ry katolika havako ario ny sampinao!

61. niryna ( 14/08/2007 23:53)
ikaretsaka:

ka ny tena mampihomehy sy mahazendana amin'ity aneg ry niryna
manontany ilay olona.. dia azavaina... dia tapa-bolana aty aoriana dia iny fanontaniana iny ihany no averina:roll:

ka inona no olana amin'izany ?dia valiana indray izy dia mitohy indray ny tolona ,mety misy olon-kafa indray mahazo famonjena amin'iny andro iny satria mihodikodina ny tany,mifandimby koa ny mpamaky ny tenin'Atra sy ny valiny.:D

62. ikaretsaka ( 15/08/2007 00:32)
isika tsy miodinkodina eo fa mandroso..
ny sujet voa traite dia hijerena referansy fa tsy handeha ho traitena indray fa miodina en rond eo isika ny hiafarany dia tsy handroso mihitsy fa ho fanina ..
sady ratsy anie izany diska goaka izany e
63. Mandefitra ( 15/08/2007 05:04)
Fantany hoe misy hery lehibe (Andriamanitra) namorona azy sy mandrindra izao tontolo izao. Dia ilay sampy dia ataony symbole ahatsiarovany ireo ancetre-ny efa maty taloha tany, dia oe tsy mivavaka amin'iny izy( tezitra be mihitsy ilay sefo)
fa mangataka vavaka amin'ny alalan'iny satria inoany fa efa any akaikin'ilay Hery lehibe (Andriamanitra) ireo ancetre-ny representen'iny zavatra iny!
Sovazy be any Amazone aza hoa mahalala izany.. hoy aho anakam-po... mainka fa isika miseho ho "civilized"


Ka ry zareo nga nahalala hoe efa tonga tety Kristy?
Normale izy raha mbola mitady mampita vavaka toy ny nataon'ny zanak Isiraely hatrizay, nila mpaminany, nila mpisorona ...
satria tsy afaka nifampiresaka mivantana t@ Ilay Nahary.
Fa refa tonga ny Mpamonjy, nanao sorona ny Tenany ka nandatsaka ny Rany ho fanavotana antsika,
namafa ny fahotantsika rehetra, lay efitra nampisaraka antsika t@ Ilay Nahary,
dia tonga zanak'Andria manitra isika.
Ary tsy vitan'zany fa mbola nirahiny koa ny Fanahy, hamelona zany finoana zany ao ampontsika sy hampiharihary fa tafaray Aminy isika.
"Ary ny Fanahy de milaza fa zanak'Andriamanitra isika, ary raha zanaka de mpandova, sady mpiray lova @ Kristy".
Foana hatreo ny elanelana.:)
64. mbaliana ( 15/08/2007 05:45)
hoy i fijo
mbaliana an,isika gasy mahalala fa o no filohantsika,fa ny vietnamianian ve mahalala hoe toa inona izany ravalo????ilaina io sary io ahafantarana azy.
tsy vavolombelona fa mitovy kosa aloha ny fihetsika sy fanajana le sary sy fanajan'ny mpanompo sampy le sampy e.


daccord mihitsy za amin'izay fa ny hafa tsy mahalala ... fa miverina ihany le message... io olona io zany no important (na inn na inn ny antony) fa tsy le sary...satria io no endriky ny filoha...fa tsy ny endrik'i balita akory
eo akaikin'ny fiasako, sendra mba nandende iny aho nahita soratra teny sinoa, dia tao antsaiko hoe hay ve misy mpivarotra sinoa fa tsy asiany dikanteny e.. nanantona an'le izy za, inn hozy ianao no hitako tao vao teo ambaravarana fotsiny tsy niditra... sary vongan'i buddha gladibe...dia ny manodidina azy jiro labozia bdb...dia misy olona 3 nandohalika teo.. tsy haiko hoe inn aloha no nataony fa zay no hitako..fa angamba le izy zany temple ndry zareo... dia lasa ko ny eritreritro raha ny fihevitrao zany... dia atao hoe sampy koa zany ny finoana buddha... feno jiro bdb manodidina an'le izy dia mandohalika le olona teo akaikiny? za aloha tsy mahalala ny fomban'ny buddhista e
65. vavolombel ( 15/08/2007 08:29)
hita fa tsy manankavaly,reponse correct ny katolika,
ka avily atsy avily ary ny resaka,
ary hita fa tsy mamakafaka ary manao tsinontsinona ny tenin'A/TRA ry zareo
NY BASE NY LE RESAKA SY LE VERSET ANEFA DE ZAO , ary tsy tokony ialana:
-1) AZA MANAO!!!!!!...didy io mandrara tanteraka na aiza na aiza toerana misy anao..,ka rehefa nanamboatra enao na amin'innn na amniin ampiasanao azy dia efa nandika ny didin/'A/TRA ianao, mba mahaiza mandinika sy mianatra ny baiboly ry katolika!
2) sarinjavatra voasokitra na eny amin'ny lanitra ambony na aty ambany , sarindehilahy..vehivavy..sns= zavatra izay rarana tsy azo amboarina
3-) ny fameremberenan/A/TRA ny baiko mandrara ilay sary vongana dia efa ampy ,milaza sy manamfy ny fankahalany azy
4) misy antony ny andrarany azy , anisan'izany fahavetavetana eo anatrehany ilay izy, araka ny andininy ery ambony nomena
5) Tsy azo ampiasaina atao hivavahana ilay izy,tsy azo iankohofana
6) voahozona ny olona mpanao taozavatra manamboatra azy, araka ny andininy ery ambony nomena
io fandrarana io dia mazava izy io fa tsy hoe entina ilay resaka amle we samy manana ny fandraisana azy,mba hamiliana ny dikany amin'ny tsy tokony ho izy, raha raisiko zao hoe vehivavy jesosy ne efa mazava be izao fa lehilahy izy de we samy manana ny fandraisany azy ve???
fantatro tsara fa tsy maintsy hiaro tena ny katolika, handainga sns...IO ANDINY IO IO DIA MAZAVA BE TAHAKA NY MASOANDRO HO AN'IZAY MANAMASO KOSA ALOHA!
tiako hambara fotsiny,de izao fantako fa tonga saina ny kato ankehitriny, fa zavatra raran'A/TRA TSY AZO AMBOARINA ILAY SARY VONGANA IZAY IONDREHANY AO AM-PIANGONANA IO, fa mody fanina eo
hafatro dia izao: raha misy ao antranonao ario fa zavatra veta2 eo anatrehan'i jehovah ilay izy araka ny andininy ery ambony nomena, aza vetavetaina ny tranonao
nareo katolika eto amin'ny forum kosa aza mi-je suis loatra, hoe nareo no izy de ankoatranareo tsy izy fa sect!! atsaharo manomboka izao le vavaratsinareo secta scta io, fa tsy mahay baiboly ianareo fa mpanompo sampy, tsy hoe fiarovantenanareo eto no tsy aha-mpanompo sampy anareo, fa mba miaro tena iany ny olona nanao meloka any amin'ny tribunal fa marina marina iany! ary raha mbola mi-je suis eo nareo amin'ny manaraka de mbola homeko ny anjara tandrify anareo indray!afaka tapa-bolana indray mifankahita!
veloma daoly!

66. gasynamana ( 15/08/2007 09:34)
vavolombel:
Tsy manan-kavaly ahoana e? Sao dia ianao no tsy mba mamaky izay fanazavana rehetra nomena?

Ahoana koa moa no asahinao milaza fa mandainga sy miaro tena izahay katolika? Moa mahalala marina izay tena iainanay ny finoanay ve ianao? Sa efa katolika dia nanompo sampy dia niala? Raha izay no izy dia isaorako an'Andriamanitra satria tsy mba fomban'ny kristiana katolika no nataonao, fa fomban'ny mpanompo sampy izany.

Fanazavana no nomena anao andrematoa fa tsy lainga tsara lahatra na finamarinan-tena velively.

Ary rehefa tsy vonona ny mba handalina sy handinika fa efa manana préjugé dia tano any ny tsy fisokafanao amin'ny hafa fa aza terena ho marina ny hevi-disonao.
67. fijo ( 15/08/2007 21:05)
raisiko ilay ohatra nataon'ika momba ireo olona "dia" tany amerika.

toa ireny koa ny gasy.mino ny hery lehibe isika"zanahary "ary ireo lazain'ny kristianina fa sampy anie tsy iny no hivavahana e;fa iny dia mpampita fotsiny,satria ny tena ninoany dia ilay zanahary.ka mitovy mihintsy amin'ny kato io.i maria dia mampita hafatra fa tsy maria no hivavahana fa andriamanitra.ka aza milaza hoe ratsy ny sampy fa tsara maria.samy mpampita ireo.fa mety hoe maria mitovy fiteny amin'andriamanitra moa ny "masina"mitovy firesaka amin'i zanahary.
68. niryna ( 15/08/2007 22:29)
ikaretsaka:

isika tsy miodinkodina eo fa mandroso..
ny sujet voa traite dia hijerena referansy fa tsy handeha ho traitena indray fa miodina en rond eo isika ny hiafarany dia tsy handroso mihitsy fa ho fanina ..
sady ratsy anie izany diska goaka izany e

Tsy fanina mihitsy aho raha izaho manokana,vao maika aho mamaly hatrany satria mbola betsaka ny mangetaheta ny tenin'Atra ary manomboka mijery sy mandalina koa ny hafa,dia mandray izay hitany sy marina.Ny mpilaza koa moa izany dia manao famerenana toy ny mpampianatra manao preparation,efa miverimberina ilay izy dia mailaka izy amin'ny fanontaniana ary manao repetition e.Tsara izany ka a,vao maika mitombo ny fahaizanao ny soratra masina.
Toy ny ankizy manontany zavatra foana ny rar ,raha kivy ianao ka miteny hoe intony koa dondrona, be fanontaniana lava,izany koa dia tsy fantatra sns.. dia lasa mandeha any amin'ny hafa izy manontany.Ny ahy ny zanako be fanontaniana ary reraka ny mpampianatra fa betsaka loatra hono,ahoana hoy aho no mahatonga azy ho matsilo saina raha pepohinao foana izay fanontaniana ataony? Marina izany hoy izy.
Toy izany koa isika raha tsy mahay tsy maninona raha averina foana aza.Sady raha tiana koa anie ilay zavatra dia mahafinaritra ny mamaly e,raha tsy tiana dia mikomy ny fanahy.:roll::P

69. Papoose ( 16/08/2007 01:17)
Vavo a!eee zah de tsy hanary fa vao maika hajaiko sy kolokoloiko tsara!arakaraky ny handrebirebenao ny sain'ny katolika no vao maika hanajako ny ahy sy itiavako azy!
Enao v de mbola mila atoro foana hoe sao de mba aminao ihany le blem fa tsy fanondroana molotra olona?
Sady le kozy tsy fifampiderana fahaizana baiboly!Mino marina de marina mihitsy aho fa zah tena vendrana lavitra be mihoatra anao raha resaka baiboly fa zah kosa tsy mitsaratsara olona toy izany Tompoko.Mahay baiboly, tokony hahay an'izany.
Ary raha tena be theories @ verses ao anatin'io baiboly io enao dia atao pratika miainga @ zvt tsotra indrindra!Dia raha hendry enao de nataonao zay, fa dia hitako eto (na dia povr @ fahaizana baiboly aza zah)fa mbola tsy de hendry enao t@ iny raha iny!
Alefaso ny anjaranay fa zahay koa afaka manome back fa nampianarina mizara:wink:
70. bosista ( 16/08/2007 17:49)
manaona daoly
fahitako ny resaka eto dia samy mandeha amin'ny lalany ,misy fahamarinany ny an'ny vavolombel, satria tsy nokasihan'ny katolika mihitsy ilay verset ary niniany tsy nohazavaina, ary misy koa fanontaniana tsy novalian-dry zareo fa, hoe ny fomba fitenin'i vavolombel no somary mavesatra loatra angambany( raha izany no azo ilazany azy) de somary maha-touche ny sasany,otran'ny mitondra le forum par rancune izy,nefa izay zavatra izay c pas bon pour le forum!
fa samy manana ny azy io!, na sampy io na tsy sampy, misy olona de mahay izao fa sampy no tompoiny nefa tsy avelany satria nahitany soa, otran'izany koa le amin'ny tromba ireny, sy amin'ny kalanoro ireny,
fa we miankina amin'ny tsirairay foana io,ny finoanao no ahavoavonjy anao!
fa kosa we: sambatra ny firenena manana an'i Jehovah ho andriamniny! zahay tsy rapasy ka hitory teny eto ary tsy dia pratiquant loatra koa moa ny tena
71. ikaretsaka ( 16/08/2007 19:29)
Bosista moa tsy mamaky fa ammetraka fotsiny fa inoako fa ho vakiany kosa ity indray mitoraja ity..

Misy ao anaty baiboly kato ireo ka! ary ekena fa andao hidirana lalindalina
fa ity ve misy ao anaty baiboly prot?
Bokin'ny fanisana (nomery)21, 6-9 (potsero hoe io)

Boky faharoan'ny Mpanjaka 2: 11-14
Asan'ny apostoly 19, 11-12


Dia aona ny momba ireo? tsy zavatra ve ireo? hmmmm:wink: ary ARA BAIBOLY IREO AN
Kristianitianim-poana tssss... mamaky baiboly hono mamaky baiboly!:roll:
72. fijo ( 16/08/2007 23:06)
ka le baiboly mo ry zalahy aza raisina ambokony fa mba arao araka izay misy hifanaraka amin'ny misy ankehitriny an.io anie boky efa tamin'ny andron'ny jodasy e.raha tamin'izany nareo no niteny hoe hisy interinety,dia tapadoha
73. Mandefitra ( 17/08/2007 05:03)
Asan'ny Apostoly 19:11-12
Ary Andriamanitra nanao fahagagana lehibe tamin'ny alalan'i Paoly, 12 fa hatramin'ny mosara mbamin'ny fiaron'akanjo nikasika ny tenany avy no nakasika ny marary, dia nahasitrana ny aretiny, sy naharoaka ny fanahy ratsy taminy.

Tsy hitako zao ze hidiran'io verset notsimponin'i Ika io @ sary vongana voalazan'i Vavolombelona.
Ty voalohany Andriamanitra no nanao fahagagana t@ alalan'i Paoly, toy ny fony tety Kristy, ka na ny somitraviaviny ihany aza no voakasik'ilay marary dia sitrany izy, sy ny toky nomeny fony Izy hiala tety hoe mametra-tanana @ marary de ho sitrana ireny.
Ilay faharoa (sary vongana) nga nasain'Andriamanitra natao, sa nanehoany fahagagana koa?
74. LazaDaddy ( 17/08/2007 05:37)
ry katolika havako ario ny sampinao!
ny ahy efa nariako t@ taona 1995 ny "sampiko"
75. Fiffi ( 17/08/2007 12:47)
o ty zareo an ! heu....fa maninn nefa no tsy mifanaja ny azy fotsiny ? samy manana ny finoana tsinona ny tsirairay.....
76. mbaliana ( 17/08/2007 19:38)
toa ireny koa ny gasy.mino ny hery lehibe isika"zanahary "ary ireo lazain'ny kristianina fa sampy anie tsy iny no hivavahana e;fa iny dia mpampita fotsiny,satria ny tena ninoany dia ilay zanahary.ka mitovy mihintsy amin'ny kato io.i maria dia mampita hafatra fa tsy maria no hivavahana fa andriamanitra.ka aza milaza hoe ratsy ny sampy fa tsara maria.samy mpampita ireo.fa mety hoe maria mitovy fiteny amin'andriamanitra moa ny "masina"mitovy firesaka amin'i zanahary.


fa inn aloha no atao hoe sampy e? ny sampy dia iny zavatra sary vongana iny mihitsy no ivavahany inoana fa iny no manana hery manokana,
mpanantateraka izay angatahina
ohatry ny mpanao fanafody hoe raha mihinana zao sy zao dia mahazo an'izao, misy ny Atra ny orana, Atra ny rivotra...) tsy misy idiran'ny Zanahary mihitsy....

ny an'ny Katolika fiarahana mivavaka no angatahina fa tsy hoe i Maria akory no mpanantateraka....Efa nangataka tamin'ny zanahary koa izy ary izy efa nohenoin'Atra ny fangatahany dia tanteraka ny zavatra tsy noeritreretintsika hoe ho tanteraka .. tsy izy Maria no nanao sy nanantateraka fa Atra ...io no mahasamihafa azy amin'ny Sampy...
77. fijo ( 17/08/2007 23:49)
diso be mbaliana.ny mpanompo sampy arak ny filaza azy,dia tsy iny no ena ekeny hoe masia be,na dia ekeny aza hoe manana hery lehibe iny.i maria koa anie tsy izy no tena ivavahan'i kato,fa ekeny oe manna hery hitondra ny vavakany izy e.mitovy mihintsy ny role ataon'i maria "katto"sy ny sampy.samy mpitondra hafatra ireo ,fa tsy ivavahana
78. ikaretsaka ( 18/08/2007 21:49)
http://baiboly.katolika.org/boky/Fanisana/21/6-9
79. ikaretsaka ( 18/08/2007 21:52)
LazaDaddy:

ny ahy efa nariako t@ taona 1995 ny "sampiko"

hay ve i Laza ity vao neophyte e..:lol:

hitako no tsy mbola marim-pototra sy tsy mahalala tsara8)


80. Mandefitra ( 20/08/2007 05:45)
io adinon'i mandefitra ny nijery azy

Nojereko :) fa mitovy @ ilay mosoara ihany ... Andriamanitra no nanao fahagagana t@ alalan'ilay bibilava varahina nasainy nataon'i Mosesy.
fa ny fanontaniana tsy novalian'i Ika de ity :
Ilay faharoa (sary vongana) nga nasain'Andriamanitra natao, sa nanehoany fahagagana koa?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3477