fitiavana ve no lohalaharana sa ny fivavahana

41. cutie ( 15/07/2007 22:40)
mila mijery couple iray njay ngah ?
tsy azoko atao ny mitonona anaran'olona eto koooo

tonony koa :-D
te hahita porofo za we
oul samy hafa finoana, nivady , de nisaraka nefa we Atra 1 ihany no ninoan-dry zareo :-D
42. pissoa ( 15/07/2007 22:45)
ka ahona aza ny hanekena an'io fahasamihafana io , refa tsy nanaiky fa Atra iray ihany

Respect ! Na tsy Kristianina aza ny olona, azo atao foana ny manana respect ho an'ny finoany. Na tsy manompo andriamanitra mitovy aza (Ohatra : Kristianina/bodista) dia afaka mifanaja amin'ny lafiny finoana. Dia toy izany koa ny Kristianina, mila manana respect an'ny finoan'ny iray, tsy miankina amin'ny mahaIray an'Andriamanitra !

Fa na zany aza sao misy mifangaro izany resaka izany. Izaho anie tsy manda ny mampairay ny Andriamanitra e (refa samy Kristianina).
43. pissoa ( 15/07/2007 22:46)
tonony koa
te hahita porofo za we
oul samy hafa finoana, nivady , de nisaraka nefa we Atra 1 ihany no ninoan-dry zareo

voa-kick be eto za koa :oops::oops::oops::-D
44. cutie ( 15/07/2007 22:50)
Fa na zany aza sao misy mifangaro izany resaka izany. Izaho anie tsy manda ny mampairay ny Andriamanitra e (refa samy Kristianina).

fa le we entina hanakonana olana no tsy eken-jy a :-D:-D:-D:-D:-D

Respect ! Na tsy Kristianina aza ny olona, azo atao foana ny manana respect ho an'ny finoany.

ka zay manko
Avy aiza no nahatonga an'le respect:roll:
Tsy avy @ finoana ihany ve ?
samy kristiana alou le oulalzaian eto @ size :lol:
45. cutie ( 15/07/2007 22:54)
Mpandefa : pissoa [ Valio ] 16-07-2007 00:46:05
Lohateny : Re : fitiavana ve no lohalaharana sa ny fivavahana
Voalaza teo :
tonony koa
te hahita porofo za we
oul samy hafa finoana, nivady , de nisaraka nefa we Atra 1 ihany no ninoan-dry zareo

voa-kick be eto za koa

oul fantatra fotsiny nga
Sa oul eto @ serasera :lol:
46. pissoa ( 15/07/2007 22:56)
fa le we entina hanakonana olana no tsy eken-jy a

Ie, azonjy tsara kay ka ! :-D:-D:-D

ka zay manko
Avy aiza no nahatonga an'le respect
Tsy avy @ finoana ihany ve ?
samy kristiana alou le oulalzaian eto @ size

Non, ny respect dia tsy voatery avy amin'ny finoana ! Na olona tsy mpino aza dia afaka manana an'io koa ! Toetra toy ny toetra hafa rehetra (ohatra hoe tsara fanahy, na genereux) ny fahaizana manaja ny mahaizy azy ny hafa ... tsy voatery ho noho ny mahasamy Kristianina.
47. cutie ( 15/07/2007 22:56)
Mpandefa : pissoa [ Valio ] 16-07-2007 00:56:04
Lohateny : Re : fitiavana ve no lohalaharana sa ny fivavahana
Voalaza teo :
fa le we entina hanakonana olana no tsy eken-jy a

Ie, azonjy tsara kay ka !

azoko nge e
misikotra an-jy fotsiny za :-D
48. cutie ( 15/07/2007 22:58)
Non, ny respect dia tsy voatery avy amin'ny finoana ! Na olona tsy mpino aza dia afaka manana an'io koa ! Toetra toy ny toetra hafa rehetra (ohatra hoe tsara fanahy, na genereux) ny fahaizana manaja ny mahaizy azy ny hafa ... tsy voatery ho noho ny mahasamy Kristianina.

ny biby koa manana respect :-D
49. pissoa ( 15/07/2007 22:59)
njy ratsy toetra an ! :twisted:
za zao efa te hidodo mitsy fa njy be fantaniana be de tiko valina aloha sao misy mandika vilana ny teniko refa lasa tsika roa :-D:-D:-D:-D:-D

za tsy hamaly tsony fa bn njy :-*:-*:-*:-D
50. cutie ( 15/07/2007 22:59)
Non, ny respect dia tsy voatery avy amin'ny finoana ! Na olona tsy mpino aza dia afaka manana an'io koa ! Toetra toy ny toetra hafa rehetra (ohatra hoe tsara fanahy, na genereux) ny fahaizana manaja ny mahaizy azy ny hafa ... tsy voatery ho noho ny mahasamy Kristianina.

Azo atao tsara zany ny mifanambady samy hafa finoana
raha respect no atao base :-D
51. cutie ( 15/07/2007 23:00)
Mpandefa : pissoa [ Valio ] 16-07-2007 00:59:27
Lohateny : Re : fitiavana ve no lohalaharana sa ny fivavahana
njy ratsy toetra an !
za zao efa te hidodo mitsy fa njy be fantaniana be de tiko valina aloha sao misy mandika vilana ny teniko refa lasa tsika roa

za tsy hamaly tsony fa bn njy

aza taitra njy fa za be fanontaniana :-D
52. cutie ( 15/07/2007 23:02)
Mpandefa : pissoa [ Valio ] 16-07-2007 00:56:04
Lohateny : Re : fitiavana ve no lohalaharana sa ny fivavahana
Voalaza teo :
fa le we entina hanakonana olana no tsy eken-jy a

Ie, azonjy tsara kay ka !

azoko nge fa za miezaka mamantatra an'le in no antony tsy haneken-jy an'azy :lol:
53. ari.malala ( 16/07/2007 06:50)
bosista:

manaona daoly!
afaka mivady ve ny olona anakiroa samy hafa finoana ary samy mafana fo? ny ray katolika ny iray jesosy mamonjy oh, ary raha mifankatia be nefa samy mitazona ny azy, azo atao ve ny manamasina ny mariazy amin'ny fiangonana roa tonta sa ny fiangonana iray iany de fa ampy? nefa ho possible ve izany amin'izy roa tonta fa tsy ho entina koa @ fiangonan'ilay anakiray? nefa samy olona manana ny maha-izy azy @ fiangonany izy roa? ahoana ny tokony ho famahana ny olana am-pilaminana sy am-pahendrena?



Fahitako anazy manokana, misy foana ny olana! mety hoe any amboalohany tsy hisy ny olana fa samy mbola mafana ny fo amle fitiavana, fa refa ela ny ela, mitranga ny olana! sady ny fahalalako, tsy mandray ny mariazy ho sakramenta angamba ny jesosy mamonjy (ifonako raha manohina ny mpino ao @ io finona io fa ny fahalalako hoy aho an) nefa am katolika dia masina ary tsy azo ravàna mandrakizay ny mariazy.
54. bosista ( 16/07/2007 07:04)
manaona daoly,
zao: marina fa Andriamanitra de iray ihany tsy lavina io,fa hitanareo ny finoana tsy tokony hampisaraka fa amin'ny olona tena pratiquant de sarotra be lay fisamihafana eo amin'ny finoana zaho mahita olona samy hafa finoana mifanambady fa tsy misy olana, fa ry zareo aloha tsy dia pratiquant loatra, de tsy misy olana, ary lay dinika narosoko eto dia tsy cas-ko lay izy fa an'ny namako ,zay mila soso-kevitra amiko ,mifankatia be ry zareo de hiroso amin'ny mariazy fa ny olona dia io mazava io ,indrindra koa tena manampy trotraka de le @ le fianakaviana, le vevavy aloha de nilaza fa tsy tokony misy raison ny antony hitondrana ny mariaziny any amin'ny fiangonan'ny lay lelahy satria izy no avoaka ,ary ny lanonana dia atao amin'ny toerana misy azy raha teo dia amin'ny tranon'ny ray aman-dreniny ka tokony ho any daholo zany ny raharaha rehetra, lay lehilahy kosa nilaza fa @ resaka lanonana tsy maninona na atao any amin'ny vehivavy satria izany no fomba fa ny fanamasinana kosa mba tokony atao amin'ny fiangonany satria ny lahy no lohan'ny vavy hoy ny soratra masina,ka tokony hanaraka ny lahy ny vavy, de namaly ny avy amin'ny vehivavy hoe marina zany , lay lehilahy koa menatra ny fianakaviany sy ny mpiara-miangona aminy ny amin'ny hoe hitondrana ny mariazin-dry zareo any amin'ny vehivavy fa toa lasa manaraka vehivavy, mba tsy hilazana hoe resim-bavy, nefa tena marina izy no mampiakatra!!izy no maka vady fa tsy alaina ho vadiana...de tsy hay ny atao azy! nefa mety ve zany mariazy double zany!??
55. lapino ( 16/07/2007 07:25)
Tsy resaka fivavahana sy finoana no olana raha izany, fa fianakaviana sy fiaraha-monina :?
56. kally ( 16/07/2007 11:47)
Adino hono angaha ilay hoe "Fa ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra : Finoana, Fanantenana, Fitiavana, fa ny Fitiavana no lehibe indrindra."
57. booboo ( 16/07/2007 12:01)
zà mbô gaga ry Kally
58. diamondra27 ( 16/07/2007 13:18)
na inona na inona fivavahana misy anao dia tokony hisy fampianarana mikasika izany rehefa hanambady.

Te-handika ilay izy ianao dia ataovy fa efa naseho anao ny lalana tokony hizoranao dia aza mitaraina any aoriana raha toa ka misy ny olana.

Amiko na inona na inona fivavahana dia izao we: raha tsy Jesosy Kristy no manjaka ao @ilay tokantrano dia hisy ny olana.
Eto izany anefa : ny TJ tsy mino an'i JK de mazava ho azy fa dès le debut de misy tsy mety ilay fiarahana.
Raha hiaraka ianareo de amiko izany satria araka ny hevitrareo mafy, mafonja, mahery ny fitiavanareo fa hifanambady ihany ianareo.
Possible izany kanefa izao no tadidio ny devoly tsy tery lalana ary ireny milaza azy ho Xna ireny mihintsy no samy mifamely @ versets , aona ozy ny SM ? zao ozy ... de hoy ndray le finoana iray: ye ary jereo tsara aza ny voalaza ao@ zao sy zao .... De ho lasa ny tenin'Atra indray no fototry ny fifandirana a@izay.

Alao ambony alao ambany. Mivavaha tsara aloha mangataka @ Tompo izay tena heviny vao miroso @izany mariazy zany.Sao dia ilay hevitrao no lazainao fa hoe: hevitry ny Tompo.

Tsy misy mahay manompo Tompo roa...
Andriamanitra dia saropiaro...

Rehefa tona @ilay fitiavana AGAPE ianreo dia tsy hisy io olana io. Katsaho ary zany fitiavana Agape izany.

Mazotoa.
Aza maika ny hanambady fa fantaro ny sitrapon'Atra aloha.
59. ikaretsaka ( 16/07/2007 13:58)
kally:

Adino hono angaha ilay hoe "Fa ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra : Finoana, Fanantenana, Fitiavana, fa ny Fitiavana no lehibe indrindra."


raha fitiavana tsy mampivavaka dia gravy be ko!
betsaka mihitsy io manao hoe tsy maninona io e, mifankatia isika e, sns... nefa elaela any dia tany!

za aloha miobona hevitra amin'i pissoa amin'io hoe tsy mety loatra io satria Andriamanitra 1 io e! fika entina miady sy mandamina resaka fotsiny io.
Raha andriamanitra 1, maninona no samy manana ny fiheverany azy?

Ny mivavaka miaraka, mijanona miaraka.
Those who pray together, stay together.
Ceux qui prient ensemble, restent ensemble.
60. vavolombel ( 16/07/2007 17:19)
amiko aloha mba handaminana azy de izao e:samy kristianina mpianatry ny tompo ry zareo tokony tsy hisy ny olana fa afaka mifanaraka tsara,mifankatiava hoy ny tompo mba ho fantatry ny olona fa mpianatro ianareo!atao ankitsapaka ilay izy de izay avoakany ao de iny no arahina fa tokony hivavaka tsara alohan'ny manao ankitsapaka ,raha mifanaraka amin'izany tsara!satria ry zareo mifankatian tsinn ! fa rehefa mivady ve de samy hitazona ny azy sa mbola hitohy ny film??? indrindra koa rehefa mananjanaka? aza hitako ho zaraina koa lay zaza!!!
fa maninn ary isika samy kristianina no misy olana otran'io ? nefa ny kristianina sy ny jentilisa na jentilisa samy jentilisa tsy misy olana????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0082