Kato sa prote sa sekta:mampiova finoana an'i Kristy ve sa ..

21. LazaDaddy ( 29/08/2007 05:51)
niryna>

1) Tsy mampiova ny Fahamarinana momba an'i Kristy ny anaram-piangonana sy ny finoan'ny tsirairay.

2) Ny finoana an'i Kristy, raha Kristianina, dia natao hiova isan'andro: natao hitombo sy hihatsara.

3) Ireo vondrom-piangonana lehibe dia samihafa ny finoany an'i Kristy. Eny fa na ao anatin'ny fiangonana iray aza dia samihafa ny finoan'ny mpikambana ao an'i Kristy. (Saingy tsy mampiova an'ilay Kristy voalaza ao anaty Baiboly izany)

4) Ny "identification" an'ny olona iray amin'ny anaram-piangonana (na inona io na inona) dia manalavitra azy amin'i Kristy.
22. ikaretsaka ( 29/08/2007 05:54)
pissoa:
ny fomba inoana an'i Kristy koa tsy mitovy. Ny sasany ohatra vao mahay andalana vitsivitsy ao amin'ny baiboly izy dia mihevi-tena fa fara-tampony amin'ny fahamasinana sy fahalalana an'Andriamanitra. Ny hafa kosa na efa ny fiainany iray manontolo aza no hanarahany an'i Kristy amin'ny fitiavana sy fanompoana dia mbola mahatsiaro lavitra an'i Kristy ihany izy noho ny antony samihafa.
8):wink:

23. mimich ( 29/08/2007 06:00)
ie mampiova raha araka ny fiheverako azy, ireo efa voalaza eo ambony ireo ny antony (ikaretsaka 28-08-2007 19:37:26, pissoa 28-08-2007 19:44:41 , sns mitoviy am reo)
24. pissoa ( 29/08/2007 10:22)
Mitah:
Ka ahoana tokoa moa ilay atao hoe mino an'i kristy?
Tsy manao izay toroteny noteneniny ? Manaraka ny didy folo miampy ny didy vaovao? ka raha tsy izany dia tsy mpanaraka an'i kristy ilay fivavahana fa ny anarany fotsiny no tenenina lava eo tokoa.

Ny finoana an'i Kristy dia tsy resaka manaraka toriteny sy didy fotsiny ! Ka tsy haiko na ianao no tsy nahazo ny teniko na za no tsy mahazo ny teninao ! Ny fahitako azy manokana aloha dia mitovy aminao ny hoe mino sy manaraka ... nefa samihafa be ireo amiko ! ^^

Mitah:
Miova ny adi-hevitra satria ny olona tsy nampianarina namaky baiboly fa izay nolazaina no nisisika tao an-dohany dia izay tsy misy na tsy manana ny Fanahy Masina ao aminy izay,lasa nandositra ilay Izy satria tsy nifanaraka ny tenin'Atra no ataony.Fantatrao ny tiako ho tenenina

Tsy fantatro raha tsy lazainao ny tianao ho tenenina !

Sa ve hoe misy ny olona tsy nampianarina hamaky baiboly fa mamakimaky kely fotsiny ! Na koa hoe omena andalana baiboly vitsivitsy dia mihevi-tena ho tampi-pahaizana ka manao refrain be eny rehetra eny ? Izay no fazahoako azy, dia miala tsiny raha diso fa tsy de tena mahay be laotra ka tsy afaka manakatra ze tinao hotenenina nefa tsy teneninao e :-D:-D:-D
25. pissoa ( 29/08/2007 10:32)
Fijo:
mety hanova tokoa ry niryna.
ny sekta mantsy "matetika"misy tanjona vola ao ambadika.ary manova resaka mazana.tsy voatery ho ratsy ny tanjony,fa matetika kosa izy"sekta" dia manimba ny sain'ny mpomba azy.

Marina be koa io !

Raha ny mpiadi-hevitra eto mantsy ohatra no jerena ankapobeny (tsy nanao fanisana aloha e :-D ) dia ireo voalaza ho sectes any Dago no tena milaza matetika fa tsy mampiova ny finoana ny anaram-piangonana. Ka ny mahagaga dia inona no antony isian'ireny fiangonana kely be dia be ireny raha tsy noho ny finoana "niova" ... tsy resa-bola ve ? Sa tsy zany Mitah ? :-P
26. ikaretsaka ( 29/08/2007 14:31)
eny tokoa hoa... inona tokoa ny mahatonga ireny fiangonana kely bedebe ireny , raha te hidradradradra fa iray ihany?
izany ve de mitombina?
Iray de bedebe?:roll:
27. Kwasi ( 29/08/2007 16:28)
Ny fahitako azy indray dia ny finoana iray ihany fa ny interpretations no samihafa. I Kristy tsy miova fa ny fomba fahitany azy no tsy mitovy, miova arakaraka ny motivation'ilay olona.
28. ikaretsaka ( 29/08/2007 16:45)
de ze tian'ny olona sy mahafalifaly ny fon'ilay olona izany no atao fa tsy ilay nataon'i Kristy sy mnivavahany .. fa interpretena amin'izya mampety ny saina aman'eritreritra dia avy eo mody asiana hoe 'iray ihany' mba hiarovana tena?

eritrereto fotsiny... zavatra misaraka ve de iray.
raha misaraka ve ny mpivady (ilay kristianina) fa nisy ny disadisa sy ny tsy fitovian-kevitra tatty afara ka manan-janaka( ataontsika hoe ilay finoana) dia avy eo hoe an an an 1 ihany isika ramatoa o!:roll:
ireny indrindra no miady any @ tribonaly ny ho tompon'ilay zaza koh!
29. ikaretsaka ( 29/08/2007 16:47)
ohatra 1 koa:
raha misy atody.. dia novakiana dia nasaraka ny tamenany sy ny tapotsiny sy ny akorany.. dia mbola le atody 1 tao anaty korany ve io?
30. niryna ( 29/08/2007 16:48)
ikaretsaka:

eny tokoa hoa... inona tokoa ny mahatonga ireny fiangonana kely bedebe ireny , raha te hidradradradra fa iray ihany?
izany ve de mitombina?
Iray de bedebe?:roll:

Satria notoheriny ny finoana izay nivoana nanaraka ny pagan.Maro io ary ianao mahalala tsara.

31. niryna ( 29/08/2007 16:52)
LazaDaddy:

niryna>

1) Tsy mampiova ny Fahamarinana momba an'i Kristy ny anaram-piangonana sy ny finoan'ny tsirairay.

2) Ny finoana an'i Kristy, raha Kristianina, dia natao hiova isan'andro: natao hitombo sy hihatsara.

3) Ireo vondrom-piangonana lehibe dia samihafa ny finoany an'i Kristy. Eny fa na ao anatin'ny fiangonana iray aza dia samihafa ny finoan'ny mpikambana ao an'i Kristy. (Saingy tsy mampiova an'ilay Kristy voalaza ao anaty Baiboly izany)

4) Ny "identification" an'ny olona iray amin'ny anaram-piangonana (na inona io na inona) dia manalavitra azy amin'i Kristy.


=D=D
misaotra
32. ikaretsaka ( 29/08/2007 16:56)
iza no nitsara hoe manaraka pagan izao finoana izao na izao finoana izao ka tokony hotoherina? tsy ilay nitarika?---> ny tenany no inoany izany!

atao hoe protestant sy ny fiangonana kely bedebe nivoaka tao aminy aza aloha no horaisintsika ohatra voalohany!.. inona no nampisaraka ny sasan( betsaka) t@ izy ireny ka nagatonga azy tsy nanaiky sy nanohitra sy niteniteny hoe nivoana?
tsy ny tenan'ilay heo andao hanangana fiangonana hafa ve?---> ny tenany no inoany @ izany

dia iza no inoanao @ izay... ny tenanao na ny tenan'ilay olona niteny izany ka narahinao??
sa ilay tena namorona dototra izay mahamenatra anao ny mitsotra ka mody afenninao @ ilay hoe "iray ihany"?
eritrereto tsara anie!
33. ikaretsaka ( 29/08/2007 16:58)
dia miverina @ ilay conclusion famehezako azy io.
raha izay mahafinaritra sy ekeken'ny saina ihany no dradradradraina sy indraindraina, fa izay hita fa somary hafahafa na tsy azoazo dia mody apetrapetraka na odiana fanina, dia tsy i jesoa intsony no inoanao @ izay fa ny tenanao
34. niryna ( 29/08/2007 16:59)
Kwasi:

Ny fahitako azy indray dia ny finoana iray ihany fa ny interpretations no samihafa. I Kristy tsy miova fa ny fomba fahitany azy no tsy mitovy, miova arakaraka ny motivation'ilay olona.


sady misy koa manova an'i kristy ho zavatra hafa no alehany voalohany,fa Izy faharoa.
35. ikaretsaka ( 29/08/2007 17:02)
tsy ireo manao ilay"ze ekeken'ny saina ihany" (voalazako io ambony io) ve no manao izany?
36. pissoa ( 29/08/2007 17:02)
tsy azo tsony le resaka ... mampiova ny finoana an'i Kristy ve no tian'ny nanokatra size horesahina sa mampiova an'i Kristy e ? Toa zavatra samihafa be ny fahitako an'reo :oops::oops::oops:
37. ikaretsaka ( 29/08/2007 17:08)
euh... ilay mpanokatra size moa tsy hita be izay ihany matetika ny tiany hahatongavana e !
mivavaha ho azy
38. fijo ( 29/08/2007 21:33)
izay e,i jesoa iray ihany ary ny fiangonana tsy hampiova azy,saingy ny mpino no misy maha samy hafa azy.misy ny mino sy manao izay lazainy.misy kosa ny manao izay ahazoana vola avy amin'izay voalazany.
any le maha sany hafa azy
39. niryna ( 30/08/2007 04:53)
Kwasi:

Mba fanontaniana manitikitika ahy ity ry ireto,toa heno ombieny ombieny foana raha vao miresaka na mitory teny ny ankizy ato dia io fanontaniana io foana no tonga aloha.
Ny fahalalana izany ve mampiova zavatra sa inona no antony mahatonga ilay fanontaniana?


io amiko dia hi-cadrer-na an'ilay olona ho izao io na izao, tonga dia miala any prejuge. Dia avy eo @ izay hanindrotsindrona sy hamelively ilay iray fotsiny. Ka ny zavatra ovain'ilay izy dia ny fizotry ny adihevitra (lasa adin'ny moana sy marenina) fa tsy dia ilay finoana loatra akory.

ka izany no mahalasa saina ahy fa mipetraka foana io,indrindra raha vao namana vaovao dia tsy maitsy tonga foana io fanontaniana io.



40. xxx ( 30/08/2007 04:55)
ikaretsaka:

Kwasi:

Hoy ilay olona
Mba fanontaniana manitikitika ahy ity ry ireto,toa heno ombieny ombieny foana raha vao miresaka na mitory teny ny ankizy ato dia io fanontaniana io foana no tonga aloha.
Ny fahalalana izany ve mampiova zavatra sa inona no antony mahatonga ilay fanontaniana?


novalianao hoe:

io amiko dia hi-cadrer-na an'ilay olona ho izao io na izao, tonga dia miala any prejuge. Dia avy eo @ izay hanindrotsindrona sy hamelively ilay iray fotsiny. Ka ny zavatra ovain'ilay izy dia ny fizotry ny adihevitra (lasa adin'ny moana sy marenina) fa tsy dia ilay finoana loatra akory.

amiko indray io hahafahana manolotra valinteny sy opinion mazava mifanentana @ ilay finoana satria efa hita mazava fa samy manana ny fijeriny koa rehefa resa-pivavahana...
ny fijerin'ny kristianina sy ny tsy mino momba ny zavatra 1 kosa ohatra dia tsy hitovy mihitsy e e



[/quote]


Ny ahy indray hitako eto dia miaraka daholo ilay olona rehefa misy voakitikitika ny tombon-tsoan'ny fiangonany ary tonga dia miara-tezitra daholo izy rehetra:roll::roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2147