Tantara mampalahelo(mother Theresa)......

61. Fiffi ( 28/08/2007 17:12)
xxx:
,aza raharahina izay hevitra sy fitsarana any fa tohizo izay iraka nampanaovina anao.
mahonena mijery anao....asa raha fomba inn zao ? secte ? sa inn ?
"xxx":
aza raharahina izay hevitra
raha zah no teo am toeranao de tsy sahy akory zah hilaza an'io....

io njay zany le ohatran'taloha eh ! tsy misy afatsy ny anareo no marina......tsy azo ahitsy.....tsy azo atao na inn na inn fa toundé hoe mitsara de aza raharahina ny hevitrin'sasany an ? eh ben ! =D=D=D ataoko bravoo mintss......


62. pissoa ( 28/08/2007 17:12)
non ! tsy mino an'zany kalou zah an ! heu....ny tantara de tantara hatrany....ny réalité zavatra hafa....

ka le tantara koa ndraindray refa tsy teny gasy d tsy azo :-P
63. ikaretsaka ( 28/08/2007 17:15)
Mampalahelo ilay izy satria niasa,niasa fotsiny izy fa tsy nikolokolo ny fanahiny.Izy no niteny an'io hoe tsy misy izany fanahy fa toy ny maty.Mitsiky izy fa sari-tsiky fotsiny.

Teo amin'ny asa no nikolokoloiny ny fanahiny ka. ka variana nikolokolo azy io indrindra izy no tsy nananany fotoana nitsikiana


Ny finoana an'Atra izany dia tsy avy amin'ny asa fotsiny fa avy amin'ny fikolokoloana ny fanahy hitady Azy mandrakariva

izay indrindra! fa izany kao tsy midika hoe voakolokolo mandrakizay ny fanahy rehefa mino, fa mila asa hikolokoloina azy
io ilay lazain'i Md jakoba hoe ny finoana tsy arahin'asa dia naman'ny maty.
miasa miasa foana=mino dia mino dia mino foana=mikolokolo fanahy mikolokolo fanahy foana foana

,efa kivy izy vao nanomboka vola vitsy saingy tsy nanana hery ny hiala fa dia nizotra teny,asa aloha fa na nahazo mari-pankasitrahana aza izy dia tsy faly satria"Tsy manana an'i kristy aho hoy Izy".Isika no mitady an'i Kristy dia mahalala fa ao anatiko sy ianao izy,raha tsy ao anatinao Izy dia inona no tokona ataonao?

na ao anaty aza izy dia izay indrindra no hanetrena tena hitadiavana azy foana foana foana, hikolokoloana izay maha ao anatiny azy izay, ny fiheverana azy tsy ho ao anatinao izay indrindra no hikendrena sy hikolokoanao tena mba ho mendrika ny ho ao anatinao izy.. ataoko fanoharana @ tany ihany io, na afafy aza ny voa ka tsy voakolokolo sy voakarakara ny tany dia tsy hamokatra mihitsy. I masera dia nikarakara ny tany, dia namafy ny dimbiny taty aoriana, dia io nahavokatra io

vahiny2004:
Izaho manokana dia mitsiriritra ny olona mangetaheta an'Aa mandrakariva
Izaho koa
64. Fiffi ( 28/08/2007 19:13)
pissoa:

ka le tantara koa ndraindray refa tsy teny gasy d tsy azo :-P
izay indrindra manko.....


65. tywa68 ( 28/08/2007 20:03)
Tena gaga be aho namaky ny valiteny alefanao ry niryna : sarotra amiko ny tonga dia hanaiky hoe marina izany raha tsy misy ny porofo (iza avy izany namana mitaraina very hafatra izany ?)

xxx zao no manohana anao @ zany asa nanirahana anao izany : tsy olana fa tsara mipoitra satria mahalasa saina ! Na dia tsy te ho tezitra aza somary sadaikatra hiresaka @ olona tsy hay, na mandainga koa sns...

Ny hafatro = raha misy tsy mety dia teneno any @ i Hery sy ny ekipany, @panajàna, fa tsy tonga dia manendrikendrika, fa tsy hitako zay aleha eto raha olona mitovy hevitra dhl ny eto ! miserasera, mifanome hevitra no aleha eto fa tsy hifandrangitra akory, ary rehefa tsy misy resaka dia mamaky fotsiny dia miala, fa tsy manoratsora-poana :-*


66. Fiffi ( 28/08/2007 20:36)
"xxx":
aza raharahina izay hevitra sy fitsarana any fa tohizo izay iraka nampanaovina anao.
humm.....de nahazo bahana njay niryna nahita an'io an ! satria:
"niryna":
MMMMMMMaaaarrrro iireo namana no manoratra aty amiko fa malahelo ny fanaovana angaredona ato amin'ny serasera,ianao ry hery no mahita izany,milaza fa tsy mety tafiditra izay tiana ampidirina ary vao avy niantso ahy izao ny iray.Amba omana am-po mieritreritra.Enga anie ity tafiditra fa maro koa izay ny ahy misafotifoty tsy mety lasa izay
fa iza no manao angaredona anao ry nyrina ? satria ve hoe tsy manaiky ny zavatra lazainao ?
satria ve ny zavatra lazainao ihany no marina . eo njay zany isika zao an ! de lasa nivadika zavatra hafa le dinika.......
fa nahoana aza ny hafa no tsy mahazo milaza zay tiany ? satria ve tsy mba manana ny marina ? satria ve zay lazainao ihany no tena izy ?
"tywa68":
Tena gaga be aho namaky ny valiteny alefanao ry niryna : sarotra amiko ny tonga dia hanaiky hoe marina izany raha tsy misy ny porofo (iza avy izany namana mitaraina very hafatra izany ?)
zah koa mba gaga.....
"tywa68":
xxx zao no manohana anao @ zany asa nanirahana anao izany : tsy olana fa tsara mipoitra satria mahalasa saina ! Na dia tsy te ho tezitra aza somary sadaikatra hiresaka @ olona tsy hay, na mandainga koa sns...
miombon-kevitra am tywa zah am io....nisy njay manko ny xxx milaza an'niryna hoe "aza raharahiana zay lazain'hafa eto fa tohizo ny anao" de voilà !
"tywa68":
raha misy tsy mety dia teneno any @ i Hery sy ny ekipany, @panajàna, fa tsy tonga dia manendrikendrika, fa tsy hitako zay aleha eto raha olona mitovy hevitra dhl ny eto ! miserasera, mifanome hevitra no aleha eto fa tsy hifandrangitra akory, ary rehefa tsy misy resaka dia mamaky fotsiny dia miala, fa tsy manoratsora-poana
zay mihintsy ! sady aza avadika ny resaka fa lasa HS ry nyrina an ! fiadian-kevitra momban'i mère Theresa no nataonao ka tsy misy hidiran'hoe fitarainan'namana any am-nao zany !
aiza re zany eh ! :roll:
67. ikaretsaka ( 28/08/2007 21:27)
mampalahelo...
dia tsy maintsy ho ohatran'izay foana ve rehefa misy fanitsiana sy ady hevitra ato?

rehefa be dia be no miady hevitra sy gaga amin'ny valinteny ataonao sy manome ny heviny ka tsy manana alahatra intsony dia lazaina foana hoe manao angaredona e.

dia avy eo dia misy xxx anankiray saronkenatra manao rrrrrroutskssss manome courage sy mandrangitra dia iny fa namadika HS?

mahanena hoy ny Vakinankaratra



68. Samoana ( 28/08/2007 21:34)
niryna:

...efa maro ny ankizy no mitaraina raha misy resaka tsy tianareo hivoaka dia tsy mety tafiditra mihitsy satria eo aminareo ny fanalahidiny...


niryna/ clé passe partout mamoha varavaran'ny fiainana mandrakizay angaha retsy izy izao no toa mankarary fo toy izany:-D ?


69. fijo ( 28/08/2007 22:45)
ny zavatra tsapako ,dia diso ny fandraisan'i niryna ilay hevitry ny hoe finoan atsy misy asa.

io vavy antitra io dia olona nino ary tena nanao asa be tokoa.aza hadino fa tsny tsy kristianina no niasany,nea dia nampihaiky ny olona tany izy.sady nino izy izany no niasa.
saingy ny nampalaheo azy dia tsy nahita vokany loatra izy tamin'ilay asany.(satria tsy nisy fiovana ny fiainan'ny olona nanaovany ilay asa)izay le hoe toa nahatsiaro nolaozan'ny jesoa izy"
ka enao ve no miasa de hananten inona eo.izay anie le tsy mampin anay e.rahany tena izy,ny zaza miantra be dia mahay ihany ny farany.raha ny zavatra vitan'iny vavy antita iny sy pedro any mada ,tokony hiova ny fiainan'ireo notahiany,sangy aiza le andriamanitra?????variana any irak ve????
70. piste ( 29/08/2007 02:57)
Mampalahelo ilay izy satria niasa,niasa fotsiny izy fa tsy nikolokolo ny fanahiny.


Izany ve no fitsaranao azy ?

Zao fotsiny aoka ny vokatry ny asany no hitsarana azy. Miroborobo be izao io fikambanana naoriny io ary efa maneran-tany. Ataoko rah tsy Andriamanitra no momba azy dia tsy nahavita io nataony io izy ary efa maty niaraka taminy izay zavatra naoriny.

Ary tadidio fa tsy vitan`ny herim-pon`ny olombelona fotsiny iny zavatra nataony iny. Ary tsy nisy interet azony na nandrandrainy t@ iny fa vocation iny ka izy no nizorany. Ary raha tsy nanam-pinoana izy tsy nahavita an`iny.
71. Mitah ( 29/08/2007 04:15)
piste:

Mampalahelo ilay izy satria niasa,niasa fotsiny izy fa tsy nikolokolo ny fanahiny.


Izany ve no fitsaranao azy ?

Ianao kosa no niteny an'io fa tsy izy.
Misaotra aky niryna nitantara ny vaovao mampalahelo a,mampalahelo ilay izy fa isika mieritreritra hoe nahavita izao aho ,na nanao toy izao ranona fa tsy nikatsaka ny atao hoe finoana .Hitako koa io vaovao io ary mino aho fa efa nivoaka amin'ny teny frantsay.Tsy andefa azy eto aloha ireo olona ireo e,mety hoe very seza sy very fihinanana no eritreretiny .

Zao fotsiny aoka ny vokatry ny asany no hitsarana azy. Miroborobo be izao io fikambanana naoriny io ary efa maneran-tany. Ataoko rah tsy Andriamanitra no momba azy dia tsy nahavita io nataony io izy ary efa maty niaraka taminy izay zavatra naoriny.

Ka izay tokoa no nahatonga azy niteny ny "secret-ny" maizina tao anatiny sao diso fanantenana daholo ny olona fa nanao toy izaho aho,katsaho aloha ny fanjakan'ny lanitra dia hanampy anao izao rehetra izao.Miala tsiny aho fa tsy hitako ny misy an'io.

Ary tadidio fa tsy vitan`ny herim-pon`ny olombelona fotsiny iny zavatra nataony iny. Ary tsy nisy interet azony na nandrandrainy t@ iny fa vocation iny ka izy no nizorany. Ary raha tsy nanam-pinoana izy tsy nahavita an`iny.

:roll: ary toa tezitra daholo hoy aho ianareo kato rehetra e,marina ihany ny tenin'i niryna fa manao angaredona tokoa ianareo. Izaho koa dia nahatsapa izany sy ireo olona maro.Matoa io nivoaka dia tian'Atra isika ny hiova fa tsy hirehareha ity tany ity,manetry tena,tsy ny firoborobony no mitondra aiza fa ny finoana izay pokaty tsy nisy tao aminy ka hampianatra antsika ny hitodika amin'Atra ary hivavaka an'i Kristy.Porofo lehibe anie io fa mbola jamba ihany ianareo e.Io ilay tenenin'ny soratra masina hoe Kristy nampahiratra ny jamba(ara-nofo sy ara-panahy)
Ahoana hoy ilay olona iray,ahirato amin'izay ny maso fa mivoaka tsikelikely ny marina.Nampalahelo izy fa nataon'ny fiangonana tohatra fiankarana dia ny anarany foana no nindrahindraina kanjo nivadika ny rehetra.Noresahiny ny marina izay tsy mahatsiaro fa miaraka amin'Atra izy.:cry::cry::cry::cry:
72. Mitah ( 29/08/2007 04:19)
Niryna > nivoaka tao amin'ny CBS news koa hono io hoy ny namako dia mitovy ilay lazainao.Tena tsy nino aho hoe fa maninona izy no tsy mino ny fisian'ny lanitra fa manaiky fa misy ny afo-be? Maninona izy no niteny hoe nahoana ianao no mandao ahy? Maninona izy no niteny hoe tsy misy dikany amiko daholo izao rehetra izao fa tsy manana an'i Kristy aho.
Enga anie ka hampianatra antsika ny hanana finoana aloha vao manao zavatra.
73. ikaretsaka ( 29/08/2007 04:30)
mitah> ka ilay zavatra lazaina tsy azonao akory hoe inona ny antony mahatonga azy mino an'izany sy miteny an'izany sns...
any aloha jerena
74. ikaretsaka ( 29/08/2007 05:42)
ka ny "nikatsahany ny fanjakan'ny lanitra" dia ny nikarakarany ireo mahandra ireo (araka ilay tenin'i jesoa hoe izay ataonareo @ ireo madinika ireo. dia ataonareo amiko)

namoizany ny androny izany, nefa tsapany ko fa na teo aza ny asa be vitany dia hitany fa mbola betsaka ny madinika tsy voakarakara ary tsy mbola ampy ny nataony hi satisfaire ireo madinika ireo... dia niaiky izy heo mbola betsaka ny "jesoa" tsy voakarakara.
=>tsy ampy lalandava ny ataony raha araka ny fijeriny azy na niezaka aza izy! nahatsapa izy fa mbola tsy ampy ny ataony dianahatsapa ny tenany ho toy nilaozan'i jesoa izy, dia nalahelo mafy, nefa izy tsy kivy sy tsy niraviravy tanana fa nitady foana, io tsy handaozan'i jesoa azy io foana!

aiza @ izany zavatra izany no sarotra be aminareo ny mahazo azy?
75. kalina80 ( 29/08/2007 07:15)
"Atra dia Fanahy, ary izay mivavaka aminy dia mivavaka @Fanahy".Mino aho fa teo Atra t@ fiainan'ny Mère Theresa.Tsy nahavita nanatanteraka ireo asa soa ireo izy raha tsy teo ankaikiny mandrakariva Atra.Domâge be oe nalahelo izy fa tsy nahita an'Atra."Sambatra izay mino nefa tsy mahita".Izay matetika no mahazo ny olombelona , mila preuve fona vao mahazo antoka.
76. tywa68 ( 29/08/2007 09:22)
ary toa tezitra daholo hoy aho ianareo kato rehetra e,marina ihany ny tenin'i niryna fa manao angaredona tokoa ianareo. Izaho koa dia nahatsapa izany sy ireo olona maro.Matoa io nivoaka dia tian'Atra isika ny hiova fa tsy hirehareha ity tany ity,manetry tena,tsy ny firoborobony no mitondra aiza fa ny finoana izay pokaty tsy nisy tao aminy ka hampianatra antsika ny hitodika amin'Atra ary hivavaka an'i Kristy.Porofo lehibe anie io fa mbola jamba ihany ianareo e.Io ilay tenenin'ny soratra masina hoe Kristy nampahiratra ny jamba(ara-nofo sy ara-panahy)
Ahoana hoy ilay olona iray,ahirato amin'izay ny maso fa mivoaka tsikelikely ny marina.Nampalahelo izy fa nataon'ny fiangonana tohatra fiankarana dia ny anarany foana no nindrahindraina kanjo nivadika ny rehetra.Noresahiny ny marina izay tsy mahatsiaro fa miaraka amin'Atra izy.


Hay tezitra ny fijerinao azy ? Mba avereno vakiana dhl aloha ny voalaza eny ambony ry Mitah, d aza mitsara ny kato rehetra na milaza fa hampihiratra ny jamba sns… Tsy nisy nataon’ny fiangonana tohatra fiakarana izany fa rehefa zay moa no tianao handraisana azy, akory atao !

Tsy kato dhl angambany ny mpiara-miasa @ i Hery @ fikarakaràna an’ity serasera ity, ka alefaso any @ireo mpikarakara ny olana, f’aza mody victime rehefa tsy misy arguments : aleo mamaky dia miala toy izay manoratsora-poana !

Tsy misy angaredona izany fa tsara mamaky, vô manoratra ry Mitah a !

I Mère Thérésa dia olombelona tsotra fa nahavita be teo @ fiainany ary tsy ho resahina zany asa nataony zany : misy malahelo azy, misy te hanaraka ny asa nataony : aleoko miezaka manao soa toa azy (satria ny finoana tsy arahin’asa dia ohatran'ny tsy misy).:-*

77. ikaretsaka ( 29/08/2007 14:23)
pissoa:
Tsy kato dhl angambany ny mpiara-miasa @ i Hery @ fikarakaràna an’ity serasera ity, ka alefaso any @ireo mpikarakara ny olana, f’aza mody victime rehefa tsy misy arguments : aleo mamaky dia miala toy izay manoratsora-poana !

Tsy misy angaredona izany fa tsara mamaky, vô manoratra ry Mitah a !


ny fahitako an'io dia rehefa manana hevitra ilay namorona ka tsy mitombona na diso ka manome ny antony tsy mampitombina ilay hevitra ny olona bedebe, ka tsy mahita havaly intsony ilay mpandefa ilay hevitra t@ voalohany.
dia menatra ny hiaiky hoe kay ve izany eeee ry zareo, dia io hoe "atao angaredona io" no fika fialany sisa
78. pissoa ( 29/08/2007 17:05)
Ika, i tywa68 no niteny an'io hoe tsy Kato daholo io fa tsy za ! :twisted:

Fa na zany aza miombon-kevitra aminy aho :-*:-D:-D:-D
79. ikaretsaka ( 29/08/2007 17:12)
ooops.. azafady pissoa a:oops: fona aho tompoko!
Mea culpa!
80. Fiffi ( 29/08/2007 17:39)
-tsy misy an'zany angaredona zany

-tsy misy tezitra zany

-tsy misy mitsara zany

-misy ny manoro

-misy ny tsy miombon-kevitra

-misy ny miziriziry am ny azy hiany

------adi-hevitra ny eto ka maninn kay raha mba hasiana fenekena koh fa mety diso enao ? tsy misy olona tongalafatra eto ambony tany ary mba manaiky am hevitry ny sasany......
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0083