Kato sa prote sa sekta:mampiova finoana an'i Kristy ve sa ..

1. niryna ( 28/08/2007 17:29)
Mba fanontaniana manitikitika ahy ity ry ireto,toa heno ombieny ombieny foana raha vao miresaka na mitory teny ny ankizy ato dia io fanontaniana io foana no tonga aloha.
Ny fahalalana izany ve mampiova zavatra sa inona no antony mahatonga ilay fanontaniana?

Tsy hoe samy mino an'i Kristy daholo ve aloha ireo e

Misaotra betsaka ary ba mamikely ho antsika rehetra:*

(l)niryna
2. ikaretsaka ( 28/08/2007 17:37)
Ie, mampiova...

satria ny ankamaroany dia "izay tiany sy mahafinarinaritra azy @ ara pinoana ihany no tena dradradrainy sy indraindrainy fatratra, fa izay hitany fa tsy azoazony na mety hanahirana ny sainy diana ataony heo tsy tiany, na tsy ekeny mihitsy na odiany fanina tsotra izao..."

dia nisy ilay olona noteneniko io ambany io niteny hoe:

"raha izay tianao sy mahafinaritra anao @ ara pinoana ihany no ekenao, fa raha ilay tsy azoazonao amin'ny ara-pinoana dia na arianao na odianao fanina, dia tsy i Jesoa intsony no inoanao fa ny tenanao"

If you believe what you like in the faith of Christ, and reject what you don't like, it is not Christ you believe, but yourself
3. pissoa ( 28/08/2007 17:44)
Mety samy milaza fa mino an'i Kristy daholo ny fiangonana sy ny olona tsirairay fa :

1 - ny inoany amin'i Kristy dia tsy mitovy. Ohatra hoe amin'ny sasany i Kristy dia Andriamanitra, amin'ny hafa tsia.

2 - ny fomba inoana an'i Kristy koa tsy mitovy. Ny sasany ohatra vao mahay andalana vitsivitsy ao amin'ny baiboly izy dia mihevi-tena fa fara-tampony amin'ny fahamasinana sy fahalalana an'Andriamanitra. Ny hafa kosa na efa ny fiainany iray manontolo aza no hanarahany an'i Kristy amin'ny fitiavana sy fanompoana dia mbola mahatsiaro lavitra an'i Kristy ihany izy noho ny antony samihafa.

3 - misy tsy mino akory an'i Kristy akory ! Ny finoana an'i Kristy amin'ny sasany ohatra dia mitovy amin'ny anti-papisma ! :-D:-D:-D

Ka raha hoe adi-hevitra eto no resahina dia mampiova zavatra koa le izy.
4. ikaretsaka ( 28/08/2007 18:09)
miombon-kevitra @ pissoa
5. bosista ( 28/08/2007 18:12)
amiko indray raha ohatra fantatrao tsara ny lalana izoranao fa mety ,ary ny lalana izay izoran'ny namanao fa tsy amin'ny tokony ho izy,amiko fiatiavan-tena izany raha ohatra ka tsy mitarika sy tsy manitsy azy ianao, fa mba tokony taritina kosa le oll par le meilleur facon, fa tsy amin'ny teny mandratra ohatra!
tsara ny fisiana adihevitra ny mikasika an'i kristy ohatra satria araka ny voalaza ery ambony dia samy manana ny fandraisany azy io,fa raha ohatra le oll eto samy manazava ny heviny, oh ireo izay milaza azy ho A/TRA dia izao sy izao ny foto-keviny oh,ary ireo izay milaza azy ho zanaka, mpaminany sns de izao sy izao ny fotokeviny amin'izay fotoana izay dia ho hita eo foana ny an'iza ny raisonnement-ny no mafonja kokoa, eny fa na dia tsy miteny izy hoe ny azy no marina fa mazava ho azy foana io
6. ikaretsaka ( 28/08/2007 18:22)
izay manko!
fa misy koa ilay hoe mivantana anie ry bosista no mahatonga saina ny olona kokoa e.
7. fijo ( 28/08/2007 22:04)
mety hanova tokoa ry niryna.
ny sekta mantsy "matetika"misy tanjona vola ao ambadika.ary manova resaka mazana.tsy voatery ho ratsy ny tanjony,fa matetika kosa izy"sekta" dia manimba ny sain'ny mpomba azy.
8. Kwasi ( 28/08/2007 23:17)
Mba fanontaniana manitikitika ahy ity ry ireto,toa heno ombieny ombieny foana raha vao miresaka na mitory teny ny ankizy ato dia io fanontaniana io foana no tonga aloha.
Ny fahalalana izany ve mampiova zavatra sa inona no antony mahatonga ilay fanontaniana?


io amiko dia hi-cadrer-na an'ilay olona ho izao io na izao, tonga dia miala any prejuge. Dia avy eo @ izay hanindrotsindrona sy hamelively ilay iray fotsiny. Ka ny zavatra ovain'ilay izy dia ny fizotry ny adihevitra (lasa adin'ny moana sy marenina) fa tsy dia ilay finoana loatra akory.
9. fijo ( 28/08/2007 23:20)
ny fomba fandraisana ny zavatra vakiana ko amihova ka.ny sekta dia mandray arabkiteny.ny mpino sasany mba mandinika ihany.
10. ikaretsaka ( 28/08/2007 23:33)
Kwasi:

Hoy ilay olona
Mba fanontaniana manitikitika ahy ity ry ireto,toa heno ombieny ombieny foana raha vao miresaka na mitory teny ny ankizy ato dia io fanontaniana io foana no tonga aloha.
Ny fahalalana izany ve mampiova zavatra sa inona no antony mahatonga ilay fanontaniana?


novalianao hoe:

io amiko dia hi-cadrer-na an'ilay olona ho izao io na izao, tonga dia miala any prejuge. Dia avy eo @ izay hanindrotsindrona sy hamelively ilay iray fotsiny. Ka ny zavatra ovain'ilay izy dia ny fizotry ny adihevitra (lasa adin'ny moana sy marenina) fa tsy dia ilay finoana loatra akory.
[/quote]
amiko indray io hahafahana manolotra valinteny sy opinion mazava mifanentana @ ilay finoana satria efa hita mazava fa samy manana ny fijeriny koa rehefa resa-pivavahana...
ny fijerin'ny kristianina sy ny tsy mino momba ny zavatra 1 kosa ohatra dia tsy hitovy mihitsy e e


11. booboo ( 28/08/2007 23:33)
Mampiova raha mihitsy :
-ndrai² tondé misy mitsara hoe tsy tena kristiana ny tsy mitovy fg iangonana amin'ny sasany (asa ao amin'ny fg misy azy ihany angamba Atra no mitoetra)
-ndrai² tondé voahilika tsotra zao @ sehatra sasany satria tsy tafiditra anatin'ny "moule" n'ny fg zao sy zao
-misy "borné" @ hoe protestanta mira zao sy zao na katôlika mira zao sy zao na silamo mira zao sy zao dia tsy mety mahita ny maha samy asa-tanan'Atra ilay olona hafa finoana manoloana ny tena
-misy mitana lolom-po na alahelo @ fihetsiky olona iray dia aminy zay mitovy finoana @ iny olona iny dia nazes aby zay (ny sasany izany mbola tavela any Moyen Age ny t@ nisintahan'i Lotera t@ fg katôlika)
-sns.

Izay ny ahy no tsy hitenanako tsony hoe fg inona no nitaizana sy mbola mitaiza ahy ara-panahy hatr@ zao fa hitako "sakana" tsy mampivelatra ho @ hafa ilay izy matetika...

12. Mitah ( 29/08/2007 03:55)
ikaretsaka:

Ie, mampiova...

satria ny ankamaroany dia "izay tiany sy mahafinarinaritra azy @ ara pinoana ihany no tena dradradrainy sy indraindrainy fatratra, fa izay hitany fa tsy azoazony na mety hanahirana ny sainy diana ataony heo tsy tiany, na tsy ekeny mihitsy na odiany fanina tsotra izao..."

dia nisy ilay olona noteneniko io ambany io niteny hoe:

"raha izay tianao sy mahafinaritra anao @ ara pinoana ihany no ekenao, fa raha ilay tsy azoazonao amin'ny ara-pinoana dia na arianao na odianao fanina, dia tsy i Jesoa intsony no inoanao fa ny tenanao"

If you believe what you like in the faith of Christ, and reject what you don't like, it is not Christ you believe, but yourself




Tsy mitombona izany,raha tsy mifanaraka ny anao dia tonga dia mitsara fotsiny ianao sy ianareo mantsy e.Koa raha izay tianareo ihany no tianareo aiza ny teny nomen'i Kristy?
13. Mitah ( 29/08/2007 03:57)
bosista:

amiko indray raha ohatra fantatrao tsara ny lalana izoranao fa mety ,ary ny lalana izay izoran'ny namanao fa tsy amin'ny tokony ho izy,amiko fiatiavan-tena izany raha ohatra ka tsy mitarika sy tsy manitsy azy ianao, fa mba tokony taritina kosa le oll par le meilleur facon, fa tsy amin'ny teny mandratra ohatra!
tsara ny fisiana adihevitra ny mikasika an'i kristy ohatra satria araka ny voalaza ery ambony dia samy manana ny fandraisany azy io,fa raha ohatra le oll eto samy manazava ny heviny, oh ireo izay milaza azy ho A/TRA dia izao sy izao ny foto-keviny oh,ary ireo izay milaza azy ho zanaka, mpaminany sns de izao sy izao ny fotokeviny amin'izay fotoana izay dia ho hita eo foana ny an'iza ny raisonnement-ny no mafonja kokoa, eny fa na dia tsy miteny izy hoe ny azy no marina fa mazava ho azy foana io



=D=D=D fa tsy ho voatery hoe andao aloha aho hanoko saplet? Toa hafahafa be ilay fiteny izany toa dadarabe no filazan'ikaretsaka ilay izy
14. ikaretsaka ( 29/08/2007 04:25)
samihafa ny hanoko saplet sy ny hanao toko saplet aloha.. ianaro aloha fa vao any ianao dia diso
15. ikaretsaka ( 29/08/2007 04:28)
ka ilay teny nomen'i kristy koa ange ry mitah tafiditra ao anatiny e.. betsaka no hoe izay titiany sy metimety @ fiainany ihany no raisiny sy tsiponiny @ ireny teny ireny fa izay tsy azoazony na manelingelina ny reviny dia any iny!
ka tsy marina ve ary izany?
16. Mitah ( 29/08/2007 04:46)
pissoa:

Mety samy milaza fa mino an'i Kristy daholo ny fiangonana sy ny olona tsirairay fa :

1 - ny inoany amin'i Kristy dia tsy mitovy. Ohatra hoe amin'ny sasany i Kristy dia Andriamanitra, amin'ny hafa tsia.

2 - ny fomba inoana an'i Kristy koa tsy mitovy. Ny sasany ohatra vao mahay andalana vitsivitsy ao amin'ny baiboly izy dia mihevi-tena fa fara-tampony amin'ny fahamasinana sy fahalalana an'Andriamanitra. Ny hafa kosa na efa ny fiainany iray manontolo aza no hanarahany an'i Kristy amin'ny fitiavana sy fanompoana dia mbola mahatsiaro lavitra an'i Kristy ihany izy noho ny antony samihafa.

3 - misy tsy mino akory an'i Kristy akory ! Ny finoana an'i Kristy amin'ny sasany ohatra dia mitovy amin'ny anti-papisma ! :-D:-D:-D

Ka raha hoe adi-hevitra eto no resahina dia mampiova zavatra koa le izy.



Ka ahoana tokoa moa ilay atao hoe mino an'i kristy?
Tsy manao izay toroteny noteneniny ? Manaraka ny didy folo miampy ny didy vaovao? ka raha tsy izany dia tsy mpanaraka an'i kristy ilay fivavahana fa ny anarany fotsiny no tenenina lava eo tokoa.
Miova ny adi-hevitra satria ny olona tsy nampianarina namaky baiboly fa izay nolazaina no nisisika tao an-dohany dia izay tsy misy na tsy manana ny Fanahy Masina ao aminy izay,lasa nandositra ilay Izy satria tsy nifanaraka ny tenin'Atra no ataony.Fantatrao ny tiako ho tenenina
17. Mitah ( 29/08/2007 04:48)
ikaretsaka:

miombon-kevitra @ pissoa



:-$
18. ikaretsaka ( 29/08/2007 04:51)
ny mino an'i kristy dia manao izay teneniny fa tsy manao heo izao tsy azoazo ny fijery momba izao zavatra izao dia tsy atao dia tena revirevi sy ankasitrahana ny voalazany momba zavatra iray hafa dia iny no tabatabaina sy tatatataina sy toritoriana!
19. Mitah ( 29/08/2007 04:51)
fijo:

mety hanova tokoa ry niryna.
ny sekta mantsy "matetika"misy tanjona vola ao ambadika.ary manova resaka mazana.tsy voatery ho ratsy ny tanjony,fa matetika kosa izy"sekta" dia manimba ny sain'ny mpomba azy.

Toa tsy ny sekta izany ka,misy fiangonana matanjaka be eran-tany voadidina tendrombohitra fito,ao no hivoaka ny mpankahala an'i Kristy ary efa voasoratra io fa tsy ny sekta ilay izy.Ary ho maro hoy ny teny ny hanohitra izay voasoratra ao anaty baiboly dia efa ireo mivoaka ireo ilay izy izao.

20. ikaretsaka ( 29/08/2007 04:52)
ny voasoratra ao anaty baiboly rehetra ve io sa izay tiatiana fotsiny?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9262