mandoza ! mandoza ny katolika!tonga i Vavolombelllllllll!

1. vavolombel ( 20/09/2007 10:02)
tsy manana reny Jehovah A/TRA ary tsy nivoaka avy amin'ny valahan'iza!
-inty aho ankizivavin'ny Tompo aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao,io no voalaza ao amin'ny baiboly(lioka1:38),fa tsy voalaza ao kosa le mot hoe:renin'Andriamnitra, ankizivavin'Andriamnitra no voalaza ao fa tsy reniny,raha tsy hoe ny katolika angah mahay mihoatra an'i M.Maria!,par consideration no ilazan'ny katolika fa renin'A/TRA IZY,fa tsy resaka realite mihintsy,
-zavatra telo no ilazana an'i Jesosy ao amin'ny baiboly:
-1) zanak/Andrimanitra
-2) zanak'olona
-3)zanak'ondry
ka maninona i Masina Maria no tsy ataonareo katolika koa hoe renin'ondry?
-ary araka ny resaka atsy @ forum:hoe mitovy amin'A/TRA I M.Maria ,raha mitovy amin'A/tra IZY :MANINONA ARY IANAREO TSY MIVAVAKA AMINY DIRECT ,FA MBOLA MAMPIASA MOT:HOE MIVAVAHA HO ANAY MPANOTA! ANDRIAMNITRA ANGAH MIVAVAKA SA IVAVAHANA,RAHA MIVAVAKA IZY DIA MIVAVAKA AMIN'IZA?
-Inona ity fampianarana azonareo katolika ity e?
-ampanambadio ny pretra-nareo fa tsy ampy vaviny fa mikorontana ny fahazoany.S.M izay vakiany aminareo,sady tsy ho calme mihintsy lery raha tsy manambady!
novalian'i piton ny 08/11/2007 09:07
2. tywa68 ( 20/09/2007 10:18)
Fampianarana tsarabe, fa hodiana tsy hita e :lol:
3. booboo ( 20/09/2007 10:21)
Noheveriko fa diavolana ny andro no mampisahotaka an'i Vavolombel tahaka an'io...:roll:
4. Fiffi ( 20/09/2007 10:34)
mbola bdb ny zavatra tsy hainao ry vavolombel.....rehefa misy "E" le vavolombel.....ngamba vao....:-D:-D
5. tsaramaso ( 20/09/2007 10:35)
ka maninona i Masina Maria no tsy ataonareo katolika koa hoe renin'ondry?
hahahahahaaahahaha !!!!!! aoka e !!!!!
6. Fiffi ( 20/09/2007 10:37)
na io ondry io aza tsy hainao ny dikany ry vavolombel ka mila mianatra kalou........
7. hery ( 20/09/2007 10:56)
Raha olona nahita fianarana tsy manoratra tahaka an'io nolazain'i Vavolombel io :-)

Na izany aza hovaliana ihany.

- Tsy miteny izahay katolika hoe manana reny Jehovah (raha nisy niteny an'izany dia tsy Katolika izy)

- Tsy niteny koa izahay fa Maria dia Renin'i Jehovah fa renin'i Jesoa (Raha Jehovah indray i Jesoa aminao dia tsy afaka mifampiresaka momba izany intsony isika)

- Tsy niteny ny Katolika hoe Andriamanitra na mitovy amin'Andriamanitra i Maria. Tsy katolika izay miteny an'izany.

Dia inona amin'izay no olana? :-)
8. Mandefitra ( 20/09/2007 11:15)
Tsy miteny izahay katolika hoe manana reny Jehovah (raha nisy niteny an'izany dia tsy Katolika izy)

- Tsy niteny koa izahay fa Maria dia Renin'i Jehovah fa renin'i Jesoa (Raha Jehovah indray i Jesoa aminao dia tsy afaka mifampiresaka momba izany intsony isika)

- Tsy niteny ny Katolika hoe Andriamanitra na mitovy amin'Andriamanitra i Maria. Tsy katolika izay miteny an'izany.


Tsisy olana hatreo :) Itovizantsika io.
ny fanontaniana de hoe raha miteny ny Katolika hoe Andriamanitra, iza no tiany hotondroina @ io? Jesoa ve, Jehovah ve? sa Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina?
9. hery ( 20/09/2007 11:41)
Mandefitra> Rehefa miteny ny tsy Katolika dia iza no tiany holazaina?
10. pissoa ( 20/09/2007 11:45)
Vavolombelona ! hay ve misy olona tsy mahay mamaky teny eto amin'ny serasera e :-D:-D:-D
11. Mandefitra ( 20/09/2007 11:56)
hoy Hery:
Mandefitra> Rehefa miteny ny tsy Katolika dia iza no tiany holazaina?

Fetsy be an ... Misaotra e.
Katolika klo zao no dinika ka. :-P
12. Fiffi ( 20/09/2007 11:57)
pissoa:

Vavolombelona ! hay ve misy olona tsy mahay mamaky teny eto amin'ny serasera e :-D:-D:-D
fa mahay manoratra ve akia ry pissoa ? :-D:-D


13. hery ( 20/09/2007 12:00)
Mandefitra> te ho katolika koa? :-)
14. Mandefitra ( 20/09/2007 12:08)
Hery> efa Kristianina ka.
Sady efa niverimberina foana hoe tsy ny anaram-piangonana no hahazoana famonjena fa ny finoana an'i Jesosy Kristy ...
Ny fanantenana moa zany de hoe an'i Kristy aho hatreto ka hatrary. :)
15. ari.malala ( 20/09/2007 12:08)
vavolmbel:
-zavatra telo no ilazana an'i Jesosy ao amin'ny baiboly:
-1) zanak/Andrimanitra
-2) zanak'olona
-3)zanak'ondry
ka iza le niteraka azy ry vavolmbel, ts olona ve? fanga i Masina Maria tsy olona? sa sanatria biby izy iny? tsy nivoaka avy t@ valahan'iza hoy ianao, fa nga ndray tsy natera-behivavy i Jesoa? ataoko ity na any @ fiekem-pinoanareo tsy katolika aza misy hoe naterak'i Maria Virjiny? :-D:-D:-D:-D
16. pissoa ( 20/09/2007 12:15)
Mandefitra:

Hery> efa Kristianina ka.
Sady efa niverimberina foana hoe tsy ny anaram-piangonana no hahazoana famonjena fa ny finoana an'i Jesosy Kristy ...
Ny fanantenana moa zany de hoe an'i Kristy aho hatreto ka hatrary. :)


ka inn no mbola mampa-be resaka mikasika ny kristianina katolika ra zany ^^^^^^
17. Mandefitra ( 20/09/2007 12:20)
de tsy mahazo miresaka ve? :wink:
Valio ty fanontaniana ty ra Kristianina Katolika Pissoa fa tsy mety mamaly i Hery :
"ny fanontaniana de hoe raha miteny ny Katolika hoe Andriamanitra, iza no tiany hotondroina @ io? Jesoa ve, Jehovah ve? sa Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina?"
18. Kwasi ( 20/09/2007 12:25)
vavolombel> Sao dia mba tokony handalina aloha ianao vao mitsikera fa tsy manao ambolony hoatra an'io.
19. pissoa ( 20/09/2007 12:26)
Tsy ny famaliana an'io no mampaKristianina Katolika anah :-D:-D:-D

Amin'ny Katolika fotsiny dia tena Andriamanitra ny Ray, tena Andriamanitra ny Zanaka ary tena Andriamanitra ny Fanahy Masina. Tsy Andriamanitra kosa i Masina Maria fa Renin'Andriamanitra saitra (averiko indray) tena Andriamanitra i Jesoa zanany.
20. hery ( 20/09/2007 12:34)
Mandefitra> tsy hoe tsy te hamaly aho fa mba efa mpanaraka an'i Jesoa koa
http://baiboly.katolika.org/boky/Matio/21/23-27
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1515