extrêmiste loatra ve?

41. fijo ( 21/08/2007 22:09)
mpetra tia tena tssss,ary izay no maha kizitina azy,tsy ampy le zavatra
42. cutie ( 21/08/2007 22:13)
tsy ampy kominio we :-D
43. fijo ( 21/08/2007 22:15)
tsy ampy le fivoahan'ny zavatra ka
44. cutie ( 21/08/2007 22:17)
:-D:-D:-D:-D:-D
45. fijo ( 21/08/2007 22:20)
izany ko,raha tsy izany ve ho kizitindoza,

fa misy rapasy toa io koa an
46. cutie ( 21/08/2007 22:21)
zany ve?
ahona njay ny tantaran-drapasy :lol:
47. fijo ( 21/08/2007 22:22)
misy rapsy tsy manaiky ankizy atao batisa fa zaza tsy manandray hono.ko rah atsy le zaza no nisafidy hoe ataovy aho ko
48. cutie ( 21/08/2007 22:36)
tsy maintsy misy foana ny manondrana:lol:
49. piste ( 22/08/2007 03:26)
kanefa voalazan'i lery raha tsy diso aho hoe:"tsy tonga hiantso ny marina aho fa ny mpanota"de ahoana io teniny io raha ity tranga ity????

Ay ialahy mino ny tenin`i Lery ihany.

50. kelly13 ( 22/08/2007 05:37)
tsy mamaly fanontaniana le ikaretsaka :(
51. xxx ( 22/08/2007 05:57)
mahazo manakiana sy manenjika ny mères celibataires ianareo, fa inona aza no tsaratsara kokoa, ny manome aina sa ny mamono? ekena fa sitrapo ilay izy, ary efa no assumer na; ka inona indray no mbola fahotana amzany? hoan'ikaretsaka manokana aza, inona no tokony nataoko e, ireo fa naterako ny zaza, ary efa entiko eo anivon'ny Fiangonana, fa talohan'izany dia efa nanao dingana aho, nifona sy nibaboka ny hadisoako, dia mbola atosi-bohotanana iany ve ilay finiavako hiverina sy hiarina? ary raha sanatria ka mifanohitra amzany moa ny zavatra nitranga hoe nalàna ilay zaza sanatria, dia ho toy inona indray ny fanenjehana ho azoko avy eo, ary ny sazy be miandry ahy? satria fantatro fa miafara @ excommunication izany resaka manala zaza izany. Ity resaka batemin-janako ity anie tonga hatr@ hoe ndehana miakatra eny @ archeveque e! ary vonona mintsy aho ny hiakatra teny, fa nanaiky hanao batemy an_janako iany ilay pretra refaveo! fa marina mintsy ny tenin'ny namana ao ambony ao hoe tsy mahagaga raha maniry ohatry ny anana ny sectes satria ny tokony hanagona ny ondry no manahaka azy ireo! ny olona efa lavo ve mbola tokony tsindriana sy roahina fa tsy arenina? nanahoana i Jesoa teto an-tany? hitantsika any @ Evanjely any ny tantarany fa tsy izaho no handeha hamerina izany etoana, fa nanakaiky ireo osa sy nailikiliky ny fiarahamonina Izy, ary nandray azy rieny tsara aza! dia manontany an'ika aho, manamafy ilay fanotanian'ny namana ao ambonimbony ao hoe inona marina ilay fitaizana @ finoana tian'ikaretsaka tenenina.
52. xxx ( 22/08/2007 11:42)
Tsy mifanohitra ve ny teninao ry ikaretsaka? jereo tsara fa
ikaretsaka:
io hita io ianareo efa garanti fa tsy hahavita azy ko
de ozy ndray enao avy eo we

ikaretsaka aveo:
tsy hoe manizingizina aho hoe IANAO


fanahy iniako notsimponina ireo teninao reo, fa satria tsin manizingizina enao fa mody tohizinao we ny rainy, ny rainy...:-( ko ny rainy efa ts hita izay najavonany fa niala adidy ko mbola izy iany no tanisainao eo!:-( tsy mila voatsiary ve zany?:-( ny ezaky ny reniny manatona lalandava ny Fiangonana sy mitaiza ilay zaza ara-pinoana tsy jerena fa hitady iazy tsy hita lalandava izao! fa azo terena ve nefa izy? hatao aona? inona no tsara kokoa, ny mamela azy ho libre am conscience ny sa ny manery azy de aveo tsy araky ny sitrapony akory ny ataony, de lasa mampijaly anay telo mianaka indray izy? (ohatra sanatria matimbono izahay sy/na olona mamolava hanome ohatra ratsy ny zaza no hita ao antrano?)
53. menalamba ( 22/08/2007 12:05)
ikaretsaka:

menalamba:

Izay vao azoko hoe maninona no maniry hoatry ny anana isaky ny elankelan-trano ireo karazana sekta any Dago, satria ireo izay tokony hanangona ny zanak'ondry indray no manahaka azy raha izao no fahitako azy...:-/:roll:

dia amin'izay dia aleo izy haniry ko.. tsy hamonjy vala ihany ve ny ondry atao dabokandro rehefa tonga ny fotoana handehanany ho any @ abbatoir na hanenjehan'ny dahalo azy?

fa rehefa mamahana ny reniondry sy ny zanak'ondry ondry koa i Piera dia tsy fahafahanam-poana izy fa mba jerena ny hafahana azy. Tsy ny ondry no mibaiko an'i Piera hoe izao no haniko, fa i piera no mahafantatra, Izany no ataony!






Izao no atao hoe dôgmatika amiko ,izany hoe fitompoan-teny fantatra ,ka tsy misy intsony izay marimaritra iraisana fa dia didiko fehy lehibe fotsiny ka tian-kano tsy tian-kano!Fa rehefa vaky rifatra sy voaviraviran'ny amboadia daholo ny ondry aman'alina i Pieranao ahavita anenjika an'ireo intsony?Dia andraso eo koa iPaoly hoy ilay fitenenana:roll:
54. LazaDaddy ( 22/08/2007 12:30)
xxx:
Tsy mifanohitra ve ny teninao ry ikaretsaka?
aho tatsy ambadika tatsy:
ny resakao dia "miaka-midina toy ny lelon-jaza" hoy isika Malagasy :) Soa fa tsy voafafa fa eo ambony eo daholo mba ahafahanao miverina mamaky azy :)
55. ikaretsaka ( 22/08/2007 13:37)
Tsy i Piera no hirifatra hitady ry laza fa ireo ondry no tonga saina rehefa ela ny ela a
ny Zavatra maharitra sy mafy dia misy lalana (dogma) foana mifehy azy
fa tsy "ze tiana sy mahafinaritra ihany"
Porofo: ny 2000 taona mahery!
Fa tsy misy hoe first e, second e, again e, sns...
na Andriamanitra aza nametraka ny didiny fa tsy hoe minominoa fotsiny ze tianareo!
Kristianintianim-poana tssss
56. ravakamalala ( 22/08/2007 13:57)
Ho an iza ilay batemy? ho an ny zaza! Ka inona moa no tokony idiran ny fisiana na tsy fisian ny RAD amin izany? Ny hadalan ny RAD ve no handrarana ny ankizy tsy ho zanak Andriamanitra!

Ho an ny katôlika traditionnalista izao (FSSPX ho an nizay te hahafantatra bebe kokoa), ny ankamaroan yn batemin ny zaza dia tsy eo ny reniny, satria mbola any amin ny hôpitaly, ny zaza mantsy tokony atao batemy faran izay haingana mba ho afaka ny fahotana (peché originel nolovainy tamin ny maha olombelona azy) ary mba ho isan ny zanak Andriamanitra izy.

57. xxx ( 22/08/2007 14:24)
hoan'ikaretsaka, miangavy anao ary aho mba hamaly ireo fanontaniako farany ireo e!
58. LazaDaddy ( 22/08/2007 15:02)
=)) hahaha! tsy hitako mihitsy izay misy resako piera eto. LOL
xxx:
Tsy mifanohitra ve ny teninao ry ikaretsaka?
aho tatsy ambadika tatsy:
ny resakao dia "miaka-midina toy ny lelon-jaza" hoy isika Malagasy :) Soa fa tsy voafafa fa eo ambony eo daholo mba ahafahanao miverina mamaky azy :)




59. ikaretsaka ( 22/08/2007 19:01)
mahagaga raha maniry ohatry ny anana ny sectes satria ny tokony hanagona ny ondry no manahaka azy ireo! ny olona efa lavo ve mbola tokony tsindriana sy roahina fa tsy arenina? nanahoana i Jesoa teto an-tany?


Miala tsiny aloha fa tsy fantatro intsony ny xxx iza sy xxx iza hovaliana sy mametraka fanontaniana fa misangojy be @ ity xxx ity ko!:(
Eto aloa dia aitsiko ianao
Ny olona efa lavo dia tsy hoe tsindriana sy harenina, ary tsy hoe tambatambazana mba ho kil an'ny sekta anefa (fomban-dry zareo ireny tokoa izany!) . Efa nikonfesy ianao ary efa nahatsapa ny hadisoanao, ny anao tsy hidirako lalina... (efa nolazaiko teto izany) fa ilay Rainy hoa, ilay Rainy. Ianao ange efa voarina e.

jesoa nanarina ny lavo tokoa, fa raha lavo ka mbola be fitetika dia tsy norarahiany intsony kosa, niala nenina t@ farizianina izy ohatra , fa rehefa hitany fa tsy avotra dia niala izy!

Fa eo @ ilay zaza no asiana resaka izao
-marina ny hoe tsy ny hadalan'ny RAD akory no mandrara ny ankizy ho zanak'Andriamanitra, izay no akana garanti tsara hoe:

zahako tary ambony tary:
mbola misy chance ny hanaovana batemy azy: rehefa mianatra katesizy ilay zaza ka mahalala ny atao aminy dia ie. mahazo atao tsara, @ izay manko tsy nareo intsony (izay nanota) no misolo vaika azy fa izy tenany, dia @ iny izy sady manao communion solennelle na fanavaozana ny toky omena @ batemy, no atao batemy ihany koa


dia averiko indray ny hoe, tsy misy zavatra ratsy noho ilay hoe "anarany fotsiny"!
@ izay manko tsy ianao no hitompo tena fatratra heo vitaKO (ianao) io, nefa sanatria tsy mahavita eo indray, manjary double faute ianao amin'izay: nampanantena tsy misy...
Fa ilay zaza mihitsy no miteny hoe vitaNY(izy) !!! izy @ izay no tompon'antoka.

Ho fiarovana anao sy fanarenana anao indrindra no mahatonga izany, sao miverina in-2 ilay izy ka vao mainka hanahirana!
60. fijo ( 22/08/2007 21:37)
piste an,tsy mino izay lazain'i lery aho,fa hoan'ireo mpino azy,toa ampifanoherina izay nolazainy?
i lery koa anie milaza mavo anio rahampitso maitso e,tsy hay intsony izay tena marina.

xxx ho anao manokana,tsy faotana izany ny nataonao,fa fiainana io.adalan'izay manenjika,fa ny efa vita tompoko dia vita,ny hoavy jerena.rehefa nentinao sy nampianarinao hino ny zaza ka nolaviny esory fa tsy misy dikany izany.
za izao vita batisa fa tsy misy ilako izany akory amin'ny fiainako.noterena aho satria mbola zaza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0981