Tantara mampalahelo(mother Theresa)......

41. niryna ( 28/08/2007 05:11)
Mizara antsika rehetra ny tantara nisy aho ary afaka mijery sy manao fandalinana ianareo satria tokony hivoaka amin'ny teny frantsay.
Na inona toerana misy antsika,dia mandalo zava-tsarotra daholo.Raha mbola azo atao dia katsaho hatrany ny fanjakan'ny lanitra dia hanampy anao Atra amin'izy irin'ny fonao.Mibeba,manantona Azy,raiso ny Baiboly fa hiresaka aminao Izy.
Hoy ilay vehivavy izay hoe ahoana no ahalalako fa ho an'ny an-danitra aho?
Isika rehetra no aoka hamaly an'io.
Nisy nanontany koa hoe ohatran'izy izany Atra izany?
Ny valiny dia efa niteny izy fa avy aminy no tandindina nanaovana ny olombelona,mitovy amintsika izany izy..
Raha tena mino Azy tokoa isika dia mijereva fitaratra ary tarafo ao am-ponao manontolo izany Atra hivavahanao izany.
Ho azy irery ihany anie ny voninahitra avy amin'ny alalan'i Kristy ilay Mpamonjy antsika. Amena.
42. ikaretsaka ( 28/08/2007 05:16)
Ika,hery ary fiffi izany dia mitovy foana rehefa misy zavatra toy izao,tsy ataoko mahagaga.

ka ilay fototr'ilay zavatra anie dia anakitelo (5 miampy an'i Piste sy i Tywa kay) no efa manontany ny tena tian'i niryna hahatongavana

"I've never read a saint's life where the saint has a such intense spritual darkeness.No one knew she was that tormented."

tsy ampy famakiana ilay olona izany!
dia efa nolazain'i piste teo io ary efa nohazavaina anao impiry fa ny anao moa ny masonao izay tsy haiko hoe aiza marina no misy ny toerany!

Farany,raha nahazo mari-pankasitrahana izy tamin'ny 1960 dia niteny koa izy fa tsy misy dikany amiko ity satria aho tsy manana an'ny Tompo. "This means nothing to me,because I don't have Him."

dia efa novalian'i piste io
Na dia nisy adim-panahy ao anaty aza M. Theresa dia tsy mitovy @ olona miady saina tsotra. Satria hetaheta te -hiray @ Andrimanitra no nisy tao aminy.
Tadidio fa Experiencen fatra-pahazo an`ny olona mystique. Dia tsy inona fa izay Soif de dieu izay. Ary tena mampijaly tokoa. Na i Jesoa aza teo ambonin`ny Hazofijaliana nitaraina : `Eloy, Eloy nahoana aho no dia ilaozanao`.
Tsy mampisaraka @ Andriamanitra anefa io fa vao mainka mampiredareda ny fitiavana azy( karazana purification ihany).
FAranako : eo @ fiainana ara-panahy dia misy foana ny consolation sy ny desolation. Ny desolation tsy natao hahakivy fa vao mainka tokony hifikirana bebe kokoa @ Tompo.

She wanted Him so badly that he felt she didn't have Him
43. niryna ( 28/08/2007 05:31)
Tsy manana tanjona aho fa mizara ny vaovao mampalahelo avy aty amintsika fotsiny.
44. ikaretsaka ( 28/08/2007 05:39)
ka omeo ny opinions anao maha vaovao mampalahelo azy ary satria ireo efa nomenay ireo ny antony TSY maha vaovao mampalahelo azy.
dia raha tsy manana dia teneno hoe tena tsy mampalahelo tokoa ilay izy fa mampi te ho halain-tahaka aza!
45. niryna ( 28/08/2007 05:55)
ikaretsaka:

ka omeo ny opinions anao maha vaovao mampalahelo azy ary satria ireo efa nomenay ireo ny antony TSY maha vaovao mampalahelo azy.
dia raha tsy manana dia teneno hoe tena tsy mampalahelo tokoa ilay izy fa mampi te ho halain-tahaka aza!

:D

46. ikaretsaka ( 28/08/2007 05:58)
dia ahoana?8)
ndao dia alao tahaka ny ataony ary!
47. hery ( 28/08/2007 06:53)
Efa nataon'i niryna ve ilay vavaka napetrako etsy ambony?

averiko eto indray dia mba ataovy ihany :-)

Andriamanitra o, misaotra anao izahay fa nomenao an'i Mother Theresa mpanompo tsy nitsahatra nitady anao mandra-pahafatiny. Ary tsy afa-po tamin'ny fitiavana anao fa niezaka hatrany nitia anao tamin'ny alalan'ireo madinika indrindra. Omeo fo maharitra toa izany koa izahay. Omeo fo manetry tena tahaka ny fonao izay nanaiky nitia anay mpanota. Tahaka ny fon'i Mother Theresa izay nitady anao tsy ankijanona na dia efa mihevitra fa mahita anao aza.
Aza avela hitsahatra ny hitady anao izahay.
Amen.
48. ikaretsaka ( 28/08/2007 07:22)

Amen!^:^
49. Fiffi ( 28/08/2007 10:27)
"niryna":
Io no nampalahelo azy,niasa,niasa fa tsy nahatsampa niaraka tamin'Atra.
sur am zany ve enao ry niryna ? de ny mahagaga fa nadritrin'50 taona notohizany foana le asany an ! nefa tsy Andriamanitra ve no nanomé hery anazy hiasa nikirizany tam fanampiana ireo nila azy ?
"niryna":
Ika,hery ary fiffi izany dia mitovy foana rehefa misy zavatra toy izao,tsy ataoko mahagaga.:(:(
heu....ka mba nojerenao kosa ve aza kalou ny réalité eh ? satria ozy enao hoe:
"niryna":
Eny miaraka amiko andro aman'alina izy ary izay no antony hijoroako vavolombelona sy hizarako ny namana reheta ny tenin'Atra ato.
de sur koh ve enao fa tena nampalahelo be tahak'zany izy ? de tsy niaraka taminy mintss zany Andriamanitra ? fa niaraka tam-nao izy de enao tsy mba mampalahelo ? de ity fotsiny ny valiny an !
"hery":
Andriamanitra o, misaotra anao izahay fa nomenao an'i Mother Theresa mpanompo tsy nitsahatra nitady anao mandra-pahafatiny. Ary tsy afa-po tamin'ny fitiavana anao fa niezaka hatrany nitia anao tamin'ny alalan'ireo madinika indrindra. Omeo fo maharitra toa izany koa izahay. Omeo fo manetry tena tahaka ny fonao izay nanaiky nitia anay mpanota. Tahaka ny fon'i Mother Theresa izay nitady anao tsy ankijanona na dia efa mihevitra fa mahita anao aza.
Aza avela hitsahatra ny hitady anao izahay.
Amen.
^:^^:^^:^ Amen
50. vahiny2004 ( 28/08/2007 11:13)
ny fomba filazan'i niryna azy angamba no tsy mety satria raha izao filazanao azy izao no raisina tsotra dia ohatran'ny miteny hoe aza dia misahirana be rey olona fa ireny aza i Mère Théresa firy taona niasa ho an'ny Tompo toa tsy nahita Azy akory
51. ikaretsaka ( 28/08/2007 14:50)
dia izay fiheviny izay no ahitsinay 5 mianadahy (Izaho, Hery, Fiffi, tywa, piste) hoe "
-ny fitadiavana an'Andriamanitra dia tsy vita mihitsy, fa mitohy foana mandra-pahafaty,

-Amin'ny fiainana sy ny asa ary ny zavatra rehetra atao isan'andro no hitadiavana an'Andriamanitra

-ary ny vavaka dia "tolona fa tsy sento"

52. Fiffi ( 28/08/2007 15:27)
"niryna":
Io fiffi a,nandritra ny 50 taona izy no nikarako izany finoana ary natahotra izy fa tsy tsampany miaraka aminy Atra.
non ! tsy mino an'zany kalou zah an ! heu....ny tantara de tantara hatrany....ny réalité zavatra hafa....

de zao ftsn no farateniko: ny tantara no nilaza an'zany fa kosa Andriamanitra teo anilany mandrakizay nanomé azy hery nahafahany nanoy ny asany ! ary fantany zany !
53. xxx ( 28/08/2007 16:04)
niryna:

Mizara antsika rehetra ny tantara nisy aho ary afaka mijery sy manao fandalinana ianareo satria tokony hivoaka amin'ny teny frantsay.
Na inona toerana misy antsika,dia mandalo zava-tsarotra daholo.Raha mbola azo atao dia katsaho hatrany ny fanjakan'ny lanitra dia hanampy anao Atra amin'izy irin'ny fonao.Mibeba,manantona Azy,raiso ny Baiboly fa hiresaka aminao Izy.
Hoy ilay vehivavy izay hoe ahoana no ahalalako fa ho an'ny an-danitra aho?
Isika rehetra no aoka hamaly an'io.
Nisy nanontany koa hoe ohatran'izy izany Atra izany?
Ny valiny dia efa niteny izy fa avy aminy no tandindina nanaovana ny olombelona,mitovy amintsika izany izy..
Andao isika anamboatra olona mitovy amintsika(Andriamanitra sy Kristy)

Raha tena mino Azy tokoa isika dia mijereva fitaratra ary tarafo ao am-ponao manontolo izany Atra hivavahanao izany.
Ho azy irery ihany anie ny voninahitra avy amin'ny alalan'i Kristy ilay Mpamonjy antsika. Amena.

^:^

54. xxx ( 28/08/2007 16:22)
hery:

Tena tsy haiko na tena tsy azon'i niryna ilay izy na minia mandiso fandray i niryna (mba hitondrana lavitra ny sain'ny mpamaky)

:roll:

Vaovao nisy io,misaotra niryna a:*

55. xxx ( 28/08/2007 16:25)
niryna:

Tsy manana tanjona aho fa mizara ny vaovao mampalahelo avy aty amintsika fotsiny.

misaotra anao nizara taminay hatrany,aza raharahina izay hevitra sy fitsarana any fa tohizo izay iraka nampanaovina anao.
56. ikaretsaka ( 28/08/2007 16:26)
dia ahoana ary ny opinion an'i xxx ary momba an'io zavatra io e?
57. niryna ( 28/08/2007 16:35)
Nickovy:

hmmmmmm. Efa nijery ilay film hoe "Mother Theresa" ve ianareo? Araka ny hitako tao dia tena marina io. Marihina rahateo fa ny fitadiavana ny Tompo tsy vita indray andro fa mandritra ny fiainana manontolo. Tolona io eh. dia samia maharitra amin'izany.

Misaotra anao aho ry Tompo fa nisy nahatakatra ny tiako hambara.^:^.Ianao irery ihany no mahalala ny ato am-ponay tsirairay avy ,omeo hery izahay mba hino anao ary ny finoana anao tanteraka no ataovy miroborobo ato am-ponay tsirairay avy.Tsy ny fahaizanay na ny fananay na ny asa vitanay no tadiavinao aminay.Omeo izany finoana izany izahay ahafahanay manao ny asanao.Hoy ianao fa raha asa fotsiny tsy ahavonjy anay."Fa fahasoavana no nomenao anay maimaipoana,noho ny fitiavanao anay,tsy avy amin'ny asa izany hoy ianao fandrao ahatonga anay rehetra hirehareha.Omeo hery hatrany izahay mba hananana finoana tanteraka fa tsy misy na inona na inona vitanay raha tsy manana finoana anao tokoa izahay.Misaotra Kristy Tompo ,ilay Andriamanitra mahery.Eny hoy ny teninao hoe "Hatramin'izao dia tsy mbola nangataka zavatra tamin'ny anarako ianareo,mangataha dia omena ianareo.Manomomboka androany Tompo o,sokafy ny masom-panahin'izy rehetra tsy mbola niantso,nitady,nanatona,nangata-javatra tamin'ny anaranao IRERY ary dia asehoy azy ireo izany voninahitrao izany ahitana ny famonjena.Mitoera ato am-ponay tsirairay Tompo o ary mamela ny elokay rehetra raha misy tsy nifanaraka ny sitraponao ny zavatra nambaranay satria izahay mikatsaka sy mitady ny marina mandrakariva avy amin'ny Teninao,mianatra ny teninao isan'andro isan'andro.Ianao no mofon'aina mamelombelona ny fanahinay sy ny vatanay,aza atao ho latsaka fotsiny na andalo ato an-tsainay izay teninao .Amena
58. niryna ( 28/08/2007 16:41)
vahiny2004:

Tsy tokony hampalahelo izany amiko ! Izay no namelona ny fanahiny : ilay hetaheta ==> fitadiavana . Ny olona rehefa voky dia tsy mitady intsony , ary izay angamba no mahatonga ny maro amintsika tsy mitady an'Aa intsony satria mieritreritra fa efa feno

Izaho manokana dia mitsiriritra ny olona mangetaheta an'Aa mandrakariva

Mampalahelo ilay izy satria niasa,niasa fotsiny izy fa tsy nikolokolo ny fanahiny.Izy no niteny an'io hoe tsy misy izany fanahy fa toy ny maty.Mitsiky izy fa sari-tsiky fotsiny.
Ny finoana an'Atra izany dia tsy avy amin'ny asa fotsiny fa avy amin'ny fikolokoloana ny fanahy hitady Azy mandrakariva,efa kivy izy vao nanomboka vola vitsy saingy tsy nanana hery ny hiala fa dia nizotra teny,asa aloha fa na nahazo mari-pankasitrahana aza izy dia tsy faly satria"Tsy manana an'i kristy aho hoy Izy".Isika no mitady an'i Kristy dia mahalala fa ao anatiko sy ianao izy,raha tsy ao anatinao Izy dia inona no tokona ataonao?

59. niryna ( 28/08/2007 17:08)
Izaho fotsiny no hafatro,efa maro ny ankizy no mitaraina raha misy resaka tsy tianareo hivoaka dia tsy mety tafiditra mihitsy satria eo aminareo ny fanalahidiny.Aza manaiky ampiasan'ny satana fa mahazo fifaliana isika amin'ny voalohany fa amin'ny farany fahafatesan'ny fanahy no miandry antsika.Fahamarinana hatrany no tenenina,marina hatrany no teneno.Nalahelo aho satria niasa ,niasa hatrany izy fa tsy mampitombo ny finoany ary izay no nampikiky azy tao amin'ny fiainany.Nalefako ilay izy mba hieritreretantsika fa tsy avy amin'ny asa no ahazoana famonjena satria ataon-dra olombelona fireharehana izany,Avy amin'ny finoana an'i Kristy no ahazoana izany.Mino moa ianao tsara,tsy mino,dia tohizo ihany izay fireharehana sy fanaovana tsindry azo lena ny ankizy.MMMMMMMaaaarrrro iireo namana no manoratra aty amiko fa malahelo ny fanaovana angaredona ato amin'ny serasera,ianao ry hery no mahita izany,milaza fa tsy mety tafiditra izay tiana ampidirina ary vao avy niantso ahy izao ny iray.Amba omana am-po mieritreritra.Enga anie ity tafiditra fa maro koa izay ny ahy misafotifoty tsy mety lasa izay
60. niryna ( 28/08/2007 17:09)
Fanitsiana izao fa tsy izaho :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0087