ry katolika havako ario ny sampinao!

41. ikaretsaka ( 11/08/2007 15:21)
cutie> tafafoha sahady?:^)
42. cutie ( 11/08/2007 17:38)
nijery ivelany koa Ikaretsaka :-D
43. mbaliana ( 11/08/2007 18:15)
vavolombel> isaky ny mande amin'ny ambasady zao ianao ohatra, ny sary hitanao fa ambony toerana ao dia ny sarin'ny Filoham-pirenena...
dia raha tsy misy an'iny ve dia tsy hay hoe iza no prezidà ny tanindrazako?

dia tohizako indray le ohatra, tezitra mafy tamin'io filoham-pirenena io ianao noho ny antony samihafa dia vao mahita le sary ianao dia tezitra avy hatrany hoe mahalotika ahy mihitsy ny mahita io sary io...le sary ve naninona anao no nahalotika anao sa le olona asehon'ny sary?
dia ataovy hoe faly be ianao mahita le sary ohatra, dia hozy ianao hoe ity le olona tena nahafinaritra ahy fa nahavita zavatsoa teo amin'ny taniko, tsipazanao bakely izy... le sary ve no orohanao sa le olona asehon'ny sary?
ohatry ny fiainana andavanandro koa no isian'ireny sary masina sns ireny...

44. bosista ( 11/08/2007 19:24)
manaona daoly!
otran'ny tsy mifanandrify ny resakanareo sy vavolombel, satria tsy misy olona mampiasa sarin'ny filoha repoblika atao hivavahana eny fa na dia antoko iray aminy aza eny fa na dia ny vadiny aza, tahaka ny fampiasan'ny katolika amin'ireny sarivongan'i Maria ireny ohatra, hitako zaho dia manana mpifanolobodirindrina aminay katolika ry zareo ary marihako tsara fa isakin'ny voalohandohan'ny volana novambra eo dia mibata sary vongana iny ry zareo dia mitety trano ary ajanona ao an-trano ilay sarivongana fa mitahy ny trano idirany hono, de mivavaka ry zareo ao sns.. tena entina mitety trano maro mihintsy ilay sary vongana ary hitako fa tena fatra-panaja azy ery ry zareo!
nefa mba nisy nampiasa sarin'ny olon-tiany otran'izany ve na sarin'ny prezida??? tena tsy mitovy ireo ko!
amiko aloha otran'ny sadaikatra aho raha vao nahita ireo andininy ireo fa maninn ary no mbola manao sary sokitra iany ry zareo atao hivavahana ? fa tsy mety mihintsy ve lee fivavahana raha vao tsy misy an'iny?
miala tsiny raha misy tafintohina, fa gaga aho mantsy!
voalaza tery ambony we raha tsy katolika ianao de tsy hazava aminao ilay, zany amiko otran'ny tsy argument entina hanazavana ny finoana amin'ny hafa, ny bodista izao de hilaza we raha tsy bodista ianao de tsy hazava aminao ny ny bodha sns...ny hindu koa hiteny sahala amzany, de ahoana?
45. Fiffi ( 11/08/2007 20:10)
vavolombel: heu....inn aza ity mivatravatra mandreraka ity ? nga jamba ny olona raha tsy atao majuscule be tahak'zao ?
46. ikaretsaka ( 11/08/2007 22:08)
bosista:

manaona daoly!
otran'ny tsy mifanandrify ny resakanareo sy vavolombel, satria tsy misy olona mampiasa sarin'ny filoha repoblika atao hivavahana eny fa na dia antoko iray aminy aza eny fa na dia ny vadiny aza, tahaka ny fampiasan'ny katolika amin'ireny sarivongan'i Maria ireny ohatra

misy dia misy koa.. tamin'ny andron'ilay iraika lahy taloha sy ny coree coree sy ny Amperora Bokassa

bosista:
, hitako zaho dia manana mpifanolobodirindrina aminay katolika ry zareo ary marihako tsara fa isakin'ny voalohandohan'ny volana novambra eo dia mibata sary vongana iny ry zareo dia mitety trano ary ajanona ao an-trano ilay sarivongana fa mitahy ny trano idirany hono, de mivavaka ry zareo ao sns..

mba notsikolivinao ve hoe iza marina no nivavahany tao dia inona ny antony nibatany iny sary iny tao?
Raha fantatrao izay dia miditra @ dingana manaraka isika, raha tsy fantatrao dia fantaro aloha

bosista:
tena entina mitety trano maro mihintsy ilay sary vongana ary hitako fa tena fatra-panaja azy ery ry zareo!

dia miverina ary @ ilay resaka ary isika... fantaro aloha ny maha samihafa ny manaja sy ny mitsaoka sy ny miankohoka

bosista:
nefa mba nisy nampiasa sarin'ny olon-tiany otran'izany ve na sarin'ny prezida??? tena tsy mitovy ireo ko!

ieny... misy!

bosista:
amiko aloha otran'ny sadaikatra aho raha vao nahita ireo andininy ireo fa maninn ary no mbola manao sary sokitra iany ry zareo atao hivavahana ? fa tsy mety mihintsy ve lee fivavahana raha vao tsy misy an'iny?


Samihafa ny mivavaka amin'iny sy ny mivavaka @ alalan'iny aloha
tsy mivavaka @ baiboly ianao fa mivavaka amin'ny alalan'ny baiboly, ny baiboly no ataonao karazana referansy sy aide memoire
dia toy izany koa ireny sarivongana sy saple sns... ireny! ireny no "baibolin'ny tsy mahay mamaky teny" sady azo entina sy manampy anao na aiza (saple) no mitondra anao hivavaka n'aiza na aiza misy anao rehefa mahita azy ianao (ilay sary)

ohatra hoe afaka manao saple mitsangana ao anaty bus misisika ianao ary mandinika sy mivavaka miaraka @ ilay olona...
afaka mandinika ny fijalian'i jesoa ianao eo am-pibanjinana lakroa na meday miantona eo am-bozonan'ilay olona eo akaikinao , na sendra nandeha toerana nisy sarivongana

bosista:
miala tsiny raha misy tafintohina, fa gaga aho mantsy!

tsy tafintohina sy gaga izahay fa malahelo amin'ny tsy fahalalanao azy, nefa dia faly koa manoro anao izay tsy mazava aminao rehetra, ary tsy maninona mihitsy ny mifanakalo hevitra momba izany noho ilay mifanakiana be fahatany!
izay koa no tokony atao eto anie, mifampanontany ny tsy hay

bosista:
voalaza tery ambony we raha tsy katolika ianao de tsy hazava aminao ilay, zany amiko otran'ny tsy argument entina hanazavana ny finoana amin'ny hafa,
Ny tian'ny mpanoratra jerena amin'io dia hoe mila miaina sy manandrana ilay izy ianao ary mijery any @ ilay perception ijeren'ilay olona mpanao ilay izy azy! ohatran'ny hoe tsy hafaka miteny ianao hoe mamy ny voasary raha tsy efa nihinana!

ny bodista izao de hilaza we raha tsy bodista ianao de tsy hazava aminao ny ny bodha sns...ny hindu koa hiteny sahala amzany, de ahoana?

Raha tsy miditra sy mijery avy any @ fomba fijeriny ianao dia tsy hazava aminao mihitsy aloha, satria ianao efa manana prejugé sy fijery manokana
fa jerena daholo aloha. amin'izay tsy manao fitsarana mitongilana
dia lanjalanjaina amin'izay hoe ny an'iza no mitombona kokoa. ny an'iza no manana fanazavana misimisy kokoa sns...
fa tsy hoe izaho rangaha izao ihany a.. nefa tsy hainao akory ny manazava hoe fa maninona tokoa ianao no izao, raha misy manontany!

47. bosista ( 12/08/2007 10:06)
manaona daoly!
miala tsiny aloha fa zaho dia tsy mpitsikilo tranon'olona ary mety tsy ho lasa mpitsikilo mihintsy na oviana na oviana io toetra iray io indray de tsy ho hitanareo amiko mihintsy, fa ny zavatra hitako no nolazaiko eto, ary mety ny fomba anazavanareo azy dia tsy mifanaraka amin'ny le we pratika misy!
ary ho anareo manokana satria forum no atao eto, ireo verset efatra ireo va mba misy amin'ny baiboly kato? de inn no dikany aminareo satria toa tsy valianareo akory ilay izy
faharoa, voalaza tery ambony we angah de tsy ahatsiaro an'A/TRA IANAREO RAHA TSY MAMPIASA SARY VONGANA IZAY LAZAIN'NY SORATRA MASINA FA FAHAVETAVETANA EO IMASON'I JEHOVAH???
DE AHOANA NY AVALINAREO AZY ,
ampahatsiahiviko fa ny fanontaniana tsy valiana de lasa manome rariny ny ankilany, ary betsaka ny fanontaniana ery ambony izay tsy azahoana valiny mazava, satria otran'ny mi-interesse ahy le sujet marina! satria amin'ny fiangonana rehetra angamba ny kato iany no mampiasa sary vongana mameno ny egliziny,nefa ilay zavatra raran'A/TRA tsy atao ,de atraiza ary ny fanatanterahan'ny kato ny sitrapon'A/TRA,
ary hitanareo iny film gasy volomborona izay lalaovin'i francis turbo iny , dia hitanao fa mandohalika sy miondrika eo anatrehan'ny sary vongana iny ry zareo, de we vatana fotsiny izany no miondrika amin'iny fa saina any amin'A/TRA??!!!Tsara raha oatra ka azavaina ireo andininy ireo satria raha any anaty trano no ahitana ilay sary vongana de mety ho hafa angambany amiko ny fandehan'ny discution fa ilay izy mameno ny fiangonana, nefa ny baiboly dia mandrara azy io! hatraiza ary fanatanterahana io soratra masina io amin'ny kato, ataoko raha hazavainareo io an de mety hanova ny fomba fijerin'ny olona manoloana ny sary vongana ao ampiangonanareo ilay izy!
48. ikaretsaka ( 12/08/2007 12:32)
miala tsiny aloha fa zaho dia tsy mpitsikilo tranon'olona ary mety tsy ho lasa mpitsikilo mihintsy na oviana na oviana io toetra iray io indray de tsy ho hitanareo amiko mihintsy, fa ny zavatra hitako no nolazaiko eto, ary mety ny fomba anazavanareo azy dia tsy mifanaraka amin'ny le we pratika misy!


dia ianaro misimisy kokoa ary na mandiniha misimisy kokoa! Anontanio mompera, anontanio masera, anontanio ny katesista, ny mpampianatra katesizy sns.. sns...
dia fantatrao ve ny maha samihafa ny "prier" sy ny "venerer"?
dia izao koa
raha manao Karate ianao ka mandohalika ambany dia ambany eo anatrehan'ny maitre anao! midika ve izany fa mivavaka @ maitre anao ianao??

Ny olombelona dia zavaboary sady "Materialy " sy "Spiritual"; , Andriamanitra koa naka Endrika "materialy l" sy "spiritual" rehefa niova ho Olombelona
t@ alalan'i Jesoa ----> ilain'ny olombelona mba hampandroso ny "spirituality" ananany ny fisian'ny zavatra "materialy", rahaka ny sary masina

Misy ao anaty baiboly kato ireo ka! ary ekena fa andao hidirana lalindalina
fa ity ve misy ao anaty baiboly prot?
Bokin'ny fanisana (nomery)21, 6-9 (potsero hoe io)
Boky faharoan'ny Mpanjaka 2: 11-14
Asan'ny apostoly 19, 11-12

---> nanao fahagagana Andriamanitra t@ ny sary vongana varahana, nanao fahagagana izy t@ ny manteau an'i Elisea mpaminany, nanao fahagagana Andriamanitra t@ mosoaran'i Paoly sy ny armure-ny!
Fa tsy nisy nivavaka t@ ireny ny olona , fa mangataka amin'Andriamanitra @ alalan'ireny
49. niryna ( 13/08/2007 00:26)
Tena tsy ahitana vokantsoa mihitsy raha izao no mitohy,efa niteny ry zareo hoe tsy mivavaka amin'ny sary izany intsony,koa inona indray no hamerimberenana an'io?.Sady tsy antsika mihitsy no mitsara,anjaran-tsika fotsiny no manontany ary rehefa milaza izay teneniny ny olona fa tsy mivavaka amin'ireny intsony fa manaja azy ireo fotsiny dia ampy antsika izay.Rehefa manankina ny fiainany sy mivavaka ary mitalaho amin'Atra ny olona dia ka mino fa Kristy no lalana mankany amin'Atra dia mino tanteraka aho fa mamaly vavaka ho azy ireo Atra ary hisy fanahy masina koa ny fiangoanana izay hidirany.Tsy tokony hiala ao am-piangonana izay nisy azy mihitsy izy fa anjarany ny mivavaka mba hidiran'ny fanahy masina izany fiangonana izany.Fantr'Atra fa tena misy olona mitady Azy ao,mangetaheta ny teniny,manaraka sy mianatra ary mamaky ny baiboliny dia hanampy azy ireo tokoa Atra.Ireny olona ireny no fitaovana am-piasainy hanazava ny hafa izay nivavaka sy niankohoka taminy fahiny.Atra dia be famindrapo ary mahafantatra antsika tsirairay izay mitady azy.Anjaran-tsika fotsiny no mivavaka izay tsy mahalala ,efa mahalala ny sasany dia ireny indray no mampianatra ny tsy mahalala.
Aza asiana olana fa lasa ampiasain'ny satana fotsiny isika dia lasa mifankahala,dia faly izy satria samy tsy nisy nahazo hery fampaherezana fa lasa nisaratsaraka amin'ny tsy misy dikany.
(l)niryna
50. niryna ( 13/08/2007 00:28)
Mpandefa : niryna [ Valio ] 09-08-2007 08:17:03
Lohateny : Iray ihany isika ao amin'ny Kristy Tompo!
Fa ny Fanahy Masina no mahatonga antsika iray miaraka amin'i kristy,iray ihany isika rehetra ao amin'ny Tompo,ary iray ihany koa manerana an'izao tontolo izao ao amin'ny finoana dia i Kristy izany.

Raha niara-nivavaka ireo mpianatrin'ny Tompo tamin'ny andro pentekosta (Asa 1:13-14) dia nirotsaka ny Fanahy Masina.Noho ny fiarahan'izy ireo nivavaka,noho ny finoana iray niraisany dia tsy niala teo izy ireo raha tsy nahazo hery lehibe,dia Kristy no velona tao anatiny.
Niara-nivavaka izy ireo ary nankalaza fa:Kristy maty ,nitsangana, niakatra ho any an-danitra,nahafantatra ihany koa fa nisy fisalasalana tao ,nifamela,nifampivavaka,eny niara-nizara ny olana teo amin'ny tsirairay.Nidera ny avo indrindra fa Atra dia velona mandrakizay.
Ry namana,ny Tompo dia mitady antsika rehetra ny hanana fiainam-baovao. Tsy hanary antsika mihitsy Izy raha miara-mino azy isika rehetra,midera ny anarany fa tsara izy,misaotra azy noho ny soa maro nataony antsika tsirairay avy.Avy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina izany rehetra izany no hiasa ato amintsika avy.Andao isika rehetra hiaraka ho iray ao amin'i Kristy Tompo,iray ao amin'ny finoana Azy,iray ao amin'ny fanarahana ny didiny dia ny didy vaovao izay nomeny dia ny hifankatiavantsika tsirairay avy .
51. ikaretsaka ( 13/08/2007 00:33)
ka ny tena mampihomehy sy mahazendana amin'ity aneg ry niryna
manontany ilay olona.. dia azavaina... dia tapa-bolana aty aoriana dia iny fanontaniana iny ihany no averina:roll:
52. mbaliana ( 13/08/2007 18:37)
bosista> mbola mibosia ihany aloha dia ianaro ny atao hoe FANOHARANA ... OHATRA ... dia raiso le lesona tiana ampitaina fa toa zay vakiana dia raisina amambolony doly...
53. fahamarinana ( 13/08/2007 18:47)
niryna:

Mpandefa : niryna [ Valio ] 09-08-2007 08:17:03
Lohateny : Iray ihany isika ao amin'ny Kristy Tompo!
Fa ny Fanahy Masina no mahatonga antsika iray miaraka amin'i kristy,iray ihany isika rehetra ao amin'ny Tompo,ary iray ihany koa manerana an'izao tontolo izao ao amin'ny finoana dia i Kristy izany.

Raha niara-nivavaka ireo mpianatrin'ny Tompo tamin'ny andro pentekosta (Asa 1:13-14) dia nirotsaka ny Fanahy Masina.Noho ny fiarahan'izy ireo nivavaka,noho ny finoana iray niraisany dia tsy niala teo izy ireo raha tsy nahazo hery lehibe,dia Kristy no velona tao anatiny.
Niara-nivavaka izy ireo ary nankalaza fa:Kristy
maty ,nitsangana, niakatra ho any an-
danitra,nahafantatra ihany koa fa nisy fisalasalana tao ,nifamela,nifampivavaka,eny niara-nizara ny olana teo amin'ny tsirairay.Nidera ny avo indrindra fa Atra dia velona mandrakizay.
Ry namana,ny Tompo dia mitady antsika rehetra ny hanana fiainam-baovao. Tsy hanary antsika mihitsy Izy raha miara-mino azy isika rehetra,midera ny anarany fa tsara izy,misaotra azy noho ny soa maro nataony antsika tsirairay avy.Avy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina izany rehetra izany no hiasa ato amintsika avy.Andao isika rehetra hiaraka ho iray ao amin'i Kristy Tompo,iray ao amin'ny finoana Azy,iray ao amin'ny fanarahana ny didiny dia ny didy vaovao izay nomeny dia ny hifankatiavantsika tsirairay avy .


Je le confirme,"iray ihany isika ao amin'ny Tompo "araka ilay fil nisokatra iray iny,aza mifamaly intsony ry reto fa andao hifamela dia hifankatia,zany an? samy tahian'ny Tompo daholo isika rehetra e na iza na iza ato amin'ny forum:catho,protestant,evangélique,flm,fjkm,fpma,anglikana,adventiste na ireo tsy voatanisako rehetra rehetra e,(l):wink:

54. ikaretsaka ( 13/08/2007 19:28)
dia raha iray ihany isika ao amin'ny tompo.. dia ataovy ny ezaka mba hampiray antsika ary.
ohatra ilay vao dingana fiantsoana azy fotsiny ohatra!
55. fahamarinana ( 14/08/2007 14:46)
ikaretsaka:

dia raha iray ihany isika ao amin'ny tompo.. dia ataovy ny ezaka mba hampiray antsika ary.
ohatra ilay vao dingana fiantsoana azy fotsiny ohatra!

Tsy azoko loatra lay tianao tenina,azonao azavaina ve,stp,merci d'avance.Raha tsy mahadiso an,sinon mialatsiny raha nisy diso ny teniko.Bye

56. ikaretsaka ( 14/08/2007 14:56)
fahamarinana:
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m46b2e9d914c66
57. fahamarinana ( 14/08/2007 16:04)
Merci bcp;efa miezaka mafy mihintsy kah,mbola tsy tongalafatra satria araka ilay resaka rehetra ireny hoe ny ao anaty baiboly na ny fihirana aza dia mbola mampiasa ny jesosy daholo,fa efa manao zay mety mihintsy kah.Dia samy tahian'ny Jesoa daholo isika rehetra e.(l)
58. Papoose ( 14/08/2007 22:56)
vavolombel, tena efa vavolombelon'le fanompoan'ny katolika sampy v aloha enao io eee!! dia manaova porofo mivaingana!
Ny baiboly anie samy manana ny fandraisany azy ny olona e!
tsy omeko tsiny anefa enao raha mitsikera b fahatany fa tsy mahita ny tena fandehany satria tsy mahalala ny tena mesazy tiana hampitana @ le filozofia!!!
Tsotsa fotriny!aza manao:cry:
59. fijo ( 14/08/2007 23:10)
mbaliana an,isika gasy mahalala fa o no filohantsika,fa ny vietnamianian ve mahalala hoe toa inona izany ravalo????ilaina io sary io ahafantarana azy.
tsy vavolombelona fa mitovy kosa aloha ny fihetsika sy fanajana le sary sy fanajan'ny mpanompo sampy le sampy e.
60. ikaretsaka ( 14/08/2007 23:30)
fa sendra hitako tao @ reportage (Discovery Channel) androany momban'ny tantaran'olona sauvages le any amazone ireny momba ny resaka sampy!

tsy nisy civisation mihitsy tonga tany amin-dry zareo raha tsy tonga tany le olona mpanao documentaires, fa talohan'izany anefa dia efa nino an'Andriamanitra ry zalahy. dia nefa manao sampy!

Fantany hoe misy hery lehibe (Andriamanitra) namorona azy sy mandrindra izao tontolo izao. Dia ilay sampy dia ataony symbole ahatsiarovany ireo ancetre-ny efa maty taloha tany, dia oe tsy mivavaka amin'iny izy( tezitra be mihitsy ilay sefo)
fa mangataka vavaka amin'ny alalan'iny satria inoany fa efa any akaikin'ilay Hery lehibe (Andriamanitra) ireo ancetre-ny representen'iny zavatra iny!

Sovazy be any Amazone aza hoa mahalala izany.. hoy aho anakam-po... mainka fa isika miseho ho "civilized"

Atsipy ny atody... vaky
atsipy ny teny... ho eritreretina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0087