Inona no atao rehefa tonga izao...

1. xxx ( 01/08/2007 06:21)
Lalina mihitsy ity fitiavana ity fa ny aza voany ihany, nisy namana teto nifandray tamiko efa naharitraritra, nandeha teny ny andro sy ny volana, tsy nijanona nifanerasera teto izahay, roa volana lasa izay, nihaona izahay ary lasa mpifankatia. Tsy mihaona matetika izahay fa mifandefa hafatra sy mifampiantso fotsiny nefa na izany aza nisy ihany ny fotoana nihaonana. Nahafinaritra ery ny fiarahana saingy ny fitia angalarina hono misy fetra hatrany. Nifanojo t@ paka kitay izahay ka voatery namarana ilay tantara. Efa fantatra ihany ny fahatongavan'io farany io saingy efa tena ao anatin'ilay fitiavana ka izany no mankarary ny foko satria lasa manenina ilay fihaonana aho. Raha ianareo no eo @ toerako dia inona no atao, ilay fitiavana rava eo ihany fa ilay finamanana sy fifandraisanay nahafinaritra koa dia voatery tsy maintsy hofaranana koa ?:?:
2. meva2 ( 01/08/2007 07:21)

Ny azoko hanampiana anao angamba dia,
Avadiho ilay fanontaniana ho lasa hoe:
Raha izaho ilay "mpaka kitay" dia ahoana no handraisako azy dia inona no andrasako amin'ilay olontiako?
3. xxx ( 01/08/2007 08:29)
misaotra t@ izany fanampianao izany ary azoko tsara ny tinao holazaina, ny tena manahirana ny saiko zany dia ilay fihavanana rava e! ilay finamananay teo ary tsy afeniko fa misy nenina ihany ao amiko t@ nahitako azy mivantana satria raha araka ny hevitro raha tsy nisy io dia tsy ho nisy koa izany fiarahanay izany. Tsy dia mampaninona ahy loatra izany raha tsy afaka miaraka intsony izahay nefa mampalahelo ahy raha tapaka hatreo koa ilay fifandraisanay @ maha mpifanerasera anay eto ! lalina mihitsy ity fiainana ity ! may aho doran'ny afo :lol::lol::lol:
4. xxx ( 01/08/2007 10:40)
lesona daholo ny fiainana. Rehefa hita fa mandoro dia aza tohizana, raha tsy hoe mahafinaritra anao mihitsy ilay milalao afo.
5. mandrindra ( 01/08/2007 11:32)
xxx, tsy voatery faranana izany ka. tohizo ny fihaoanana saingy ataovy en fonction an'ny mpaka kitay fotsiny. mizara fitiavana dia managalà fafiny.:D
6. booboo ( 01/08/2007 11:49)
xxx > fa maninona no manenina ? ankoatra zay, miombon-kevitra @ Mandrindra kounkou zà :°).
7. xxx ( 01/08/2007 12:30)
ataovy lesona ho @ manaraka : c'est l'ami qui devient l'amant, l'amant ne pourra JAMAIS devenir l'ami

raha misy olona tianao hijanona maharitra, ataovy "ami" fotsiny izy

Tsy mety raha "minamana" dans le dos du "mpaka kitay" nareo

Tsarà
8. Fiffi ( 01/08/2007 12:47)
heu.....mba te-hamaly zah saingy tsy aiko loatra ny dikan'le hoe "mpaka kitay" :roll:
9. sechat ( 01/08/2007 13:30)
mandrindra:

xxx, tsy voatery faranana izany ka. tohizo ny fihaoanana saingy ataovy en fonction an'ny mpaka kitay fotsiny. mizara fitiavana dia managalà fafiny.:D
:lol: la vie est belle an !


10. mandrindra ( 01/08/2007 13:45)
sechat, tsy hoe tsara fa atao izay mampilay azy e:wink:
11. evasoa ( 01/08/2007 21:03)
xxx:
Nahafinaritra ery ny fiarahana saingy ny fitia angalarina hono misy fetra hatrany. Nifanojo t@ paka kitay izahay ka voatery namarana ilay tantara.


ka ianao izany anie midikizo e ! Lehilahy lehilahy ihany (mino aho fa vehivavy ianao)

Dia mba eritrereto tokoa any aoriana any ny vadinao sendra olona toa anao dia mba ahoana ny fihetsikao ? Tandremo fa ny atao no miverina :{:{:{

Raha ny fihevitro dia tsy tia anao akory izy fa faly nitsaingoka fotsiny ary zarany aza nifarana teo ny tantaranareo. Mety efa nahita olona asolo anao izy any izao matoa tsy olana taminy ny namarana ny maha mpi"namana" anareo.

Aza maka ny an'olona intsony amin'ny sisa.



Fiffi

mpaka kitay : tompombady na titulaire
12. xxx ( 02/08/2007 06:32)
misaotra anareo rehetra t@ zany torohevitra izany, ny tena mety angamba dia ny tsy mifandray na mifanerasera aminy tsony na @ fomba ahoana na @ fomba ahoana !

evasoa> Dia mba eritrereto tokoa any aoriana any ny vadinao sendra olona toa anao dia mba ahoana ny fihetsikao ? Tandremo fa ny atao no miverina

Marina izany ry evasoa kanefa sarotra ny mametra ny fo tsy hitia ary tsy nataoko fanahy iniana koa ange le izy e ! fa na zany aza aleo ihany le fitiavana no tsy misy toy izay le finamanana e
13. kanota ( 02/08/2007 07:37)
Ny fanafodiny dia mihirahira hoe
MAY AHO DORAN"NY AFO OOO,
MAY AHO DORAN"NY AFO EEEE
=))=))=))
14. kallie ( 02/08/2007 07:51)
enao marina ane efa en connaissance de cause e, ary efa nampoizinao lé izy, d ny amzao d zakaina ny valiny.
Ny am manaraka no tandremana, célibatéra bdb ato am serasera reo ko in ar ty...

15. sechat ( 02/08/2007 09:26)
mandrindra> marina zany :lol:

xxx> Aza mivaky loha fa efa vita zay na mety na tsy mety, dia adaboy any @zay. Izy aza toa tsy sarotiny hoe tapaka le finamanana koa ... Aza de be états d'âme ôtrizany fa ho faty alohan'ny fotoana eo :lol:

Ty farany ty dia eritreritro manokana. Tsy misy fanakianana sns... Mety mbola tia an'azy enao matoa mi-regretter anle finamanana. Tsy haiko na marina na diso le eritreritro.

Bof n'inona mitranga 1 de perdu 10 de retrouvés ;-)
16. xxx ( 02/08/2007 09:54)
xxx:

sarotra ny mametra ny fo tsy hitia ary tsy nataoko fanahy iniana koa ange le izy e ! fa na zany aza aleo ihany le fitiavana no tsy misy toy izay le finamanana e




Marina io , efa teo aho mantsy , teo no nakàko ny lesona hoe raha tsy tiana ho very dia aleo ajanona namana
17. xxx ( 02/08/2007 11:41)
manandrama mifandray aminy ndray de ho hitanao eo ze tohiny @zay mantsy hainao hoe nanao ahoana koa izy zay koa
torohevitra koa zany ana zany an:-D:-D:-D
18. Fiffi ( 02/08/2007 16:42)
evasoa: misaotra akia an ! :) :-*:-*:-*

xxx: heu.....ataovy hanatra daholo zany !
19. mandrindra ( 03/08/2007 06:18)
fiffi, ilay anatra tokony ho raisina izany dia ny hoe tohizo fa tsara:wink:
20. diamondra27 ( 03/08/2007 06:34)
tsisy anatra atao @izany fa matoa manao amant de efa vita calcul doly ny zavatra mety hiseho

Fantatrao tsara fa ho avy io andro iray io de assumer-o @izay e!
aza miseho ho victime moa e!
ianao nangalatra ndray ve no we mila vonjy, au secours, c'est le monde à l'envers.

Ra za no teo @ plasinao de manambaDy za de avelako angalarin'olona ny vadiko de @izay fantako we: hay tahaka izao zany le voan'ny fangalarambady:cry::cry:

Fa vao sambany ve nareo no nangala-badin'olona e!
Zahay anie tsy mankasitraka zany ataonao zany e

very ny finamàna, very ny fitiavana fa ny souvenir de hi-empoisonner anao
Mahaiza mitantana sy mi-assumer de ho hitanao ny vokany
farany: mibebaha haingana fa tsy nety le mangala-bady
de aza atao intsony, fa tsy hisy hitora-bato anao eo, soa ihany fa tsy toy le ramatoa t@ andron'i Jesosy ianao...
MAHEREZA na izany aza


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4403