Fivarotan-tena... tsisy "ekskizy"

1. hery ( 17/07/2007 08:12)
Mety ho possible ve aminareo hoe any aoriana any dia ho foana (tahaka ny fanandevozana) ny fivarotantena? Dia hisy ankalazaina isantaona amin'izay ny Tsingerintaona namongorana ny fivarotantena.

Toa hitako tsy mitombona daholo mantsy ny fialana bala (ekskizy) momba ny fivarotan-tena... ary azo fongorana tsara raha toa ka ny mpiara-monina iray manontolo no miara-mikofoka.

répondu par mangidy le 02/08/2008 20:45
2. rush ( 17/07/2007 08:47)
toa ho sarotra ihany io Hery a!jereo fotsiny izao ny exclavagisme mbola misy hatramin'izao na dia efa misy fotoana koa aza fankalazana an'io!
"hery":
ary azo fongorana tsara raha toa ka ny mpiara-monina iray manontolo no miara-mikofoka.
tena azo atao marina io saingy @ fomba ahoana?ny fivarotan-tena nefa dia misy mandray azy ho asa mihintsy ko!
3. geely ( 17/07/2007 09:52)
tsy possibla mitsy izany na haniry nify ary ny akoho hoy ny fitenenana izay. Asa mora io sady ahazoana fafiny ko ialàna?
Io anie ilay tena hoe ariary zato am-pandriana @azy e.
4. nikopol ( 17/07/2007 10:33)
Amiko indray dia ny condition de travail an’ny olona mpiasa seksa no tokony hatsaraina. Any amin’ny pays nordique zao efa manomboka manana statut ry zareo, securité sociale sy ny sisa, raha sendra marary na ohatr’izany, izany hoe mpiasa tahaky ny mpiasa rehetra. Betsaka ny ezaka tokony atao, ny fi-controler-na ny Mac, mba tsy hisian’ny asan-anterivozona. Ny fanaparitahana ny protection contre MST. Ny fanatsarana ny mangarahara eo amin’ny tolotra sy tady mba tsy hisy fitaka.

Raha safidin’ilay olona ny hivarotra ny service seksany, ary raha safidin’ny mpividy koa ny hividy. Rehefa resaka samy olon-dehibe ilay izy. Aiza nny olana?

Azo eritreretina hoe nohon’ny resaka moraly dia tiana ny hanafoana an’io, saingy tsy realista izay. Satria matoa misy io hatramizao dia ilain’ny olombelona izany. Ary mino aza aho fa mihavitsy ny ny marary saina nohon’ny asan’ireny olona ireny. Misy “makorely” tena tia ary manaja ny asany tokoa ( hisaorana tsika izy reo nohon'ny fahasoavana vitany). Misy koa ange tsy makorely ofisiely, fa mampiasa seksa ho fitaovampiadiana e. Tsy misy maharatsy izany rehefa mangarahara ny tsena. Ary olondehibe ny mpilalao.

Za izao raha misy madama bebevola mila seksa multiservice dia azo eritreretina tsara ny lalampanorenan’ny takalo.

KSM
(Komany sady Milay)
5. simplex ( 17/07/2007 11:31)
niko,
=))=))=))
mendrika ny ho minisitra ela ity ;-)


hery:
Toa hitako tsy mitombona daholo mantsy ny fialana bala (ekskizy) momba ny fivarotan-tena... ary azo fongorana tsara raha toa ka ny mpiara-monina iray manontolo no miara-mikofoka.
misy fampihomehezana iray zay hoe in ozy ny asa faran'ze ela indrindra no nisiany d ny valiny d hoe ny kox.
Zany hoe t@ testamenta taloha, t@ andron'ny Abrahama tany d efa nisy ny kox.
Tsy hoe fatalisme an, fa @ maha olombelona ny zanak'olombelona d mbola hisy foana io. Araka ny kozin'i niko hoe resaka bizina fotsiny tsotra izao, misy demande d misy offre, izay no manome ny equilibre.
Anjaran'ny tsirairay no mahatsapa hoe ilainy ve le service sa tsia :P
6. jefra ( 17/07/2007 15:39)
hery:

Mety ho possible ve aminareo hoe any aoriana any dia ho foana (tahaka ny fanandevozana) ny fivarotantena? ...


Fa angaha moa foana ny fanandevozana? Miova endrika, miova loko fotsiny le izy amiko.

Ny fivarotantena indray, samy mivarotra daholo, arakaraky ny toerana misy (Politika, asa, fivelomana...betsaka ny ohatra). Tsy ny mijorojoro ihany no mivarotra fa izay rehetra mamono eritreritra hahazoana tombony/tambiny/metimety izay mety tsy ho vola matetika.


7. hery ( 17/07/2007 15:40)
simplex>

Asa ve ny maha-kox? Enregistré any amin'ny ANPE sns?

Ny asa tranainy indrindra dia toa ny Fihazana (Chasse) na ny fambolena. Angamba ireo tsy voasoratra ao amin'ny bokin'i Abrahama dia tsy fantatra.

8. cutie ( 17/07/2007 15:42)
Mpandefa : hery [ Valio ] 17-07-2007 10:12:46
Lohateny : Fivarotan-tena... tsisy "ekskizy"
Mety ho possible ve aminareo hoe any aoriana any dia ho foana (tahaka ny fanandevozana) ny fivarotantena? Dia hisy ankalazaina isantaona amin'izay ny Tsingerintaona namongorana ny fivarotantena.

Toa hitako tsy mitombona daholo mantsy ny fialana bala (ekskizy) momba ny fivarotan-tena... ary azo fongorana tsara raha toa ka ny mpiara-monina iray manontolo no miara-mikofoka.

iadio alou ny fahantrana :lol:
9. mamy23 ( 18/07/2007 04:44)
Mahakely finoana aloha ny hitsaharan'ny fivarota-tena. Io anie ka fijangajangana e! Ka rahoviana no ho foana izany ? Raha mbola misy koa ny olona dia mbola hisy foana io fijangajangana io ary izany indrindra no nampidirana azy tao @ didy folo "Aza mijangajanga".

10. pissoa ( 18/07/2007 06:00)
Ny fijangajangana no mety tsy ho foana ka ... fa ny fivarotan-tena mety ho foana ihany, na haka endriny hafa toy ny fanandevozana !

Ary mba misy trosa ve amin'ireny varotra ireny e ? na mampiasa credit/debit card ... any amin'izany varotra efa mandroso lazain'i Nikopol zany :oops::oops::oops::-D
11. ari.malala ( 18/07/2007 07:39)
pissoa:-D:-D:-D

za alo mino mints fa mety foana io raha tena miezaka ny manova toetsaina ny mpanao azy io e! sy koa misy ezaka @ lafiny tolotra ara-kasa
12. lapino ( 18/07/2007 08:22)
jefra:
Fa angaha moa foana ny fanandevozana? Miova endrika, miova loko fotsiny le izy amiko.
na ilay tsy miova endrika sy tsy miova loko aza mbola tsy foana ko
13. mamzelkely ( 18/07/2007 09:07)
ka le izy mety ho sarotra satri le mpividy ko misy fôna ko refa tsisy mpividy tsony ve izy ts ho fôna ihany :°)
14. mandrindra ( 18/07/2007 10:11)
fivarotan-tena : "tsy mila eksikizy".
fa maninona no mila foanana io zavatra io? fa manelingelina an'iza? dia moraly toa inona no mandrara azy io?
15. simplex ( 18/07/2007 10:49)
hery:
Asa ve ny maha-kox? Enregistré any amin'ny ANPE sns?
secteur informelle no misy azy k. Za mieritreritra mintsy hoe refa tsy ho foana ihany d tokony ho formaliser-na io d atao avo be ny taxe-ny , karazana disincentive ihany zany :°)

hery:
Ny asa tranainy indrindra dia toa ny Fihazana (Chasse) na ny fambolena. Angamba ireo tsy voasoratra ao amin'ny bokin'i Abrahama dia tsy fantatra.
ekena!! fa zany hoe karazana atsikana nge le izy e ;-)

mamy:
Mahakely finoana aloha ny hitsaharan'ny fivarota-tena. Io anie ka fijangajangana e! Ka rahoviana no ho foana izany ? Raha mbola misy koa ny olona dia mbola hisy foana io fijangajangana io ary izany indrindra no nampidirana azy tao @ didy folo "Aza mijangajanga".
sao d mba tokony hatao sous-article ao @ didy folo aza lesy le hoe aza manao-kox le.

pissoa:
Ary mba misy trosa ve amin'ireny varotra ireny e ? na mampiasa credit/debit card ... any amin'izany varotra efa mandroso lazain'i Nikopol zany
zany ny vevavy revolisionera:!: aza gaga isika fa hisy dpt recherche et dvpt kou ny service kox atsy ho atsy :P

ari.malala:
za alo mino mints fa mety foana io raha tena miezaka ny manova toetsaina ny mpanao azy io e! sy koa misy ezaka @ lafiny tolotra ara-kasa
ny ezaka nge misy foana e. Misy ol maniry hoe carriere hoe kox zany ve? :P
Kanefa, jereo fa na any @ tany silamo, izay hoe tena darohana mintsy izany vevavy tratra hoe mijangajanga (fa tsy kox akory an) izany fa iza no afaka miteny hoe tsisy kox any. Saudi Arabia 99% silamo fa tssssssssss odiana fanina fotsiny...

16. Jeankely ( 18/07/2007 11:23)
Ny zanaka KOX aza mibotsina rehefa tafavoaka ny tsenan'ny Mamany koa ahoana no foana=))=))=)).
17. nikopol ( 18/07/2007 13:23)
Inona ny tanjona ao anatin’ny société iray ? tsy ny bien être ny fiaraha-monina ve ? :idea:


Service ilain’ny fiaraha-monina io service iray io, ary araky ny lazaiko dia tokony hatsaraina sy hanaovana lalàna fefy fotsiny mba tsy hisian’ny fanambakana sy fanararaotana. :idea:


Izany hoe tokony hahazo formation kely na stage koa ny mpiasa amin’ireny secteur ireny, momba ny asany sy ny tontolo manodidina ny asany. :idea:


Ireo efa zokinjokiny moa dia tokony hampianarina zavatra hafa hahafahany manao reconvertion rehefa hijanona tsy miasa. Ohatra hoe ahoana ny hahazoana kil fixe na tahakizany. :idea:


Ireo efa retraité(e) efa goaika antitra, ireny indray zao, afaka manome formation ho an’ny olona tsotra eo amin’ny lafiny firaisana. :idea:


Misy cas mantsy ny tsy fahaizan’ny iray na ny roa eo amin’ny couple an’io zavatra io no mahatonga disadisa maro tsy mapilamina ny couple. Ohatra izao misy sipa tsy mahay raha tsy eo ambany foana sady tsy mihetsika mihintsy, na misy koa bandy tsy mieritreritra afa-tsy ny handatsaka ny azy fotsiny dia manadino ny ankilany. Zava-madinika ohatr’izany dia mety tsy mampilamina ny tokatrano.:idea:


Besoin ohatran’ny besoin rehetra ny seksa, tsy hisy hiteny mihintsy hoe aza mihinan-kanina. Ary mahagaga fa tsy dia misy moraly manakana ny fisihan’ny Resto! Ny tsara dia formaliser-na ilay izy, hoe ato 3 étoiles dia ato ao anatin’ny guide Michelin ! Ary tsy afaka manome sakafo efa lany daty. Resaka fahasalaman-bahoaka tsy azo anaovana kitoatoa. :idea:


Raha ny taoka na rongony no rarana dia azo antsaina sahady ny antony handrarana izany. Fa raha seksa kosa, dia atao ahoana ny hijery fotsiny ireo mandry fotsy tsy misy partenaire nefa te hanao.:cry:


Raha ny tokony ho izy aza dia tokony hahazo avy amin’ny fanjakana “bon andehanana” maimaimpoana any amin’ireny koksa ireny ny tsirairay avy, mba hitsinjovana ireo tsy dia manambola firy. Dia anjaran’ny tsirairay avy ny hampiasa na tsia ilay “bon”.:idea:


Efa misy système de paiement betsaka ny momba an’io pissoa a! misy hoe raha miverina in-telo dia mora kokoa ny salan’isan’ny passe-ray. Misy abonnement annuel dia misy solde d’été !:°)

Simplex ho ministry ny koksa ve ? ela sao dia hanao Chef de département Qualité :-D
18. kally ( 18/07/2007 13:26)
hery:

simplex>

Asa ve ny maha-kox? Enregistré any amin'ny ANPE sns?



Aty amin'ny misy anay aty, asa mandoa hetra,manana toeram-piasana (anaty vitrine) sy misy lalàna mifehy azy ireny.
Fa dia raha samy olon-dehibe tokoa aleo izay ifanarahany ao.


19. nikopol ( 18/07/2007 13:33)
any amin'ny pays nordique koa efa manana statut ny koksa (travailleur du sexe) ary afaka misoratra any amin'ny ANPE !

efa betsaka ny mampiasa ny service tahak'izany rehefa reraka avy miasa iny ! Mila mapilaza amin'ny ao antrano fotsiny hoe noana be akia dia nande resto kely a !
20. sitlo ( 18/07/2007 13:51)

Aty aminay, raran'ny lalàna ny fivarotan-tena.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1252