : \"Ny tranoko atao hoe trano fivavahana \' (isa 56:7) fa hainareo kosa manao azy ho \"zohy fiheren\'ny jiolahy\" (jer 7:11)

- Matio 21:42 Hoy Jesosy Kristy : Tsy mbola novakianareo va ny teny ao amin\'ny soratra masina hoe : \" ny vato izay nolavin\'ny mpanao trano, dia izy no efa natao fehizoro\"

- Matio 22:29 Hoy Jesosy Kristy: \"mahadiso hevitra anareo ny tsy fahafantaranareo ny soratra masina na ny herin\'Andriamanitra\"

-Marka 7:6 Fa Jesosy nanao taminy hoe : Marina ny naminanian\'Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: \"ity firenene ity dia manaja ahy amin\'ny molony, fa ny fony kosa lavitra ahy\"

sy ny maro hafa..

4- Vakio tsara ny voalazan\'io romana 10:17 fa tsy io voalazan\'ikaretsaka io hoe ny \'fahainoana no ahazoana finoana\'.

\"Ny finoana dia avy amin\'ny toriteny, ary ny toriteny kosa dia avy amin\'ny tenin\'i Kristy\".

5- Raha ny amiko aloha dia aleoko manome haja sy fanajana ny tenin\'Andriamanitra voasoratra ao amin\'ny soratra masina toy izay tenin\'olombelona no hindraindraiko, tahaka ny fanaon\'ikaretsaka hoe hoy st augustin e, st exupery e, sns...

mbola hitohy...
19. Mandefitra ( 22/10/2007 04:27)
1/Lost in transalation hoy Ikaretsaka.
Nefa raha mamaky tsara ianao, fa tsy mitsimpona mba hitsaranao ny Baiboly, de ho hitanao fa ny fihainoana lazainao io dia fihainoana toriteny
Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory
Et comment en entendront-ils parler, s'il n'y a personne qui prêche?
2/Notsimponinao ny Joany 21:25 hanamarinanao fa tsy ampy ny Baiboly, nefa eo alohan'io dia misy hoe:
Jaona 20:
30 Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon'i Jesosy teo imason'ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin'ity boky ity;
31 fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino hianareo.


3/Ka zay voasoratra, dia ampy tsara hinoana an'I Kristy Mpamonjy, hiainana @ maha Kristianina, hahalalana tsara an'Andriamanitra sy ny sitrapony, hahazoana ny fiainana mandrakizay.

Romana 15:4 Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana ny amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina.
Galatiana 1:8 Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy [manohitra] izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.

20. soanja ( 22/10/2007 04:29)
xxx:

ny olombelona dia olombelona foana ihany. raha ny fanabeazana hatrizay ve no nandaitra 100% hisy intsony ny fonja sy vono-olona?
maro ny mpikaroka no nanohana ny antsoiny hoe la perfectibilité humaine, na ny olombelona tonga lafatra amin'ny halalan,ny didy sy ny fanagejana isankarazany, ny discipline, etc, nefa tonga tamin'izy tokoa ve isika. Any anaty angano angamba izany fa tsy amin'ny fiainana realy.
ny maha-kristianina tsy midika ho mampivadika ho anjely ny olombelona.


Zany resaka izany ve tsy manamafy fa tsy manahy na mamono mahafaty ny Kristianina satria ho avy i Kristy hamela azy indray andro any?

Vakio tsara an. Tsy mitaky fahatongavana lafatra akory aho satria raha mamaky tsara ianareo dia ahita fa milaza aho fa misy ihany ny olana indraindray amin'ny fiainantsika Krsitianina ary io no ilazako eo raha Mpino tokoa ianao dia tsy ho kivy na hilavo lefona ka hitsadoha-lakanitana fa mamikitra ihany na dia misy onjan-drano aza mandalo. Indrindra moa ka raha ianao no namafy tadio dia tsy maintsy hijinja varatra izay saingy tsy hampiova ny finoanao sy hanipahanao azy tanteraka amin'y asa atao. Fa zay ratsy vita raiso ho lesona hanarenana ny afara. Raiso ny andraikitra fa tsy miala bala. I Kristy mihaino fibebahana ary maniry antsika hanao vavolombelona.

Koa raha nanapakevitra ianao hijoro ho azy dia mijoroa hatrany na mafy aza ny tadio manetsiketsika anao. Ny tananao miezaka mifikitra aminy no ahafahany mampijoro anao.

IKA> Voalazanao Ranadahy ^:^^:^^:^





© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0736