Jesosy,mpitsara sy mpanelana @A/tra,tsy misy hafa noho Izy?

21. piste ( 04/08/2007 03:28)
Tsy ny fiangonana mihitsy no ahazahoana famonjena fa Jesosy irery ihany,izany no tarigetra sy tanjona ho antsika rehetra dia ny mitory ny teniny.


Eto vao mainka tsy mitovy hevitra isika. Tsy omeko tsiny ianao fa izay ny fampianarana azonao.
Ho anay Katolika dia ny Fiangonana no Sakramentan`ny famonjena. I Kristy no namorona azy ary nametraka izany t@ ireo apostoly sy ireo dimbiny. Ary avy @ I Kristy mihitsy no Mission ny Fiangonana dia ny Asam-pamonjena. Ary tsy namorona Fiangonana maro be izany i Jesoa fa iray ihany. Taty aoriana, maro no nihataka t@ ilay Fiangonana foibe.
Raha tsy nisy ny Fiangonana dia avy aiza no nahazoako ny Finoako, iza no nampahafantatra ahy an`i Kristy sy Andriamanitra. Iza no nanao Batemy ahy sy ireo sakramenta sasany.
Miala tsiny aho fa tsy afaka hanao tsinontsinoa ny Fiangonana reniko mihitsy aho.

Raha manara-dia an\'i Jesosy isika izany dia tsy tokony hifanohitra ny ao anaty baiboly mihitsy no resahintsika,raha ny hevitra ao anatin-tsika fa tsy miainga ny ao anaty baiboly(evidence feno) dia ho diso isika,raha miainga ao anaty baiboly no hamaliana azy dia izay voasoratra dia voasoratra
Raha miteny ny baiboly hoe aza mangalatra dia izay izany no voasoratra.


Efa betsaka ihany moa ny namana niezaka nanazava t@ Niryna fa fandraisantsika anjara @ asam-pamonjena dia tsy manafoana velively ny maha-panalalana an`i Kristy. Andrimanitra anie mila antsika raha te-hamonjy ny namantsika izy. Ary matoa ianao nahazo fahasoavana t@ finoana dia marina fa asan`Andrimanitra izay fa t@ alalan`ny Pasitera na namana na fianakaviana no nahazoanao izany.
Raha manelingelina anao ny fisian`ireo olomasina dia ataovy hoe : fitaovana entin`Andriamanitra hanampiana antsika na @ alalan`ny oha-piainana nasehony na t@ alalan`ny fampianarany. Dia toy izany koa ny Fiangonana.
Tsy @ alalan`ny magie-magie na miracle mihitsy no fomba hamonjen`Andriamanitra antsika fa @ alalan`ny Grace sy ny moyen humain.

Ka mba miangavy anao handini-tena ihany fa aza dia fa ly mitsikera ny hafa foana. Tadidio fa olona efa samy manana ny Finoany aby ny ankamaroan`ny olona miditra eto, ary samy efa nobeazina @ izany koa. Ary tsy fantatrao ny zavatra inoany sy izay ao am-pon`izy ireo. Aleo ny vokatrin`ny asan`ny Fiangonana tsirairay no itsarana azy raha itsara ihany ianao.

22. ikaretsaka ( 04/08/2007 05:04)
izay anie no nezahitsinka nampafantarina azy e!
T@ alalan'ny olona foana Andriamanitra no nampita hafatra.

olona no nasain'Andriamanitra nanoratra ny hafany bedebe ao anaty baiboly

olona no nasainy nitory sy nampianatra anao ny momba ireny hafatra ireny (pasitera, mompera frera, masera, mpampianatra sekoly alahady, katesista, ray aman-dreny, mpiara mivavaka, zanaka...)

Rehefa ts'isy hevitra intsony dia nidina mihitsy naka endrik'olona izy
Olona no nakany nofo t@ izany (maria)

Tamin'ny endrika olona no nifantsihany sy nahafatesany teo amin'ny lakroa

niseho sy naka endrika olona izy nony nitsangana t@ maty

olona no nomeny ny fanahy masina
olona no nofidiny ho apostoliny
olona no hirahiny manangana ny fiangonany any @ ireo tsy mbola mahalala
olona no asainy manao asa soa sy manampy ny olona namany
23. princesseN ( 04/08/2007 08:07)
de tsy aleo ve samy mitana ny finoany avy eeeeeeeeee!:) tahaka ny hiafara @fifandirana mantsy ty zavatra ty ra zao fahitako azy izao,ny taloha mantsy tsy nahavita niray hevitra ve de mainka fa sika raha resaka fivaahana!de aleo miova forum hafa ee!:P:P
24. tywa68 ( 04/08/2007 10:24)
tsy mifanditra anie fa mampiseho ny saimpatany e :-D:-D
25. ikaretsaka ( 04/08/2007 14:47)
de jerena izay lojika sy mitombona.. izay no maha forum azy
26. tywa68 ( 04/08/2007 15:43)
Ka io lojika io no mahabe resaka eto ! nefa efa hiaraha-malala ilay toetratsika mipoitra eto :-D
27. niryna ( 04/08/2007 16:47)
diamondra27:

refa maty de maty.
mbola velona no tokony hanao ze tokony atao fa tsy refa maty zany
toy ny hoe: tahio fa lasan-ko razana

Ny velona no manana fanahy fa tsy ny maty
raha tiana hovonjena zany ny olona 1 de atao ze hahavonjy ny fanahiny dilan'io de mampamangy any @ Md Piera fa mety tsy tafiditra varavarana intsony


Izany koa no fahafantarako azy


niryna:

Raha maty izany ny olona dia mifanohitra an'izany,ahoana?


Raha maty ny olona dia hiverina ho vovoka ary ny fanahy dia hiverina any amin'Atra.ka ny vovoka dia hiverina amin'ny tany ho toy ny teo,fa ny fanahy kosa hiverina amin'ATra Izay nanome iny Mpit. 12:7

Voalaza teo :

Moa ve mahatsiaro ny maty ary mbola afaka midera an'Atra ve izy?


Raha mbola velona ihany isika no mahatsiaro fa rehefa maty dia tsy mahatsiaro intsony,toy izany koa ny maty ,tsy afaka midera an'ATra intsony. Ny maty tsy mba hidera an'i Jehovah.Na izay midina any amin'ny mangingina. Sal 115:17, Miverena,Jehovah o! afaho ny fanahiko;Vonjeo aho noho ny famindramponao.Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana.Any amin'ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao? Sal 6:4-5

Voalaza teo :

Mino ve isika fa tsy mety maty ny fanahintsika?


Ny tenantsika azon'ny olona vonoina fa ny fanahintsika kosa tsy azony,(toy ny vola sy ny harena azon'ny olona alaina amintsika fa ny fahaizana ao anaty saina tsy azony ho rombahana na alainy.HS kely ity farany ity fa miala-tsiny)Ary aza matahotra izay mamono ny tena,nefa tsy mahay mamono ny fanahy;fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo.

Voalaza teo :

Inona izany no mety hitranga rehefa maty ny olona?
Tsy mitovy izao vatantsika izao intsony isika fa manana endrika hafa rehefa tonga ety an-tany indray i Kristy.Mba azontsika antsaina ve izany fihovana izany?


Ny nofo aman-dra antsika dia tsy mandova ny fanjakan'Atra,rehefa tonga indray Jesosy dia haka ireo maty rehetra izy ary izay velona kosa dia hiova endrika ao anatin'iray segondra.[i]Fa izao no lazaiko ry rahalahy:Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan'Atra,ary ny fahalovana tsy mandova ny tsi-fahalovana.Indro ,zava-miafina no ambarako aminareo:tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,fa vetivety,toy ny indray mipi-maso ,dia hovana isika rehetra fa hotsofina ny trompetra ary ny maty
hatsangana tsy ho lo intsony,ary isika hovana 1 Kor 15:50-52


Raha araka ny tenin'ny soratra masina dia tsy misy maty afaka mitondra hafatra ho antsika intsony,tsy afaka ny hivavaka ny olona izay efa maty izany isika na hangataka fivavahana amin'ny mba ho tonga any amin'ny Ray
28. niryna ( 04/08/2007 16:49)
ikaretsaka:

Misy mpanelanelana indraindray ko:
ahoana ity izao?
Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin' ny vato masina ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka izy, hanaterany azy mbamin'ny vavaky ny Saints rehetra eo ambonin'ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan'ny seza fiandrianana.
Ary ny fofon'ny ditin-kazo manitra mbamin'ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo an-tànan'ny anjely ho eo anatrehan'Andriamanitra.

(Apokalipsa 8:3-4)




Ny anjely dia tsy mpanelanela na (not mediator) fa mpitondra hafatra (messenger)

29. niryna ( 04/08/2007 16:52)
hery:

Tsy hitako hoe iza no tianareo horesena lahatra :-)

Olana tsy mampitovy ny katolika sy ny protestanta nandritra ny taonjato maro io.

Tsy vao ianareo no niteny toa izao... ary tsy izahay irery no efa naheno toa izao... kanefa hatramin'izay ka hatramin'izao dia mbola tsy mifankahazo ny hevitra. Koa angamba herim-po verimaina ho anareo ny hanazava ary herimpo verimaina ho anay koa ny hanazava satria domaine samihafa no resahina.

Teto amin'ny serasera koa dia efa naverimberina io. :-)

Ho an'ny katolika dia Jesoa irery no mpanalalana. Ny an'ny Protestant koa toa izany?

Tsy mpanalalana na mpanelanelana amin'Andriamanitra akory ny razana na ny olomasina. (Tsy katolika izany aloha)

Ho an'ny katolika dia Andriamanitra irery ihany no afaka mampiditra na tsia ny olona any amin'ny paradisa.

Ho an'ny katolika noho izany dia azo atao tsara ny mangataka amin'Andriamanitra (tsy fahotana ny mivavaka) mba handraisany ireo olona izay nody mandry. Anjaran'Andriamanitra ny manaiky na tsia. Tsy mahareraka, ary tsy lany andro ny katolika manao io vavaka io. Raha tsy hanao moa ny sasany tsy maninona.


Koa rehefa mametraka fanontaniana angamba izany dia tsara apetraka foana ny hoe Ho an'ny katolika... na hoe Ho an'ny protestanta... na hoe ho an'ny silamo... na koa hoe Ho an'ny tsy mpino.... Satria hita izao fa tsy mitovy.



Amiko rehefa mitory ny tenin'Atra tsy hiantso ny olona hoe ory kato na ory prot a,na hoe inona ny finoanareo vao mitory ny tenin'Atra,izay voasoratra no ho voaboasana,mety any amin'ilay firenena matanjaka ilay olona ary efa voasasa ny fampianarana diso ohatra kanefa raha misy miteny ny tenin'Atra ka mifanampy mba samy ho voavonjy ny fanahy dia tsy misy olona izany.
Ny fanontaniana izany dia mikasika ny tenin'Atra,noho izany tokony hanana (back-up) isika hanaporofona ilay teny,tsy avy amin'ny fieritreretantsika satria izao no nampianarina fa araka ny voalazan'ny baiboly.:D
30. niryna ( 04/08/2007 16:55)
Mandefitra:

Koa rehefa mametraka fanontaniana angamba izany dia tsara apetraka foana ny hoe Ho an'ny katolika... na hoe Ho an'ny protestanta... na hoe ho an'ny silamo... na koa hoe Ho an'ny tsy mpino.... Satria hita izao fa tsy mitovy.

Miombon-kevitra @ Hery aho eto, satria tsy ho tapitra rahoviana ny ady hevitra raha mbola resaka Protestanta#katolika.
Ny saika hevitro aza hoe maninona mo raha ajanona kely mitsy ny ady hevitra momba ny finoana ka ireo mpiserasera eto de any @ ireo lohahevitra maro no mampiseho ny maha-Kristianina, anjaran'ny olona @ zay no mitaratra na tena ilay toe-panahy araka an'Andriamanitra tokoa no tafian' ilay milaza tena ho mpanaradia an' i Kristy na tsia.
Eritreritra ny ahy iny mba tsy hitenenana ratsy ilay Fahasoavana noraintsika.
Am-bava homana, ampo mieritra



Tsy ho tapitra rahoviana mihitsy satria hoy Jesosy hoe izao tontolo izao no ho levina fa ny teniko tsy mba ho levina.Isika izany no manapaka ny tady mangeja ,ny zavatra nisy niaina kanefa nisy fahadisoana tao fa tsy nifanaraka ny ao anaty baiboly
31. niryna ( 04/08/2007 16:57)
tywa68:

niryna : eny, tsy misy hafa noho Izy :-* ary tsy mila atao roman izany fa efa ela no ohatr'izay :wink:

Ireo volazan'i Hery ireo ny momban'ny katolika.

Mandefitra : tsy maninona ny mifanakalo hevitra sy mifanazava, rehefa am-panajàna.:wink:



Misaotra anao,ka izay no antony ampahafantarana ny taranaka,nomena fahasoavana isika handinika sy hamakafaka ny ao anaty baiboly,misy moa milaza fa tsy dia ilaina firy na tsy ao anatiny ao no dia ankana ny hevitra fa mivoaka kely,tsy maninona izany satria tokony tao anatin'ny baiboly ihany iny no novelabelariny sy nohazavainy
32. niryna ( 04/08/2007 16:59)
ndrena:

Ny tokony havahana dia hoe ny fampianaran'ny baiboly na ny sitrapon'Andriamanitra ve no ekena sa ny fampianaran'ny fiangonana na doctrine!Raha iry voalohany dia tsy misy azo hiadivan-kevitra ireo tenin'A/tra voalaza teo ampiandohana ireo ary mbola manamafy izany ny Heb 9/27 fa rehefa maty ny olona dia mandalo fitsarana avy hatrany:na very mandrakizay na voavonjy ho any @ paradisa.Raha ny fampianaran'ny fiangonana no arahina dia samy manana ny hevitra arovany ny fiangonana rehetra fa aleo ny fampianaran'A/tra no arahina satria io no lalan-tokanamitondra ho any @ fiainana mandrakizay.



=D=D God bless us.Marina tokoa izany ary Andriamanitra anie homba antsika rehetra :*
33. niryna ( 04/08/2007 17:04)
hery:

ndrena> Ka na ny baiboly (ny votoatiny, ny fandikana ary ny fahazoana azy) ary anie dia efa tsy mitovy e.

Toa izany koa ny fahitana ny sitrapon'Andriamanitra.

Raha resaka tantaran'ny fiangonana sy doctrine indray. Ho tafitohina ve ianao raha ilazako fa fampianaran'Andriamanitra teo anivon'ny fiangonana ny Baiboly? Teo anivon'ny Fiangonana no teraka ny baiboly, nahitsy sy novaina, nadika sy natonta... Ny Fiangonana daholo no nanapakevitra momba izany tamin'ny fitsilovan'ny Fanahy Masina. Ny mpanoratra ny baiboly dia fiaraha-monina (communauté) manana ny tantarany. Koa nahoana no ahilika ny resaka fiangonana? Tsy i Jesoa tsinona no nanoratra ny baiboly (tsy Coran ny baiboly)... koa tsy maintsy raisina daholo koa ny manodidina ny mpanoratra (ny fotoana niainany, ny olona niresahany, ny toe-javatra nitranga teo amin'ny manodidina azy).

Dia miverina indray isika. Na ireo koa aza dia efa be ny tsy mahazo... ka herim-po very maina



Ka izay anie ry hery no mahatsara ny fisian'ny fiangonana maro e,dia aleo ny olona no hamakafaka satria efa maro aman'alina aman'etsinetsiny izao no nivadika ny olona rehefa mandinika ny fiangonana sasany niangonany izy ireo,izany no nahatonga ny fiangonana ho maro.Saingy tsy ny fiangonana no hindrahindraina fa Jesosy kristy satria kristiana no anaran'izay manaraka Azy ary tokony manaraka ny ataony izany raha kristiana tokoa,eny mety tsy ho tanteraka daholo fa raha miaiky ny lazainy dia efa zava-dehibe izay.Raha resaka fiangonana indray no atao resaka dia ie,ie ,lany eto ny androntsika ary mety tsy ho voavonjy mihitsy indray aza satria tsy manaraka ny hafany hoe mifankatiava,tiava ny rahalahinao(indrindra ny mpianakavy ao amin'ny Tompo)
34. ikaretsaka ( 04/08/2007 19:43)
teo anivon'ny fiangonana no niseho ny baiboly
fa tsy teo anivon'ny baiboly no niseho ny fiangonana

satria ilay olona aman'hetsinetsiny tsy voazava an'iona tsy nahafantatra an'io

fanazavana fanampiny cf.. jereo ny nosoratan'i Hery
35. piste ( 05/08/2007 03:57)
Ka izay anie ry hery no mahatsara ny fisian'ny fiangonana maro e,dia aleo ny olona no hamakafaka satria efa maro aman'alina aman'etsinetsiny izao no nivadika ny olona rehefa mandinika ny fiangonana sasany niangonany izy ireo,izany no nahatonga ny fiangonana ho maro.Saingy tsy ny fiangonana no hindrahindraina fa Jesosy kristy satria kristiana no anaran'izay manaraka Azy ary tokony manaraka ny ataony izany raha kristiana tokoa,eny mety tsy ho tanteraka daholo fa raha miaiky ny lazainy dia efa zava-dehibe izay.Raha resaka fiangonana indray no atao resaka dia ie,ie ,lany eto ny androntsika ary mety tsy ho voavonjy mihitsy indray aza satria tsy manaraka ny hafany hoe mifankatiava,tiava ny rahalahinao(indrindra ny mpianakavy ao amin'ny Tompo)


Io volazanao io moa dia opinion toy ny opinion rehetra. No sady mifangaro fiarovan-tena ihany, @ ireo secta maro be miforona etsy sy aroa. Tsy misy mahatsara izany fisamasamahana izany. Fifankatiavana sy fiombonana no nampianarina antsika fa tsy fisarahana.

Ho an`ny secta dia tsy misy dikany ny fiangonana fa samy manao izay mahavonjy ny tenany. Izany hoe, samy mikarakara ny tenany eny.
Amin`ny Katolika dia ankoatry ny Fiombonan`ny mpino dia vatan`i Kristy(corps mystique) ny Fiangonana.Ary tsy afa-misaraka Aminy satria efa novidiany sy novidiny t@ rany.
Atao ahoana moa fa tsy voavakin`ny sasany tsara ireo reference be dia be milazalaza momba ny Fiangonana ao @ Baiboly. Possible atao odian-tsy hita fa manelingelina.
36. niryna ( 05/08/2007 04:48)
hery:

Lisano> efa mitongilana sahady io nolazainao io :-)

hoy ianao hoe "izay tena marina tokony ho arahina no ndeha hotadiavina". Io ekeko.

Fa avy eo ianao miteny hoe: "ny fomba azo antoka indrindra hahitana ny marina dia ny baiboly ihany". Raha vao manoratra an'io ianao dia tokony hasiana hoe "Hoy ny protestanta" araka ny nolazaiko tetsy ambony.

Satria dia averina foana ho an'izay tsy mahalala fa ny fotokevitra "baiboly ihany" dia protestanta.

Aminao izany raha hitory ny filazan-tsara dia inona no resahina?
37. niryna ( 05/08/2007 04:52)
bozyboleta:

Mitovy hevitra @ hery.
Efa hay hoe inn no tsy itoviana ka inn ndray no hiadin-kevitra sy hifandresen-dahatra satria efa hita koa fa samy hitàna ny azy.

Amiko dia ilaina ny fiadian-kevitra fa izay no ahafahan'ny maro mamakafaka ny zava-misy,raha tsy mamaky baiboly moa dia mahita teny (evidence )niainga tao anaty baiboly.Ny olona sasany moa dia milaza fa tsy ilaina io.Amiko io no ampinga entin-tsika miady amin'ny fiainana,manaraka izay mety ho vitan-tsika ary mahafantatra ny tokony atao na tsia.Ny fahafantarana ny teniny dia entina miatrika ny fiainana iray manontolo mihitsy.

38. niryna ( 05/08/2007 05:04)
ari.malala:

Moa ve misy hafa noho Izy ka afaka hanavotra ny olona na hitaraina amin'Atra amin'ny ota sy ny fahotana?


ny hanavotra aloha tsy iadiankevitra iny fa tsisy afatsy Jesoa irery iany fa ilay hoe hitaraina @ ota sy fahotana, averiko indray ny fanontaniako atsy ambadika atsy, ianoa v ry niryna ts mbola niteny mints hoe hivavaka hoan'olona iray? ireny pasitera sy mopera ireny zany in no ataony??? tsy mitaraina @ ATra v izy ireny noho ny fahotana sy ny otan'ny ondry andrasany sy otan'ny tenany??? dia tsy manelanelana v ireny? sa refa ireny ts olana? mila valiny.

Aza afangaro aky ry ari-malala ny olombelona mivavaka ,miaraka mivavaka.Raha misy roa na telo no mivavaka amin'ny anarako dia eo afovoana Aho.Sy ny hoe na inona na inona no angatahinareo amin'ny anarako dia omeko anareo koa izany.Olona samy mbola velona daholo ireo miara-mivavaka sy miara-mangataka ireo.
Ny tenin'Atra manambara fa tsy miteny,tsy mamaly intsony izay maty rehetra,koa ahoana no fomba ahatongavany any amin'Atra.EFa naheno olona maty ve ianao ka nitantara izay nandehanany tany an-danitra?Ny olona nalain'ny Tompo no efa naheno betsaka ary mijoro vavolombelona daholo ireny ka na aiza misy azy na aiza dia saika mitovy daholo ny tantara.Olona velona ireo fa tsy maty.:

niryna:

Moa ve mahatsiaro ny maty ary mbola afaka midera an'Atra ve izy?



Raha mbola velona ihany isika no mahatsiaro fa rehefa maty dia tsy mahatsiaro intsony,toy izany koa ny maty ,tsy afaka midera an'ATra intsony. Ny maty tsy mba hidera an'i Jehovah.Na izay midina any amin'ny mangingina. Sal 115:17, Miverena,Jehovah o! afaho ny fanahiko;Vonjeo aho noho ny famindramponao.Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana.Any amin'ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao? Sal 6:4-5




39. niryna ( 05/08/2007 05:05)
princesseN:

:arrow:marina fa stisy afa tsy i JESOSY irery ihany no mpanalanelna antsika @ A/tra,

ari.malala>>ny oe hifona ho an'olona 1 @fahotany ve moa tsy ho atao fa ny oe ho fanavotana ho azy ny fifona ataonao ho azy alou ngamba tsy izay le izy,na i JESOSY aza anie no mivavaka @A/tra nefa alohan'ny nahafatesany ilay olona mbola niteny ratsy ihany ohatra de tsy ho voavonjy mihitsy izy e!ka tahaka izany koa na mifona ho anao avokoa aza ny olon-drehetra eto ambonin'ny tany rehefa tsy miova enao inona moa no azo atao fa de very zany!eny e! azo lazaina ho mpanelanelana ihany alou zany rreny e!:)

Miombokevitra aminao koa aho.

40. niryna ( 05/08/2007 05:08)
rakaroka:

'zaho koa zanaka protestanta toa an'i Fijo, fa dia miaiky^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^^:^fa tsy ampy BBBBBBBBBBeeeeeee dia bbbbe, ary mamery fotoana aza ny "famerenan-dava" ny voalazan'ny baiboly: tellement tsy ampy iatrehana ny "fiainana" lé izy. Ny zanako aloha dia tsy ho varianiko @ toa ny nitaizana ahy, satria betsaka ny lafim-piainana MILA FANTARINA tsy hita ao anaty baiboly. Donk miombon-kevitra @ Hery ^:^^:^^:^


Zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zaza fa na lehibe aza izy dia mbola ao ihany ilay fampianarana nomena azy fahiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3919