Jesosy,mpitsara sy mpanelana @A/tra,tsy misy hafa noho Izy?

41. niryna ( 05/08/2007 05:18)
Mitah:

Mba hadihadio hoe ity?

katolika nanome vola 668Million ho an'olona 508...

Nanao settlement( na nandoha vola)hono ny vatican any Rome ho an'ireo olona nitory ny monperes sy ny namany ao amin'ny fiangonana izay nanadala ny ankizy lahy kely sy ny maro hafa koa,ireo ihany aloha no nitsangana fa mbola maro no tsy nanantona.Io ve no tian-i Mitah ho lazaina?Vaovao nivoaka tamin'ny herinandro io.
Mampalahelo ilay izy ary efa nisy foana io,toy ny ilay rangahy efa 31 taona vao nanantona fa tsy zakany intsony.
Ny olona eo amin'ny fitondrana ny fiangonana anie no mora potika indrindra ny fiainany raha manao zavatra tsy mety izy ireo e,na mpitandrina na iza izany,ny mivavaka azy ireo no anjaran'ny mpiangona mba ahatohitra ny herin'ny satana.

42. niryna ( 05/08/2007 05:23)
tywa68:

tsy mifanditra anie fa mampiseho ny saimpatany e :-D:-D


Marina mihitsy izany,sady hafafy ny voa,izay mandray tsara ,raha miziriziry ny azy moa izy dia azy ho azy iny.
43. ikaretsaka ( 05/08/2007 15:11)
ka ilay saim-patany matetika dia ilay mitsimpona ilay teny izay metimaty aminy ihany, fa ny sisa odian-tsy hita
hery atsy ambadika atsy :
Tenin'i Jesoa koa io firaisana io ka dia manao ezaka... fa tsy hoe ny tenin'i Jesoa sasany ihany no arahina fa ny sasany izay mikitikitina ny momba ny tena odiana tsy hita.

dia aoka handinin-tena
44. ikaretsaka ( 05/08/2007 15:15)
niryna: jereo koa ny "Franklingate" (inoako fa raha nianatra college tanty Etazonia ianao dia mahay an'io)
alohan'io resakareo sy i mitah io
raha tsy mbola moa dia mandehana library dia mamakia... tsy maninona mihitsy
45. ari.malala ( 06/08/2007 13:15)
Mahatsiaro sy mankalaza ny niovan'ny Tompo tarehy isika anio, dia voalaza ao @ Evanjely fa nony niova tarehy Jesoa dia nisy roalahy niseho taminy sy niresaka taminy dia i Moizy sy Elia, ka ahoana ry Niryna ilay hoe tsy mifoha intsony ny maty????
46. bozyboleta ( 06/08/2007 13:26)
Mpandefa : niryna [ Valio ] 05-08-2007 06:52:10
Lohateny : Re : Jesosy,mpitsara sy mpanelana @A/tra,tsy misy hafa noho
Hoy i bozyboleta:

Mitovy hevitra @ hery.
Efa hay hoe inn no tsy itoviana ka inn ndray no hiadin-kevitra sy hifandresen-dahatra satria efa hita koa fa samy hitàna ny azy.

Hoy i Nirina
Amiko dia ilaina ny fiadian-kevitra fa izay no ahafahan'ny maro mamakafaka ny zava-misy,raha tsy mamaky baiboly moa dia mahita teny (evidence )niainga tao anaty baiboly.Ny olona sasany moa dia milaza fa tsy ilaina io.Amiko io no ampinga entin-tsika miady amin'ny fiainana,manaraka izay mety ho vitan-tsika ary mahafantatra ny tokony atao na tsia.Ny fahafantarana ny teniny dia entina miatrika ny fiainana iray manontolo mihitsy.



Ka le fiadian-kevitra ny farany lasa fifanaratsiana ny fivavahan'ny tsi-1-1 ka mainka tsy mendrika ny maha-kristiana.
Ho ahy de fantatro zay inoako ary ny fampianarana noraisiko hatr@ mbola kely ka mandrak'izao de ekeko ho marina. Mandalina aho sy manadihady fa tsy mbola resy lahatra ary tsy miova aloha ny fieritreretako hatr@ zao.
De sal@ zay daholo le mpiady hevitra ka sao de ho lany andro eo e! Asakasakareo nefa :lol:
47. tywa68 ( 06/08/2007 13:49)
ka tsy misy miady eto ry bozyboleta, fa misy tsy mamaky tsara, dia lasa ohatrany mananihany, na rehefa hoe resy lahatra tsy miteny hoe marina zany, na diso zany fa izao no antony !
Raha ny hanova aloha i Jesoa Tompo ihany no afaka hanova antsika, raha mangataka izany isika :-*
48. ari.malala ( 06/08/2007 14:02)
misy marina alo io tenin'i bozyboleta io hoa manaratsy ny fivavahan'ny sasany e! za mahita sy mahatsapa mints fa tena mitsy manaratsy tsotra fts zao eto!io le teneniko ary ambadika ary hoe fatratra ary mitsikera nefa zavatra tsy hay akory no itsingolohana sy tsikeraina de refa itondran'ny mahay azy fanazavana tsy mino sy tsy manaiky fa ny azy iany no azy! lazaina fa mampianatra diso ny olona hono e, mamily sy mandiso fanantenana ny olona e... zany v ts manaratsy?!!!
49. tywa68 ( 06/08/2007 14:23)
ka mety mandaitra ho an'izay mbola mihaotra kosa anie e :lol: Ny tena antony angambany dia mihevitra fa tena manina ny marina e :wink:
50. ikaretsaka ( 06/08/2007 15:51)
tywa68:

ka tsy misy miady eto ry bozyboleta, fa misy tsy mamaky tsara, dia lasa ohatrany mananihany, na rehefa hoe resy lahatra tsy miteny hoe marina zany, na diso zany fa izao no antony !
Raha ny hanova aloha i Jesoa Tompo ihany no afaka hanova antsika, raha mangataka izany isika :-*


Ilay tsy manome antony io no betsaka mihitsy rehefa tsy manaiky ho resy lahatra!

Raha te hiteny ianao hoe tsy ekenao izany.. dia mba omena mazavany antony tsy hanekenao azy aloha

rehefa tsy manana antony.. maninona tsy miteny hoe marina izany?


51. bozyboleta ( 07/08/2007 09:23)
Ka betsaka le tsy manaiky resy lahatra de ny valin-kafatra avy de fanaratsiana tsotrizao. De tsy manaiky lembenana koa ny hafa de ny farany fifanaratsiana ranofotsiny ka hozy za hoe tsy mendrika ny maha-kristiana zany fomba zany e!
52. tywa68 ( 07/08/2007 09:29)
Tena tsy mendrika fa zay no maha-olombelona antsika, mitady izay famendrehana izay, ary mivavaka ho tody @io tanjona 1 goavana io : hahazo ny fanomezam-be nampanantenaina antsika rehefa tonga ny fotoana hitsaràna antsika = mba ho 1 ao @ i Jesoa Tompo anie isika rehetra :-*
53. ikaretsaka ( 07/08/2007 11:52)
bozyboleta:

Ka betsaka le tsy manaiky resy lahatra de ny valin-kafatra avy de fanaratsiana tsotrizao. De tsy manaiky lembenana koa ny hafa de ny farany fifanaratsiana ranofotsiny ka hozy za hoe tsy mendrika ny maha-kristiana zany fomba zany e!



dia omeo argument izy ko hoe tsy ekeko izany satria izao ny antony .. raha izay dia tsy hitako ny olana,

fa ilay mijanona fotsiny @ ny hoe ratsy izany na manda izany aho ... nefa tsy misy antony hoe fa maninona no hafahafa
54. niryna ( 16/08/2007 03:00)
ikaretsaka:

teo anivon'ny fiangonana no niseho ny baiboly
fa tsy teo anivon'ny baiboly no niseho ny fiangonana

satria ilay olona aman'hetsinetsiny tsy voazava an'iona tsy nahafantatra an'io

fanazavana fanampiny cf.. jereo ny nosoratan'i Hery

Ny fiangonana anie dia olona maro no miangona midera sy mankalaza an'Atra e.Izay no atao hoe fiangonana.Taty aoriana dia ilay trano niangonana no natsoina azy io indray.Sa tsy izany.

55. niryna ( 16/08/2007 03:05)
princesseN:

de tsy aleo ve samy mitana ny finoany avy eeeeeeeeee!:) tahaka ny hiafara @fifandirana mantsy ty zavatra ty ra zao fahitako azy izao,ny taloha mantsy tsy nahavita niray hevitra ve de mainka fa sika raha resaka fivaahana!de aleo miova forum hafa ee!:P:P

Ka dia ho samy very daholo izany isika rehetra raha samy hitana ny atao hoe finoany,raha hoe andao samy hanara-dia an'i kristy isika,hanaraka ny hafany miezaka hanao izay noteneniny dia hafa izay.
Dia hiverina indray amin'ny lefona sy ny lamba manarona fotsiny izany isika raha izany.Izay no mahatsara ny andro amin'izao fotoana izao,taloha isika tsy mba afaka nizara ny tenin'Atra ka afaka nifampiresaka toy izao.Maro ny fivoharana ary maro no mahalala tsikelikely ny atao hoe finoana an'i kristy fa tsy ny fiangonana .Satria ny fiangonana tsy mahavonjy velively

56. niryna ( 16/08/2007 03:09)
ikaretsaka:

ka ilay saim-patany matetika dia ilay mitsimpona ilay teny izay metimaty aminy ihany, fa ny sisa odian-tsy hita
hery atsy ambadika atsy :
Tenin'i Jesoa koa io firaisana io ka dia manao ezaka... fa tsy hoe ny tenin'i Jesoa sasany ihany no arahina fa ny sasany izay mikitikitina ny momba ny tena odiana tsy hita.

dia aoka handinin-tena

Ka ny anao izay mety ho saim-patanao izany dia aminy koa izay fantany ao anaty baiboly no lazainy ary mifandraika foana ny dinika,inona no olana amin'izany?
Tsy voa maika tsara ve izany amiko,sa moa ianao tsy tia manao tsianjery dia very izay mahafantatra ny tenin'Atra ataony ho fiadiana ny fahavalony izay mila hamotraka azy.Raha mba mahalala izay ao anatin'ny baiboly sy mba nampianarina ary manomboka mamaky ilay teny izy dia ampihariny amin'ny fiainana ilay izy.Izay no atao hoe finoana tsy arahan'asa namany maty.

57. niryna ( 16/08/2007 03:13)
ikaretsaka:

niryna: jereo koa ny "Franklingate" (inoako fa raha nianatra college tanty Etazonia ianao dia mahay an'io)
alohan'io resakareo sy i mitah io
raha tsy mbola moa dia mandehana library dia mamakia... tsy maninona mihitsy

Ilay fiangonana "catholic charismatic " mijoro vavolombelona be dia be izao no tena mahaliana ahy,ary tena mahavariana fa misy fihovana lehibe mihitsy saingy izay mifanohitra rehetra moa dia sekta ka tsy fantatra intsony izay tena marina fa milaza azy ho marina daholo:cry:

Io vola io efa voalaza fa saingy diso tanteraka ny information nomenao,soa ihany fa nisy naka ny CNN ka dia nipoitra ny marina.Mampalahelo kanefa tsy ny fiangonana iray ihany no misy an'io fa maro.Tsy ny kristiana ihany koa fa ny tsy kristiana aza no vao maika loza be tsy misy ota izany.

58. niryna ( 16/08/2007 03:21)
hery:



Ho an'ny katolika dia Jesoa irery no mpanalalana. Ny an'ny Protestant koa toa izany?

Tsy mpanalalana na mpanelanelana amin'Andriamanitra akory ny razana na ny olomasina. (Tsy katolika izany aloha)

Ho an'ny katolika dia Andriamanitra irery ihany no afaka mampiditra na tsia ny olona any amin'ny paradisa.

=D=D io izany ry ika fa tsy misy hafa izany fa taiza ianao no namorona?


Koa rehefa mametraka fanontaniana angamba izany dia tsara apetraka foana ny hoe Ho an'ny katolika... na hoe Ho an'ny protestanta... na hoe ho an'ny silamo... na koa hoe Ho an'ny tsy mpino.... Satria hita izao fa tsy mitovy.

Tsy vao maika ve hisara-bazana kanefa finoana izay noheverin'ny be sy ny maro ihany no iraisana dia ny hoe "kristy irery ihany no tompo mpanjaka,mpiaro,mpamonjy,mpanavotra,mpanasitrana sns".Ary indrindra fa lalana mankany amin'Atra na tohatra na teteza-mita mankany amin'ny Ray.
Ny silamo mino fa mpaminany koa Izy.
Ary manontany ry zareo hoe Iza no lehibe indrindra?
59. niryna ( 16/08/2007 03:36)
fahamarinana:

Manana an'i Jesosy velona , Mpitsara sy Mpanelanelana ny olona,izay manelana azy amin'Atra.

Izaho koa dia mitovy hevitra aminao.

Moa ve misy hafa noho Izy ka afaka hanavotra ny olona na hitaraina amin'Atra amin'ny ota sy ny fahotana?

Tsy misy na iray aza.Hoy ilay hira izay hoe not not one.
niryna:

Inona no mitranga ho an'ireo olo-marina velona na maty rehefa tonga kristy?

Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Atra ,ka izay maty ao amin'i kristy no hatsangana aloha,ary rehefa afaka izany ,dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny tompo any amin'ny habakabaka,dia ho any amin'ny tompo mandrakizay isika (Tes 4 16-17)


60. niryna ( 16/08/2007 03:50)
fahamarinana:


Raha maty ny olona moa ve mbola afaka ho vonjena tsy andeha ho any amin'ny farihy mirehitra afo

Efa voalazako io any amin'ny fanontaniana hoe raha maty ny olona inona no mitranga?


[quote=niryna
Voalaza teo :
Raha maty izany ny olona dia mifanohitra an'izany,ahoana?


Raha maty ny olona dia hiverina ho vovoka ary ny fanahy dia hiverina any amin'Atra.ka ny vovoka dia hiverina amin'ny tany ho toy ny teo,fa ny fanahy kosa hiverina amin'ATra Izay nanome iny Mpit. 12:7

Voalaza teo :

Moa ve mahatsiaro ny maty ary mbola afaka midera an'Atra ve izy?


Raha mbola velona ihany isika no mahatsiaro fa rehefa maty dia tsy mahatsiaro intsony,toy izany koa ny maty ,tsy afaka midera an'ATra intsony. Ny maty tsy mba hidera an'i Jehovah.Na izay midina any amin'ny mangingina. Sal 115:17, Miverena,Jehovah o! afaho ny fanahiko;Vonjeo aho noho ny famindramponao.Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana.Any amin'ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao? Sal 6:4-5

Voalaza teo :

Mino ve isika fa tsy mety maty ny fanahintsika?


Ny tenantsika azon'ny olona vonoina fa ny fanahintsika kosa tsy azony,(toy ny vola sy ny harena azon'ny olona alaina amintsika fa ny fahaizana ao anaty saina tsy azony ho rombahana na alainy.HS kely ity farany ity fa miala-tsiny)Ary aza matahotra izay mamono ny tena,nefa tsy mahay mamono ny fanahy;fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo.

Voalaza teo :

Inona izany no mety hitranga rehefa maty ny olona?
Tsy mitovy izao vatantsika izao intsony isika fa manana endrika hafa rehefa tonga ety an-tany indray i Kristy.Mba azontsika antsaina ve izany fihovana izany?


Ny nofo aman-dra antsika dia tsy mandova ny fanjakan'Atra,rehefa tonga indray Jesosy dia haka ireo maty rehetra izy ary izay velona kosa dia hiova endrika ao anatin'iray segondra.[i]Fa izao no lazaiko ry rahalahy:Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan'Atra,ary ny fahalovana tsy mandova ny tsi-fahalovana.Indro ,zava-miafina no ambarako aminareo:tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,fa vetivety,toy ny indray mipi-maso ,dia hovana isika rehetra fa hotsofina ny trompetra ary ny maty
hatsangana tsy ho lo intsony,ary isika hovana 1 Kor 15:50-52


Io no fanazavana nomeko.





© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6554