Integrity

61. LazaDaddy ( 26/10/2007 00:50)
ikaretsaka:
fa hay ve i Jesoa aminao ka nana rahalahy sy anabavy e?
Tsy hoe amin'i Prime ihany na amin'i rakoto sy rabe sns...fa zava-nisy io ary voarakitra an-tsoratra na dia lazain'ise fa tsy ampy aza ny voasoratra rehefa mifanohitra @ fisainan'ise matetika :)
ikaretsaka:
Ary ts'isy niteny mihitsy ao hoe 'Nanao firaisana ara nofo' i Josefa sy Maria taty afara sy taty aloha!
eto izao ise dia miteny an-kolaka (implicitement) fa ampy indray ny voasoratra :)
62. Rasiligaoma ( 26/10/2007 06:16)
Fika fialan\'ny Evanjelical sy ny sectes ny resaka momban\'ny Mariologie foana io andalana io! dia rehefa tsy mahita havaly amin\'io dia lasa lazaina fa \"voalaza\" any amin\'ny source hafa!
manahirana ny miresaka amin\'ny olona borné ! fa lasa manao resaka tsy loa-body sisa sy mametra ny fisainany amina fotokevitra nasesika tao an-dohany sisa fa tsy manadihady tsara, na ny zavatra voalaza ao amin\'ny Baiboly aza
Hajaiko amin\'ny fomban\'ingahy Rangahy ary izay no hitaritako ny fanazavako azy tsotsotra:

Tsy alefa lavitra ilay izy fa tsy miala amin\'ny baiboly isika aloha:

Maria vadin\'i Kleofasy no renin\'i Jakoba \"rahalahin\'i Jesosy\" (Jaona 19:25). Izay lazain\'ny ao amin\'ny Matio 18 io! Maria anankiroa samihafa ireo!
Manaraka...lojika sy mitombina be ilay lazain\'Ika hoe raha nanana rahalahy i Jesosy dia tsy i Jaona mihitsy no ho nanakinany ny Reniny fa ny zokiny na ny zandriny! (Jaona 19:26)
Raha mijery ny (Asa 1: 12-15) amin\'ny anaran\'i Jesosy isika, dia misy ao hoe ny apostoly, vehivavy vitsivitsy ary \"Rahalahin\'i Jesosy\" mihisa 1208O
O r\'ingahy ity a! Olona iza no afaka hiteraka 120 na hanao kambana 10 isan-tsaona aza!:-D

Tsy miala lavitra: (Genesisy 4:14) tantaran\'i Lota, zanak\'anabavin\'i Abrahama, nataony hoe rahalahy sa Ingahy manana rahalahy zanak\'anabavy? Pédo be izany dadanareo fa manao amin-janany ko!

Ampiako ihany:-D (Genesisy 29:15) I Labana dadatoan\'i Jakoba, miantso an\'i Jakoba hoe \"Rahalahy\"! mba vetaveta koa izany renin\'i Jakoba izany fa manao firaisana amin\'ny rainy /na rafozandahiny!
Raha mbola mazoto: 2 Sam 6:23, Gen 8:7, Dt 34:6
Amin\'ny anaran\'i Jesosy daholo izany!
Dia hiaraka hivavaka isika!
Hisokatra anie ny masom-panahinao fa tsy ho borné intsony ary hamaky tsara ilay baiboly fa tsy hifantoka eo amin\'andalana iray azoazo sy hay tsianjery fotsiny! Amen!

Vao baiboly izay, ary inoako fa izany no antony iray nahatonga i Ika tsy te hitondra anao hijery lavitry ny zavatra hananao reference sy maha borné anao! io aza tsy voajerinao akory! Raha antony hafa, azy sy anao sy A/tra izay!
Mivavaka ho anao lalandava aho e!
63. prime ( 26/10/2007 10:18)
ikaretsaka> miala tsiny ary fa aleo ataoko hoe ianao... izaho aloha tsy hanao "ialahy" mihitsy satria misy endrika tsy fanajàna izany... ekena

ikaretsaka,rasiligaoma> ny tiana homarihina dia hoe, ny nolazainareo no antony nahatonga ireo fanazavàna ireo mikasika ny hoe tsy misy "integrity" ny fiangonana hafa ankoatra ny misy anareo... raha ireo no finoanareo dia hazony mafy fa tsy misy mieritreritra ny handresy lahatra anareo hiova amin'izany tsy akory... ny tsara tsipihina ihany koa dia ny fihazonanareo ny fampianaram-piangonana ho marina... tsy misy maharatsy izany tsy akory... fa ny lazain'ny soratra masina dia tsotra sady mahitsy... ny filazàna hoe "borné" dia hazony ho anareo, mora ny mitsara fa mitandrema ihany fa sao koa ilay filazàna ny hafa ho izany sy fihazonana izay fampianarana tsy misy fijoroany ara-tsoratra masina no akaiky izany...

rasiligaoma> misaotra mitondra amim-bavaka...

Raha iverenana amin'izay ny resaka "integrity" notarihan'i soanja dia hita fa tsy misy manana izany na iray aza rehefa tsy misy firaisana amin'i Kristy... tsy firaisana ara-pomba fanao fa firaisana am-po Aminy amin'ny fanekena sy finoana tsy misy fepetra izay nambarany...
64. ikaretsaka ( 26/10/2007 14:34)
raisiko amin'ny lojika sy ny zavatra nifampidinihina ilay izy araka izay tapatapak'ahitra natao izay arany e
--->dia ny conclusion ange izany ry prime dia tsy integre ilay izy e

soanja:
Inona no hevitrao fa mifanehitra foana amina olana ohatra'izany aho, indrindra amintsika Malagasy. Miala tsiny fa mitsara aho, mba hitadiavana hevitra sy fanampiana satria efa andohalika ny ranombary.


-miala amin'ny fotokevitra borne fa mijery Azy amin'ny alalan'ny zavatra rehetra.

-Efa nolazain'i fijo sy ny sisa teto io hoe indraindray hoa ilay baiboly mampiady e. raha mitsimpona isan'andalana sy izay tiatiana ao ihany. Izay aza no vao mainka nampiasaraka , miharihary be ohatran'ny kary an'efitra kosa izany fa ireo mpi "sola scriptura" anie no feno fisarahana betsaka fia mody takotakonana io mody hoe source 1 Source1 io e!

Jereo fa ny olona tsy manao sola scriptura , dia integral foana na ny finoany, jereo amin'ny tsy fisaratsarahany fotsiny!


-Raha miala fototra iray dia tokony manao fomba iray... dia iny fomba iny "integral " fa tsy izay tiana amin'iny ihany,

Integre ianao amin'izay!
65. fijo ( 26/10/2007 22:00)
fa jesoa ry zalahy toa nana rahalay an.
66. ikaretsaka ( 27/10/2007 16:23)
ko efa io nohazavaina an'i fijo ambony io ny porofo fa tsy nanana izy ko ianona koa!:-D

Raha iverenana amin'izay ny resaka "integrity" notarihan'i soanja dia hita fa tsy misy manana izany na iray aza rehefa tsy misy firaisana amin'i Kristy... tsy firaisana ara-pomba fanao fa firaisana am-po Aminy amin'ny fanekena sy finoana tsy misy fepetra izay nambarany...


vao eo @ ilay "fanekena aza dia efa mis sahady y ny tsy integre hoe inona no ekena..
misy sahady eo ny mifidy hoe ireto rejectevanay fa somary hafahafa aminay... , dia nisy ko ny nandray ilay izy manontolo tsy ankanavaka,

Tsotra fotsiny e.. Tsarao amin'ny voany: ilay nandray azy manontolo no mbola io.. integral be araka ny nandraisany azy hatramin'izay 2000 taona lasa izay!
67. LazaDaddy ( 28/10/2007 07:03)
fijo:
fa jesoa ry zalahy toa nana rahalay an.
izany ve ry fijo? Iza ilay Jesoa? :)
68. Rasiligaoma ( 28/10/2007 15:03)
dia voavaly angamba izay hoe iza no integre sy tsia!
69. niryna ( 29/10/2007 04:30)
kiranil:

Miarahaba,

Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin'ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa:

Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan'ny tempoly hivavaka: ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.

Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.

Mifady indroa isan-kerinandro aho, mandoa ny fahafolon-karena amin'izay azoko rehetra aho.

Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.

Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.

Lioka 18.

Fehiny : Izaho dia nahatsiaro fa mpanota sy tsy integre teo anaterahan'Andriamanitra kanefa nomeny famelankeloka tao @ famonjena natolotry Jesosy ho ahy.

Amiko dia ampy io Tenin'Andriamanitra io hahafatrana ny tena sitrapon'Andriamanitra; fa ny olona tena mankatoa sy manajana ny voalazan'ny Fanahin'Andriamanitra ao no vitsy.

Hany ka ny soratra masina indray no omen'ny sasany tsiny hoe "tsy ampy".

misaotra



=D=D^:^ mitovy hevitra.
70. niryna ( 29/10/2007 04:35)
ikaretsaka:

efa nafafiko be mihitsy ry niryna an... ny tenin'andriamanitra tsy voafehyao anaty boky raha tena itoeran'ny Fanahiny ianao, fa miteny aminao isan'andro izy...

Joany tsy no inspiren'ny boky satria tao aminy ny Fanahy, i Piera sy i Paoly koa!
olona tsy ampy (tsy integre=tsy whole) no mila sopapa kely foana..
Ny vokany?
-soit ilay mahazo fanahy kely dia miteny @ teny tsy fantatra dia lasa ilay fanahy fa tsy mitoetra .. nefa ny voalaza heo mitoetra mandrakizay ao amin'n'izay mandray azy ny Fanahy
-soit mitsimpotsimpona teny izay tiana kely sy azoazon'ny saina tao dia mitatbataba an'iny eo dia raha vao challengena dia miala ohatran'ny tsy teo tsy manohy dinika intsony! ary hatramin'izay ireny olona ireny tsy miteny mihitsy hoe diso fa miala tsy ankiteny an..

2 volana atty aoriana (na latsaka aza) dia iny sujet iny ihany no averina fa mody lazaina @ fomba hafa!



Ka raha tsy mino hianao tsy omeny mihitsy ka.mangataha aminy mba omeny ny FM hianao na dia hivavaka fotsiny ihany aza dia efa zava-dehibe.Tsy ny rehetra no omeny an'io.Ny rehetra izay mino no afaka mitory ny filazantsara satria fahefana avy amin'i Kristy no manampy azy ireo.
71. soanja ( 29/10/2007 04:40)
Miala tsiny indrindra tokoa raha hanome karazana'olona aho eto fa ireto olona resahiko ireto dia milaza azy ho Mpiandry sady mitory teny ato an-tranonay, manao vavolombelona any ampiangonana sns. Nefa anie dia higagana tokoa fa refa avy eo fa mivadika amin'ny teny nomeny daholo dia manao zavatra tena tsy ampoizina tokoa ka ny iray fiangonana aty miaiky daholo hoe fa ahoana? de le Malagasy tavela eto mahatsiaro menatra satria ireo no Malagasy hitany eo dia anontanian-dry zareo izao rehetra izao. Tena mahakamo mihitsy.
Izay le olana. Ireo olona ireo lazaiko anareo fa manao toy ny fanaontsika eto ilay maka andalan'ny baiboly sns ary mananatra anao isanandro hoe ianaro toy izany io teny io.
Koa hilaza aho fa tsy ny tsy fahaizana ilay teny no olana hitako fa ny fampiharana azy no misy tsy mifampitohy eo.
72. niryna ( 29/10/2007 05:19)
soanja:

Miala tsiny indrindra tokoa raha hanome karazana'olona aho eto fa ireto olona resahiko ireto dia milaza azy ho Mpiandry sady mitory teny ato an-tranonay, manao vavolombelona any ampiangonana sns. Nefa anie dia higagana tokoa fa refa avy eo fa mivadika amin'ny teny nomeny daholo dia manao zavatra tena tsy ampoizina tokoa ka ny iray fiangonana aty miaiky daholo hoe fa ahoana? de le Malagasy tavela eto mahatsiaro menatra satria ireo no Malagasy hitany eo dia anontanian-dry zareo izao rehetra izao. Tena mahakamo mihitsy.
Izay le olana. Ireo olona ireo lazaiko anareo fa manao toy ny fanaontsika eto ilay maka andalan'ny baiboly sns ary mananatra anao isanandro hoe ianaro toy izany io teny io.
Koa hilaza aho fa tsy ny tsy fahaizana ilay teny no olana hitako fa ny fampiharana azy no misy tsy mifampitohy eo.



Mazava ho azy anie izany e,tsy izay rehetra miantso hoe tompoko tompoko akory no atao hoe manaraka ny tenin'ny Tompo sy atoa hoe kristiana fa izay manao ny didiny.Anjaranao izany no mivavaka isaky ny miditra ny tokantranonao izy ary mangataha amin'Atra raha hery avy any aminy no hitoriany teny na tsia.

Koa raha milaza izany hianao fa tsy ny fahaizany ilay teny no tena izy fa ny fampiharana azy ho an'ny rehetra amin'ny fiainana no mikaonty.
Mivavaha ho azy ireo mba ny tena FM no mitarika azy:D
Misy antony daholo ny zavatra rehetra ka anjaranao no mandinika azy.

Izay hafafy ihany no ho jinjaina.
Na Satana aza anie mahay ny tenin'Atra e.
73. prime ( 29/10/2007 13:00)
ikaretsaka> ny resaka "integrity" dia an'ny tsirairay fa tsy misy antoko na fikambanana manana izany raha tsy miray amin'i Kristy... tsy resaka mpiandany amin'ny sola scriptura io na tsia fa fiainan'ny tsirairay araka ny fifandraisany amin'Andriamanitra...

ndeha hatao ary hoe manana izany "integrity" izany ny ekar... satria izay no tianareo tsindrina mafy... manaporofo ve izany fa izay tsy ekar dia tsy manana "integrity" avokoa?... sao lahy diso fitsara am-boalohany ianareo fa samy hadinin'Andriamanitra avy amin'izay lazainy sy ataony ary ambarany hany ny tsirairay e...

izaho izao fjkm fa izaho tsy hitompo teny fantatra aminao mihitsy fa manana "integrity", ilay tena ao amin'ny fahafenoan'ny zanak'Andriamanitra ny fjkm satria mbola manana fahalemena ihany koa...

raha izaho tenako no tarafiko dia afaka milaza aho hoe izao na izao ny momba ahy manoloana izany "integrity" araka an'Andriamanitra izany... ny ankoatr'izay dia an'ny tsirairay izany... ny hany azoko hatao dia ny mitondra amim-bavaka ny tsirairay mba tena hihaona marina amin'i Kristy ka handinin-tena lalina raha tena manana firaisana na tsia amin'i Kristy... (tsy resaka fanasan'ny tompo na komonio io fa firaisana feno Amin'ilay Zanak'Andriamanitra manasa amin'ny ràny ny fahotan'ny mpino...) tsy fomba fa finoana latsa-paka anaty ao amin'i Jesosy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina...

soanja> zavatra mety hiseho tokoa izany ary zava-misy... indrisy... fa ny fahitako azy dia tsy misy tsara afatsy ny fiverenana ao amin'i Kristy ihany... izaho izay miteny izao dia anisan'ny mivily lalana indray2 sy manana fahalemena ihany koa ary tsy tanteraka... saingy izany tsy manafoana ny fitiavan'i Kristy ahy ka amerenany ahy mandrakariva ao amin'ny lalana tiany izorako...
74. ikaretsaka ( 29/10/2007 20:18)
ka ny ekar ange ry prime ekar foana n'aiza na aiza e! izay ilay integrity tiako tsindrina!.... fa jereo fotsiny vao etsy komoro ny FJKM dia lasa EJCC (eglise de JC a Comore) atao hoe raha mande any Toombktu ianao dia inona ny anaran'ny FJKM any?
amiko aloha .. tsy manana integrity izy fa tsy integral ko... sa aminao atao hoe integral ny manao hoe izay tiatiany kely ihany @ le finoana nialany no alaina?
Raha ekenao izay dia "samy miala zanako" !
75. LazaDaddy ( 29/10/2007 22:59)
76. ikaretsaka ( 30/10/2007 02:47)
ekena sa tsy ekena ko laozana mihomehy tany vaky eo
77. LazaDaddy ( 30/10/2007 03:04)
78. soanja ( 30/10/2007 03:15)
niryna:

soanja:

Miala tsiny indrindra tokoa raha hanome karazana'olona aho eto fa ireto olona resahiko ireto dia milaza azy ho Mpiandry sady mitory teny ato an-tranonay, manao vavolombelona any ampiangonana sns. Nefa anie dia higagana tokoa fa refa avy eo fa mivadika amin'ny teny nomeny daholo dia manao zavatra tena tsy ampoizina tokoa ka ny iray fiangonana aty miaiky daholo hoe fa ahoana? de le Malagasy tavela eto mahatsiaro menatra satria ireo no Malagasy hitany eo dia anontanian-dry zareo izao rehetra izao. Tena mahakamo mihitsy.
Izay le olana. Ireo olona ireo lazaiko anareo fa manao toy ny fanaontsika eto ilay maka andalan'ny baiboly sns ary mananatra anao isanandro hoe ianaro toy izany io teny io.
Koa hilaza aho fa tsy ny tsy fahaizana ilay teny no olana hitako fa ny fampiharana azy no misy tsy mifampitohy eo.



Mazava ho azy anie izany e,tsy izay rehetra miantso hoe tompoko tompoko akory no atao hoe manaraka ny tenin'ny Tompo sy atoa hoe kristiana fa izay manao ny didiny.Anjaranao izany no mivavaka isaky ny miditra ny tokantranonao izy ary mangataha amin'Atra raha hery avy any aminy no hitoriany teny na tsia.

Koa raha milaza izany hianao fa tsy ny fahaizany ilay teny no tena izy fa ny fampiharana azy ho an'ny rehetra amin'ny fiainana no mikaonty.
Mivavaha ho azy ireo mba ny tena FM no mitarika azy:D
Misy antony daholo ny zavatra rehetra ka anjaranao no mandinika azy.

Izay hafafy ihany no ho jinjaina.
Na Satana aza anie mahay ny tenin'Atra e.


Kristianina tanteraka ireo olona ireo ary hitako nanao izay hahatonga azy ho Mpiandry. Tsara izany amiko. Ny olona miditra ny tranoko dia tsy ho tsaraiko hoe satana sa tsia sns fa miaramivavaka dia miaramanompo an'Atra. Na mpivavaka na tsy mpivavaka di raisiko ary tsy anasiako fanavahana. Rehefa tafaray dia mivavaka izahay na hoan'ny rehetra na ho an'ny tsirairay.
Fa rehefa kosa mampiseho ny mifanohitra amin'izany amin'ny alalan'ny asa sy ny fiainana andavanandro dia izay aho vao hanontany tena hoe nahoana no manary izany fahasoavana be izany?
Ny tena mandreraka ahy mantsy dia ilay toriteny tsy hitako hoe nilaina sy mitonotonon'andininy amin'ny baiboly te hitsara olona, manonona ny tena hoe Mpiandry, nefa ny afitsoka tena mampalahelo sy mahamenatra lavitra noho n'ny olona tsy nandray ny baiboly hatramin'izany. Eo no tsy hinoako hoe te hanary izany mahaMpiandry izany ry zareo fa ny fampiharana azy no tsy ampy? Nahoana no tsy ampy? dia mitohy hatrany ny fanontaniana.

Tamin'ny farany teo moa dia nahavita mihitsy aho niteny hoe ampiasao ny finoana mahery ananantsika fa aza variana mitady vahaolona tsy mifanaraka amin'ny mahaKristianina. Hitako tsy nahateny tokoa satria nazava ny hevitro.

Ka ilay resaka integrity amiko dia zavatra iray tokony ho fototra hoe n'inona n'inona hadisoana dia lazao Jesoa fa izy hamela. Mibebaha! Mandraisa andraikitra amin'izay teny nomena.
Fa aza kosa mitady lalankafa hanariana dia satria tsy te halala na menatra, dia ny rehetra manodidina lasa mahazo fitsarana tsy fidiny sy milanja izay tsy tokony lanjaina.


79. prime ( 30/10/2007 11:18)
ikaretsaka> ka iza no "important" ry ikaretsaka... ny ekar sa Kristy?:)

soanja> hitako tena malahelo mafy mihitsy ianao an... mivavaha ho azy dia mamelà izay tsy fahatanterahany dia hahita soa eo imason'Andriamanitra... sarotra izany, izaho manaiky saingy lalana tsy maintsy diavina raha te-hahita ilay "integrity" resahinao...:)
80. LazaDaddy ( 30/10/2007 23:29)
prime:
ikaretsaka> ka iza no "important" ry ikaretsaka... ny ekar sa Kristy?
aza hitako ka valin-teny misababaka toy ny...erm...ekaristy no ho azonao =))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0097