fiangonana sy ny vokany

21. pissoa ( 17/10/2007 19:29)
=))=))=))
22. fijo ( 17/10/2007 19:40)
pisoa an,ka nareo mpino no betsaka ao ko.
laza ;mitovy ihany ny "hoatra izao tiantsika lazainaka"fa ny ahy izy roa.ekonomika sy aratsaina.samy simba ireo ao mada.

mitovitovy ny valiny nomenareo rehetra hoe misy fomba firesaka amin'i lerytsy mety.
ka sao dia le maha tsy finoana tena antsika azy ary no tsy ahaizanareo miresaka aminy????satria dia feno fiangonana anie ao mada ao e.na any amina tanana kely tsy ampoizina aza.trano bongo 6 no eo,dia fiangonanan iray.(ao amin'ny lalana mankany mahajanga iny no nahitako an'io)
23. cutie ( 17/10/2007 20:40)
ary tsy hitako ze soratan'i fijo :roll:
24. fijo ( 17/10/2007 21:01)
io ambony io ka
25. cutie ( 17/10/2007 21:04)
zao vo hitako
26. Jeankely ( 18/10/2007 01:35)
Ny haovon'ny sain'ny olona rehetra no mitondra an'io. Misy ny maso ila manjaka @ tanin'ny jamba ka mazava fa tsy dia ny tena izy no velabelarina sy halalinina. Na Fiangonana Kristianina na Silamo dia hita ny fahasamihafan'ny vokany nohon'ny haavon'ny sain'ny olona. Hita mazava ohatra tany Afrikanina misy Solitany ary Silamo mihoatra @ tany Hafa ohatra Malaysia misy Solitany ary Silamo dia tsy mitovy ny hazakazaka vitan'ny firenena. I Madagasikara dia anisan'izany izay firenena najakan'ny Katolika nefa maninona i Brazil izay voalaza ho nahantra sy be trosa indrindra t@ andron'ny Repoblika Demokratika Malagasy amin'izao fotoana izao manana ny toerany avo noho isiaka. Ny tombony (Advantages) rehetra lasa fahalemena (Weaknesses) satria na ny nianatra na ny tsy nianatra dia variana @ zavatra hafa. Ny Finoana sy ny Fiangonana dia hery lehibe saingy ny Malagasy no DONTO tsy mahay maka ny maminy ka izay no tsy mampivoatra azy haingana.
27. steeeel ( 18/10/2007 05:27)
fijo:

raha jerena ny isan'ny fiangonana"trano fivavahana" sy ny mpino gasy.dia alefa ny saina hoe mbola ohatra izao ihany ve mada?
dia lasa ny saina hoe ,ny gasy ve no tsy mahay mivavaka,sa ny resaka hifanaovany amin'izao andriamanitra izao no tsy mifandray,sa lery mihintsy no tsy mihaino,sa dia tena tsy misy akory izy fa ny vahoaka no lany andro eo.tena tsy misy asany le izy ka.


tsy hoe refa miangona dia manankarena.

rehafa mahantra mihintsy aza ny sasany vao tena mahatsiaro an'Andriamanitra.
28. Rasiligaoma ( 18/10/2007 05:57)
izay an'i steeeel izya ilay rehefa ela ny ela dia mahatonga ilay fiteny hoe Aa rehefa misy patsa
29. steeeel ( 18/10/2007 06:16)
matoa betsaka ny fiangonana ao amin'ny tany mahantra dia matetika koa hataon'ny sasany fidirambola ny fivavahana, satria ny olona rehefa mafy ady dia mitady zavatra hitokisana
vidio ity menaka masina mampidibola ity e, ity misy vatokely voahasina avy any israely amidy roa alina ariary monja, dia roboka daholo ry mon ami isany.
30. Rasiligaoma ( 18/10/2007 06:43)
izay koa antony 1
fa ny mahagaga anie dia ireo efa mafy ady ihany no volosana e!
Jereo fotsiny fa ny atokom-pivavahana evanjelika kely manodidina an'Andralanitra fotsiny no efa misy ho 50, ankoatran'ny an'i Pere Pedro (iny efa glady be)

jereo koa fa eny amin'ny quartier an'ny somary sahirana sy be mpianatra sy tanora , no feno ireny fiangonana sectes ireny: Isotry, 67, ambohipo, ankatso sns.. fa rare izany hoe misy fiangonana secte izany eny Ivandry na Androhibe na Ankadivato na cite planton na Isoraka na Andohalo na Faravohitra.. faamin'ireny toerana ireny dias ireny fiangonana efa ntaolo be tamin'ny andron'ny Mpanjaka ireny no eny!

Asa marina!
31. Jeankely ( 18/10/2007 07:12)
Averiko ary hamafisiko na tsy mpiditra ampiangonana aza aho fa TSARA NY FIANGONANA fa ny olona mandray azy no PAHANA ka manao fihevitra mivilana. Tsy misy milaza mihintsy fa tsisy fiangonana ny tany misy fandrosoana. Nohon'ny fotom-pisainana TSY AMPY FIKOLOKOLOANA dia ny ZAVATRA TSARA NO LASA RATSY. Tanora roa samy omena vola mitovy ny iray mahavita zavatra ny iray mandeha maka makorel, milalao sy mandany fahatany. Ny fahaizana mandray ny fivavahana no tsy ampy fa tsy ny fivavahana no tsy ilaina azy.
32. rabilabila ( 18/10/2007 09:07)
Tsara kokoa ,amiko , ny manome boky , nivaquine , penina , stylo, kahié,..... ireo valàla be mandry mba ho lasa valàla be mifoha izy ireo .


Avy eo raha hanangana fiangonana ianareo dia atsangano fa aza mi-pretendre hamonjy ny fanahiny aloha raha tsy ahavonjy azy amin'ny maha-olombelona azy fotsiny ( droits aux soins , savoirs ,.....)

Priorité io leiretsy a!! Ny anareo ny fanahy aloha vao ny aina ,ny anay ny aina ,ny aina ihany , ny aina hatrany.
33. Mandefitra ( 18/10/2007 09:38)
Tsy mifanipaka ange zany rabilabila e.
Ny sekoly natao hianarana, ny hopitaly natao hitsaboana, ny fiangonana hamonjena ny fanahy.
Tsy zara aza misy ny fiangonana ve, mba manana tahotra an'Adnriamanitra ny olona ka tsy ho tafiditra @ fangalarana na famonon'olona na ny halatra ... zay samy voararan'ny didy 10?
Sady @ zay, 3heures/semaines ange ny 80% ny lazaina fa Kristianina no mankany ampiangonana e, aiza ho aiza @ zany sakana @ fampandrosoana?
Nefa ny voka-tsoa entin'ny tena Kristianina marina eo @ fiaraha-monina lehibe lavitra ... saingy ny sadasada mo no betsaka.
Ary tsy ny Kristianina velively no mpiandry mana avy any an-danitra fa diso hevitra nareo, izy efa ela no nahafantatra fa "ny hatsembohan'ny tavanao no hihinanao"
34. rabilabila ( 18/10/2007 10:33)
Mandefitra>>
Inona no atao hoe fampandrosoana ?

Ny tiako lazaina dia efa voalazako etsy ambony hoe : Ny fiangonana no atao mijoalajoala fa ny trnao fianarana , ny trano fitsaboana ,ny fizaràna nivaquine , ny fanaovana vaksiny,....dia atao ankilabao .
Tsy ny fanalàna azy amin'ny habadoana sy ny fanampiana azy ara-pahasalamana no himatesana fa ny famonjena ny fanahiny.
Miditra amin'izany lalao izany ny fanjakàna satria izy mihitsy ,matetika ,no manome finance ho amin'ny fikarakarana ilay fiangonana ( jereo ny panneau de construction fa ho hitanao eo hoe iza no mpamatsy ).

F'angaha moa ny fatahorana zandary ihany no ahafàhana mahalàla hoe ratsy sy tsara , na mety sy tsy mety ? Fiheverana ny olombelona ho tsy manan-tsaina no fijeriko an'izany (insulte à l'intelligence).

Ny hatsembohan'ny tava tokoa no hihinanana ,ary valable io nanomboka tany amin'ny hominidés rehtra fa tsy vao 2000 ans akory vao nahalàla an'izany : Teo ireo nihaza ,teo ireo nanjono ,teo ireo nioty ,teo ireo namboly .......
F'angaha moa ireo olona any an-drenivohitra mihinana ovy raha tsy tsemboka ireo tantsaha namboly ovy ?

Bref! Araky ny nolazaiko tary ambadika tary tsy nihena akory ny habibiana rehefa lasa kristianina daholo ny olona ( tsy ny Mikéas akory no namorona ny inquisition ) ,ary tsy nitombo satria tsy mino an'atra ny olona .
Am-pitiavana !! 'Zay fotsiny!!
35. pissoa ( 18/10/2007 12:06)
Tsy ny fiangonana sns no mampahantra fa ny manohitra an'ireo !

Variana mikatsaka ny fiaianna mandrakizay ? Ny fiheverana hoe variana miandry ny fiainana mandrakizay ka tsy miaraharaha ny fandrosoana eto an-tany dia tsy an'ny fiangonana, fa an'ny olona miseho mpandinika nefa mandray an-tendrony.

Ny fikatsahana ny fiainana mandrakizay amin'ny Kristianina dia zavatra toy ny hoe
- Fitsimbinana ny aina
- Fitsimbinana ny madinika
- Fifankatiavana --> Fifanajana
- sns !

Heveriko fa ny jamba ihany no tsy mba mahita ny trano (mijoalajoala) an'ny fiangonana hanampiana ny olona amin'ny lafina maha-olona, na fianarana izany, na hopitaly sns. Ny fiainam-panahy dia tsy natao hisaovoana eny amin'ny habakabaka fa natao haniteraka ny fiainana ara-nofo.

Mbola mahantra !
Ianareo ihany ohatra no nanamarika fa ny be mahantra sy tsy ampy fahalalana no be mpivavaka. Rehefa mahantra sy tsy mahay dia tonga daholo ry be saina mianankavy manambaka ! Angamba ny sehatra rehetra tokony hitondra amin'ny fampandrosoana io dia tafiditry ny fanambakana daholo. Ohatra fotsiny ny fividianana sy fanodikodinana ny safidy amin'ny fifidianana. Ny toky pokaty moa tsy ambara intsony, ny hafa aza ny sentimentn'ny vahoaka mihitsy no lalaoviny. Dia gaga ve isika raha mahantra ? Mety Kristianina no manana toetra toy ireo, fa tsy ny fiangonana no nampianatra azy !

Tsy mihena ny habibiana ! Dia mihodikodina eo foana isika e, rehefa mbola tapa-kevitra ny hanohita ny "Aza mamono olona" (ohatra) izay ampianarin'ny fiangonana na ny milaza azy hoe Kristianina na ny tsy Kristianina dia tsy misy zavatra miova eo.

Fanamarihana lehibe : (sao hitsambikina eny amin'ny plafon eo indray ny sasany). Izaho tsy niteny mihitsy hoe ny fiangonana ihany no mampianatra sy manao ny tsara (moraly) an. Hoy fotsiny aho hoe manao an'izay izy, ary ny fanoherana azy no mampahantra sy mampabiby.

Fehiny : Be dia be ny vokatra tsara azon'izao tontolo izao avy amin'ny fiangonana eo amin'ny lafiny mahaolona. Hopitaly, sekoly, fanampiana mivantana, toe-tsaina, sns. Mbola misy nefa ny mahantra, mbola misy ny habibiana sns. Tsy mahagaga satria mitombo isa miaraka amin'ny mponina eran-teny ny fanoherana ny fiangonana sy izay mba mampianatra ny tsara toa azy :-D:-D:-D
36. cutie ( 18/10/2007 12:09)
Mpandefa : cutie [ Valio ] 17-10-2007 04:48:28
Lohateny : Re : fiangonana sy ny vokany
Voalaza teo :
Mpandefa : fijo [ Valio ] 17-10-2007 00:26:53
Lohateny : fiangonana sy ny vokany
raha jerena ny isan'ny fiangonana"trano fivavahana" sy ny mpino gasy.dia alefa ny saina hoe mbola ohatra izao ihany ve mada?
dia lasa ny saina hoe ,ny gasy ve no tsy mahay mivavaka,sa ny resaka hifanaovany amin'izao andriamanitra izao no tsy mifandray,sa lery mihintsy no tsy mihaino,sa dia tena tsy misy akory izy fa ny vahoaka no lany andro eo.tena tsy misy asany le izy ka.

tsy ny gasy no tsy mahay mivavaka na tsy mifandray @ Atra fa ny fiangonana no fositra
37. prime ( 18/10/2007 12:38)
Ny fiangonana no fositra sa ny tsirairay no tsy ampy firaisana sy fifankatiavana amin'Andriamanitra?
38. cutie ( 18/10/2007 12:41)
36. Mpandefa : prime [ Valio ] 18-10-2007 14:38:48
Lohateny : Re : fiangonana sy ny vokany
Ny fiangonana no fositra sa ny tsirairay no tsy ampy firaisana sy fifankatiavana amin'Andriamanitra?

mila ny fiangonana ny tsirairay @ io firaisana sy fifankatiavana io.
Refa fiangoanana no tsy mahavita ny adidiny ,aiza no ahantanterahana an;zany :roll:
39. prime ( 18/10/2007 13:13)
cutie> Andriamanitra rehefa hitsara sy ho avy amin'ny andro farany dia tsy ny fiangonana na ny anaram-piangonana no hitsaràny ny olona fa ny mahaizy azy ny tsirairay...

Ny tsirairay no mahafiangonana ny fiangonana fa rehefa ilay tsirairay no tsy ampy firaisana sy fifankatiavana amin'Andriamanitra dia tsy misy antenaina firy loatra amin'ny fiangonana...
40. ikaretsaka ( 18/10/2007 14:13)
pissoa:

Tsy ny fiangonana sns no mampahantra fa ny manohitra an'ireo !

Variana mikatsaka ny fiaianna mandrakizay ? Ny fiheverana hoe variana miandry ny fiainana mandrakizay ka tsy miaraharaha ny fandrosoana eto an-tany dia tsy an'ny fiangonana, fa an'ny olona miseho mpandinika nefa mandray an-tendrony.

Ny fikatsahana ny fiainana mandrakizay amin'ny Kristianina dia zavatra toy ny hoe
- Fitsimbinana ny aina
- Fitsimbinana ny madinika
- Fifankatiavana --> Fifanajana
- sns !

Heveriko fa ny jamba ihany no tsy mba mahita ny trano (mijoalajoala) an'ny fiangonana hanampiana ny olona amin'ny lafina maha-olona, na fianarana izany, na hopitaly sns. Ny fiainam-panahy dia tsy natao hisaovoana eny amin'ny habakabaka fa natao haniteraka ny fiainana ara-nofo.

Mbola mahantra !
Ianareo ihany ohatra no nanamarika fa ny be mahantra sy tsy ampy fahalalana no be mpivavaka. Rehefa mahantra sy tsy mahay dia tonga daholo ry be saina mianankavy manambaka ! Angamba ny sehatra rehetra tokony hitondra amin'ny fampandrosoana io dia tafiditry ny fanambakana daholo. Ohatra fotsiny ny fividianana sy fanodikodinana ny safidy amin'ny fifidianana. Ny toky pokaty moa tsy ambara intsony, ny hafa aza ny sentimentn'ny vahoaka mihitsy no lalaoviny. Dia gaga ve isika raha mahantra ? Mety Kristianina no manana toetra toy ireo, fa tsy ny fiangonana no nampianatra azy !

Tsy mihena ny habibiana ! Dia mihodikodina eo foana isika e, rehefa mbola tapa-kevitra ny hanohita ny "Aza mamono olona" (ohatra) izay ampianarin'ny fiangonana na ny milaza azy hoe Kristianina na ny tsy Kristianina dia tsy misy zavatra miova eo.

Fanamarihana lehibe : (sao hitsambikina eny amin'ny plafon eo indray ny sasany). Izaho tsy niteny mihitsy hoe ny fiangonana ihany no mampianatra sy manao ny tsara (moraly) an. Hoy fotsiny aho hoe manao an'izay izy, ary ny fanoherana azy no mampahantra sy mampabiby.

Fehiny : Be dia be ny vokatra tsara azon'izao tontolo izao avy amin'ny fiangonana eo amin'ny lafiny mahaolona. Hopitaly, sekoly, fanampiana mivantana, toe-tsaina, sns. Mbola misy nefa ny mahantra, mbola misy ny habibiana sns. Tsy mahagaga satria mitombo isa miaraka amin'ny mponina eran-teny ny fanoherana ny fiangonana sy izay mba mampianatra ny tsara toa azy :-D:-D:-D


ekena ..fa arakarak'ilay fiangonana koa io anefa an..
fa sarotra lavina koa anefa fa misy ny soi disant hoe "mamonjy fanahy" fotsiny no antony ijoroany(variana mikajy ny fiainana mandrakizay hoy ianao)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.288