Jesosy,mpitsara sy mpanelana @A/tra,tsy misy hafa noho Izy?

61. niryna ( 16/08/2007 03:59)
fahamarinana:
:arrow:Par contre eto misy fanontaniana kely ilàko fanazavana,nifanena tamin'ny Mpanompon'Andriamanitra iray aho dia nitantara ny fihaonany tamin'i Jesosy izy dia nilaza fa misy ny olona tonga dia miakatra avy hatrany any an-danitra,misy koa nefa hoy izy mbola tsy any am helo fa kosa am toerana iray zany ary mbola ho tsaraina ka noho izany inona no ho tsaraina eo,mbola tsy maty ve zany lay olona ireo nefa efa fantatra fa ao ny toerany sa efa maty dia ny fanahiny zany tsy maty avy hatrany fa azo omena chance-je fais réference à ce qu'elle avait dit diam's hoe rehefa maty dia maty- dia mba tiako hazavainareo amiko fa misy zavatra manitikitika ny saiko e.Misaotra ho an'ireo afaka mamaly ahy.Ny Tompo hitahy e


Izaho koa efa naheno tantara fony kely hoe noentin'i kristy niaraka taminy ity pasitera ary lava ilay tantara fa ny tadidiko fotsiny dia hoe misy seza maro be ary nahita sy nasehon'i kristy azy ny seza mitsingoloka iray ka io hoy izy ilay sezan'i Jodasy namadika an'i kristy.Nilaza ny bokin'ny fiainana koa izy ary voasoratra ao ny anaran'izay miakatra any an-danitra.Moa ve hoy ny mpianatra mbola voafafa ny anaran'izay mankany ?Dia hoy izy hoe eny,satria misy mbola manaiky tarihin'ny satana na dia efa voafidy aza.Nomena safidy ny tsirairay ka anjarany ny mino dia manaraka na ny mandaha dia very.


62. niryna ( 16/08/2007 04:32)
fahamarinana:
mbola tsy maty ve zany lay olona ireo nefa efa fantatra fa ao ny toerany sa efa maty dia ny fanahiny zany tsy maty avy hatrany fa azo omena chance-je fais réference à ce qu'elle avait dit diam's hoe rehefa maty dia maty- dia mba tiako hazavainareo amiko fa misy zavatra manitikitika ny saiko e.Misaotra ho an'ireo afaka mamaly ahy.Ny Tompo hitahy e[/b]

Afaka omena chance izy ka, izany no mahatonga ny fitoriana ny fibebahana,fanantonana ,fangatahana famelan-keloka sy famelana ny olona hafa izay tsy tianao na tsy tia anao,eny mbola manana chance ny hihaino ny tenin'Atra izy raha tiany izany.Mbola velona izy no afaka manao an'ireo ,rehefa maty indray izy dia tsy misy intsony fa miandry ny fitsarana.
Io toerana misy ny fanahy io aloha dia samy milaza ny fiteniny ny olona fa ny fanahy ratsy na ireo nanda ny tenin''Atra no fantatro fa hoe mandeha any amin'ny afobe ,ary dia mijaly sy mitaraina mandra-pahatongan'ny fitsarana.
Ao anaty baiboly koa io.Mikasika an'i Lazarosy sy ilay rangahy mpanan-karena.Lazarosy tonga dia nankarina any an-danitra ilay mpanan-karena kosa dia maty nalevina ary mitaraina ny tsy hamela ny havany ho any amin'ny toerana misy azy fa mafy hoy izy.
Kristy no niteny hoe efa maro ny oloko no nalefako ka ireny no hampilaza an'ireo fianakavianao.:arrow: efa nomena chamce daholo ny rehetra izay naheno ny tenin'Atra ka anjarany ny mino sy manaraka na manda.
Dia ahoana indray izany ireo mbola tsy naheno ny tenin'i kristy fa maty talohany nandehanany tety an-tany?
Izay mahay lalana dia ny lalana no tsaraina azy,ary izay tsy mahay lalana dia ny ataony no hitsaraina azy.Ao anaty baiboly koa io.
Nisy rangahy nijoro vavolombelona izay nilaza fa nahita ny afobe ary tena may tokoa ny hilany ary maimbo ilay solifara izay voalaza ao anaty baiboly.Mbola velona izy hatramin'izao fa io ilany may io foana no hijorony vavolombelona.Maro na any dago aza ny olona efa nilaza nahita ny lanitra na ny afobe ary maro tokoa ny boky mitantara an'io kanefa dia saika mitovitovy daholo ny fitantarany.Samy tsy mahalala izany isika hoe aiza no mandeha ny fanahin'ny mpino fa ny fanahin'ny tsy mpino no nazavaina sy ny fihovantsika rehefa tonga i kristy( I Kor 15:51-53).
63. niryna ( 16/08/2007 04:44)
ikaretsaka:

ka ilay saim-patany matetika dia ilay mitsimpona ilay teny izay metimaty aminy ihany, fa ny sisa odian-tsy hita
hery atsy ambadika atsy :
Tenin'i Jesoa koa io firaisana io ka dia manao ezaka... fa tsy hoe ny tenin'i Jesoa sasany ihany no arahina fa ny sasany izay mikitikitina ny momba ny tena odiana tsy hita.

dia aoka handinin-tena

Tena mbola tsy azoko mihitsy ity lazainao mitsipona teny lava ity.Amiko ny fanomezanao ireny tenin'Atra ireny no manampy ny olona,tsy ny saim-pantantsika no tiana hitarihany ny olona fa izay voalazan'ny soratra masina.
Ho antsika izay mangetaheta ny tenin'Atra
Misaotra an'ATra lehibe aho fa afaka mamaky baiboly amin'izay ny olona rehetra fa tsy manao routine manao zavatra miverimberina lava tsy ahitana vokantsoa.
Raha mbola manana andro ianareo aza mitsahatra mamaky ny tenin'Atra,anjaranareo no mandray izay omen'ny tsirairay eto na mitsipona ny tenin'Atra na manao izay saim-patany ka manohitra ny tenin'Atra lava.Vavolombelon'ny mpiasa ny bainga voavadika
Na isika miaraka aminy na isika manohitra azy fa tsy afaka ny hiteny hoe miaraka aminy kanefa tsipahina sy atoro vohana daholo ny ondry ary dia lasa mivoaka ny vala fa mpitari-bato vilam-bava toy ny fariseo ka izay ataony aza atao fa izay tenenina no atao.=))=))=))=))

64. niryna ( 16/08/2007 04:53)
ari.malala:

Mahatsiaro sy mankalaza ny niovan'ny Tompo tarehy isika anio, dia voalaza ao @ Evanjely fa nony niova tarehy Jesoa dia nisy roalahy niseho taminy sy niresaka taminy dia i Moizy sy Elia, ka ahoana ry Niryna ilay hoe tsy mifoha intsony ny maty????

Ny vatana no ao am-pasana ary tsy maheno izay ataontsika intsony.Izany no antony tsy andehanana any am-pasana na mivavaka ny maty.Ny fanahy no mbola velona ary miandry ny fitsarana.Ity vatantsika ity dia misy nofo sy ra (io no manao izay filan'ny nofo) ary ny fanahy ao anaty no maha antsika antsika.Io fanahy io no tsy maty ary io no miandry rehefa tonga kristy ka ny fanahin'ny maty no mitsangana voalohany dia avy eo isika mitsena azy eny amin'ny habakabaka.
Vakio ny fanazavana nomeko an'i fahamarinana
Raha manana fotoana ianao dia vakio ny baiboly :
Gen 3:4, Gen 2:7, Mpit 12:7,Mpit 9:5-6,Sal 6:5,I kor 15:51-55
Mazotoa aky a.Atra ny fiadanana anie hanome hery sy fanazavana ho anao.:*

65. niryna ( 16/08/2007 04:56)
tywa68:

ka tsy misy miady eto ry bozyboleta, fa misy tsy mamaky tsara, dia lasa ohatrany mananihany, na rehefa hoe resy lahatra tsy miteny hoe marina zany, na diso zany fa izao no antony !
Raha ny hanova aloha i Jesoa Tompo ihany no afaka hanova antsika, raha mangataka izany isika :-*




=D=D^:^
66. niryna ( 16/08/2007 05:08)
ikaretsaka:

[quote=tywa68]
ka tsy misy miady eto ry bozyboleta, fa misy tsy mamaky tsara, dia lasa ohatrany mananihany, na rehefa hoe resy lahatra tsy miteny hoe marina zany, na diso zany fa izao no antony !
Raha ny hanova aloha i Jesoa Tompo ihany no afaka hanova antsika, raha mangataka izany isika :-*


Ilay tsy manome antony io no betsaka mihitsy rehefa tsy manaiky ho resy lahatra!
niryna:

Raha te hiteny ianao hoe tsy ekenao izany.. dia mba omena mazava ny antony tsy hanekenao azy aloha
Ka matetika avelan'ny satana mihodina lavitra ny resaka,manome porofo lazaina mitsipona ,tsy mahita porofo anefa ny milaza fa mitsipona baiboly sy manao pli-vava.Mila mivavaka isika vao miditra ato fa faly satana mandrirotra etsy ,mamely ny hafa ery dia tsy misy tonga any amin'izay tanjona fampielezana ny tenin'ATra foana ny hafatra mattttteeeeetttttiikkka.


Dia izay foana no mitranga fa mba diniho anie e,misy tena tsy ahitana fianarana na mba andraisana fampaherezana fa mifanohitra ny olona foana na hita fa diso be izao aza ilay valinteny.:D:cry::cry:
Anjaran'ny tsirairay no mandray izay fantany fa samy mahafantatra izay tandrifiny avy.Ilay manara-drenirano manohitra foana fa i ranona ekipanay no tena mampalahelo,lasa mivoana dia lasa manaraka ny ranon'anosy ilay izy amin'ny farany.:D


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7338