Jesosy,mpitsara sy mpanelana @A/tra,tsy misy hafa noho Izy?

1. niryna ( 03/08/2007 07:22)
Fa iray no Andriamanitra ,ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona,dia KRISTY JESOSY,Izay olona no sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra,dia zavatra ho fitory amin'izao androny izao. I Timoty 2:5-6
For there is one God and one mediator between God and men,thee man CHRIST JESUS,who gave himself us ransom for all men -the testimony given in its proper time. I Tim 2:5-6

Jesosy irery ihany no manelanelana ny olona amin'Atra,Izy no mitalaho amin'Atra rehefa misy ratsy atao raha mifona sy mibebaka aminy ny olona satria efa voavidin'ny ran'i Jesosy Kristy isika.

Koa amin'izany dia mahavonjy tokoa izay[u] manatona an'Atra amin'ny alalany Izy(Jesosy)
satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy Hebreo 7:25


...hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe izay ekentsika ,dia Jesosy. Hebreo 3:1


Manana an'i Jesosy velona , Mpitsara sy Mpanelanelana ny olona,izay manelana azy amin'Atra.

Moa ve misy hafa noho Izy ka afaka hanavotra ny olona na hitaraina amin'Atra amin'ny ota sy ny fahotana?

Raha maty ny olona moa ve mbola afaka ho vonjena tsy andeha ho any amin'ny farihy mirehitra afo?

Misaotra betsaka

(l)niryna
novalian'i niryna ny 16/08/2007 05:08
2. diamondra27 ( 03/08/2007 07:35)
refa maty de maty.
mbola velona no tokony hanao ze tokony atao fa tsy refa maty zany
toy ny hoe: tahio fa lasan-ko razana

Ny velona no manana fanahy fa tsy ny maty
raha tiana hovonjena zany ny olona 1 de atao ze hahavonjy ny fanahiny dilan'io de mampamangy any @ Md Piera fa mety tsy tafiditra varavarana intsony
3. ikaretsaka ( 03/08/2007 07:48)
Misy mpanelanelana indraindray ko:
ahoana ity izao?
Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin' ny vato masina ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka izy, hanaterany azy mbamin'ny vavaky ny Saints rehetra eo ambonin'ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan'ny seza fiandrianana.
Ary ny fofon'ny ditin-kazo manitra mbamin'ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo an-tànan'ny anjely ho eo anatrehan'Andriamanitra.

(Apokalipsa 8:3-4)


4. hery ( 03/08/2007 08:33)
Tsy hitako hoe iza no tianareo horesena lahatra :-)

Olana tsy mampitovy ny katolika sy ny protestanta nandritra ny taonjato maro io.

Tsy vao ianareo no niteny toa izao... ary tsy izahay irery no efa naheno toa izao... kanefa hatramin'izay ka hatramin'izao dia mbola tsy mifankahazo ny hevitra. Koa angamba herim-po verimaina ho anareo ny hanazava ary herimpo verimaina ho anay koa ny hanazava satria domaine samihafa no resahina.

Teto amin'ny serasera koa dia efa naverimberina io. :-)

Ho an'ny katolika dia Jesoa irery no mpanalalana. Ny an'ny Protestant koa toa izany?

Tsy mpanalalana na mpanelanelana amin'Andriamanitra akory ny razana na ny olomasina. (Tsy katolika izany aloha)

Ho an'ny katolika dia Andriamanitra irery ihany no afaka mampiditra na tsia ny olona any amin'ny paradisa.

Ho an'ny katolika noho izany dia azo atao tsara ny mangataka amin'Andriamanitra (tsy fahotana ny mivavaka) mba handraisany ireo olona izay nody mandry. Anjaran'Andriamanitra ny manaiky na tsia. Tsy mahareraka, ary tsy lany andro ny katolika manao io vavaka io. Raha tsy hanao moa ny sasany tsy maninona.


Koa rehefa mametraka fanontaniana angamba izany dia tsara apetraka foana ny hoe Ho an'ny katolika... na hoe Ho an'ny protestanta... na hoe ho an'ny silamo... na koa hoe Ho an'ny tsy mpino.... Satria hita izao fa tsy mitovy.
5. Mandefitra ( 03/08/2007 08:48)
Koa rehefa mametraka fanontaniana angamba izany dia tsara apetraka foana ny hoe Ho an'ny katolika... na hoe Ho an'ny protestanta... na hoe ho an'ny silamo... na koa hoe Ho an'ny tsy mpino.... Satria hita izao fa tsy mitovy.

Miombon-kevitra @ Hery aho eto, satria tsy ho tapitra rahoviana ny ady hevitra raha mbola resaka Protestanta#katolika.
Ny saika hevitro aza hoe maninona mo raha ajanona kely mitsy ny ady hevitra momba ny finoana ka ireo mpiserasera eto de any @ ireo lohahevitra maro no mampiseho ny maha-Kristianina, anjaran'ny olona @ zay no mitaratra na tena ilay toe-panahy araka an'Andriamanitra tokoa no tafian' ilay milaza tena ho mpanaradia an' i Kristy na tsia.
Eritreritra ny ahy iny mba tsy hitenenana ratsy ilay Fahasoavana noraintsika.
Am-bava homana, ampo mieritra
6. tywa68 ( 03/08/2007 09:18)
niryna : eny, tsy misy hafa noho Izy :-* ary tsy mila atao roman izany fa efa ela no ohatr'izay :wink:

Ireo volazan'i Hery ireo ny momban'ny katolika.

Mandefitra : tsy maninona ny mifanakalo hevitra sy mifanazava, rehefa am-panajàna.:wink:
7. ndrena ( 03/08/2007 09:28)
Ny tokony havahana dia hoe ny fampianaran'ny baiboly na ny sitrapon'Andriamanitra ve no ekena sa ny fampianaran'ny fiangonana na doctrine!Raha iry voalohany dia tsy misy azo hiadivan-kevitra ireo tenin'A/tra voalaza teo ampiandohana ireo ary mbola manamafy izany ny Heb 9/27 fa rehefa maty ny olona dia mandalo fitsarana avy hatrany:na very mandrakizay na voavonjy ho any @ paradisa.Raha ny fampianaran'ny fiangonana no arahina dia samy manana ny hevitra arovany ny fiangonana rehetra fa aleo ny fampianaran'A/tra no arahina satria io no lalan-tokanamitondra ho any @ fiainana mandrakizay.
8. hery ( 03/08/2007 10:02)
ndrena> Ka na ny baiboly (ny votoatiny, ny fandikana ary ny fahazoana azy) ary anie dia efa tsy mitovy e.

Toa izany koa ny fahitana ny sitrapon'Andriamanitra.

Raha resaka tantaran'ny fiangonana sy doctrine indray. Ho tafitohina ve ianao raha ilazako fa fampianaran'Andriamanitra teo anivon'ny fiangonana ny Baiboly? Teo anivon'ny Fiangonana no teraka ny baiboly, nahitsy sy novaina, nadika sy natonta... Ny Fiangonana daholo no nanapakevitra momba izany tamin'ny fitsilovan'ny Fanahy Masina. Ny mpanoratra ny baiboly dia fiaraha-monina (communauté) manana ny tantarany. Koa nahoana no ahilika ny resaka fiangonana? Tsy i Jesoa tsinona no nanoratra ny baiboly (tsy Coran ny baiboly)... koa tsy maintsy raisina daholo koa ny manodidina ny mpanoratra (ny fotoana niainany, ny olona niresahany, ny toe-javatra nitranga teo amin'ny manodidina azy).

Dia miverina indray isika. Na ireo koa aza dia efa be ny tsy mahazo... ka herim-po very maina
9. fahamarinana ( 03/08/2007 11:23)
Manana an'i Jesosy velona , Mpitsara sy Mpanelanelana ny olona,izay manelana azy amin'Atra.

Moa ve misy hafa noho Izy ka afaka hanavotra ny olona na hitaraina amin'Atra amin'ny ota sy ny fahotana?


:arrow:Amiko aloha dia mazava fa i Jesosy irery ihany

Raha maty ny olona moa ve mbola afaka ho vonjena tsy andeha ho any amin'ny farihy mirehitra afo

:arrow:Par contre eto misy fanontaniana kely ilàko fanazavana,nifanena tamin'ny Mpanompon'Andriamanitra iray aho dia nitantara ny fihaonany tamin'i Jesosy izy dia nilaza fa misy ny olona tonga dia miakatra avy hatrany any an-danitra,misy koa nefa hoy izy mbola tsy any am helo fa kosa am toerana iray zany ary mbola ho tsaraina ka noho izany inona no ho tsaraina eo,mbola tsy maty ve zany lay olona ireo nefa efa fantatra fa ao ny toerany sa efa maty dia ny fanahiny zany tsy maty avy hatrany fa azo omena chance-je fais réference à ce qu'elle avait dit diam's hoe rehefa maty dia maty- dia mba tiako hazavainareo amiko fa misy zavatra manitikitika ny saiko e.Misaotra ho an'ireo afaka mamaly ahy.Ny Tompo hitahy e
10. bozyboleta ( 03/08/2007 11:31)
Mitovy hevitra @ hery.
Efa hay hoe inn no tsy itoviana ka inn ndray no hiadin-kevitra sy hifandresen-dahatra satria efa hita koa fa samy hitàna ny azy.
11. ari.malala ( 03/08/2007 12:05)
Moa ve misy hafa noho Izy ka afaka hanavotra ny olona na hitaraina amin'Atra amin'ny ota sy ny fahotana?


ny hanavotra aloha tsy iadiankevitra iny fa tsisy afatsy Jesoa irery iany fa ilay hoe hitaraina @ ota sy fahotana, averiko indray ny fanontaniako atsy ambadika atsy, ianoa v ry niryna ts mbola niteny mints hoe hivavaka hoan'olona iray? ireny pasitera sy mopera ireny zany in no ataony??? tsy mitaraina @ ATra v izy ireny noho ny fahotana sy ny otan'ny ondry andrasany sy otan'ny tenany??? dia tsy manelanelana v ireny? sa refa ireny ts olana? mila valiny.
12. princesseN ( 03/08/2007 12:21)
:arrow:marina fa stisy afa tsy i JESOSY irery ihany no mpanalanelna antsika @ A/tra,

ari.malala>>ny oe hifona ho an'olona 1 @fahotany ve moa tsy ho atao fa ny oe ho fanavotana ho azy ny fifona ataonao ho azy alou ngamba tsy izay le izy,na i JESOSY aza anie no mivavaka @A/tra nefa alohan'ny nahafatesany ilay olona mbola niteny ratsy ihany ohatra de tsy ho voavonjy mihitsy izy e!ka tahaka izany koa na mifona ho anao avokoa aza ny olon-drehetra eto ambonin'ny tany rehefa tsy miova enao inona moa no azo atao fa de very zany!eny e! azo lazaina ho mpanelanelana ihany alou zany rreny e!:)
13. Lisano ( 03/08/2007 14:26)
Marina aloh fa efa foto-kevitra tsy hitovy miitsy reo raha ny lafiny ara-pivavahana no jerena, ary azo inoana fa tsy hoe nipetra-potsiny tamin'izao ireo teo aloha , fa mba efa nandinika ny momba izany , saingy tsy nahavaha ny olana dia nipetraka . Ka isika eto tsy dia hoe hahavaha izay olana izay fa izao anefa no zavatra tsy maintsy azo antoka : tsy misy marina bdb zany fa iray ihany . Ka aza lany andro mampitovy hevitra eo fotsiny tsika , fa izay tena marina tokony ho arahina no ndeha hotadiavina .
Raha ny marina tokoa dia miankina be dia be amin ' ny finoana ny famonjena, ary ny fomba azo antoka indrindra hahitana ny marina dia ny baiboly ihany (Jaona 17:17 / 2Timoty 3:16,17)Ka amiko dia izao no tena marina : 1)Iray no Andriamanitra,ary iray ny mpanalalana amin'Antra sy ny olona dia i Jesosy Kristy izay Olona 2)Tsy mahalala na inona na inona ny maty ary tsy misy tapany ao amin'ny vatany mbola velona aorian'ny fahafatesana , fa lasa vovoka avokoa (Mpitoriteny 9 :9 / Genesisy 3:19 / Salamo 146:3,4)Noho izany dia tsy hety ny hoe hitsarana ny olona maty .
14. hery ( 03/08/2007 15:45)
Lisano> efa mitongilana sahady io nolazainao io :-)

hoy ianao hoe "izay tena marina tokony ho arahina no ndeha hotadiavina". Io ekeko.

Fa avy eo ianao miteny hoe: "ny fomba azo antoka indrindra hahitana ny marina dia ny baiboly ihany". Raha vao manoratra an'io ianao dia tokony hasiana hoe "Hoy ny protestanta" araka ny nolazaiko tetsy ambony.

Satria dia averina foana ho an'izay tsy mahalala fa ny fotokevitra "baiboly ihany" dia protestanta.
15. fijo ( 03/08/2007 21:20)
mahaliana tokao ity ady hevitra ity.
hoanay izay "mpitazana" dia mampalahelo ny mahita fa ianareo izay samy manao ezaka hitarika anay ,dia tsy mitovy fandika izay tantara nisy.
za manokana aloha dia zanaka protestanta,nefa mahita aho ,fa marina kokoa io voalzan'i hery io hoe ,tsy ny baiboly irery ,fa jerena koa ny manodidina ny mpanoratra.ny tantara na zavatra soratana iray mantsy dia taratry ny fiarahamonina nisy tamina vaninandro iray.ka raha boriboriana hoe izay hita ao anaty baiboly fotsiny,dia araka ilay lazain'ika matetika hoe mitsimpona baiboly no hiafarany.ka eo vao miha ratsy satria samy haka izay tiany sy mampety azy ny tsirairay
16. rakaroka ( 03/08/2007 22:07)
'zaho koa zanaka protestanta toa an'i Fijo, fa dia miaiky^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^fa tsy ampy BBBBBBBBBBeeeeeee dia bbbbe, ary mamery fotoana aza ny "famerenan-dava" ny voalazan'ny baiboly: tellement tsy ampy iatrehana ny "fiainana" lé izy. Ny zanako aloha dia tsy ho varianiko @ toa ny nitaizana ahy, satria betsaka ny lafim-piainana MILA FANTARINA tsy hita ao anaty baiboly. Donk miombon-kevitra @ Hery ^:^^:^^:^
17. ikaretsaka ( 03/08/2007 22:15)
eeeeeefa eeeeeeeela aho no niteny heo tsy mety io mikitsimpotsipona io...
18. piste ( 03/08/2007 22:22)
Ny Pbl dia misy mandika vilana ny fampianaran`ny Fiangonana katolika. Satria ambadik`io sujet io dia manana mpanalalana be dia be ny Katolika. Ka eto no ilazako hoe: ` aza fatra-pitsara am-bolony ihany`.

Ny Katolika dia tsy manda velively ny maha-irery ihany ny mpanalalana dia i Jesoa. Fa tadidio kosa fa nitady namana izy hiara-miasa aminy: nanomboka t@ ireo apostoly izany ary mitatra @ tsika vita batemy rehetra sy ireo tsara sitra-po.
Ka @ izay mpiara-miasa izay( cooperateur na participatif) izay no anjara toeran`ny olombelona.

Ireo izay heverina ho olo-masina dia efa velona eo akaikin`Andriamanitra. Ary mazava be ny tenin`i Jesoa t@ ilay jiolahy nivalo : ` Anio dia anio ihany ianao dia hiaraka Amiko any an-Paradisa`.

Ka jiolahy nivalo aza nahazo famelana sy novonjen`i Jesoa ary velona miaraka Aminy any am-paradisa, koa mainka ireo izay nanao ny sitra-pony tety an-tany. Ary isan`izany ny RENINY.
Tsy mpanalalana izy ireo fa mpiara-miasa. Ary averiko indray fa : mbola tsy lavorary aza ianao dia efa nahavita nanao soa sy nivavaka ho an`ireo namana na havanao koa mainka rehefa lavorary eo akaikin`ny Ray.
19. Mitah ( 04/08/2007 00:16)
Mba hadihadio hoe ity?

katolika nanome vola 668Million ho an'olona 508...
20. niryna ( 04/08/2007 02:10)
Andriamanitra iray ihany no hinoantsika rehetra,ny fisian'ny fiangonana maro dia mahatsara zavatra satria ahalalana ny marina rehetra,miainga ao anaty baiboly hatrany isika rehetra satria mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin'ny Tompo
Tsy ny fiangonana mihitsy no ahazahoana famonjena fa Jesosy irery ihany,izany no tarigetra sy tanjona ho antsika rehetra dia ny mitory ny teniny.
Raha manara-dia an'i Jesosy isika izany dia tsy tokony hifanohitra ny ao anaty baiboly mihitsy no resahintsika,raha ny hevitra ao anatin-tsika fa tsy miainga ny ao anaty baiboly(evidence feno) dia ho diso isika,raha miainga ao anaty baiboly no hamaliana azy dia izay voasoratra dia voasoratra
Raha miteny ny baiboly hoe aza mangalatra dia izay izany no voasoratra.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2303