fiangonana sy ny vokany

1. fijo ( 16/10/2007 22:26)
raha jerena ny isan'ny fiangonana"trano fivavahana" sy ny mpino gasy.dia alefa ny saina hoe mbola ohatra izao ihany ve mada?
dia lasa ny saina hoe ,ny gasy ve no tsy mahay mivavaka,sa ny resaka hifanaovany amin'izao andriamanitra izao no tsy mifandray,sa lery mihintsy no tsy mihaino,sa dia tena tsy misy akory izy fa ny vahoaka no lany andro eo.tena tsy misy asany le izy ka.
novalian'i cutie ny 05/11/2007 15:26
2. LazaDaddy ( 16/10/2007 23:58)
fijo:
mbola ohatra izao ihany ve mada?
ohatra izao ahoana aloha fa sao tsy mitovy ny fijerinao sy ny ahy? :) Ny fijeriko dia hoe "anaty haizim-pito i Madagasikara". Fahamaizinana ara-panahy io an! Ny toe-karena tsy tanjona amiko fa fanoitra.
fijo:

ny gasy ve no tsy mahay mivavaka,sa ny resaka hifanaovany amin'izao andriamanitra izao no tsy mifandray,sa lery mihintsy no tsy mihaino,sa dia tena tsy misy akory izy
Tsy hafa fa iray amin'ireo voalazanao ireo ny valiny. Raha ataoko "par elimination" ny famaliana azy dia @ ireo roa voalohany ireo ny valiny. Inona ny antony mahatonga izany?
3. salmo1 ( 17/10/2007 00:36)
fijo:
Ny fahazahoako an-le finoana kristiane dia izao; tsy ilay toriteny rehetra hazavainy môpera sy pastera akoury no tena tsara, satry i pastera na i môpera mety hanimbany fandriampalemana ihany indraindray aminizireny, ol tsy marina zany no dikany.

Amiko manokana, ¿inn no hatao oe finoana kristianne?
Ny finoana, dia zavatra mbola tsy nandalo, tsy hitany masoko, tsy fantatro akory oe: aiza no misy azy, ho marina ve fa hisy tokoa.... Ny eritreritro ihany dia mampino ahy oe: tena misy tokoa Andriamanitra.

- ¿Aiza Andriamanitra?

- Izaho, mino fa mety eto anilako eto Izy. Ary asa! tena sarotra ny mandinika oe: aiza tokoa ny Marina eto amin zao tontolo zao ity.

- ¿ Fa aôna no misy Andrimanitra?

- Izaho ihany, ra tsy misy Andrimanitra aôna zao tontolo zao no mietsiketsika? ¿iza marina aza no tena nanao an'ity zao tontolo zao ity, nahoana no misy ny fahafatesana? tena sarotra ny mandinika anzany rehetra zany less fijo. De zao fotsiny, ny maha mpino ahy an'Andriamanitra dia izao zavatra tsy rariny tsy fantatro fiaviana sy fifarany izao ihany.

Ny famakiana Baiboly, asa ra mavonjy. Ny Baiboly dia olona no nanoratra azy, fa ny ao anatiny dia tenin'Andrimanitra, satria miainga avy amin'ny fahalalana @ marina ny ao anatiny. Tsy ny voalazany Baiboly rehetra akory dia ho tanterahako daholo, fa izay hitako tsara ho ahy samirery ihany.

Asa, za tsy mpaminany, tsy mafantatra ra nisy tokoa i Jesosy Kristy, fa ny azoko hatao fotsiny dia mino Azy mba analana an-le eritreritra lasa lavitra @ ity Mundo ity.

Le saina maintsy no voadonan'ny zao tontolo zao, ka raha tsy ao Andriamanitra dia tsy hitako izay tena maha salmo1 ahy manokana, fa nahoana i fijo no misy; ra, nofo sns... kanefa ireo dia ho lasa vovoka avy eo:?:
;-)
4. Jeankely ( 17/10/2007 01:13)
Tsy ny Fiangonana no ratsy ary Andriamanitra fitiavana tena manampy saingy isiaka no tsy mahay ary ny Demony no mibaiko fa tsy ny herin'ny fahamarinana ka izay no mahatonga an'i Madagasikara sahala izao. Tsy Firenena iray no nahitako ny herin'ny Fiangonana fa i Madagasikara no hafa. Rehefa miresaka Fivavahana dia zavatra momban'ny tenin'Andriamanitra ary Fanasoanava saingy isiaka Malagasy rehetra no VENDRANA ary mahatonga antsiaka GISITRA. Any ampiangonana no aseho ny fomba maloto; ao @ Baiboly no mizaha ny hanamafisana ny toetra ratsy fanao ary hita eto izany ohatra: Fampirafesana, fakana fadin'olona, Fijanganjangana, Mi-Masta hoy ianareo sns. Aza ny Fiangonana no hisainana ratsy fa ny MPIVAVAKA NO TSY ARA-DALANA.
5. ikaretsaka ( 17/10/2007 02:09)
mamaly ilay fanontanian'i LD ao ambony ao:
Tsy hafa fa iray amin'ireo voalazanao ireo ny valiny. Raha ataoko "par elimination" ny famaliana azy dia @ ireo roa voalohany ireo ny valiny. Inona ny antony mahatonga izany?


tsy hainy intsony hoe aiza no ivavahany fa ze leoleo ary dia mankary dia izay leoleo ary dia manangana vaovao ary!dia izay mizara kaly aorian'ny fiangonana dia any indray aloha, dia ampitahorin'ilay pasitera amin'ny "Andriamanitra biby fatahorana' atsy indray dia mankany aloha fa mivezaka, dia mahita fa mankary daholo indray ny mpifanolo-bodirindrina dia any indray

lasa sanatria ohatran'ny misolo aty akanjo ilay fivavahana:?::!:
ny pretexte amin'io dia hoe kristy 1 ihany e, zao a zao!
raha 1 no torian'ireo rehetra ireo, maninona no miteraka confusion sy maniry bedebe?
6. LazaDaddy ( 17/10/2007 02:26)
ikaretsaka:
maninona no miteraka confusion sy maniry bedebe?
Jeankely:
ny Demony no mibaiko fa tsy ny herin'ny fahamarinana
7. cutie ( 17/10/2007 02:28)
raha 1 no torian'ireo rehetra ireo, maninona no miteraka confusion sy maniry bedebe?

efa samy mandeha samy mitady daholo io ry Ika.
De valio @ zay ny fanontaniako e :evil:
8. cutie ( 17/10/2007 02:48)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 17-10-2007 00:26:53
Lohateny : fiangonana sy ny vokany
raha jerena ny isan'ny fiangonana"trano fivavahana" sy ny mpino gasy.dia alefa ny saina hoe mbola ohatra izao ihany ve mada?
dia lasa ny saina hoe ,ny gasy ve no tsy mahay mivavaka,sa ny resaka hifanaovany amin'izao andriamanitra izao no tsy mifandray,sa lery mihintsy no tsy mihaino,sa dia tena tsy misy akory izy fa ny vahoaka no lany andro eo.tena tsy misy asany le izy ka.

tsy ny gasy no tsy mahay mivavaka na tsy mifandray @ Atra fa ny fiangonana no fositra :-D
9. Mandefitra ( 17/10/2007 06:00)
Ny tena asan'ny fiangonana de mitory marina ny tenin'Andriamanitra, mitaona ny olona rehetra ho mpianatra sy hino an'i Jesosy Kristy, ary mizara tsara ny sakramenta (Batisa sy Fanasan'ny Tompo), arak'izay nandidian'i Kristy.

"Mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenena rehetra, manao Batisa azy @ anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina"
Lioka 24
46 Ary hoy Izy taminy: Izao no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo;
47 ary mba hotorina amin'ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema .

Ka ra mivaona @ ireo ny asan'ny fiangonana aloha ... marina ihany le tenin'i cutie hoe ny fiangonana no fositra ... :-D
10. diamondra27 ( 17/10/2007 06:06)
Za aloha dia mahita kosa fa raha ara-panahy de tena velona ny any dago e

mahita izany eto france zany ianao tena zombie ny olona faty mandende. Sarotra be ny iasàna satria repotra @ asany ny olona sy variana @ fikarakarana ny tokantrano avy miasa. Rehefa tsy miasa de manao loisirs hafa fa le toerana ho an'Atra tena tys misy.
11. bozyboleta ( 17/10/2007 06:31)
Mivavaka ny ankamaroan’ny malagasy ary tena mivavaka. Saingy misy tsy mahazo valim-bavaka satria diso fangataka. Raha mivavaka ka mangataka @ Tompo hoe “omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay”, de alaina ara-bakiteny ka miandry ny mana hidina avy any an-danitra fa tsy hanao n’inn n’inn. De maraina parivan’ny andro hanonona an’io eo foana. Manantena fahagagana @ fiainany ara-materialy. Ary ireny ngamba le hitan’ny mpitazana hoe mivavabava-poana.
Tsy fangatahan-javatra fotsiny Atra. Fa mitaky zavatra betsaka amin’izay mangataka aminy koa Izy. Ho an’ny kristiana, raha tena kristiana marina manara-dia an’I Kristy de mahay ny zavatra nampianariny ary tokony atao. Raha ireo no vitan’ny kristiana de hilamina ny fiainany. Tsy hoe tsisy intsony ny olana. Sanatria. Ny olana misy ary mbola hisy foana, fa ho an’ny kristiana ny fomba entina miatrika azy no milamina.
Na isam-baravarana aza lasa fiangonana, ary na tontolo andro aza hivavaka eo fôna, refa tsy hay le fototra ivavahana tsy tafa e!
Tsy ny fiangonana retraretra no fositra, fa ny mpivavaka no misy fôpla. :wink:
12. Mandefitra ( 17/10/2007 08:39)
Ny vokany, rehefa mitory marina ny tenin'Andriamanitra ny fiangonana, ka mitarika ny olona hino an'i Kristy, dia hita taratra @ fiainan'ny Kristianina ny vokatry ny finoana Azy.
"Zay mino Ahy, ny asa ataoko no mbola ataony koa, ary hanao asa lehibe noho izany aza izy."
13. majesty ( 17/10/2007 08:53)
Rehefa jerena haingana io lazain'i fijo io dia toa marina ihany,kanefa tsy marina tanteraka.
Marina satria hoe mivavaka ny Malagasy kanefa mbola izao ihany ny fiainana,sy izay mety ho haratsiana misy.
Fa diso kosa satria raha jerena ohatra ny tao Sôdôma sy gômôra toa i Lota sy ny fianakaviana ihany no azo lazaina fa nivavaka,dia tahaka ny tamin'ny andron'i Noa ihany koa,toa izy 8 mianaka ihany no novonjena,

dia fanontaniana hoe:tena mivavaka ary ve ireo olona bdb lazain'i fijo ireo sa sanatria......:wink:
14. ravatorano ( 17/10/2007 10:28)
raha azoko tsara ny tian'i majesty lazaina dia izay mivavaka ka mitoky amin'Andriamanitra ihany no ho voavonjy nefa i fijo ery miteny hoe sao dia tsy misy ary izany ka lany andro ny vahoaka mpivavaka
za aloha mino e ary tena mino ilay fisiany !
:D
15. la ( 17/10/2007 10:46)
Misy Andriamanitra fa tsy ny soa ihany akory no raisina avy aminy fa ny ratsy koa!! nga tsy hainareo ilay tantaran'i Joba ao amin'ny baiboly ao, lasa daholo ny fananany, ny zanany maty, ny vady mba nantenaina ianteherana sy mba ampahery vomaika nandatsa hoe:"efa zao no mahazo anao mbola inona no ifikiranao amin'izany andriamanitra izany" mbola sahy izay namaly hoe" tsy ny soa ihany no avy aaminao fa ny ratsy koa"...."Angina aho fa enao no natonga izao"
FEHINY: tsy ny isan'ny trano fiangonana no tena zava-dehibe fa ny hoe hatraiza ny finoanao
Mahereza fijo a!! aza miozongozona ra mpino enao :):):):D:D:D:-w:-w^:^^:^
16. salmo1 ( 17/10/2007 11:06)
la:
tsy ny isan'ny trano fiangonana no tena zava-dehibe fa ny hoe hatraiza ny finoanao


la: tena marina zany,:idea::idea: mazava amnareo ve zany fijo ah:?::@;-)
17. ikaretsaka ( 17/10/2007 13:46)
ka le isany misy effets eo amin'ilay finoana ihany na izany aza!
aoka mba tsy odian-tsy hita io!
t@ andron'i jesoa aza vitsivitsy hoe jiosy samaritana,fariseo dia efa gidraka be
mainka fa izao...

ny ahy aloha de 1 ihany ny lojikako e

Raha lazaina hoe ratsambatan'i Kristy ny fiangonana (ara baiboly io an)
Raha lazaina hoe mifampitohy ny fiangonana sy i kristy.
Dia tokony ho iray ihany fa tsy heo atsy ny akihibeny dia atsy ny hohontongony dia atsy ny ranjony dia atsy ny tanany.
Vatana 1 sy fanahy 1, fa tsy ratsambatana bedebe!

raha ilay hoe fiangonana "maha ratsam-batana" misy dogma sns... io an
fa tsy hoe fiangonana "trano" fotsiny!

Ny ahy ny fiangonana manko amiko tsy trano fe trano fotsiny, fa misy Kristy ao amin'ny Tabernakla sy sakramenta masina ao!
18. cutie ( 17/10/2007 15:05)
Ny ahy ny fiangonana manko amiko tsy trano fe trano fotsiny, fa misy Kristy ao amin'ny Tabernakla sy sakramenta masina ao!

aza adino koa le lohandohan'ny mpisorona mpitarika ao e, sy ny tariny rehetra :-D
19. pissoa ( 17/10/2007 17:00)
fijo:

raha jerena ny isan'ny fiangonana"trano fivavahana" sy ny mpino gasy.dia alefa ny saina hoe mbola ohatra izao ihany ve mada?
dia lasa ny saina hoe ,ny gasy ve no tsy mahay mivavaka,sa ny resaka hifanaovany amin'izao andriamanitra izao no tsy mifandray,sa lery mihintsy no tsy mihaino,sa dia tena tsy misy akory izy fa ny vahoaka no lany andro eo.tena tsy misy asany le izy ka.


Tsy dia any amin'ilay fivavahana loatra ny olana ka ... fa any amin'ilay tsy fivavahana ! :wink:
20. rabilabila ( 17/10/2007 19:18)
Fivavahana ?

Mibahana dia mibahana tokoa any Madagasikara .
Inona no antony ? Mahantra ny Malagasy :na ara-pahalalàna , .....Ka azo ahodinkodina tokoa ( Aiza no tena miroborobo ny fivavahana isan-karazany eto an-tany ? statistique ,statistique ihany ,statistique hatrany !!! peu importe hoe miova ve ny fiainan\'ny olona ,statistique aloha ,miha-betsaka ny kristianina)
Inona no zavatra entiny ? Mamokatra \"ondry\" handairan\'ny \"minoa fotsiny ihany \"
Niova ve ny niveau de connaissances-n\'ny Malagasy ,na ni niveau de vie-ny ? TSIA
Inona ny antony ?

Ny fiangonana no ampiroboroboana fa ny fianarana , ny fahasalamàna ...atao an-kilabao.

Maro dia maro ireo fiangonana handanian\'ny fanjakàna vola amin-karena (confusion du genre evidemment ) ny hanangànana azy .Aiza ho aiza anefa ireto nivaquiné-n\'ny valàla bemandry matin\'ny palu sy ny aretina izay tsy tokony hamono olona intsony aty amin\'ny tàny \"mandroso\"?.

Inona ny priorité ? Ny fiangonana sy ny fivavahana .
Hany ka na ireo mpamboly ovy izay mamelona ny mponin\'ny tanan-dehibe aza nanadino ny fombany ,nanaraka ilay kristy ka tsy namboly ovy intsony fa miandry ny fiainana mandrakizay .

Minoa !!Minoa ihany!!! minoa hatrany !!fa handroso ny firenena !!! Tsy homen\'i dabeliou ovy OGM ve raha noana !!!
Statistika !!statistika ihany!!!! statistika hatrany !!! Dia ho avotra ny tàny sy izay miaina eo amboniny !!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6455