Fanoharana

61. Rasiligaoma ( 08/10/2007 04:58)
isika olombelona koa manao fanoharana anie.
Blanc comme la neige
Ngeza ohatran'ny varatra.
na ireo ohabolala sy proverbes be dia be amintsika Malagasy fotsiny aza! dia ampiasaintsika ho ohatra ny fiainana andavanandro.
Fanambarana fahendrena ny fanoharana amiko.
nanam-pahendrena ny Ntaolo, nanam-pahendrena i jeso matoa izany no nampiasainy hampitany ny hafatra ho antsika
62. vavolombel ( 08/10/2007 18:52)
amiko ny fanoharana dia ampiasaina mba hanakaikezana amin'izay tiana hambara,hitaritana ny saina,ary araka ny niveau intelectuel koa manko io,mety mbola tsy zakan'ny vahoaka tamin'izany fotoana izany loatra ny teniny raha tsy amin'ny alalan'ny fanoharana,ary miampy izay voalazako izay ilay teniny manao hoe:mbola manana zvtr betsaka aho ho lazaina aminareo fa tsy zakanareo ankehitriny!
63. niryna ( 10/10/2007 04:05)
rabilabila:


niryna>>>>

Vao maika mahafaly ahy ny miteny ny soratra masina ka indrindra fa misy mpanohitra,matoa toheriny dia misy tsy fantany ao ,



Ianareo ve ry niryna mba mahay mamaky teny sa ahoana a!! Efa novaliako io hoe:
Et d'un tsy manohitra izahay fa mitsikera

ROMANA 10
14 Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory?

15 Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: "Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly?" (Isa. 52. 7).

16 Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: "Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay?" (Isa. 53. 1)

17 Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.

18 Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa "Efa nivoaka ho any amin'ny teny rehetra ny feony, Ary ny teniny hatramin'ny faran'izao rehetra izao" (Sal. 19. 4).



Dia ny anao ihany ihany no hanajàko anao:

:"lioka19,27 :Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento aty, ka vonoy eto anatrehako "


Ka rahoviana ny "bûcher" ry niryna ? Ataovy bebe ny kitay fa araky ny filazanao ary ambadika ary dia :efa mihamaro izahay ato.

Ary averiko eto foana ity mandra-pahazonao azy :
C'est vous qui avez besoin de vous multiplier ,de convaincre ,de prouver ,mais prouver quoi ? que dieu existe ? C'est vous qui en éprouviez le besoin . Nous ,on ne fait appel qu'à la raison et à l'intelligence!!!



:D:D Tsy maninona izay fandraisanao azy ka,amiko na isika miaraka aminy na isika manohitra aminy na mitsikera aza dia efa tsy miaraka aminy,satria raha miaraka aminy tsy ho any amin'ny side hafa mihitsy:roll:
64. niryna ( 10/10/2007 04:09)
ikaretsaka:

niryna:


hoy aho :Misy ilavana azy tokoa ny baiboly fa tsy vakiana fotsiny sy tsimponina izay andalandalana tiana fa jerena sy dinihina ara-concept..

izay ilay lazaiko io ambony io hoe samihafa ny mamaky baiboly sy ny mandinika ny baiboly


NOvalianao hoe

ika ahoana aloha izany no fomba hitorinao ny tenin'Atra? Ny fantatro amin'izao aloha dia misy olona tsy mino an'Atra ato ary ireo no mitady hamitaka ny finoana kristiana ka miteny antsika hoe miala amin'ny fivavahana.Na isika miaraka amin'ny kristy dia olom-baovao isika rehetra.Izay ilay hoe iray ao amin'ny kristy,iray ao amin'Atra ,iray ao amin'ny FM .


Ny fomba hitoriako an'Andriamanitra? fantariko amin'ny alalan'ny zavatra rehetra A/tra fa tsy tsimpotsimponiko ao anaty baiboly ihany fotsiny, izany no ianarana theology. @ izay aho mahita ny approche rehetra momba Azy sy mahazava izay fanontaniana. Fantatro izy ara tantara, ara pilozofia araky ny maha deity azy, sns.. fa tsy voafetra ao anaty boky fotsiny dia ao no tsimpotsimponina!

http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m46f8fb0077aee





Ampiharina ny tenin'Atra ry ika a,ary tokony ho fantatrao tsara izany.Raha amboa lambo no miaraka amiko dia lasa mivadika amboa lambo koa aho na dia tsy mivadika aza aho fa miaraka aminy lava eo.
Toy izany koa ny tenin'Atra,ny famakianao,ny fihanoanao,ny fampiasanao azy dia taratra lehibe hilazana fa zanak'Atra hianao.Ahoana koa izany hoe olona tia an'i Kristy izany kanefa tsy tia mamaky baiboly,kely ny finoako.=))
65. niryna ( 10/10/2007 04:14)
andryrabe:

lalina izany!!!!8O


Arakaraky ny hirobohanao tokoa no mahalalina azy sy ahitanao fahasambarana.Midera an'i Kristy amin'ny foko manontolo aho ary tsy menatra aho ny milaza ny fitiavako azy.
niryna:

: Fitiavana Sarobidy/(My Special LOVE)!!!!
Lasa nanao asa tany ivelany ity vadin'ny ity namako.Faly ery izy nandray taratasy avy tany amin'ny vadiny ary faly koa izy nizara ny fifaliany tamiko Mamy ery ny fitiavan'izy roa satria misy zavatra hifandraisany ao ka izany no manamafy orona ny tokantranony sy mampifaly azy lava.Sasatra izy mamaky ilay taratasin'olontiany foana..

Toy izany koa aho,faly aho manana an'i Kristy ka zaraiko aminareo izany fifaliako izany,mizara ho antsika rehetra tsy an-kanavaka aho.Mamiko kristy,tiako Izy,tsy misaraka amiko na andro na alina ny teny maminy,tsy mitsahatra misaotra Azy aho na inona mitranga,na aiza toerana misy ahy,midera sy mankalaza ny anarany aho noho ny famonjeny nomeny ahy.Tsy ho voavidiko vola ny fahasoavana azoko taminy.
-Tsy menatra aho ny hilaza fa tia Azy aho,izany no hiantsoko Azy foana,izany no hiresahiko azy foana,izany no hitantaraiko @ olona foana ny fahasoavany,ny fitiavany,ny famonjeny ahy.
-Mijoro aho satria fantatro fa ny hazofijaliana no nanafaka ahy tamin'ny fahotako.Mino izany aminao koa aho.
Nanavotra ahy Izy ary nanafaka ahy tamin'ny ziogan'ny fahotana.
-Izay rehetra nataony tamiko dia efa nataony tamin'ireo olona marobe sy mbola naniraka ny Fanahy Masina ihany koa Izy hanampy ireo izay mino Azy ka mihoatra ny nataony taminy no ataony(miely eran-tany ny mpitory Azy).
Maro ireo sitrana noho ny finoana Azy,ireo nampijalian'ny fanahy maloto ka sitrana soa aman-tsara,ireo maratra ara-batana na fanahy dia mbola nahazo hery sy tanjaka ary fanantenana ihany koa.Na ny dokotera aza dia mino sy mivavaka vao mandidy ny marary,eran-tany ny fiderana azy.
Tsy misy olona teto an-tany na iray aza nahavita izany tamiko sy taminao.
Mankasitraka sy misaotra Azy amin'ny foko manontolo aho noho ny fahasoavana nomeny ahy sy hianao ary izay mbola mitady Azy.
Jesus!!! I LOVE YOU SO MUCH
Ny anabavinao
niryna
66. niryna ( 10/10/2007 04:20)
Rasiligaoma:

isika olombelona koa manao fanoharana anie.
Blanc comme la neige
Ngeza ohatran'ny varatra.
na ireo ohabolala sy proverbes be dia be amintsika Malagasy fotsiny aza! dia ampiasaintsika ho ohatra ny fiainana andavanandro.
Fanambarana fahendrena ny fanoharana amiko.
nanam-pahendrena ny Ntaolo, nanam-pahendrena i jeso matoa izany no nampiasainy hampitany ny hafatra ho antsika


Marina izany ary Kristy manao fanoharana satria ho mora ho antsika ny mandray azy ary tena misy amin'ny fiainana ilay ohatra ataony.
Misy anefa fanoharana izay lazainy fa ireo izay mino azy ihany no mahalala fa ireo tsy mino azy dia tsy mahalala.
Ao ihany koa ny finoana izay kely toy ny voatsinampy sy ny finoana rehefa tena mino na dia ny tendrombohitra aza dia mifindra:roll::D
Io ilay finoana izay tena impossible amintsika olombelona kanefa raha mino dia marrrrroooo dia maro ny zavatra tsy noeritreretantsika ho vita na hanampian'Atra antsika kanjo vitany tokoa izany.Io ilay fanoharana tendrombohitra.Mino aho fa maro no efa nomeny izany fahagagana izany akoatran'ny izaho izay miteny izao.:D
67. niryna ( 10/10/2007 04:30)
vavolombel:

amiko ny fanoharana dia ampiasaina mba hanakaikezana amin'izay tiana hambara,hitaritana ny saina,ary araka ny niveau intelectuel koa manko io,mety mbola tsy zakan'ny vahoaka tamin'izany fotoana izany loatra ny teniny raha tsy amin'ny alalan'ny fanoharana,ary miampy izay voalazako izay ilay teniny manao hoe:mbola manana zvtr betsaka aho ho lazaina aminareo fa tsy zakanareo ankehitriny!



=D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1719