Fanoharana

1. niryna ( 04/10/2007 17:49)
Maninona no fanoharana foana no nataon'i Jeso ho an'izay nihaino ny toriteniny sy fony izy nampianatra ny mpianany?
répondu par niryna le 10/10/2007 04:30
2. simplex ( 04/10/2007 18:11)

satria mety waina be ze ol voalaza anarana tao ra toa ka notebain'i Jesoa tao izy :P
3. tsimiandravola ( 04/10/2007 18:23)
Salut!ça tombe à pic!
Saika hamorona post toy ito aho ka dia araraotiko ny an'i Niryna:
Rehefa misy ny Guerre dia ampiasaina daholoà ny tetika rehetra mba hisy ny secret de guerre:
"mot de passe","pseudonyme" fomba fiteny mba anafenana ny vontoatin'ny idéologie rehetra tsy ho fantatry ny sarambabembahoaka afa-tsy ireo initié ihany.Izany indrindra no namoronan'ny Sikera (dahalo mesianista) pseudonyme de Guerre toy ny hoe Kefasy ,Didima ,Boanargesy ,Kananita....Toy izany koa no amoronana codification miendrika parabole indrindra indrindra ny momba ny tarika mesianista antsoina hoe Boanarjesy (7 frères et 2 soeurs)
Ohatra fotsiny izao:ilay atao hoe Olona azon'ny Esprit impur ary niaina eny amin'ny fasana ary nanapaka ny rojo namatorana azy ,dia fomba ilazana fa mpandositra izy io,"maquisard","wanted" ary voatery misitrika any amin'ny tsy misy olona satria mpanohitra ny filozofia mesianista(donc pour les Romains).Tratran'ny Mesia nefa i lery ka tsy afa-niala ka voatery nibaradaka tamin'ilay sefo deba,ka nanjary partisan avy eo nefa "collabo " teo aloha.

Tandremo fa masiaka be ireo Boanarjesy ireo an:tadiavo ao amin'ny baiboly ilay fitenin'izy ireo hoe "Tianao ve ry Tompo ny handatsahanay afo avy any andanitra eo amin'ny tranony"?.
Izany no voasoratra ,fa ny tena izy dia ataon'dry zalahy miantoka mihitsy izay tanana tsy mandray azy araka ny voalaza hoe "izay tsy momba ahy dia manohitra ahy".
Fantatrareo koa fa misy sabatra foana any antsikinan-dry zalahy an!

à suivre...
4. Fiffi ( 04/10/2007 18:28)
5. simplex ( 04/10/2007 18:31)
tsimiandravola:

Dia inona no tianao ho tenenina anay? Hazavao? :@

;-)

6. ikaretsaka ( 04/10/2007 18:32)
ny antsika moa dia "fanoharana" foana no iantsoantsika azy!
misy karazany 2nefa aloha ny "fanoharana" nataon'i Jesoa:

-Parabole: Ilay hoe "ny zao dia ohatran'izao".. ny antony dia ilay "ohatran'izao" no hananan'ny olona perspective sy concept kokoa, satria zavatra hiainany isan'andro sy fampiasan'ny olona t@ izany fotoana izany ilay izy. Ohatran'ny hoe ianoa miresaka bluetooth @ olona tsy mahay an'izany dia approche hafa mihitsy no itondranao ny resaka,

-ny Hyperbole: Ilay izy mi exagerer mba hahatonga saina atsika kokoa ny maha grave ilay zavatra resahina sy tiany hampitaina amintsika , karazana "emphasis" izany ilay izy! hoe Rameva amin'ny vodi-fanjaitra ohatra (dia hisy rameva hiditra @ vodim-panjaitra tokoa ve) mamela in mpitopolo 7(dia hoe avela in 490 izany dia avy eo dia tsy ankamela intsony)?
7. simplex ( 04/10/2007 18:39)
Ika:
dia hisy rameva hiditra @ vodim-panjaitra tokoa ve
A/tra:
Fa aiza ny finoanao ry Ika:-w
Ika:
dia hoe avela in 490 izany dia avy eo dia tsy ankamela intsony
A/tra:
k refa tsy amela d tsory ny resaka e
:roll::°):-P^:^
8. pissoa ( 04/10/2007 18:43)
=))=))=))=))=))
9. ikaretsaka ( 04/10/2007 18:46)
ny ahy ra simplex andriamnitra ny finoako dia hoe sarotra ho an'ny mpanakarena.. fa tsy mila rameva miditra any loatra aho fa efa kopy zany za hoe sarotra ko :wink: fa tsy hoe anaovy demonstration za vao kopy

Simplex: na nosoloiny x--->linfini aza ilay 77x7 efa kopy koa aho fa mila mamela foana izany ka! fa mba nasiany limit teto fa tsy ampy ny feuilles!:wink:
10. ikaretsaka ( 04/10/2007 18:49)
fa tsy hoe andraso aloha m'se Jesoa
aiza ny fanjaitra de ento aty ny rameva de eto aty bill gates dia ity misy fanjaitra dia ataovy k'lo raha tafiditra!
11. simplex ( 04/10/2007 19:20)

:D:D:D
vazivazy fotsiny fa azoko ny tian'la lazaina k. :)

fa misy miteny hoe ny an'A/tra mifanohitra @ hevitry ny ol foana. Ohatra hoe 1 segondra 100 taona @ ol. vody fanjaitra mety hoe fanjaitra glady be zany :°):P
12. ikaretsaka ( 04/10/2007 19:26)
na mety ho fanjaitra mahagaga
rehefa rameva de lasa ngoooozave lery fa rehefa kely de...
HS isika fa aleo hiverina @ zay
13. fijo ( 04/10/2007 20:16)
mino aho fa voavaly ilay fanontania nary niryna an;rehefa miresaka amin'ny olona tsy mahalala zavatra firy dia ny ohatra no mora hampitana resaka.aza hadino,fa i jesoa dia toa ny olona mpitondra sekta rehetra.olona misaina.
14. rabilabila ( 04/10/2007 20:45)
Ny "paraboles" ry niryna dia talentan'ireo mpanao politika (au sens large) rehetra .
'Fô dire que c'est un excellent politicien qui sait manipuler les mots pour marquer les esprits.

Parabole iray nataony :

1 Ary niteny taminy Izy ka nanao fanoharana hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanimboaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana ary nanao tilikambo, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia lasa nankany an-tany hafa izy.

2 Ary nony tonga ny fotoana, dia naniraka mpanompo anankiray izy hankany amin'ny mpiasa tany handray amin'ny vokatry ny tanimboaloboka.

3 Fa ireo nisambotra ilay mpanompo sady nikapoka azy ka nampiala azy maina.

4 Ary izy naniraka mpanompo anankiray koa ho any aminy indray, fa io koa, dia noratrainy ny lohany, ka nalany baraka izy.

5 Ary naniraka anankiray koa izy, fa io kosa indray dia novonoiny ho faty; ary maro koa no nirahiny, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny ho faty.

6 Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zanani-lahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.

7 Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova.

8 Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan'ny tanimboaloboka.

9 Koa ahoana no hataon'ny tompon'ny tanimboaloboka amin'izany! Ho avy izy, dia handringana ny mpiasa tany, ka homeny olon-kafa ny tanimboaloboka.
Matio 21:33-40

Mais quelle parabole sanguinolante ou sanglante (comme on veut ),evidemment ,variana daholo ny mpihaino amin'ilay scenario .:wink:
15. fijo ( 04/10/2007 21:06)
ka lery koa mpanao sinema ka.
aza hadino fa i jesoa anie ka olona nisaina e,raha tsy izany tsy nahasarika vahoaka maro.hainy ny nanova ny ratsy taminy hanjary hampalaza azy.
ohatra zazasary izy,dia mody novainy ny resaka hoe andriamanitra no nanao azy.(soa fa tsy nisy testa ADN tamin'izany fotoana fa hoainina tao ny akama.
16. fijo ( 04/10/2007 21:08)
adinoko kely ,ny baiboly dia be loatra ny "hyperbole"ka tandremo hoan'ireo mpitsimpona ao
17. Fiffi ( 04/10/2007 21:16)
simplex: :-D:-D:-D:-D
18. ikaretsaka ( 05/10/2007 00:22)
dia miverina t@ resaka t@ herintaona e.. ny baiboly de tsy tsiponina ara-bakiteny fa natao ho fangalana concept..
izay amiko ny tena definition an'ny hoe mandinika baiboly.
tadidio fa samihafa ny mpamaky baiboly sy ny mpandinika baiboly.
ny mpamaky akory tsy midika hoe mpandinika saingy ny mpandinika kosa mila mamaky (satria inona ary no dinihiny eo)
19. kiranil ( 05/10/2007 01:20)
Hoy Jesosy Kristy :

Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala.

Dia tanteraka aminy ny faminanian' Isaia, izay manao hoe: " Handre mandrakariva ihany hianareo, fa tsy hahafantatra; Ary hijery mandrakariva ihany hianareo, fa tsy hahita;

Fa efa adala ny fon'izao olona izao. Ary efa lalodalovana ny sofiny, Ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ka hahalala ny fony, Dia hibebaka izy, Ka hahasitrana azy Aho" ( Isa.6.9.10).

Misaotra.
20. bozyboleta ( 05/10/2007 05:16)
Izay no maha-mpampianatra an'i Jesoa. Rehefa mampita na manazava lesona ny mpampianatra de mandray ohatra foana mba hahamora ny fahazoan'ny mpianatra azy.
Io lazain'i rabilabila io zao de entiny hanazavana ny toetry ny jiosy zay efa fantatr'i Jesoa fa hamono Azy,ary Izy lay mpandova resahiny @ io ohatra io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0447